Mpampianatra tsy mpanabe?

2013-02-20 @ 09:21 in Kolontsaina

Fony mpankafy nijery sarimihetsika tamin'ny fahitalavitra ny tena dia natao  toy ny fanalan'andro fa noheverina tsy hisy izany hoe mpampianatra masiaka dia masiaka amin'ny mpianatra mbola zaza izany. Matetika moa rehefa misy ilay mpampianatra masiaka dia masiaka, dia eo akaikiny eo mandrakariva misy mpampianatra tsara fanahy amin'ny mpianatra ary miezaka ny hanalefaka ny habibian'ilay mpampianatra notononina voalohany. Noho ny maha-an'ny ankizy ilay sarimihetsika dia mandresy hatrany ny zaza any amin'ny farany ary ny zaza ihany amin'ny ankapobeny no nitady tetika hanasaziana ilay mpampianatra (na tale) saro-po. Tsy noheverina tena hisy amin'ny fiainana andavanandro, indrindra fa hoe eto Madagasikara, izany toe-java-misy izany raha tsy nanatri-maso mivantana ny tena.


Ao amin'ny sekoly tsy miankina iray eto Antananarivo, Madagasikara,no ahitana mpampianatra vehivavy iray nahavariana ihany ny fihetsiny. Manana zanaka vavy hanala ny fanadinam-panjakana voalohany izy, ary izy ihany no mpampianatra ny zanany. Raha ny ray aman-dreny amin'ny ankapobeny no mahafantatra izany dia hieritreritra avy hatrany fa ho tsara fampianarana ny zanany eo ambany fitantanan'izany ramatoa mpampianatra izany. Hentitra dia hentitra amin'ny mpianatra izy mba hianaran'ny ankizy tsara sy hahatsapan'ireo mpianatra ireo fa tsy zava-kitoatoa eo amin'ny fiainam-pianarana izany hoe hanala fanadinam-panjakana izany. Hahatsiaro menatra ihany koa ny ray aman-dreny raha ny zanany no tsy afaka amin'ny fanadinam-panjakana toy izany. Nandiso fanantenana tanteraka anefa ny fihetsiky ramatoa mpampianatra fa lasa toy ny manao zavatra tafahoatra izy ary toa azo lazaina ho mivadika fankahalana olona mbola zaza indray aza ny fihetsika ataony.

Tamin'ny kilasy mialoha ity kilasy fanalana fanadinana voalohany ity dia efa nanao fanampim-pampianarana izy (cours fa ny ilazany azy ho an'ny mpianatra dia hoe manao suivi izy), andoavam-bola fanampiny ankoatra ny saram-pianarana izany mazava loatra. Nahazo laharana ambonimbony ny zaza tamin'izany fotoana satria atao hoe voara-maso tokoa ny zaza. Rehefa nigadona amin'ny taom-pianarana fanalana fanadinana, niova ny tantana fa nanomboka nanana fotoana ka nanapa-kevitra ny hanara-maso akaiky ny fianaran-janany ny renin'ny zaza. Mihevitra noho izany ny renin'ny zaza fa noho ny fananany fotoana amin'izay dia omeny ny fahavononana feno hiatrika ny fanadinana ny zanany, hanampy azy hahazo ny lesona sy hanampy ihany koa ny fanazavana ary hanadina ihany koa. Tsapa anefa fa tsy tahaka izay no nandraisan-dramatoa mpampianatra ny resaka. Niova ny fomba fifandraisan'ny zaza sy ny mpampianatra satria toa nilanila vaniny tamin'ireo mpianatra tsy manao suivi ramatoa. Tsy maninona hoe fomba fijery mitongilana no hotantaraina saingy izay mitaraina aloha no henoina...

Nanomboka tamin'ny hoe izay miteny malagasy ao amin'ny faritry ny sekoly dia mandoa vola ariary zato aminy. Any am-piasana aza tsy azo atao ny fanasaziana ara-bola afa-tsy noho ny fahabangan'ny vola amin'ny asa atao. Dia ny sary kely rehetra (saritanin'i Madagasikara na firan'ny taova isan-kazarany toy ny fo, havokavoka) sns ihany koa izay ahatafidirana sary dimy eo ho eo ny refin-taratasy A4 iray dia vidiana ariary zato tsirairay... nefa ny sary amin'io tsy mazava tsara akory fa manjavozavo tsy hay vakiana. Isaky ny fanadinana dia asainy mitondra 700 ariary isan'ankizy isaky ny fotoam-panadinana hamaliana ny fanontaniana ihany koa ny mpianatra (izany hoe ariary zato ny iray amin'ny taranja fito ampianariny, marihiko etoana fa fanapaha-keviny samirery io fa tsy politika ankapoben'ny sekoly). 

