Nanao fandaharana manokana tao amin'ny Radio VIVA ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Andry Rajoelina ny alahady 21 desambra 2008. Nandeha mivantana tao amin'ny ny Radio Don Bosco sy ny Antsiva ihany koa izany resadresaka izay naharitra ora iray sy sasany izany, nihemotra tsy nandefa azy kosa ny Aceem Radio raha efa henoko tao amin'ny VIVA tamin'ny Sabotsy tamin'ny valo ora alina ny anarany. Ny mpanao gazetn'ireo radio telo ireo noho izany no karazan'ny hoe mpanentana mialoha ny amoahana ny fanambarana fitakiana avy amin'ny Ben'ny tanàna.
Lava ny fotoana, ary fantatrareo fa lava soratra ihany koa aho, ka dia hiezaka ny hamintina araka izay azoko atao. Betsaka ny sakatsakana nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny nitantanana an'Antananarivo, nefa matoa aho lany Ben'ny tanàna dia noho ny fitahian'Andriamanitra. Na inona na inona nitranga sy nihatra dia notanterahiko hatrany ny asako satria ny FITIAVANA no tena nanetsika ahy.(Mifampitaha amin'izany dia notondroiny ankolaka ho miasa amim-pankahalana kosa ny mpitondra ny firenena noho ny "fanenjehana" mihatra aminy). Na natao aza ny tsy hiteny (efa reko izay fomba fiteny izay indray maka) fa mafy ka mafy ny manjò ka misy ny fotoana tsy maintsy itenenana. Asiana diversion hatrany mba tsy ahatontosana ny adidy.
Ny lapan'ny tanàna: tsy maintsy vita io. Andralanitra: fantatra fa isaky ny volana desambra tsy maintsy misy ny olana satria mitombo ny fako amin'io fotoana io, nefa vita ny lalana mankany amin'izao fotoana izao. Natsangana ny hotelin-jokiolona: centrale d'achat ahafahan'ny zokiolona mividy entana amin'ny vidiny mora. Mitsangana ihany koa ny hotelinjaza isaky ny fokontany ho an'izay tena marofy ka Ar100 dia efa ahazoana sakafo ampy ho an'ny zaza (latsaky ny dimy taona izy io raha tsy diso aho: fanampiny nampidiriko).
Misy farany ary misy fetrany ny zava-drehetra. Ny fitondram-panjakana mikapoka aloha vao mieritreritra. Aoka angambany izay fa aleo apetraka ny fitsipi-dalao ahafahana manatanteraka (mametraka) fitakiana. Atao ny ady amin'ny tsy fahafaha-miteny, ny asan'ny radio sy ny tele no fototry ny fahafaha-miteny. Tsy manana fifandraisana amin'ny Amiraly na mivantana na avy olona akaiky azy. Efa natao koa izany hoe nanana fifandrasaina tamin'i Pierrot Rajaonarivelo, mbola ho avy koa ny filazana fa manana fifandraisana amin'i Ben Laden.
Ny mpanara-dia ahy hatrany am-piandohana dia efa nanahy ny mety hisian'ny fisamborana. Manana réseau ny tena any amin'ny sehatra maro any, ka hatrany amin'ny masoivoho dia efa nanamarina fa misy tokoa io fisamborana io.(Ahy mpanoratra hatrany ny anaty fononteny: Ary efa naely koa ny tsaho tamin'ny zoma fa efa nialokaloka tany amin'ny masoivoho Amerikana ny tenany, tetika entina hatrany hampahatezitra ny vahoaka kokoa izany tsaho izany).
