Shinoa mampiseho ny fahaizany

2007-09-10 @ 16:07 in Kolontsaina

Feno ny afisin’ny fampisehoana hataona mpanakanto Shinoa sivy mianadahy tsy misy fantatry ny Malagasy loatra ny toerana natokana ho amin’izany tamin’ny herinandro lasa teo. Heverina fotsiny fa manana ny lazany ireo olona ireo araka ny naverimberina tamin’ny dokam-barotra. Mpihira sy mpanao hakingan-tanana no fahaizana manokana ananan’izy mianadahy avy ary nisy aza ny efa tompon-daka tamin’ny fifaninanana hakingan-tanana tany Monte-Carlo. Na dia tsy liana loatra aza aho ny hanatrika izany fampisehoana izany dia te-hahafantatra kosa hoe manao ahoana ny hamaroan’ny olona ho avy amin’izany fampisehoana izany. Maimai-poana manko ny fidirana ary ny Media Consulting fantatra amin’ny fikarakarana fampisehoana rahateo no nalain-dry zareo hanatontosa azy. Raha nisy vidim-pidirana manko dia mety ho sahirana ry zareo fa ny olona tsy hiditra amin’izany fampisehoana tsy misy artista tena fantatra akory. 

 

Ny alahady hariva ary no nanaovana fampisehoana tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina. Asa izay mahatadidy fa nampahatsiahy ahy ny fampisehoana hakingana sy fahaizan’ireo mpanao Cirque Sovietika nandalo teto tamin’ny andron’ny revolisiona ity tantara ity. Tamin’izany fotoana izany dia tena nihiboka tokoa ny Malagasy ka tsy tena maharaka ireo mpanakanto malaza tamin’ireny hany ka izay vahiny mandalo dia mampirohotra ny olona hijery fampisehoana mivantana. Televiziona tokana no nisy tamin’ny androny fa izao kosa efa miaina amin’ny fahamaroan’ny haino aman-jery isika. Noho izany tsy maintsy mafonja kokoa ny fampilazana ny fisiany amin’ny olona. Azo heverina fa tafita ny hafatra ka tsy mahagaga raha be no tonga na dia hizaha fotsiny aza. Fampisehoana baojo izany ve? Saingy be no diso fanantenana. 

 

Izaho raha vao maheno hoe maimai-poana dia ny fahamaroan’ny sarambambem-bahoaka no tao tonga an-tsaina avy hatrany. Dia azo eritreretina ihany koa fa be no handalo fotsiny. Na izany na tsy izany, ho an’izay vonona ny hijery dia mila miala aloha any an-trano ka mamonjy izay toerana tsaratsara ijeren’ny tena. Mazava loatra fa tsy ho ny hira mihitsy no tena hahatongavan’ireo olona ireo. Angaha moa eto Madagasikara misy mahalala izay hira malaza misy any Shina any? Ny Shinoa manaraka ny vaovao misy any an-tanindrazany angaha no haharaka izany? Ny hakingan-tanana araka ny eritreritro no tena anton-dia afa-tsy hoe mba mahafinaritra angaha ny mihaino ny feon’ny hira. Nefa hay efa nisy ny tapakila nozaraina mialoha mba hamerana dieny mialoha ny olona ho tafiditra ao amin’ity fampisehoana ity. Iny indray no tsy hitako, hoy aho anankampo. 

 

Raha sainina tokoa dia mety ny hevitra mba tsy hahamaty hasina ilay lapa. Tsy tafiditra izay tsy nieritreritra ny fisian’ny tapakila. Tsy ho hipoka manempotra ihany koa ao. Mampiaiky ahy ihany moa ny sasany amin’ny tsy fanajana ny lalàna mipetraka. Betsaka ny manaja ny hoe tsy azo ifohana sigara ao amin’ny lapa fa tamin’ny famaranana basket tamin’ny lalaon’ny nosy iny no nahitako fa tsy misy miraharaha izany tsy fifohana sigara izany ny maro amin’ny tanora mpifoka (sa ny mpankafy basket ihany no tena madi-doha?) no tsy mety fa asiana tongotra foana ny seza fiankinana. Amin’izay fotoana izay ihany koa dia tsy tokony hisy olona hipetraka eny amin’ny tohatra fiakarana sy fidinana ahafahana mivezivezy tsara. Mazava loatra fa tsy ho tafiditra mihitsy ny maloto akanjo isan-karazany. Misy ny lafiny mahatsara izany nefa misy ihany koa ny lafiny maharatsy azy. 