Indray mandeha moa dia efa nisy boky fanomanana fanadinana efa nandrasan'ny sekoly hatry ny ela. Vao nisy mpianatra iray nahazo dia nolazaina fa tsy maintsy mitondra io boky io avokoa ny mpianatra rehetra ny ampitso maraina. Andro alarobia io fotoana io ary tsy maintsy mitondra ny boky ny mpianatra ny alakamisy maraina. Noho izay mety ho antony samihafa tany amin'ny tokantrano tsirairay tany dia tsy afa-nitondra ny boky ny 40% eo ho eo amin'ny  mpianatra iray kilasy ny alakamisy maraina fa navoakany niaraka tamin'ny kitapo dia nasaina niloloha tanana teo ivelany teo mandra-pahavitan'ny ankizy nitondra boky ny zavatra natao tao amin'io boky io. Nolazaina moa ireo mpianatra ireo fa tsy ilaina miverina any an-tsekoly izay mbola tsy manana ilay boky ny hariva... ary dia nisy tokoa moa ny tsy niverina satria mbola tsy nahazo. Ny nampihomehy mahasosotra tamin'ny nataon'ny ramatoa mpampianatra dia hoe tsy mahazo manao ny devoara tsy natao tamin'io andro io intsony ny mpianatra tsy nitondra ilay boky.

Tia manao fety io sekoly io. Tsy maintsy manomana fanamiana vaovao hatrany isak'izany fanaovana fety izany. Tsy maintsy ampanjairina ny fitafiana satria zavatra tsy ho hita eny amin'ny mpivarotra mihitsy no atao. Nanao tsara tokoa ny tena tamin'ny fety mialoha ny krismasy satria mba fetin'ny faran'ny taona io... Nanomboka tapaky ny volana janoary indray dia efa nampiomanina ny ankizy fa tokony hanana fitafiana lokon'i Brezila na lokon'ny telma ny ankizy tsirairay avy amin'ny fetin'ny talata matavy. Tsy nofariparitana mazava moa ny didy anaovana ny akanjo fa dia izay loko izay no nohitrikitrihina. Tsy naka sarotra ny renin'ny zaza fa nividy izay azo novidiana. Tratry ny fanaviana ny zaza ny alatsinainy mialoha ny talata matavy ka tsy nalefan'ny ray aman-dreniny tany an-tsekoly. Ny talata andron'ny fety vao nankany fa levilevy no niandry, tsy ilay akanjo novidiana no nanaovana fa akanjo lava tanana ary nampanaovina akanjo mafana manara-batana [solo-pataloha] miloko mena satria zaza vao avy narary. Nasaina nesorin'ilay mpampianatra anefa ilay akanjo manara-batana satria tsy loko telma io na loko brezila ary voasazy fa ahena 40 ny isa ankapobeny azo tamin'ny fanadinana (izay notontosaina ny andro alakamisy mialoha ny talata matavy) . Noho ny tsy nanatrehany ny fianarana ny alatsinainy mialoha ny talata matavy dia mbola nahena 40 ihany koa ny isa ankapobeny azo tamin'ny fanadinana. Izany hoe mihena 80 izany ny isa ankapobeny tamin'ny fanadinana andrana nataony. Efa nilaza mialoha izy fa izay ankizy tsy mahazo ny salan'isa ampy dia tsy maintsy manao ny suivi ary tsy karakaraina ny taratasy hanalany fanadinana. Tonga dia hoy ny eritreritry ny renin'ny zaza hoe: "Angamba nahazo isa ambony be ny zaza dia ahintsana ny isa ankapoben'ny zaza". Mifanindran-dalana amin'izany kosa dia nolazainy fa omena fanampin'isa 40 tamin'ny fanadinana natao ireo ankizy nahafinaritra ny fomba fiakanjony tamin'ny fetin'ny talata matavy. Dia izay no zava-misy mba tiana nampitaina fa afaka mitsikera na ramatoa mpampianatra isika na ny renin'ny zaza...

 

Ilay fitafiana nahavoasazy

 

Jentilisa 20 febroary 2013

Taratasy misokatra setriny [2]

2011-04-18 @ 21:51 in Kolontsaina

Ny mpamaky ny Maharesaka Veto tsy tapaka dia mety ho nahatsikaritra ny fisian'ny taratasy misokatra ho an'ny mpikabary malagasy rehetra. Noho ny fifanarahana an-trano teo amin'ny mpianakavy taorian'ny fivoriana fanindroany misesy ny alatsinainy alina rehefa nahatontosa ny asany avokoa ny mpianadahy avy dia nekeko ny fanesorana ny lahatsoratra, saingy soloiko hafa midadasika kokoa izany ka tsy asiana loatra ny zavatra niainana. Misy ihany koa ireo namaly tany amin'ny sehatra samihafa koa dia apetrako etoana izany ankoatra ny tena anarany angaha. Azontsika rehetra hatrany anefa ny mbola manohy ny adihevitra.


Toy izao aloha ny ambangovangon'ny lahatsoratra nofafana : 


1. Fanivaivana olona eo amin'ny samy mpikabary no tena nampisendaotra ny mpanoratra. Hoy aho tamin'izany hoe :

Raha izaho manokana raha hanivaiva olona sy hanamboniako ny tenako no hanaovako kabary dia aleoko tsy miditra amin'izany fa tsy manefy ahy ho olom-banona velively izany.

Fanivaivana fa tsy mahay mikabary aloha, avy eo indray fanivaivana fa tsy mahay fomba rehefa hita ny fahaizan'ilay mpikabary. Mbola mitoetra hatrany ny adihevitra amin'izay olona tokony handray anjara fitenenana.