Tsy mbola nisy gadra politika noho ny (nogadrain'ny fitondrana) amin'izao fotoana izao, maro ny manamboninahitra nogadraina ary hatramina praiminisitra aza (Tantely Andrianarivo) aza sahiny nogadraina. Fantatsika fa raha misy rantsana iray maharary dia mahatsapa izany ny tena manontolo; Antananarivo anefa no fon'i Madagasikara, ary rehefa ny fo voantohintohina dia i Madagasikara manontolo no tohina (marary). Hatraiza loatra ny fankahalana? Nahoana no natambatra i Ivato seranana sy Ivato tanàna? (ary anisan'ny nahatezitra azy koa eto rehefa tena dinihina ary izay no mahatsara ilay miresaka sahala amin'izao) Nefa ny fahalalàn'ny olona dia eto Antananarivo no andraisana (ny vovonana anankiroa mampiasa ny teny frantsay sy afrikana) sa afindra any Ivato indray ny renivohitra? Vao lany volana vitsivitsy monja aho dia nihazakazahana ny nanaovana an'i Toamasina ho renivohitra ara-toe-karena ka nilazana fa tsy maintsy atao ny hanatsarana ny tanàna.
Karazany divorce amin'ny antoko lehibe no nisafidianan'ny olona anao koa inona indray no iarahanao amin'ny mpanao politika amin'izao fotoana izao? Ny tsara homarihina, ny fampiantsoana ny lehiben'antoko na sendika dia tsy amin'ny maha-Ben'ny tanàna ahy fa amin'ny maha-filoha mpanorina ny TGV ahy. Tsy manana fotokevitra politika ka tsy manavaka finoana na fihaviana ny TGV. Ny mampiray hevitra ireo olona rehetra ireo dia ny fahatsapana fa be loatra ny fanitsakitsahana ny zo sy ny demokrasia eto amin'ny tany sy ny fitondrana. Olana be izany hamory olona izany? hapetraka ny kianjan'ny demokrasia ahafahan'ny antoko politika miresaka amin'ny vahoaka, afaka miteny daholo ny antoko rehetra fa azy kosa na mahazo olona izy na tsia... izaho dia resy lahatra fa natambatra (tamin'ny antoko mpanohitra?) ny hery hihainoan'ny fanjakana ny fitakiana satria izay be no basy ary ny hevitry ny maro mahataka-davitra.
Ny filazana ny zavatra marina sy ny zavamisy tsy midika velively ho fitarainana (efa reko koa izay fomba fiteny izay). Tsy mba miverina amin'ny fanapahan-kevitra raisiny (io) fanjakana (io), koa fandresena raha tafaverina tamin'ny Kaominina ny SAMVA sy ny gare routiere. Fandresena ny zavatra nisy hatreto. Betsaka ny fitakiana hataonay amin'ny fanjakana manomboka izao.
Tsy mba ampiharina mitovy ny lalàna fa misy ny mahazo mahahenika an'i Madagasikara (mbs izay) nefa ny lalàna tsy mamela izany. Manome fe-potoana amin'ny fitakiana? hatramin'ny 13 janoary (izany hoe iray volana katroka aorian'ny fanakatonana an'i Viva). Mazoto amin'ny fifanatonana hifampiresaka ve? ny fepetra (noraisin'ny fanjakana) tsy nisy resaka fa tonga dia jadona hoe mikatona dia mikatona fa raha hisy ny fifampiresahana dia ny hevitry ny maro no ho entiko fa tsy ny ahy samirery. Ny valiny andrasana moa dia ny fanekena ny hetaheta.
Niakatra ny tahan'ny fidiram-bolan'ny Kaominina raha ampitahaina tamin'ny herintaona: ny volan'ny fampisehoana niakatra 73%, ny parking 35%, ny tsena 30%, ny hetra 36%. Ny 80%n'ny fampanantenana dia efa tontosa avokoa. Tamin'nyvolana janoary dia tsy nisy vola tao amin'ny caisse. Amin'izao fotoana izao kosa dia manana ambim-bola 20 miliara fmg (mbola izany ve ny anarany?) ka afaka nizara prime ho an'ny mpiasa. Ny fanambiko dia ny hahavita be lavitra noho ireo Ben'ny tanàna rehetra teo aloha. Tsy afaka hosomparan'ny na iza na iza ny mandat fa efa-taona no nifanarahana. Ao anatin'izay dia ho hitantsika ny zava-bita.