 

Aleo aloha lazaina fa feno tsara ny lapa, mahavariana ny mijery azy amin’ny fahitalavitra hoe fampisehoana maimai-poana ve dia olona mihaja avokoa no hitanao ao? Misy tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena ihany koa manaraka izany. Ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy sy ny masoivohom-pirenena shinoa no tena fantatra amin’izany. Ny olo-tsotra malagasy tonga teny tsy nisy nanana tapakila ka tsy tafiditra hany ka maro ny tezitra. Saiky nisy mihitsy aza ny fifandonana. Tsy ny mpankafy basket aloha no maro an’isa ka tsy nisy namaky ny vavahady e! naleo nionona tamin’ny fodiana sady mbola kely rahateo ny ankizy ary na malahelo aza ireo tsy misy na inona na inona hafa azo atao ankoatra ny fanambatambazana amin’ny hanina angaha. 

 

Na izany na tsy izany tsy ratsy tsy akory ny fampisehoana. Mahavariana aza ny karazan-kira fa mila hisy itovizana amin’ny hiran’ny taona 60 nefa mitady hisy fifandraisany amin’ny hira revolisionera ihany koa. Ny feony ihany no lazaiko fa tsy misy mahalala izay tonony any na dia mazava be aza ilay teny shinoa iresahan-dry zareo (ho an’izay mahay azy). Mahay mihira ry zareo ary hita miharihary fa anarivony taona ny sivilizasiona nodiaviny. Tsy ambaka amin’ny hira tandrefana (taloha sy klasika) ihany koa na dia izany aza fa tsy nahitako hip hop na ngadon-kira ironan’ny tanora maro kosa. Angamba kolontsaim-panoherana ireny ka tsy tiany ampitaina loatra na mety ho voarara mihitsy aza na andeha atao hoe tsy amporisihana ny fihirana azy. 

 

Tsikaritra ihany koa fa ny petatsanga araka ny filaza no tena nameno ny toerana maro tao amin’ny fampisehoana fa ankavitsiana ihany ny Malagasy. Tsy mahagaga raha ny teny Shinoa no tena nanaovana fanolorana na dia nanao izay ho afany ihany aza i Gothlieb amin’ny fanolorana amin’ny teny malagasy. Vahiny eto amin’ny taniny indray ireo malagasy mba tafiditra tamin’io fampisehoana io. Nihevitra aho hoe maka ny fon’ny Malagasy izy ireo amin’ny fanaovana fampisehoana sahala amin’izao hay lasa karazana fihaonan’ny Shinoa rehetra indray aza no mitranga. Ie! Tena mihamaro tokoa ireto Shinoa ireto eto Madagasikara an! Hita ihany koa fa tena Be resaka ireo izay hita tao…

Scoop: Laza adina Bacc mivoaka mialoha?

2007-07-16 @ 13:55 in Kolontsaina

Malaza ankehitriny moa ny momba ny laza adina Bepc nivoaka mialoha teo. Ankehitriny aho dia hilaza izay fantatro sy hitako ny amin’ity raharaha ity. Tsy ny tamin’ny farany teo ihany fa na dia ny teo aloha aza.

 

Efa hatramin’ny ela no nisy hatrany io laza adina nivoaka mialoha io ary tsy ny Bepc aza no malaza amin’io fa ny Bacc indrindra indrindra. Tsy re na tonga any amin’ny mpampahalala vaovao izany fa eo amin’ny samy mpianatra no tena miampita. Nampanontany tena mihitsy hoe ahoana ary no ahafantarana mialoha sahady ireny laza adina ireny? Indray atoandro aho (efa nianatra teny amin’ny anjerimanontolo aho tamin’izay) dia nahita teny amin’ny tany malalaka iray akaikina foibem-panadinana ankizy maromaro miara-mijery laza adina matematika an’ny vondrona A2. Dia misy iray amin’izy ireo manorotoro ny famahana ny olana. Notadidiako mihitsy ny ankapoben’ny laza adina. Tonga ny hariva firavan’ny mpiadina dia nanontany ankizy aho mba hijery ny laza adina nataon’ny vondrona A2. Nitovy tsy nisy valaka tamin’ny nohadihadian’ny ankizy niaraka mihitsy ilay laza adina. Teo aho vao nanaiky fa tena misy tokoa ny fivoahana laza adina mialoha. 