2. Efa tsy fanajana olona ihany koa araka ny hevitro raha ora maromaro vao ampidirina ny olona. Satria tsy hoe tsy misy atao afa-tsy fambolena sy fiompiana tamin'ny taonjato faha-17 sy 18 intsony ny olona. Nasiaka mihitsy aho nanoratra hoe:

Raha mbola tsy vita tokoa ny fiomanana dia tsy maninona loatra ilay fampiandrasana fa raha hoe isan'ny fandondonana varavarana no amohana na tsia azy io dia tazony ho anareo ny anareo ka aza tsiny raha ilaozan'ny hafa ianareo ary mety ho anisan'ny antony goavana mahataraiky ny Malagasy mihitsy ny zavatra tahaka itony.

Na izany na tsy izany, misy ny milaza hoe ilaina ny ijerena lazon'ady ny olona te-hiditra ho fianakaviana koa. Tena mety ho an'ny fianakaviana mpiompy sy mpamboly miandry ny vokatra am-bolana ny lazon'ady fa ny vanim-potoana ankehitriny anie efa ny isam-bolana na ny isan'andro no mikaonty nefa mbola hevitro ihany izany fa inona kosa no tena lafy tsaran'ilay fampiandrasana olona ary?


3. Ao anatin'ny "lalao" ilay mody miala rehefa tsy ampidirina an-trano ka tokony anaty lalao ihany koa ny miala maina satria resy ny mpikabarin'ny tena saingy nihazakazahan'ny mpikabarin'ny mpamoaka moa ny mody nanasohaso kely ilay zazalahy na nisy teny maharary nataon'ilay mpikabary tamin-drazazalahy ihany aza. Nanontany aho ny anton'ny fandoavam-bola vao miditra mialoha ny idirana an-trano fa ny fahazoako azy tsy mahay ilay "fomba" dia saran'ny fafa trano angamba iny. Efa novaliana mpikabary etsy ambany etsy ny tena dikany ary izay rahateo no notadiaviko.

Saingy izay angaha moa ilay fomba ka dia naloa ny sara na tsy nisy tapakila nandoavana azy aza. Izany hoe eto aho dia mitady fanazavana ny dikan'iny fandoavam-bola mialoha ny hidirana ao an-trano iny satria matoa natao iny dia tokony fantarina ny antony ho fakan-desona


 4. Misy ny adin'ny mpikabary ka eny imasom-bahoaka vao manao ny ataony amin'izay. Manaiky izany ny ankamaroan'ny mpikabary nifampiresaka tamiko. Averiko eto izay nosoratako hoe:

Anjaranareo mpikabary mpitana ny fomba amam-pitenenana malagasy ary azafady indrindra no manazava aminay ny anton'ilay fifanevatevana eo amin'ny samy mpikabary misy fiantraikany amin'izay mety ho fifandraisan'ny fianakaviana roa tonta. Toa misy fifanenjehana tahaka izany, hono, eo amin'ny fikambanana mpikabary samihafa sa diso izany? Izany ve no kolontsaina tianareo ampitaina amin'ny taranaka efa tsy mahalala intsony ny hasin'ny kabary sa fitaratra ihany ireny fa tena tia nifanevateva sy nifanambanimbany tokoa ny Malagasy teo aloha ka tonga hatrany anaty kabary izany? Sao fomba tokony ilaozana kosa e? Lasa tsy nisy dikany mihitsy manko na dia voateny tao aza ilay fitenenana hoe raha misy izay mangidy nolazaina dia aza ny tenako no ariana fa ny teniko


Indreto manaraka tsy misy ahitsiko ireto kosa ny setriny izay misy avy amina mpikabary mihitsy:


A. avy amin'i Naritsimba izay namana ao amin'ny serasera:


Mahay mikabary ve?


Miarahaba an'i Jentilisa ny tenako, efa ela tokoa tsy nihaona ary na mamaky matetika izay voasoratra aza dia izao vao hanampy fanazavana momba ny Kabary Malagasy. Mpikabary moa ny tena ary efa maromaro izay kabary naleha sy ny toerana nikabariana izay raha teo @ fanaterana vodiondry.


Misy tokoa ny fomban-tany izay mbola tena manaja feno ny fomba teo aloha izay nahatonga ny fitenenana hoe: Izay resy an-kabary, very vady aman-janaka." Amin'ireto faritra ireto no mbola tena mitana azy raha manodidina an'Antananarivo: Arivonimamo miankandrefana sy ny manodidina azy, Zafindravoromanga any Ambohitrolomahitsy (Talatan'Ivolonondry).

Ny mifamaly an-kabary dia fanao izany hoe fampisehoana ny hakanton'ny teny Malagasy, ny tsy fampandrosoana ny vahiny ao an-trano ela loatra dia tsy fomba fanao fa ny fandonana im-pito na in-tsivy izany hoe isa tsy an-kasa dia tokony ho vita ao anatin'ny 15mn-30mn raha ela indrindra.

Ilay hoe misy sara-pidirana ao an-trano, tsy hoe vola aloa iny fa, raha misy eo am-baravarana na eo an-tokonana satro-bory, dia androtsahana vola iny fa tsy sanatria raisina ilay satroka dia ariana, izany dia midika fa manaja izay zavatra hitanao ianao rehefa any an-tananan'olona fa tsy manilikilika ny hafa na handray ny tsy an'ny tena, ary io dia izay foy no atao ao, mety 100ariary na 200 ariary, tsy azon'ny tompon-trano lavina izay vola voarotsaka ao ary tsy misy ady varotra.

Ankoatra izay ireto avy ny karazam-bola fandoa:

Ala-fady tany= atolotra ilay mpikabary ary miala-tsiny noho ny tsy fahafantarana ny fomban-tany, mety ho vola io mety ho toaka;

ala-diso = atolotra ny mpikabary mpamoaka an-drazazavavy alohan'ny tena hidirana @ ranja-kabary mba tsy hisian'ny tsikera hahazo ny mpitondra teny avy aty amin-drazazalahy, indrindra raha misy teny diso voalaza. Ny vola amin'ireo dia tsy azo iadiam-barotra fa izay foy.

Toy izany koa ny "tampi-mason'anadahy" tsy azo iadiam-barotra, raha mbola tsy vita tamin’ny fiantranoana.

Ny vola manaraka moa dia ilay atao hoe SOLOMBODIONDRY miaraka @ ireo sakeliny maro: ala-volofotsy solon-tsakarano, hasim-bosarin-jaza ... io kosa dia tsy maintsy feno 7 rehefa tononina, azo atao anaty valopy tokana miaraka @@ solombodiondry, na valopy 8 isa ka ny valopy iray vodiondry ary ny 7 ambiny ireo sakeliny 7. Ny sakeliny 7 dia tsy azo iadiam-barotra ihany koa.

Misy tokoa ny mpiady varotra vodiondry fa io dia ny fahaizan'ny mpikabary mandresy lahatra ny havan-drazazavavy no hisian'ny ady varotra na tsia, ary mety hisy teny toy izao hivoaka hoe: "izahay tsy hividy olona, ary ianareo koa tsy hivarotra olona", zon'ny fianakavian-drazazavavy ny manokatra ny valopy misy ny vodiondry ary isainy, eo no raikitra ny ady varotra. Izao kosa anefa raha vao sokafana ny valopy misy ny vodiondry dia azon'ny mpikabarin'drazazalahy atao ny milaza fa, raha toa ka tsy hainareo ny mizara an'iny dia aleo izahay no hizara azy fa tsy sanatria hampiady anareo mianakavy no antony hahatongavanay eto fa handrindra fihavanana sy hanori-tokantrano, miampy ohabolana sy hainteny isan-karazany io mba handresy lahatra ireo tompon-trano. Koa raha vao raikitra ny fanokafana valopy, ka mandeha ny ady varotra dia efa tokony hiomana ny mpikabarin-drazazalahy fa raha vao raikitra ny fizarana dia tsy maintsy mahazo amin'iny daholo izay olona manatrika eo rehetra na avy @ lehilahy na avy @ vehivavy, ary ny zaza vao minono hatramin'ny antitra indrindra.

Tokony hiomana amin'ny vola madinika izany ny mpikabarin-drazazalahy, fa tsy azo atao ny mitondra ny vodiondry mivoaka ny trano atakalo fa dia tsy maintsy izy no mitady izay fomba hizarana an'iny eo imason'ny rehetra, izay fizarana izay no midika fa ampy tokoa ilay vola natokana ho solombodiondry, ampy mizara fa tsy voatery hitovy ny anjaran’ny tsirairay, ary matetika dia ny mpikabary avy amin-drazazalahy no mahazo betsaka indrindra. Ary hamafisina @ hoe : hitanareo fa tsy mba manao tombo sy hala ny zanakay lahy satria mitovy na ny havan’ny lahy na ny havan’ny vavy.

Momba ny adin’ireo sekoly mampianatra kabary indray dia tsy miafina izy io ho an’izay manana io toe-tsaina io.Ny tenako moa dia anisan’ny efa nianatra ary nampianatra, fa dia misy tokoa ny fifanenjehana eo @ fikambanana maro samihafa, toy nyfikambanana nisy ahy izao dia nolazaina fa mpanimba tsena satria maimaim-poana ny saram-pianarana na ny fandehanana mikabary, fa ny sara-dalana sy ny sakafo kosa dia anjaran’izay maka hikabary.

Amiko ny mpikabary manao toy izay voalazan’ny jentilisa dia tsy mpikabary ireny fa azo lazaina hoe : Mpanao adin’androvolahy, masiaka ambo an-kadivory ka mandany zara ny ao an-tanana. Tsy ao an-tsainy mantsy fa mety hiteraka zavatra hafa ny fihetsika nasehony rehefa tonga any an-tokantranony izy roa kely(sanatria anie izany)

Misaotra an’i Jentilisa nizara, ary nanao fanamarihana.
Mirary soa jentilisa


B. Avy amin'ny namana iray ao amin'ny vondrona yahoogroupes hoe serasera:


Miarahaba ny mpisera rehetra,
Tena lalina be ny zavatra apetrak'i Jentilisa eto ka tsy naharitra ny tena ny tsy isaotra azy. Tena mila fandalinana lalina tokoa ny momba ny fomba amam-panao. Tsara fantarina tokoa ny hevitr'izy ireny, ijerena ny soatoavina malagasy. Izay hita fa tsy mety dia ariana.

 
Ho antsika tokoa ny teny dia manan-tompo, natao ho an'ny zokiolona ny ray aman-dreny. Manan-jina ka tsy mety ny miteniteny foana sao mandratra olona, na misalovana ny anjaran'ny sasany ka dia sorohina ety am-piandohana amin'ny alalan'ny fialan-tsiny. Misy fanetren-tena tokoa izany. Tsy manao rano dingain'ny zinga velively e.


Ary io no tena adinontsika Malagasy fa manana io toe-tsaina tia fanetren-tena io isika. Tsy lavorary akory isika na izany aza. Fa fifampitaizana no atao e. Tsy resaka arifenitra io (protocole) fa tena fanajana, fanomezana hasina ny tsirairay mihaino anao.

Olombelona tahaka ny olombelona rehetra anefa isika ka mba misy koa ao amintsika ao te hanambony tena, te hizahozaho. Fianarana ny zava-drehetra, ka izao no fiteninay  hoe : "Mianara any am-pilalaovana, fa aza milalao ao am-pianarana" ! Isika Malagasy koa moa dedaka indraindray ka maka tahaka be fahantany fotsiny dia manjary manaonao foana (io ilay mimitisme e), manao randrana tsy manendrika ny tena fa lamaody hono e. Ny mpanao politika sy ny mpanao gazety indraindray tratran'io "mimitisme" io. Randjazanamihoatra dia niteny hoe "Mahavariana isika Malagasy, fa isika no manahaka ny vahiny, fa tsy ny vahiny no maka volontany".


Fa ny tenako dia isan'ireo mpametraka fanontaniana hoe : "Mety ve raha tovolahy na tovovavy vao misandratra ( 20 taona any aho any) no mikabary am-panambadiana ?"  Tokony hiandry ny fotoanany izy. Mahafinaritra tokoa ny mahita zazakely manao tsianjery kabary, mitehaka be isika. Fampisehoana kolontsaina iny. Fa zava-dehibe izany fanambadiana izany fa tsy fampisehoana, ny kabary am-panambadiana dia tena misy lanjany tsy ny zavatra ho tenenina ihany fa ilay olona miteny koa. Koa tokony asiana an-tanan-tohatra ny momba io. Misy hasina fototra itoviantsika rehetra amin'ny maha-olona. Fa ny hasin'ny dada sy neny tsy mitovy ny ahy zanaka, mba fijeriko azy.

Mbola mety ifanakalozantsika eto momba ny hoe : ray amandreny sy raiamandreny sns.... Fianakaviana roa no afatotry ny fifankatiavana ireo mpifamofo. Koa hafatra be no ampitaina. Tenierana no atao. Koa aoka tsy ho fombafomba fotsiny na endriky ivelany e. Dia manjary hatrany ambavahady avy no mifampiandry. Toa mampihomehy ihany izy izany. Raha hiteny ny mpangataka hoe : "...vory ve ny mpianakavy e", dia mamaly ny mpamoaka hoe : "...mbola mampirina trano izahay fa andraso ao ivelany ao e !!!...". I Jentilisa aza niteny momba ny portable !!!
Izay no mba tsetsatsetsa tsy aritra e. Aloavy izay mangidy e.
Tahian'Andriamanitra. Ho Herinandro Masina tsara daholo ho an'izay manao izany.
XXXXX Liva


D. Olona iray hafa ao amin'ilay vondrona nolazaiko etsy ambony ihany


manahoana  

Hoy Jentilisa hoe dia tena @ "fanalikana" olona no hitany. Io moa @ kabary, fa voamariko koa, fa rahefa mijery sarimihetsika malagasy aho (sy izay miara-mijery eo) dia vaky vava fa dia feno resaka mivindavinda sy mifampivazavaza sy mifanabaty @ireto tantara. Dia variana hoe, ataok'ity ny firesahana, ny fifampitondra-tena, ary indrindra koa @ kabary MALAGASY dia feno fialan-tsiny sy fialam-pondro ary fifandeferana sy fifanajana, ary rahefa tena hoe "hamely" akory aza @ kabary, dia atao anatina teny kisarisary faran'izay lalina sy mihodina... 

Dia izao indray, averina sy ahitatra ny resaka.

Dia variana ho'a zahay fa rahefa mijery sarimihetsika frantsay, na koa ohatra ny boky avy any frantsa, dia ny vazavaza sy esoeso sy fanapepoana dia be dia be. Io aloha dia avoitrako lava amin-janako, ary efa takany tsara, ohatra rahefa mijery ireny Bill Cosby na Fresh Prince taloha ireny izy, dia avy eo boky na film frantsay, koa na ohatra fotsiny hoe Boule et Bill.  ka dia tsoriko aloha ny ahy, fa raha ny fahitako azy dia "francisé" ny any amintsika, fa dia izay izany... Enga anie ny tanora aty aoriana @izao fanatontoloana izao, mba mahatakatra mihoatra ny ataon'ireto "francisé" ireto..  mandrapiresaka

 haja


E. Mbola afaka manohy sy maneho ny hevitrareo avokoa ianareo rehetra: marihina fa tao amin'ny Facebook dia nisy amin'izay ny nahasahy naneho ny heviny ny tsy fankasitrahany mihitsy ny kabary satria maro ny tokantrano efa ravan'ny mpikabary sy ny domberina avy amin'ilay andro iray niova ho faka mangidy tamin'olona. Ninia nangina ireo noho ny tahotra lazaina ho mpanevateva ny fomba saingy fotoana iray nanararaotany nilazany ny alahelony ilay lahatsoratra avy eo satria tokony hisy hatrany araka ny fahalalahan'ny tsirairay ny mamoaka izay ao am-pony.


F. Azo atao ve ny mampisaina ny rehetra/tsirairay amin'izay mety ho fiantraikan'ny fomba mampisaraka na mampiady? Ahoana ny tokony atao hampivoarana ilay fomba hiara-dalana amin'ny fandrosoana sa tsy azo atao mihitsy fa ny tamin'ny taonjato maromaro lasa ihany no tsy maintsy arahina?


Jentilisa, Alatsinainy 18 avrily 2011 amin'ny 23:50

Manjakamiadana an-tsary

2010-11-06 @ 22:33 in Kolontsaina

Nitsidika ny Lapan'i Manjakamiadana ny tena ny andron'ny Asabotsy 6 novambra 2010 izay androm-pahatsiarovana azy rahateo. Maimaipoana ny fankanesana teny sy ny fahazoana naka sary ka dia nanararaotra ny tena. Indreto sary vitsivitsy no aseho anareo.

 

Ireo olona liana nijery fandaharana tamin'ny fanarenana ny rova araka ny ahafantarana azy. 

 

Ny eo an-tokonam-baravarana kosa. 

 

Endrika andohalambo eny

 

Varavarambe mivoaka miatsinanana

 

Ahitana an'i Mahitsielafanjaka

 

Avaratra kosa ny tranomanara 

 

Na ny Lapan'Andafiavaratra 

 

Nakisaka ho avaratra atsinanana ny Fitomiandalana raha atsinanan'ny Lapa taloha 

 

Aseho avy amin'ny Andohalambo indray 

 

Fa ny any atsimo manakory? 

 

Fanatazan-drano hatraty anatiny

 

Nasiana tohatra hatrao anatiny rihana voalohany

 

Lafiny atsinanana

 

Ary ny vavahady andrefan'i Mahitsielafanjaka 

Indray andro, hono, Asaramanitra

2010-09-09 @ 23:36 in Kolontsaina

Mety ho gaga ny maro raha manoratra Asaramanitra amin'ity antenantenan'andro ny tena. Misy antony kely anefa raha nanoratra aho na dia teo dia teo aza ny hakamoana tsy te-hanoratra. Maro sahady ny toe-draharaha sy zava-nitranga teto amin'ny firenena saingy tsy voasoratro ireny, toy ny fahalasanana artista fanta-daza. Tsy midika velively izany fa tsinontsinona ireny na zava-bitika eto amin'ny firenena. Ny antsipirian-javatra tsy sahin'ny gazety natao lohateny lehibe aza no tena maresaka eto amin'ny tanàna rehefa mifampiresaka ny olona nanodidina ahy, dia ilay horakoraka nitranga tao amin'ny Lapan'ny kolontsaina. Saingy ialàna tsiny indrindra raha tsy manitatra loatra momba iny raharaha iny aho fa anjaran'ny tsirairay no mamakafaka. Tsy manakana anao tsy hiady hevitra koa anefa izany.

 
Hiverina any amin'ny ambaran'ny lohateny amin'izay aho. Raha teo amin'ny kolontsaina Malagasy (Merina angamba no marina kokoa) dia ny andro fahasivy amin'ny volana fahasivy tamin'ity taona ity no Asaramanitra Merina izay arahin'Anosimanjaka amin'izao fotoana izao raha ny reko, nefa, tamin'ny namakiako ny boky fahiny momba an'Andrianampoinimerina dia ny Fandroana ihany koa izay notapahiny hankalazain'ny rehetra teo ambany fahefany. Ny tsaroako indrindra manko dia nifanindry amin'ny Eidy Miozolomana mandrakariva io Fandroana na Asaramanitra nankalazaina teto Afovoantany io. Nisy ny nametraka na nampiely andro hafa ho Alahamadibe, ary nomena vahana tamin'ny haino aman-jery tamin'ny fotoan'androny (martsa-Avrily), saingy tsy nandresy lahatra ahy loatra ara-pahalalana izany (sady tsy nandresy lahatra ahy ara-pinoana na ara-kolontsaina rahateo). Taombaovao Malagasy tokoa ny Fandroana na ny Asaramanitra, ary nataon'ny taloha nifanindran-dalana tamin'ny taombaovao gregoriana... na dia tsy tena nahazo vahana teto loatra aza io fanisan'andro gregoriana io nialoha ny fanjanahantany.

 
Dia marihiko indray mandeha ihany koa fa nanana ny lanjany tamin'ny Malagasy, indrindra teto afovoantany, io Asaramanitra io fony Faha-Mpanjaka. Tsy anavahana io na kristiana ianao na mpandala ny nentin-drazana fa tamin'io fotoana io no niezaka namonjy ny tany niaviany avokoa ny any am-pielezana rehetra sy izay nila ravinahitra toerana lavitra any fa fihaonan'ny fianakaviana manontolo io... izany hoe samy namonjy ny ambanivohitrany avokoa ny Malagasy tsirairay tamin'izany fotoana izany mba hifety. Mazava loatra fa rehefa vory lanona ny fianakaviana dia misy ny omby vonoina ary makotrokotroka avokoa ny fety any an-tokantrano tsirairay avy any. Hevitro manokana dia niainga avy amin'ity fandroana ity no nahatonga na nampiroborobo ny famadihana amin'izao fotoana izao. Mazava loatra fa raha miteny hoe hevitra aho dia tsy voatery ho izay no marina, nefa avoakako ihany ilay hevitra hifampidinihan'ny rehetra.

 
Tamin'ny voalohany dia manaraka ny volana ny fanavahana ny andro sy ny volana ka tsy atao mahagaga raha niovaova ny toerana misy ilay taombaovao. Tsy hatao hamaky loha antsika ny fanazavana lava fa hevero ho toy ny fifindrafindran'ny fetin'ny Paska eo amin'ny Kristiana no mba ifindrafindran'ny taombaovao ihany koa tamin'izany fotoana izany. Ny somary iavahany dia eo amin'ny fotoanan'ny Paska izay eo anelanelan'ny tapaky ny volana martsa ka hatramin'ny tapaky ny volana Aprily mandrakariva mandavataona, ny taombaovao na ny Eidy kosa tsy voafetra tahaka izany fa dia jerena fotsiny hoe aiza no tsinana ny volana manaraka ny antokon-kintana Alahamady dia izay. Nosimbain-dRanavalona fahatelo izany tamin'ny fotoana nanjakany ka navadiny ho fotoana raikitra (manaraka ny fanisana gregoriana) ny fanatontosana ny Taombaovao malagasy (merina) dia ny 22 novambra izany. Narahin'ny ambanilanitra mandrakariva ireny fanapahan'ny Andriamanjaka ireny, na dia mety ho nanova zavatra be dia be teo amin'ny fisainan'ny vahoaka aza.

 
Mariho mazava tsara fa nandritra ny fankalazana ny taombaovao (fetin'ny fandroana) farany nialoha ny fanjanahantany indrindra (22 novambra 1895) no tena niroborobo ny fikomiana nataon'ny Menalamba voalohany hanoherana ny vazaha ka namonoany izay vazaha rehetra hitany sy ireo namofompofona vazaha rehetra. Tsotra ny antony nahamora ny famelona izany fikomiana izany, eo avokoa no tafavory ny fianakaviana ary amin'ny taombaovao ihany koa no be ny olona manao voady. Noho ny fahatsapana anefa fa voahitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena (Hasin'Andriamanjaka eto) dia be ireo mahatsapa tena ho manana adidy amin'ny fanosehana ny mpanjanatany, toy ny hoe tsy afa-mifaly kosa aho raha ziogaina ny fireneko. Ny fotoana tahaka ireny ihany koa no mora ifanondroan'izay mitolona rehetra hanombohan-draharaha, sady fotoama-panombohan-draharaha indrindra ny fotoana tahaka ireny. Nisy koa moa no nilaza (Stephen Ellis) fa nandritra ny taombaovao malagasy manara-bolana ihany koa no namelomana ny fikomiana 29 martsa 1947 fa aleo ho anjaran'ny mpahay no manamarina na mandiso izany.

 
Fa inona kosa no nahalefy ity fetin'ny fandroana ity? Fantatry ny Frantsay fa ity taombaovao ity no karazana fety lehibe indrindra ho an'ny Malagasy (Anivontany indrindra indrindra) ka notapahiny fa hotontosaina isaky ny 14 Jolay isantaona ny fankalazana izany Fandroana izany. Ataoko fa tsy mila hazavaina amintsika ny hafetsena nananan'ny mpanjanatany tamin'izany lalàna napetraka izany. Raha somary tsinjovina ihany koa ny antonta-kevitra nisy dia nanaiky ihany ny maro saingy nisy hatrany ny nanao fandroana araka ny andro tondroin'ny mpahay azy an-tsokosoko, niova endrika ny antsoina hoe famadihana ka tsy ireo havana nilevina an-toeran-kafa no nafindra hiaraka amin'ny razambeny any amin'ny fasandrazany fa ireo razana ampasandrazana hatrany no nofonosina dia naverina tamin'ny toerana nametrahana azy. Dia izay ilay heveriko hoe nataon'ny mpandala nentin-drazana hiofo ho famadihana ilay fandroana tamin'ny andro fahiny saingy tsy dia an-kiteniteny loatra moa izany. Fantatry ny Frantsay ihany ny fisian'ny famadihana ka nametrak lalàna indray ry zareo fa amin'ny ririnina (efa fantatry ny mpanao azy hoe volana inona ka hatramin'ny volana inona moa izany) ihany no azo hanaovana ity famadihana ity. Dia jereo fa ny famadihana no lasa fotoana ifamorian'ny mpianakavy hatrany lavitra any, ary mampasiaka ny sasany mihitsy ny tsy fanaovana adidy amin'io fotoana io na dia andaniam-bola tokoa aza ny fanatontosana azy.

 
Fa somary zendana ihany ny tena, satria eo indrindra isika izao, raha nisy ny antso nataon'i Avoko hanaovana horakoraka ny mitataovovonan'ny zoma 10 Aogositra, satria mifanindry amin'ny taombaovao io fotoana niantsoany ny rehetra io, ary nolazainy ihany koa moa fa fotoana ivavahan'ny rehetra. Mampahatsiahy vinaninany ilay nanombohan'ny Menalamba. Saingy na eo izany na tsia dia Miarahaba ny rehetra ary nahatratra ity Taombaovao Malagasy ity, ary miarahaba ny Miozolomana amin'ny fankalazany ny Eidy... Sa tsy azoko atao izany?


Jentilisa, Zoma 10 Aogositra Septambra 2010 amin'ny 01: 35

 

Mafana fo indray

2010-06-01 @ 22:31 in Kolontsaina

Ainga namelombelona ny fon'ny mpitolona indray ny hiran'Ny sakelidalana mitondra ny lohateny hoe Tao anatin'ny tolona. Toa mifanaraka amin'ny zavamisy iainana anatin'ny tolona indrindra manko ny tonokira ka ireo tena mpitolona ihany no mahatsapa ny halehibeny sy ny fampaherezana ao anatiny. Toy ireny miaina tanteraka ao anatin'ny vanim-potoanan'ny 1947 ireny indrindra isika raha henoina ny tonokira satria hira natokana ho an'ny tia tanindrazana 1947 izy iny. Indro jerentsika sy vakiantsika anie ilay hira nampavitribitrika tampoka iny rehefa avy nidiran'ny miaramila efa-dahy ny Kianjan'ny Finoana teo amin'ny Magro Ankorondrano (Somary nahitsiko eo amin'ny lahatsoratra ambany).


   Fa tao anaty aizim-pito
   Nandrenesana antsoantso
   Feo nihiaka nikiaka fahafahana e!
   Injao manakoako
   Ren'ny tany manako eran-danitra e!
   Ny kotroky ny basy
   Nefa tsy kivy
     tsy kivy
     Tsy kivy 
     tsy miato
   ireo MALAGASY MITOLONA.

Fa tao anaty aizim-pito
Nisy ra nipatrapatraka
Ny fahafahany mantsy no zahany
madio mangatsakatsaka
Nefa ra mikoriana mamonto tony tany
no setrin'izany
Fa tanam-polo
ihany
no hany fiadiany
Hahatomombana izay notakiany

   Fa iry ery an-danitra 
   ilay masoandro
   Efa lasa tara-pahafahana
   Ireo lavo
   Efa samy ravo
   Ny fanahin'ireo maritiora mifaly
   Ny todin'ny ra niombonana mantsy
   tsy azo takonana intsony


Mazava loatra fa tsy hira vahiny nindramina io fa hira malagasy, nanana ny hakantony sy ny aingam-panahiny. Efa impiry nisedra basy moa ireo mpitolona ireo? Fa impiry no namaly tamin'ny tora-bato ireo olona noenjehina ireo? izany tokoa no hoe tanam-polo no hany fiadiany araka ny hira, impiry nandre feom-basy entina nampihorohoroana izy ireo fa tsy kivy sy tsy niato ireo Malagasy mitolona e! Hira avy amin'ireo sarambamben'ny mpitolona raha toa ka efa elaela ihany no nisy nampifandray ity hira ity amin'ny tolona izay atrehiny.

Fa angaha izay ihany? Moa va efa nahita ny lahatsarin'izy io ianareo? Izay efa nahita tamin'ny fahitalavi-pirenena tamin'ny androny moa mahatsiaro ny toerana nandraiketana azy ve? Trano rava eny ambanivohitra eny no nanatontosany azy. Ary ireo mpitolona mavitrika kosa aiza ho aiza no mihira azy? Eo anoloan'ny trano ravan'ny mpandroba indrindra, toa vao maika nampisy fietanam-po bebe kokoa. Trano rava toa endriky ny firenena rava, (jereo ny rohy) trano gasy raha jerena endriky ny firenena malagasy. Fa tao anatin'io trano rava io indrindra no anaovan'ny mpitolona ny hiaka hitadiavany ny fahafahana sy ny fitakiany hiverenana amin'ny ara-dalàna. Tsy tokony hahatsiaro menatra ve ny mpitondra ny basy raha mandre izao hira izao indrindra fa miverimberina io hira io? Angamba mety hosivanina tsy handeha amin'ny haino aman-jery tahaka ilay "Izay mihitsy" raha izao no mitohy. 
 
 

Efa akaiky hoe ny mondial 2010 ka ho adinoin'ny lehilahy ny tolona? Ny vehivavy aloha no tena maro an'isa amin'ny mpitolona ka raha toa mahazaka tsy mijery mondial ny mpitam-piadiana dia mety hahafinaritra ny fandehan'ny raharaha. Sa mba ahoana ny hevitrao?
 
 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2017 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox