Na izaho aza tsy nino. Efa nisy nanoratra indrindra izy io tamin'ny Globalvoices Online fa tsy sahiko ny nandika azy tamin'ny volana Janoary. Efa niteny izy tamin'izany fotoana izany fa nahavita maotera mandeha amin'ny rivotra 'voafintina' (air comprimé) na ny marina kokoa ny maotera tsotra mahazatra iny no nisy namboariny mba ho afaka mampandeha azy amin'ny alalan'ny rivotra.
Zavabita henjana izy io raha araka izao hita izao fa dia mila fiarovantena henjana ihany koa io raha tena tontosa tokoa satria mety ho avy ny sasany hamono azy izay vao 15 taona monja rehefa misy tsi-fifanarahana amin'ny tsena.
Itony vaovao itony dia nanana ny lazany tamin'ny fotoan'andro nandehanan'ny karajia. Na dia mba miezaka ny hampahalala ny antsipiram-baovao aza ny mpihaino any amin'ny kidaona maraina, hany sisa azo iresahana dia tsy hahenoana valiny sady tsy misy manampy rahateo, resaka kivalavala vianinany ihany no tena renao any.
Tany ho any amin'ny tapak'ity volana ity no nahenoana fa naverina ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana any amin'ny minisiteran'ny tetibola (Sampandraharaha ankapobeny momba ny hetra). Ny antony tsotra nolazaina dia nisy zavatra tsy ara-dalàna. Raha nomanina manko ity fanadinana ity dia nolazaina fa hatao mangarahara ity fanadinam-panjakana notontosaina tamin'ny tapaky ny volana desambra ity. Hanara-maso akaiky ny fanadinana manokana ny Bianco sy ny resaka hafa toy izany. Dia io fa haverina hoe.
Lasa amin'izay ny tombatomban'ny olona hoe nisy nahita "sujet" ve? sa nisy inona tokoa? Raha mbola eto ampiakarakarana azy talohan'ny tapaky ny volana desambra manko dia nolazaina fa tsy hisy hahita mialoha ny laza adina izany. Mipetraka anaty kapila mangirana misy fanalahidy manko araka ny filazany ka ora iray mialoha ny fanombohan'ny fitsapana vao atonta printy ny laza adina. Ny fanalahidy moa dia ny ao amin'ny foibe mihitsy no mamoaka azy vao mety misokatra.
Dia tsahotsaho sisa, satria tsy hamoaka fanavazavana amin'ny antsipiriany mihitsy ny ao amin'ny fitondrana na dia notadiavin'ny maro aza izany, no nahenoana hoe nisy nampifamadibadika hoe ny anarana sy ny taratasy nosoratan'ny mpiadina nokasaina hahaafaka ny "namana" sasany kanjo tratra izany kinasa izany. Dia izay hoe no antony!!! tsy ofisialy. Manana namana mpamaham-bolongana ao amin'ny minisiteran'ny vola sy ny tetibola isika saingy tsy hanery azy hamoaka ny fantany sady mety tsy ho hitany rahateo izao lahatsoratro izao.
Misaotra anareo rehetra izay nifidy sy tsy nifidy ahy, nahatonga ahy ho "Best of malagasy blogs" taona 2007 teny malagasy. Tsy zavamora izany satria avy amin'ny safidinareo mpamaky sy ny naotin'ny mpitsara. Tsy adinoina ihany koa ny fisaorana ny mpikarakara ity fifaninanana ity ho fampiroboroboana ny tontolom-bolongana malagasy manerantany. Ankasitrahana ny namakianareo manokana ity blaogy ity hatramin'izay ary hamakianareo azy hatrany. Tsy afaka ny hihambo ho mahay indrindra amin'ity zavatra ity anefa aho fa toy ny zazavao hatrany, na raha manahirana io teny io dia hoe mbola mianatra mandrakariva.
Raha natao manko ny fampitaha ary tsy afenina izany, dia nihena atsasany tany ho any mihitsy ny mpamaky raha nampitahaina ny isany tamin'ny Visavisa Jentilisa sy ny Vaovao Eto an-TOerana. Nefa mbola nosafidianareo hatrany ho ny tsara indrindra tamin'ny taona 2007 aho teo amin'ny teny malagasy. Heveriko fa ny fotoana nandaozana ity sehatra ity elalea na/sy ny fibahanan'ny politika no anton'izany fihenan'ny mpamaky izany. Fakana lesona avokoa ny zava-drehetra. Tsy maintsy hisy hatrany ny fivoarana araka izay azo atao na dia izany aza.
Eto indray dia mankahery anareo mpibilaogy (mpamaham-bolongana hoy aho izay) rehetra hitozo hatrany, noho ny fitiavana, ho fampiroboroboana ny teny malagasy amin'itony aterineto itony. Any amin'ny lahatsoratry Vazahagasy moa dia naniry izy mba ho malagasy eto Madagasikara avokoa no handrombaka ny fandresena amin'ity taona vaovao ity. Tsy nanomana ary tsy nikasa hanomana izay soratako eto aho fa izay no "vokatry ny fo".
Mifarana indray ity ny herinandro ka dia aleo ny tsikitsiky aloha no hamaranana azy. Ny Rameva tonga eto Madagasikara aloha izao no ambentin-dresaky ny manodidina ahy. Ny hoe maro miresaka azy aloha tsy azoko itompoana kosa. Iza kosa no tsy ho taitra raha maheno hoe misy Rameva tonga eto Madagasikara? Faniriana fahakely ihany ny hahita ny biby tsy fahita ho eto Madagasikara fa ny Liona sy ny Tigra ary ny Elefanta no tena masaka tao an-doha fa tsy dia noeritreretina loatra kosa ny hijery izany Rameva. Na izany aza nahoana tokoa moa raha mba mahita Rameva mivantana ny olona? Mety hilaharana indray izany ny hakany Iavoloha hijery azy fotsiny, na raha tsy tian’ny filoha moa ireto fanomezana voalohan’ny taona hafakely ireto dia tsy lavitra ny Lapa tsy akory ny zaridainan’I Tsimbazaza sy ny Lapan’ny Antanimieram-pirenena.
Oadray tokoa, dia samy manana ny zaridainany tokoa I Tsimbazaza sy Iavoloha an! Ao Tsimbazaza tokoa hay moa ny Biraon’ny Ben’ny tanàna eto Antananarivo. Fa ny ao Tsimbazaza ny biby sy zavamaniry tsy fiompy sy tsy famboly loatra no tena apetraka hotsidihan’ny olona fa ny any Iavoloha indray ny fiompy sy ny famboly no miranty ao. Fa lasa aiza indray ary ilay resaka rameva teo? Saiky hivily tokoa ny resaka marina. Ahoana indray ary ny vazivazin’ny namana: Hojeren’ny filoha indray izany hoe mahatratra firy litatra isan’andro no mety ho azo amin’ny rameva vavy iray, azo sotroina manko ny rononony, ary azo hanina hoe ny henany saingy tsy hanin’ny jiosy io satria tsy mivaky kitro araka ny fahalalako azy, nefa aleo aloha hojerena mivantana ihany. Dia raha misy filazana indray rehefa avy eo hoe hanafatra rameva be dia be isika dia mety hahazo tombony anatin’izany indray ilay orinasa efa midadasika tsy tononiko izay. Ny azy manko io ronono io ihany no tena mba angadiny…oadray talentany no marina kokoa.
Fa ny tena nahatapaka ny tsinaiko dia ilay saritatra nataon’i Tojo ao amin’ny joro “Passe-Par-Tojo” androany tao amin’ny Midi Madagasikara iny. Tsy naka alalana fa dia aleo tantaraina an-tsoratra ihany. Indreo ny Rameva fa mipetraka tsy dia lavitra loatra ny Lapa, ankevitry ny any ho any amin’ny faritra “fitaratr’i Madagasikara” any, anivon’ny biby sy ny zavamaniry. Misy mirahalahy miresaka eo ka hoy ny anankiray hoe: Il ne manque plus que les mages! (ny magy sisa no andrasana!). Efa tena raiki-tapisaka amin’ny olona tokoa noho ny sary fa rameva no nandehanan’ny magy na dia tsy mahatadidy izany loatra ao amin’ny baiboly aza aho. Dia misy zazalahikely mitondra manolotra tavy kely amin’ny rameva miteny hoe: Hinana Yaolta? (hihinana Yaourt?). Dia hoy aho hoe mbola tsy lasa lavitra tokoa ny Noely ry zareo. Noely fankalazana ny “ Fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no nomena antsika, ary ny anarany dia atao hoe Iman…uel” fa raha eto amintsika angamba noho ny fifidianana farany teo dia andeha atao hoe “raj…uel” (izy manko no nofidian’ny maro an’isa koa!). Dia ahoana izany? Ataonareo hoe Heraoda ny filoha izany? Tezitra amin’izany eo izy an!
Fa lasa ihany ny saiko ry zareo, nahoana moa ny efa nanana anarana hoe rameva ny rameva teo amin’ny Malagasy? Edrey! Tsy maintsy noho ny fitadiavana voambolana teo amin’ny baiboly ihany io ry nao a! tonga teo amin’ny tantaran’i Esao sy Jakoba, na Abrahama ohatra dia inona no atao anaran’ny biby tsy fahita eto Madagasikara? Tsatoka sy hanihany sisa fa raha misy moa ny tahirinkevitra milaza izany mety hahafinaritra ihany. Avy amin’izay ary ny Misionera mpandika teny nampiseho ny sary tamin’ny mpianatra (Malagasy) sady mpiara-mandika ny baiboly ho amin’ny teny malagasy rahateo. Dia avy ny Misionera niteny hoe “Kamela ity” na “Diraomadera ity”. Ny mpianatra kosa vatany vao nahita ny sarin’ilay biby dia nisy niteny hoe “Raha meva tokoa izy izany” Mety ny teny hoe madera avy tamin’ny Diraomadera izay mitovy dika amin’ny meva sy ny tsara ary ny soa sisa no henon’ny mpianatra mijery sary vao. Dia namerina ny misionera hoe “Diraomadera”, novalian’ny mpianatra ihany hoe “Eny e! Raha meva” Dia noraiketina ho Rameva ny anarana nifanarahana. Hanjohanjo ihany izany fa mety noho ny fitiavan’ny iray amin’ny mpandika teny tokoa, tsy fantatra na malagasy na vazaha, ny biby no nahatonga azy hoa rameva “nahazo anarana manomboka amin’ny Ra…” Angano angano à rire à rire…
Dia tsy namelany raha tsy matiny ilay olona. Hatraiza ny fetran'ny fankahalana sa fetran'ny fitiavam-pahefana ka ahavitana hatramin'ny mamono ilay olona? Angaha moa vitan'ny hoe mamono na mampamono fa mamono tena amin'ny baomba ilay olona avy eo?
Mampiaiky ahy ity tantara iray ity sady mampalahelo ahy mihitsy! vehivavy mahery fo Ramatoa Benazir Bhutto na izany aza. Nahasahy niverina an-tanindrazana na dia fantany mazava aza fa tandindonin-doza ny tenany manao izany. Raha vao nitodi-doha fotsiny izy tamin'ny volana oktobra iny dia efa nis ny nanapoaka baomba ny tenany saingy tsy nahavoa aloha tamin'ny fotoana iny. Fa ity kosa dia tena voakendry izy.
Noho ny mahavehivavy miozolmana azy ve no tsy ahazakan'ny sasany ny herimpony? Sa dia izay tokoa ny fepetran'ny lalao amin'itony firenena itony? Dia ahoana hoy ny USA amin'ity tranga ity? Mahereza Pakistana! Liam-pivoarana ve ianao?