 

Dia nampitamberina ny tamin’ny fotoan’andro nanalako Bacc aho avy teo. Izaho moa dia nanaraka ireny fampianarana fanampiny ireny tamin’izany fotoana. Dia nahatadidy aho fa rehefa amin’ny faraparan’ny fotoana dia manome laza adina sarotsarotra ireo mpampianatra no sady namerina ingahy mampianatra fa mifanahatahaka amin’io ny laza adina mety hivoaka. Tsy dia niraharaha izany loatra moa aho fa dia nianarako tsara avokoa ny zavatra rehetra (amin’ny matematika io). Ny mpiara-mianatra tamin’izany moa no nanamarika fa matetika ny laza adina farany amin’ireny fampianarana fanampiny ireny dia maro itovizana amin’ny laza adina mivoaka hatrany. Inona no antony? 

 

Ingahy minisitry ny fampianarana sy ny tompon’andraikitra sasany moa dia nilaza fa sarotra ihany ny antony mety hivoahan’ny laza adina mialoha. Ny rafitra napetraka no manamarika fa ireo izay manao ny laza adina dia avahan-toerana 40 andro mialoha no sady tsy mahazo mifanerasera na amin’iza na iza eny fa na dia ny mifampiantso aza. Matetika io fitenenana io no ilazan’ny tompon’andraikitra fa tsara ny faaraha-maso ny mpanao laza adina. Io indrindra anefa no nahitan’ny sasany hevitra.  

 

Mpiaramiasa ka mifankafantatra ny mpampianatra ka samy mandefa na samy manana ny laza adina omaniny ho amin’ny fanadinana. Matetika mifampihaona izy ireo ka mifanome sopapa any alohaloha any. Ny sopapa eto dia hoe raha tsy hita tampoka aho dia ireto ny laza adina hataoko any amin’ny fanadinana. Dia mifampiandriandry eny ry zalahy sy ry zavavy mpampianatra. Koa raha misy mpampianatra tsy hita elaela dia samy kaopy araka ny fitenenan’ny tanora azy ny rehetra. Ary ataoko fa azonareo amin’izany ny tiako lazaina. Noho izany: efa karazan’ny lany andro ihany ny fanaon’ny mpiandraikitra fanadinana hatramin’izao fotoana izao raha io fomba nolazaiko io ihany no tohizan’ny minisitera. Mety ho tetika hafa koa moa ny manavaka amin’ny efitra iray mpiadina tsy misy akory fa ahafahana mahazo mialoha laza adina no tena tanjona nefa vinavina ihany ity faharoa ity ary ny sefon’ny foibem-panadinana no afaka manao izany aha tsy hoe efa misy omena azy ireny mialoha.

Ny teny malagasy sy ny landy (fampirantiana)

2007-06-14 @ 10:03 in Kolontsaina

Ao anatin’ny iray volana entina hanandratana ny teny malagasy indray isika amin’izao volana jona izao. Mihetsiketsika fatratra anatin’izany ny mpandala ny teny malagasy. Amin’ity indray mitoraka ity dia fampirantiana roa no hotontosaina eo amin’ny Tahala Rarihasina Analakely zary toeram-pamantarana rehefa misy kolontsaina malagasy tian-kaseho ny be sy ny maro.

 Ny voalohany dia momba ny lamba landy sy ny teny malagasy izay haranty mandrapahatongan’ny rahampitso zoma. Voasoritsoritra avokoa ny vokatra malagasy avy amin’ity landy ity sy ireo faritra tena malaza amin’ny fiompiana (fikarakarana manko e !) landy.Ny faharoa kosa dia momba ny voambolan’ny fihariana sy ny fandraharahana ary ny asa ao anatin’ny teny malagasy. Mbola ho avy moa ity faharoa ity ka tsy hitako loatra izay ambara aloha.

 Raha vao nampifandraisina ny resaka landy sy ny teny malagasy dia miantefa any amin’ny resaka ohabolana avy hatrany ny eritreritra. Misy vitsivitsy tokoa ireto azo zaraina eto :

  • Saro-tiana toa landy mohaka
  • Ambarivatra an-tanimena : mavomavo ihany fa tian’ny landy
  • Tahaka ny lambamenan’i Vonizongo : ny maty fonosin-dambamena ary ny velona arahim-potsimbary.
  • Folihala mampita hady : ny tsinay no fetra
  • Aza atao fihavanam-bato : raha tapaka tsy azo atohy ; fa ataovy toy ny fihavanan-dandy : raha madilana azo tohizana.
  • Fitia landy ririnina : tohinina vao mihabary maso.
  • Ny fihavanana toy ny landy : maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro.
  • Lamba landy nasoka hodi-nato, mamerina indroa manana ny antitra
  • Tiako tahaka ny lamba landy : hitafiana raha mangatsiaka, hisampinana raha faly, hisalorana raha malahelo.

 Ireo faritra tena malaza amin’ny fiompiana sy ny famolesana landy indray moa dia eto Imerina, any Isandra ary any Androy. Ny any Androy dia toerana tokana no mpanao azy dia ny ao amin’ny kaominina Ambondro, fokontany misy ny Tsimanankariake sy ny ny Marosy samy avy amin’ny Ntelamitihy izay eo amin’ny 27km miala avy eo Ambovombe Androy. Misy karazany dimy ny lamba mivoaka avy amin’ny fanenomana landy ao amin’ity faritra ity (efatra ihany no nosoratany) dia ny :

  • Lambalande
  • Mandia vola
  • Lamba firake
  • Sokotry (salaka)

Ny mandia vola moa dia natao lamban-databatra tao amin’ny fampirantiana tao. Ny lamba firake no fanaovan’ny olona tsotra mianjaika (fa lambavositse kosa no fianjaikan’ny mpanjaka ary tsy nosoratany teo amin’ny fampirantiana). Nomarihin’ilay nanontaniana fa avy amin’ny lokon-kazo avokoa no andokoana ny lamba (ka izay no mahabetsaka ny loko volontany lokonkazo sy mainty amin’ny lamban’Androy). Ny fitaovana ampiasainy hanamboarana ny lamba moa dia ny lande, ny hasy ary ny hafondramena (naveriko nosoratana araka ny nanoratany azy mihitsy moa).

 Ny tao Isandra kosa dia nomarihina fa tamin’ny andron’AndriamanalinaI no tena nampalaza ity resaka ity tany. Izany hoe azo marihina fa taloha na niara-dalana tamin’ny andron’Andrianampoinimerina araka ny fahalalako azy. Ambalavao be lamba landy angaha no foibe itoerany. Misy karazany enina indray ny lamba nampahafantarina ny be sy ny maro avy amin’ity faritra ity. Rehefa jereko dia ny lokony no tena itondrana ny anarany nefa asa izay tena marina :

  • Sarimbo landy (mitsoriadriaka mena, volombatolalaka, vony ary manja)
  • Lamba lahasa manga
  • Lamba mena
  • Arindrano landy (mitsoriadriaka mainty sy mena)
  • Tokotsisina ( miakotso mainty sy mena)
  • Arindrano landy mainty (mitsoriadriaka mainty madinika)

 Ary ny eto amin’ny faritr’Imerina ihany koa moa dia fantatra tamin’ny anarana hoe Soherina ny bibindandy. Radama rainy no nandefa mpianatra hiofana manokana ny fanenomana lamba landy. Jean Laborde koa liana tamin’ity taranja ity ka nampiditra karazana bibindandy vaovao amin’ny eto an-toerana. Amin’izao fotoana izao moa noho ny fandrosoana dia efa misy karazany ny lamba landy naseho ny olona liana. Tsy voatery izay novokarina fahiny ihany no tohizana fa mba mamoaka vokatra vaovao ihany koa ary dia efa manana ny anarana mahazatra ny malagasy maro izany :

  • Meja
  • Hasina
  • Irina
  • HaingoI
  • HaingoII
  • Ikala
  • Landy bakora

 Tao ihany koa no nisy sary maromaro mampiseho sarin’ny filohan’ny fikambanana mpikabary malagasy izay vehivavy amin’izao fotoana izao. Rtoa Andriamboavonjy Hanitriniaina R izay nisantaran’ny televiziona malagasy ny fandaharana JJejo tamin’ny faran’ny herinandro teo ka nandeha tao amin’ny zana-pandaharana jejo avo lenta. Sary vitsivitsy mampiseho ireo akanjo vita amin’ny lamba landy manontolo izay lasa haingo fianjaikan-dramatoa. Sary nahavalalanina ireo nanaraka ny fandaharana satria hainy tsara ny nampiaraka ny « hajejoana » sy ny fahamendrehana. Tsy nanao haingon’adala izy, nampiseho azy ho mpanara-damaody amin’ny didin-damba izy nefa hita tsara fa akanjo maneho ny mahamalagasy no anaovany. Indrisy manko fa raha mba tafavoaka teto ny sary. 

Sarimbavy, hono, ka hoe?

2007-06-05 @ 08:40 in Kolontsaina

Izay maharaka ny vaovaom-piarahamonina eto Madagasikara indrindra fa ny eto Antananarivo dia mahalala fa nihaona ny faran’ny herinandro tao amin’ny kianjan’ny Mahamasina ny ekipa iraisan’ny vehivavy mpanao gazety sympanakanto sy ny ekipan’ny sarimbavy tena izy.

 Mampihomehy ihany moa fa sariny ve moa dia mbola ho tena izy ihany. Raha izaho sy ny sariko dia samihafa mihitsy. Ny sariko natao ho karazana rakim-pahatsiarovana ihany amin’ny fotoana iray tiana hotadidiana sy homarihana amin’ny fotoana ho avy. Marina fa betsaka ny mihevitra ny tenany ho efa nahita ahy raha efa nahita ny sariko saingy tsy izaho no hitany amin’io fotoana io fa ny sariko ihany. Izaho indray dia amin’izao fotoana ahavelomako eto izao azo iresahana sy anontaniana ary ifandraisana amin’ny mahaizaho ahy, ny zavatra tiako ary ny zavatra ataoko.

 Ao anatin’izao fotoanan’ny fandrosoana izao ihany koa anefa dia azo lalaovina araka izay tiana atao ihany koa ny sary. Ny lalao an-tsary (jeux video) malaza amin’izao fotoan’ny sary sy ny fifandraisana izao no ilazako izany. Samihafa tanteraka na izany na tsy izany ny milalao amin’ny sariko sy milalao amiko. Mbola karazan-dalao anaty nofinofy ihany manko ny lalao an-tsary sy ny lalao ahafantarana ny faharerahana sy ny kitra vokatr’io lalao io. Ao anatin’ny lalao an-tsary dia karazan’ny moana ihany ianao fa amin’ny fiainana atrehinao kosa dia afaka miresaka sady maheno izay iresahanao ny afaka mamaly ahy tsara ihany koa ianao. Dia tahaka izay ihany koa ny amin’ireto sarimbavy ireto amiko. Na oviana na oviana tsy ahasolo ny tena vehivavy ireo sarimbavy milaza ny tenany ho tena izy (vehivavy ?) ireo amiko.

 Marihiko dieny eto fa ny lohahevitra resahiko dia amin’ny mahasarimbavy ilay olona aloha. Tsy miditra amin’ny lohahevitra hoe lehilahy mitady lehilahy hotiaviny toy ny vady aho eto na vehivavy mitady vehivavy ho vadiny fa ilay lehilahy te-hitondra tena sy hihevitra ny tenany ho vehivavy ka miakanjo sy manao ny fombam-pihetsika ahafantarana ny vehivavy. Ekeko fa mety hifamatotra akaiky amin’ny fironam-pitiavana no mety ahatonga ny safidim-pitafiana saingy iniako aloha ny mametra azy ho amin’ny fihetsika sy fiakanjoana ihany.

 Ny famoaboasana soratako dia ny mety ho antony nahatonga ilay olona ho sarimbavy. Ny valiteny fandreko naverimberin’i Francis Turbo moa dia ny hoe tsy ninian’ny ankamaroandry zareo mihitsy ny ho sarimbavy fa toy ny efa voajanahary ao anatin-dry zareo hatrany ambohoka mihitsy. Tao ankibo, hoy ny nolazainy, dia efa nirona tsikelikely ho amin’ny mahavavy azy ny toe-tsainy sy ny fizikany manontolo afa-tsy ny fitaovam-pananahana ihany no nahalahy azy. Taloha moa dia noheverina ho aretina ny mahatonga ilay olona hanana izay fironana izay fa efa niova izay fomba fiheverana izay ankehitriny.

 Raha amin’ny fihevitry Francis dia tsy safidy ilay nahasarimbavy azy. Eo izany no toheriko voalohany. Amiko dia vokatry ny safidy tokoa no nanaovany sarimbavy fa tsy « voajanahary » araka ny nolazainy. Mety ho marina ny hoe « voajanahary » tao anatin’ilay olona ny nahatonga azy ho sarimbavy nefa nisy safidy ihany koa ao ambadik’izay. Mety tsy ho izy no nametraka ny safidy fa ny reniny nitondra azy folo volana, moa io safidy io dia vokatry ny tontolo manodidina ihany koa ary mety ho avy amin’ny fahadisoan-kevitra.

 Eo amin’ny fitaizana ny zaza dia nomarihin’ny manampahaizana sasany fa eo amin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahatelo taonany no tena manorina ny mahaizy azy ny olombelona tsirairay. Efa nisy aza moa fandaharana nametraka fa raha tiana hanana ny mahaizy azy sy ho tsara fototra amin’ny hoavim-piainany ny olona iray dia tezaina amin’ny alalan’ny mozika sahady aza dieny mbola any ankibo. Eo koa moa ny hoe raha mbola liana tamin’ny fianarana ny reniny no nitondra vohoka azy dia matsilo saina kokoa izy. Tsy mbola haiko moa na tena marina izany na tsia saingy hoy aho hoe azo heverina tsara kosa ny fahamarinany na dia mety tsy ho tonga hatrany amin’ny fahamaotiana aza izany fahatsilovana mialohan’ny fotoana eo amin’ny zaza izany.

 Dia manao fampitahana eo amin’ireo fomba fihevitra roa ireo aho ary efa manana izay maharesy lahatra ahy bebe kokoa. Avy amin’ity fomba fihevitra faharoa ity no isintonako ny hevitro. Ny fiforonana sy ny fitomboana ao ambohoka dia miankina be dia be amin’ny reny nitondra azy. Impiry impiry moa isika no naheno hoe naniry lahy na naniry vavy ireo ray aman-dreny sasany. Matetika moa dia zanaka lahy no tadiavina fa misy ihany koa ny mitady zanaka vavy rehefa be zanaka lahy izy ireo.

 Nisy moa ny traikefa nataon’ny olona avy amin’ny endriky ny vohoka eo ampitondrana zaza ka manao hoe ity lahy na ity vavy. Ary eo ihany koa ny « akombohoka » (asa raha mety andikana ny echographie io na tsia fa dia toy ny foromporonina fotsiny ihany) izay itarafana ny mombamomba ny zaza rehetra ka tarafina avy amin’iny ny mahalahy ilay zaza. Rehefa tsy hita iny dia tsoahina ny hevitra fa vavy izany io zaza io. Kanjo indraindray dia nahay nanafina ny azy ny zaza fony tao ambohoka dia mety ho nandray anaram-bavy tsy fidiny ny zaza rehefa avy eo.

 Eo amin’ny famalian'ny zanaka tadiavin-dreniny izany amiko no mifototra ny safidin’ny zaza ho lasa lahy na ho lasa vavy. Na dia lahy avy amin’ny chromosomes XY aza no nitorotoroana azy tamin’ny voalohany nefa be tao an-tsain’ny reny ny hahavavy azy dia mametraka safidy efa mitongilana be amin’ny zanaka sahady izy. Hamaly eny ny reniny ny hahavavy azy eo amin’ny fitondran-tena ve ny zaza sa hanohitra kosa ary haneho fa lahy no namoronana azy ka hitoetra amin’izay mahalahy azy izay izy ?

Zavanisy nahatsikaiky vitsivitsy

2007-05-24 @ 16:13 in Kolontsaina

Ao anatin’ny fotoana mampihenjakenjana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena izao dia tsara angaha raha mba asiana fihomehezana kely indray na dia tsy mahay mampihomehy aza ny tenako. 

  • Asa angaha izay nahataitra ity ramose nampitady ohabolana malagasy misy teny hoe servieta. Tsy nisy nahita mihitsy ny mpianatra fa dia nionona tamin’ity ohabolana iray ity ihany : Servietan’anamalaho ve ka hamonoana vatotr’akoho.
 
  • Nisy olona mpiray ombon’antoka amin’ny orinasa iasan’ny tena ka mba misy mifanolo ihany avy amin-dry zareo any. Indray mandeha dia tahaka ny feno fofona famonoa-moka atifitifitra tampoka izany ny trano. Gaga aho ka saiky hitabataba hanontany hoe iza koa no nitifitra famonoa-moka amin’ny fotoana tsy misy moka ato ? Kanjo tadidiko tampoka fa ilay ramatoa hanatontosa ny adidiny tamin’io andro io no nahenoako ilay fofona. Andraso aloha rofiko akaiky fandrao manala baraka olona, hoy aho. Inona tokoa ! tena ny ranomanitr’ilay olona mihitsy angamba no…sa dia diso fiheverana ve izy hoe fomonoa-moka anie ity ataony famonoana fofona ity ?
 
  • Tamin’ity taona ity dia nisy zanaka mpitandrina tsy maintsy nalefa tany ivelany hotsaboina haingana. Tsy mba manana vola ampy ho amin’izany rangahy ka dia niantso vonjy tamin’ny mpiray sinoda. Dia tonom-bola no natao tao amin’ny fiangonana misy ahy. Tamin’io andro io dia 666.000 fmg no voangona rehefa natotaly. Avy hatrany dia nanampy vola Ar200 avy hatrany ilay mpaka tonombola fa mahakamo be ny mandre ilay isa (666). Tahotra sa ?
 
  • Tany Antsirabe indray, teo amin’ny manodidina io tsena lehibe mbola tsy vita io (ny tsenan’Asabotsy) dia nampipipy ny zafikeliny poritra ity ramatoa iray. Hitan’ilay mpangarom-paosy toa mibananaka angaha ny paosiny ka dia noharoniny tsy amim-pisalasalana. Henon-dramatoa tsara izany ary tadidiny fa mosoara maloto ihany no tao amin’io paosy noharonina io. Tsy taitra akory ramatoa na dia reny aza ilay tanana nangarona. Vao lasa teo amin’ny roa metatra ranamana dia niantso amin’izay ramatoa hoe : ento any fa tsy maninona dia sasao rehefa tonga any an-trano e ! Hitan-dranamana fa tsy nisy vola tao anaty mosoara (fanaon’ny any tokoa moa ny mampirina vola anaty mosoara ?) dia nariany ilay mosoara.
 
  • Fiarabe iray no maty no nibahan-dalana tao anatin’ny minitra maromaro. Antony lany gazoala ilay fiara nefa izy mpitatitra lasantsy ary feno ny « citerne » entiny. Tsy izany ve no atao hoe mangetaheta ambony lakana ?
 
  • Dia variana aho fa tsy mba tezitra amin’ny fanoherana loatra ny olona. Ny fanohanana ihany no tena mahatezitra ny maro ka dia hoy aho hoe tsy mba mety va raha miteny hoe « aza mahasoso-contre eo fa inona-contre no tsy aritr’itena-contre amiko ? ». Mifona aho raha nahatezitra anareo ny nosoratako.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2017 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox