Araka ny efa nolazain’ny namana hafa any amin’ny bilaoginy any dia notontosaina omaly ny fihaonana fahaefatra teo amin’ireo mpibilaogy mipetraka sy mandalo eto Antananarivo. Azo lazaina fa ity no nahavoriana mpitoraka betsaka indrindra nefa nahitana mpamaky vitsivitsy ihany koa. Araka ny efa fantatra moa dia teny Soavimbahoaka no nanatanterahana ity fihaonana ity ary sambany araka ny nolazain’I Barijaona (erantany aza io) no natao tany an-tranona mpibilaogy iray izany fihaonana izany fa tsy tany amin’ny efitrano fisakafoanana na trano fivoariana hafa.
(tohiny)
Miditra amin’ny andiany faha-11 ny fihetsiketsehana momba ny hairaha manara-pandrosoana Ebit fanao eto Madagasikara isaky ny volana Oktobra. Amin’ny ankapobeny dia ny resaka manodidina ny solosaina, ny vitany ary ny fifandraisan-davitra sy ny serasera azo ampiarahina aminy no iompanan’ity fihetsiketsehana ity. Ny lohahevitra banjinina amin’ity taona ity moa dia hoe “Haut débit” na Tambajotra matanjaka… ny gazety taratra no nahitako io dika teny malagasy io fa tsy fantatro raha izay mihitsy no nomen’ny mpanetsiketsika na ny mpanao gazety no nitady sy nametraka ny dikany tao anaty takelaka omaly.
Somary nahagaga ahy ny nandikana ny teny (loza koa fa tahaka ny aretina tsy ho afaka ilay fandikan-teny hatramin’ny nanaovana ny globalvoices teny malagasy izay). Naka rakibolana mihitsy aho, io moa no fanaoko fa izaho angaha mba mahay teny vahiny mankaiza loatra e! ny teny malagasy fotsiny no mba atao metimety ao ary asiana fitohizany tsara ho tahaka ny lahatsoratra teny malagasy ihany. Ilay rakibolana frantsay malagasy notontosain’I François Rakotonaivo iny no nosokafako ho eo amin’ny débit ny takelaka. Toy izao ny fanazavany azy amin’ny teny malagasy: habetsahan-koriana (isem-bentim-potoana). Dia misy resaka momba ny kajimirindra ihany koa ao manao hoe Refi-kabetsahana izany hoe ny isa mivoaka sy miditra ara-potoana ao amin’ny solosaina. Ho an’izay mety tsy hahazo ny teny dia renirano na rano no mikoriana. Eo amin’ny paompy dia na mitete ny rano raha mitsitapitapy ny fivoahany ary misasasasa kosa raha raha be dia be ny rano indray mivoaka.
Teny telo izany no ifotoran’ny fandikanteny avy amin’ny frantsay ho malagasy, dia ireto avy izany: refy, habetsahana ary koriana. Raha mijery ny nandikan’ny gazety azy indray isika dia teny roa ihany no tiany tazonina. Amiko noho izany dia azo ajanona ny teny hoe refy ka ny habetsahana sy ny koriana sisa no tavela. Raha jerena indray ny teny frantsay miaraka amin’ny teny hoe “débit” dia tsy hoe “beaucoup de débit” no nataony fa “haut débit” izany hoe raha adika “avo fikoriana” na “ambony ny fahateteha-mpivoahan-drano” ohatra[mba lava loatra kosa izany ka!]. Milaza tsara ny fisiana refy ao anatiny nefa raha adika teny malagasy fotsiny amin’izao dia tena tsy misy dikany na tsy ho azon’ny tsy mbola zatra aterineto mihitsy.
Raha raisina indray ny teny anglisy raha miresaka ity resaka “haut débit” ity ihany dia fast connection no hitakitako tany ho any. Mahalaza tsara ny zavatra lazainy ihany koa izay resaka izay nefa tena tsotra dia tsotra tokoa: “haingam-pifandraisana”. Samy manana ny filozofian’ny teniny na ny anglisy na ny frantsay eny fa na ny teny malagasy ihany koa aza. Samy azo raisaina avokoa ve ireo teny roa ireo ho amin’ny teny malagasy, izany hoe mifanaraka amin’ny kolontsaim-pitenenana malagasy ve ny avy amin’ny teny anglisy sy frantsay? Raha eny moa tsy tsara ve fa raha tsia kosa dia iza no raisina ary iza kosa no ajanona?
Dia mitodika any amin’ny tantara indray izaho manokana. Resaka fandrosoana no atao eto ka izay tranga nisiana natao hoe fandrosoana “araka ny fijery tandrefana” tamin’ny vanim-potoanany ny hobanjiniko. Handray ny teknikan-dRadama Rainy fony hametraka ny abidia malagasy aho. Ny endri-tsoratra aloha dia nisafidy ny maritsoratra latina izy fa najanony kosa ny maritsoratra arabo nianarany tamin’ny Antemoro Anakara izay nolazainy fa sarotra raisina ihany araka ny fiheverany. Avy eo indray dia mbola nisafidy tamin’ny fomba fanononana ireo abidia ireo indray izy. Ny fanononana ny renintsoratra dia nalainy tamin’ny anglisy ary ny fanononana ny zanatsoratra no noraisiny tamin’ny teny frantsay. Izay tsotra sy hitany fa mety no nataony tamin’izany fotoana izany.
Eto koa dia heveriko fa mitovy amin’izany famahana izany ihany no ataoko. Ampivadiana ihany ny dika avy amin’ny teny anglisy sy teny frantsay… efa samy teny ofisialy eto amin’ny tanàna ihany koa moa ireo ka tsy hitako loatra izay olana. Amin’ny teny anglisy andeha atao hoe efa fiteny mankaleo aza ny teny hoe fifandraisana ka ajanoko, raisiko kosa ny teny hoe haingana. Ny avy amin’ny teny frantsay kosa mbola tsy fandre loatra ny teny hoe koriana afa-tsy amin’ny rano ihany ( fa inona indray moa no fanaon’ny voalavo ry jentilisa?), saingy izao raisina hoe fikoriana ilay teny eto. Efa karazandrazan’ny vonona ihany izany ny teny roa horaisina fa ny fandaharana azy no sisa: Fikoriana haingana sa haingana fikoriana? Mampiavaka ny teny malagasy (nefa mahasarotra ny fikarohan-javatra amin’ny aterineto) ny fanakambanan-teny. Ny teny faharoa no hitako metimety kokoa sy manara-penitra ho amin’ny fanakambana-teny ka manome ny “haingam-pikoriana”. Io teny farany io noho izany no heveriko ho mahasolo ny teny hoe “haut débit” fa tsy tambajotra matanjaka.
Nahoana ary aho no tsy manaiky ny teny navoaka tao amin’ny gazety? Ny tambajotra dia fitambaran-teny roa ihany koa dia ny teny hoe tambatra sy ny zotra. Ny aterineto iray manontolo manerana izao tontolo izao dia efa tambajotra ary tsy misy matanjaka tahaka ny aterineto aloha amiko satria izy no mahavory olona betsaka indrindra manerantany. Raha mivoivoy ianao io sy izaho ity dia efa ao anatin’ny tambajotra isika izay. Izaho mety mandeha miadana ary ianao mety handeha haingana nefa samy ao anatin’ny tambajotra matanjaka isika. Noho izany tsy mahalaza ny hevitry ny teny hoe “haut débit” mihitsy amiko ny tambajotra matanjaka. Fandikan-teny diso toerana ka tsara kantsanana dieny ety ampanombohana. Tsy mpandalina ny teny malagasy akory aho fa mpandala azy kosa ka izay no isahiranako manao izao fanazavana lava dia lava izao.
Hiresaka politika tsy ho ela aho, amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy io, satria vanim-potoanan’ny fifidianana ho solombavambahoaka isika izao. Nanomana lahatsoratra izay aho, no lasalasa tampoka ny eritreritro amin’ity teny hoe boriborintany ity. Voambolana navoaka tany amin’ny repoblika voalohany, nandikana ny teny frantsay manao hoe arrondissement no noboriboriana amin’ny teny malagasy hoe Boriborintany. Tahaka ny manantitrantitra hoe boribory ry zareo ny tany fa tsy fisaka a! (sahirana mihitsy aho nieritreritra izay handikako ilay teny faramparany tao amin’ny lahatsoratra nadikako tao amin’ny Global Voices Online izay).
Tonga dia lasa any amin’ny teny hafa ny eritreritro, nanao hoe fa angaha fiteny ny hoe lavalavantany? Ny baolina (tahaka ny mety ihany koa ny soratra hoe bola an!) rugby (tahaka ny miteny hoe ringibÿ no malagasy rehefa manonona io teny vahiny io) no ataon’ny malagasy hoe lavalava aloha no fantatro. Dia aza mieritreritra zavatra hafa aloha J Ny fotaka volavolaina ho sariolona na sariomby ataon’ny ankizy ihany no alavalavaina amin’ny tanana. Nahatsiaro ny kilalao fahakely natao sariolona karazana miaramila kely aho izany! Tadidinareo efa lehibebe ve? Iny no fetafetaina atao maromaro dia misy koa ny karazana tank misy tafondro tahon’afokasoka kely ary dia tena vato mihitsy no atao karazana baomba hitifitra azy. Mbola atao hoe mitifitra iny tank iny raha mbola mipetaka eo ny tafondro. Ifandimbiasana ny mikendry ny tank-n’izay ifaninanana. Resy ny iray rehetra tafala tanteraka ny tafondro na potika tanteraka ny tank. Ny lalao toy ireny koa angamba no lasa nahaizan’ny malagasy bola an! (petanky io). Fa nivoana izany resaka izany. Aleo averina amin’ny foto-dresaka aloha.
Fa tokony ho fiteny koa izany ny mahitsizorontany. Ny azo ambara aloha ny mahitsy tsy tafiditra fa ny zorontany no efa fiteny ihany. Toy ireny zavatra anjoronjorony ireny ihany e! Misy koa ny vondron’olona no apetraka anjoronjorony. Nefa misy ny zoro izay nomen’ny Ntaolo hasiny manokana dia ny zoro firarazana. Tsy haiko loatra ny nahatonga ny teny fa tombatombanako hoe firariana soa avy amin’ny razana no nihavian’io teny io. Fa na izany na tsy izany dia avy any amin’ny zoro no andakana ny baolina fandaka amin’ny tranga lazain’ny teny anglisy hoe “corner” izay. Mety ho tsy dia mahazatra angamba ilay teny hoe zorontany fa ny sisintany no be mpiteny kokoa. Raha vao izany anefa no lazaina dia toy ny misy fahaverezana ho an’izay tondroina ho any an-tsisitany. Adinon’ny hafa. Tsy maharaka izay zava-baovao hany ka zary toy ny mitoka-monina mandrakariva.
Dia mbola azo atolotra ny mpahay teny malagasy ihany koa ny telolafintany. Ny telo aloha teny manokana manana ny heviny amin’ny fanisana, ny lafintany ihany koa teny azo raisina tsara. Matetika no ampitoviana dika amin’ny teny hoe vazantany izy io. Ary tahaka ny mitovy ihany anie izany teny hoe zoro sy vazana izany e? Tsia, ny zoro tena faritra kely mihitsy fa ny vazana misy fitohizana ihany ka! Raha tsy izany ihany koa anie tsy tonga ny teny hoe faravazana e! Ny lafy no nihavian’ny teny hoe ankolafiny. Tsy voafaritra mazava nefa fantatra kosa ny fisiany. Raha jerena ihany koa raha manondro zorontany ny olona iray dia tany kely no mety ho voatondro fa raha vao miteny hoe lafintany dia mety ho izay itopazan’ny masoano manontolo mihitsy no tondroin’zany teny izany. Fa mbola mahavariana ahy hatramin’izao ny nahatonga ny teny hoe lafy valo fa mangataka aminareo izay mahalala aho fandrao hainareo aloha. Fa mitady haneho endrika boribory ihany koa aloha izany misy lafiny valo izany e! Nefa tsy niteny hoe boriborintany ny Ntaolo talohan’ny fanjanahantany araka ny fahalalako azy.
Dia eo indrindra isika izao, ahoana ity teny hoe boriborintany ity? Raha ny eto Madagasikara aloha dia Antananarivo ihany no manana anaram-panondroana enina samy misy ity teny hoe boriborintany ity. Ary nasiana laharany ihany koa moa manaraka izany. Izany dia teny maka tahaka ny any an-drenivohitr’ilay reny malala taloha! Izao no mahavariana. Amin’ny sarintany anie ny renivohitry ny firenena ka aseho amin’ny teboka efajoro fa tsy boribory e! Dia andramo ary ny mametaka boribory enina anaty efajoro tsy misy banga. Sa ny banga no hantsoina hoe farihin’Anosy na farihin’I Masay (Mbola misy moa ny farihin’I Behoririka sa tsy misy intsony?) Mahafinaritra ry zareo ny mandika teny na dia sarotra aza, tena sarotra tokoa satria efa nanandrana aho, fa ny maka tahaka be fahantany no manahirana ahy amin’izy ity. Naninona izao ny teny hoe firaisampokontany? Sy ny teny hoe fivondronampokontany? Sa teraka tao anatin’ny Repoblika faharoa ireny araka ny eritreritry ny mpitondra amin’izao fotoana izao? Diso hevitra izy raha izany no ao an-tsainy. Ny Filoha Kolonely Jeneraly Ratsimandrava no namoaka ireo teny ireo voalohany tamin’ny taona 1973 izay roa taona mialoha ny 1975 nanombohan’ny Revolisiona Sosialista nijoroan’ny Mandatehezam-pirenena miaro ny tolom-piavotana. Ireo teny ireo no tena teny malagasy madiorano mahalaza tsara izay tiany lazaina fa ny Boriborintany kosa milaza tara-pahefana ananan’ny ivo anankiray. Dia izay aloha ny amin’ity lahatsoratra fanalan’andro ity fa tonga amin’ilay fitenenana manao hoe eritreritra sendra mandalo moa ka natao ho tsetsatsetsa tsy aritra. (Azonareo ve ny nahatonga izany teny hoe tsetsatsetsa tsy aritra izany?)
Somary hodinganina vetivety ny vaovao manahirana ny mieritreritra azy fa mba vaovao tsara indray aloha no hozaraina amintsika etoana. Androany no nisy lahatsoratra amin’ny teny malagasy manontolo ny sehatra iray mpiteny anglisy manontolo ary miezaka mandika izay lahatsoratra ao aminy ho amin’ny tenim-pirenena hafa ireo mazoto manokana ho amin’izany. Mety ho efa nisy ihany ny nitsidika ny Global Voices Online, ka namaky ireo karazam-baovao sy lahatsora-panadihadiana ao anatiny. Izy indrindra no resahintsika etoana. Manomboka izao izany dia misy sehatra iriariavan’ny teny malagasy (vakio eto) manokana ity sehatra azo lazaina ihany fa lehibe sy manerantany ity.
Andeha horaisintsika ho rehareha hatrany ny fananana sehatra tahaka itony hameloma-maso ny tenindrazantsika. Ity sehatra ity manko dia miezaka manambara ireo karazam-baovao tsy manintona loatra ny gazety malaza nefa tsara ampahafantarina ny be sy ny maro ihany koa. Omeny tombondahiny ao anatin’izany ny fizarana ny vaovao avy aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana na avy amin’ny tany vitsy mponina ihany koa. Azo lazaina ihany koa fa miteny ao ihany koa ireo manana eritreritra hafa tsy nomena vahana loatra any amin’ny tany efa mandroso any.
Etsy ankilan’izany indray, marina fa miezaka mamoaka vaovao amin’ny teny malagasy ny maro amin’ny gazety eto Madagasikara. Efa nozarina amin’ny “faits divers” na tsikaritra etsy sy eroa anefa isika raha vao lahatsoratra amin’ny teny malagasy no vakiana. Mino kosa aho fa ny sehatra tahaka itony no hahitana fanadihadiana ataon’olo-tsotra manerantany ho amin’ny teny malagasy mba hananany ny hasina sahaza azy. Koa na dia heverinao aza fa efa novakianao tamin’ny tenim-pirenena hafa ny lahatsoratra iray hitanao tao dia mba tsara ihany koa ny mamaky azy amin’ny tenin’ny Ntaolontsika e! Ndrao koa isika dia vonona ho amin’ny fandikan-teny. Raha mazoto amin’izany fandikanteny izany moa ianao dia tsaratsara kokoa raha manoratra any amin’ny Lova Rakotomalala na any amin’i SipaKV ihany koa, any amin’ny blaoginy any. Marihina anefa fa asa mitohy io na dia asa maimai-poana aza fa tsy vitan’ny taitaitra fotsiny. Dia mirary soa ho antsika eo am-pamakiana azy e!
Raha noeritreretina hampangina ny adi-hevitra ny filazana ofisialy fa fisolokiana ny tolotr’asa handeha ho any Bahamas dia vao maika nampanonja ny adi-hevitra sy ny fampisainana izany.
Raha vao niandoha ity raharaha ity dia nisy ny nahasahy niteny avy hatrany fa mampiahiahy ny fandehan’ny raharaha (sahala amin’ny spam mpandeha amin’ny mailaka sy aterineto ihany). « Tsy matiko lolo » hoy ny rahalahiko izay. Nahoana tokoa moa no aty amin’ny analiny kilaometatra (Salay arivony) no itadiavana mpiasa nefa ny kaontinanta lehibe eo akaiky eo aza be no tsy manana asa ? Ankehitriny vao betsaka no nahasahy niteny fa teo aloha mbola nangina sao voampanga ho mpanatsatso eo.
Ny tena namitaka ny nihazakazaka hitady asa kosa dia ny nampiasana ny biraon’ny fanaraha-maso ny asa (Inspection de travail) tetsy Antsahavola. Faharoa manaraka izany, ny nahitana ny solontenan’ny minisiteran’ny asa nandritra ny famelabelarana ny raharaha tamin’ny mpanao gazety tamin’ny voalohany. Singa tsy azo adinoina ireo satria nanampy be dia be tamin’ny fitaka. Hany ka na dia nivoaka tsikelikely aza nmarina mbola nisy ny nahasahy niteny fa aleony mijaly any an-tanin’olona fa tsy izy intsony ny fiainana eto. Mba efa nahita ilay firohotana be tany Sao Paulo ( Brezila) nataon’ny tanora analiny nanao lobaka sy kiravato milahatra ho mpandroaka fako ve io olona niteniteny foana io ?
Eo no nampanontany tena hoe raha samy hijaly ihany ; mijaly eto an-tanindrazana no azo ihafiana kokoa sa ny mijaly any an-tanin’olona ? Nisy manko ireo nasiaka mihitsy hoe tena fadiranovana loatra ny malagasy eto an-tanindrazana ka izany no mampibabababa azy hitady lalana hivoaka. Moa ny fitaizana natao teto amintsika mihitsy no nampanao paradisa ny any ivelany hany ka be loatra ny manofinofy ny hivoaka na dia ireo tsy mahay teny vahiny akory aza.