Miala tsiny fa noho ny halavan'ny fotoana dia tsy andriko intsony ilay fanambarana nefa azo veroka ihany fa izay efa voavakinareo tamin'ny aterineto nandritra ny fihaonana tao amin'ny La Rotonde ihany no averiny ao. Mbola maika ny hijery baolina aho ka ny valin'ny tany aloha dia roa sy roa ny baolina tamin'ny fotoana ara-dalàna fa resin'i As Adema (4 _ 2) ihany ny Akademia Ny Antsika rehefa niditra fanalavam-potoana. Afa-bela ihany izany ny Adema!
Tssss! aiza akory izay famintinana eo e? izaho ary tsy diananeho ny hevitro loatra fa ilay resaka no tena nibahan-toerana koa.
Dray! ...dray! ...dray!... dray! aza mikorapaka ianao fa resaka mody ataoko hanihany izy ity nefa mety nandalo tamin'ity ihany koa ny lalana an! Tena karazana fanalana azy kely no ataoko izany.
Izaho izany ilay mpanao politka tsy miraharaha afa-tsy ny tenako. Izaho izany ilay mikendry ny hamotika ny hafa! ilay hafa heverinao aloha mety ho tsy izy nefa mety ho izy ihany koa. Inona no ataoko?
Iza no tsy mahalala fa resaka dokambarotra no mampalaza an'i Andry TGV amin'izao fotoana izao? Fantatsika fa izy no tompon'ny Injet sy domaPub. Io no heriny ka dia eo ihany no amelezako azy. Tena ny eo amin'ny ain-dehibeny mihitsy no tohatra fiakarako hampahalaza ahy bebe kokoa noho izy. Nomeko ny dokambarotra aloha ny Viva TV, iny fa nihinana! vita ho'aho! nefa anie dokambarotra lava dia lava ary kasaina haverimberina e! Mibontsina amin'izay ry tompon'ny tele nakatona a! zay mihitsy! tena ao amin'ny ilavako azy ingahy. Hitan-drangahy tsara fa niakatra ny lazan'ingahy! Inona indray ny dingana manaraka?
Indreny ny sariko, fenoy ireny sariko ireny ny takela-bin'ingahy manerana an'Antananarivo. Ataovy ao ny hafatro fa mirary fety sambatra ho anareo vahoaka malagasy aho, handray ahy amim-pifaliana indray ianareo fa izaho no hanavotra anareo. Misy lalàna mandrara izany ve? Handray sa tsia? rehefa mandà ingahy dia fenoiko ao anatin'ny alina iray monja ny takelaka fanaovana dokambarotra rehetra na amin'ny sitrapon'ingahy na tsia, fa raha izaho ingahy raiso ihany ny volabe e! entina hanentsenana ny fatiantoky ny vola tsy tafiditra noho ny nanakatonana ny telen'ingahy anie izy ity e. Afaka miteny ingahy avy eo fa tsy ingahy no nametraka ireny fa nisy nisandoka nametraka ireny sary rehetra eran'Antananarivo ireny. Tsy ingahy no ifoteran'ny rambony amin'izay (na mety ho betsaka tampoka ny ho kivy amin'ingahy tsy fantatra izany) fa izay lazaina fa matahotra an'ingahy ihany.
Izy koa anie ka tena manambola be tsy misy toy izany e! mieritreritra avy hatrany ny olona fa ireny indray no nisandoka hanalana baraka an'ingahy, fa izaho indray aloha amin'izay fotoana izay no halaza noho ingahy e! Entanin'ingahy amin'izay ny vahoakan'Antananarivo hiambina ny takelaby fanaovana ny dokambarotr'ingahy betsaka sady mbola mahabetsaka ireny ihany. Tena mahavita izany mihitsy ny mponina'Antananarivo tahaka ny niambenana ny teny Faravohitra ka! aza manahy mihitsy ingahy. Ary aza matahotra fa tsy maintsy ho lasa filoham-pirenena ingahy ka! Fa aleo aloha izaho hitondra ka! Mbola tsy ampy taona hitondra ingahy tsinona!
Lahatsoratra fahaefatra sahady androany fa tsy resaka finoana kosa fa momba ny fananganana ny Lapan'ny tanàna eto Antananarivo. Manomboka ny fanadiovana ny toerana ary efa mitsangana ny grue naorin'ny Vima Construction. Entiko izao ilazana fa manara-maso akaiky io fananganana io mihitsy aho. Hisy fanohizana anie ny asa ary mirary azy ho vita ara-potoana.
Tsy hiala loatra amin'ny fombany ny Maharesaka VETO na dia masiaka loatra aza indraindray ny soratra. Nanambara ohatra i
Lomelle ao amin'ny lahatsorany ao fa dia efa tsy rariny loatra ny eo anoloan'ny Lapan'ny tanàna aorina io (mbola tsy ao aloha ny fitaovana sy ny akora fananganana fa ny fefy manakona ny toerana no efa avo dia avo tsy hahatazanana izay ao anatiny intsony. Mampahatsiahy ny namefena ny farihin'i Behoririka tamin'ny herintaona iny.)Miala tsiny fanindroany izay mbola eo ampisakafoanana na hikarakara izany fa hipoka diky tanteraka teo...indrindra fa ny tao ambany sehatra. Nandalo teo izahay ny sabotsy teo fa vao manatokantona teny dia efa re sahady ny fofona. Avy eo hita avokoa ny entiny maro dia maro (poah). Tsy te-hanoratra azy io intsony aho fandrao lazaina fa tena efa tsy fitiavana ny ahy nefa aleoko manamarina izay nolazain'i Lomelle indray mba ho vavolombelona roa izahay. Nisy nahasahy niteny ahy manko tamin'ny fampielezankevitra volana desambra teo fa raha...efa lany moa izy ankehitriny... no mitondra ny tanàna dia tsy vitan'ny hoe maloto ny tanàna fa tena ho diky mihitsy no hahalalàna an'Antananarivo, nieritreritra aho tamin'izany fotoana izany fa efa fankahalana mihitsy kosa ny azy... saingy fe ankehitriny tadidiko tsara izay nolazainy.
Hikofokofoka indray ny CUA fa manomboka ny alatsinainy izao dia miala tsy misy alaharo avokoa ny fiara amidy sy ny fiara anaovana bizina toy ny fanakalozana devizy, fivarotana finday. Afaka manamarina ianareo fa tamin'ny fiandohan'ity taona ity dia nabaribariko mazava tsara ny fiaingan'ny famotehana ireo fefy nanakanana ny fiara amidy sy nanaovana bizina rehetra teny. Noho ny nanakarana ny sisindalana sy nametrahana vato mahasakana fiara dia tsy nisy fiara amidy nipetrapetraka teny. Vao lany ny mpitantana ankehitriny dia natomboka ny "gafy"nanimbana ireny fefy ireny aryavy eo moa dia nesorina faobe mihitsy izy ireny. Nanomboka hatreo dia lasa tsena fivarotana fiara sy fanaovana bizina iny araben'ny fahaleovantena manontolo iny. Ankehitriny polisy kaominaly maro dia maro no hisahana ny fandraofana raha mbola misy ny kiribiby. Mampahatsiahy aho eto fa efa nisy ny vahaolana nataon'ny mpitondra teo aloha izay tsy lany moa saingy notsinotsinoavina ireny vahaolana ireny. Ankehitriny toa hitany indray fa mety ny eritreritry ny mpitantana ny tanànan'Antananarivo teo aloha. Mampirisika azy ireo ahy hoe avereno ny nataon'ny teo aloha namefy mihitsy fa aza atao mahamenatra izany rehefa hita fa iny ny vahaolana tsara indrindra raha toa ka manao izao "fanadiovana" izao tokoa ianareo. Tsarovy fa efa nisy koa ny paika nataon'ny mpitantana teo aloha naka mpanentana mihitsy, olona fanta-daza izy ireny, nokaramaina volabe hampianatra ny olona hikojakoja ny zavabita rehetra na ny zavamaitso na ny fanorenana fa tsy nijanona teo amin'ny lalàna sy ny sazy intsony tamin'izany fotoana izany. Nahomby mihitsy ireny fanentanana ireny hany ka nisy lanjany mihitsy ny fahadiovana sy ny filaminana teto an-drenivohitra. Marihina aloha ho anareo ambolana tsy teto Antananarivo fa efa lasa tsena tsy ara-dalàna be olona mihitsy ankehitriny io manoloana ny radio Anosy ambanin'ny hazo mitandahatra manontolo iny (manomboka eo amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana ka hatreny amin'ny vavahadin'ny radio. Aza gaga intsony rehefa mandalo eny fa hitako Zoma 7 novambra io.
Manaraka izany indray dia nahafinaritra ahy ny fomba nataona mpiantso iray nitsikera... an'iza hoy ianareo? Mazava be fa ny MAGRO ary rehefa miresaka MAGRO dia ny tompony no ao an-tsaina voalohany. Toy izao ny nitsikerany azy (ary misy amboariko mihitsy mba hahatakaranareo tsara ilay fomba nanaovany azy): Mampalahelo mihitsy ny ataon'ny Savonnerie Tropicale fa dia tsy mba ahitana ny savoniny mihitsy ao amin'ny MAGRO nefa anie Malagasy Grossiste no anaran'io e! Raha mijery ao tokoa ianao dia variana fa toa tsy mba raharahan'ny mpandraharaha Malagasy loatra ny mba hifampiraharaha amin'ny MAGRO hametraka entana ao... dia ho variana ianao fa ankoatra ny vokatra TIKO dia ny entana Shinoa no tena maro ao ary saiky avy any ivelany avokoa ny entana amidy ao. Efa nolazaiko teo ny Savonnerie Tropicale tsy mba mametraka ny savoniny ao hany ka ny Citron plus (vokatra maorisiana malaza ho tsy mandoa haba miditra eto Madagasikara) no tena hitanao ao.
Tahatahaka izay no nanaovany ny tsikera, raha ny fahatsapako dia tsy nitsikera ary tsy te-hitsikera ny Savonnerie Tropicale mihitsy ilay mpiantso. Dia hoy aho nihomehy irery, tena mety mihitsy izany fomba fitsikera izany ka rehefa tena voatsembatsembana ny fitenenana dia efa nanoro lalana anareo mianakavy aho izay... Mbola tsy nanao ity fomba ity moa aho?
Voasariky ny saina mamirapiratry ny kintana eny an-danitra sy ny tsipika mitsoriadriaka fotsy sy mena avokoa ny mason'izao tontolo izao. Variana ihany ny maso mahita ny fanjelanjelatry ny saina Amerikana mandravaka ny sehatry ny fahitalavitra eto Madagasikara (ohatra: viva tv nanao fandaharana manokana). Sahala amin'ireny hifidy ireny ihany koa i Madagasikara, hany ka tsy mahagaga raha misy ilay sangisangy nataon'ny mpanao sariitatra maneho tambanivohitra iray mankany amin'ny biraom-pokontany manontany raha ao anaty lisi-pifidianana ny anarany satria tsy maintsy hifidy izy fa hanao raha izany Obama izany. Hoy koa aho hoe: reharehan'ny Amerikana ery ny sainany fa ny sainam-pirenenao mpamaky io moa mba ankafizinao va? Sa tahaka ny ahoana no atao mba hitiavanao azy?
Dia hoy aho any an'eritreritro any hoe raha mifidy tokoa izao tontolo izao, ka na tsinjaraina isaky ny kaontinanta aza ny famoaham-bokatra dia amin'ny alalan'ny vokatra mampiavaka ny tany an-dalam-pandrosoana mahantra sy heverina fa tsy mahalala ny demaokrasia loatra no ahalany an'i Obama na valim-pifidianana anjakazakan'ny mpitondra heverina ho jadona na tsy manaiky ny isian'ny mpanohitra ao aminy. Eny fa na Eoropa Andrefana aza mety ahazoany 80%. Voka-pifidianana mahamenatra ny tandrefana izany tsy fisian'ny fifandanjan-kery izany, karazan-kenatra anie ny nahalany ny filoha Chirac tamin'izy nifaninana tamin'ny Le Pen iny fa angaha izany raharahian'ny Afrikana? Nahavalalanina mihitsy ny nanaraka ny mivantana tamin'iny fotoana iny fa tahaka ny Frantsay nanana razambe ankoatra ny Frantsay teratany no nandresy tamin'iny fotoana iny. Tsy mahagaga raha ny fotoana manaraka ny noheverina ho Le Pen-bis no lany ho filohan'ny Repoblika taorian'izay, fahoriantsaina anie izany no nahazo iretsy nihorakoraka dimy taona taloha.
Ny Amerikana Amerikana foana na iza mitondra eo na iza! Mirehareha amin'ny mahaizy azy izy. Manandratra ny kolontsainy izy, miaro ny tombotsoany amin'ny fomba rehetra izy fa ny anao kosa manao ahoana? Toa manao fitan-droa... sadasada ihany fa sady te-ho mpitarika na olona mpitantana ambony eto Madagasikara no mizaka ny zom-pirenena heverina fa miaro ny tombotsoany manokana. Mampanahy tokoa angaha ny fampiasam-bola eto an-toerana ka aleo tehirizina any Eoropa ihany ny vola. Nefa hoy ny Soratra Masina ho an'ny Kristiana izay hoe any amin'izay misy ny harenao no itoeran'ny fonao. Any foana tokoa ny eritreritra sy ny fitiavanao ary raha azo atao aza dia any no ilevenanao, saingy lafo dia lafo moa ny hofantany any (na dia ho an'ny maty aza) ka rehefa tsy zaka aleo ampodiana eto ihany.
Izaho moa izany tsy afaka hanonofy inona loatra amin'izany fifidianana Amerikana izany. Hanana fijery hafa kokoa amin'i Etazonia angaha ny mason'izao tontolo izao rehefa lany amin'ny fomba ofisialy i Obama (ankamantatra: Firy ny isan'ny mpifaninana amin'i Obama? diso ny valinteninao raha i John McCain irery no eritreretinao). Ny fijery no miova nefa izany fijery izany dia mety hanova zavatra be dia be ao an-tsaina ihany koa. Ny nofinofiko fotsiny dia hoe: Oviana ny Malagasy no hieritreritra fa amin'izany fifidianana izany tsy ianao mpifidy no izarana vola na tee-shirt fa ianao no manao latsak'emboka na manao fitia tsy mba hetra anohananao izay olona fidianao? Tsy ny olona mirotsaka hofidiana sy ny antokony ihany no mitady sy mandany ny vola hanaovana ny fampielezankevitra fa ireo rehetra resy lahatra sy mihevitra fa hahazo tombotsoa amin'ny fanohanana iny olona mirotsaka hofidiana iny.
Fa raha izany fomba izany manko no tafiditra eto Madagasikara mahazo mangovitra izay rehetra miseho azy ho manambola hanao fafikatrana ny hareny mandritra ny fampielezan-kevitra nefa manantena fa hahatafaverina azy vetivety rehefa tonga eo amin'ny toeram-boninahitra. Amin'izay fotoana izay ihany koa tsy hisangisangy tamin'ny vola laniny nandritra ny fifidianana ny mpifidy fa hanaramaso tsara ny fandehan'ny toe-draharaha rehetra. Mieritreritra aho etsy andanin'izay fa io fomba sy nofinofy lazaiko io ihany no ahafahan'ny tsy manam-bola nefa mana-namana sy tena mpanohana manilika amin'ny fomba ara-dalàna ny mpitondra efa manana ny harenany goavana dia goavana. Amin'izay fotoana izay ho henjana dia henjana ny fanaraha-maso ny fitantanana ary izay vao ho tena hahatsapa ho tompon'andraikitra ny rehetra fa tsy ho mpitazana sy mpizaka ny tsy eran'ny aina fotsiny. Mandra-pahoviana anefa vao hisy izany? Nofy tena nofy tokoa fa ny samy mpanana ihany no hifaninana ary dia aleo ajanona hatreo indray ny redirediko mandra-pahavitan'ity fifidianana malaza androany ity.