Raha ny fiheverako manokana dia tokony ho hita amin'ny gazety rahampitso (zoma) fa hanome "fanampiana" manokana amin'ny alalan'ny Fonds Local de developpement ny Kaominina an-tanandehibe 45 eto Madagasikara ny filoha Ravalomanana manomboka ny Janoary 2009 ho avy izao. Entina hanatsarana ny tanàna moa no anton'izany.
Tsy dia idirako lalina moa ny amin'iny fa ny nanaitra ahy tamin'ity toe-javatra ity dia ny tsy nahitana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo tamin'ity fivoriana manokana ity. Ny televiziona viva mihitsy anefa no narahiko tamin'io fotoana io ka tsy maintsy mampiseho ny salovantavan'ny tompony izy raha nanatrika tao io lehilahy io (lehilahy io satria efa mitantana an'Antananarivo fa tsy boay kely aza fady indrindra). Ny sary dia manambara zavatra bebe kokoa noho ny fitantarana na dia avy amin'ny mpanao gazety mahay indrindra aza.
Eo ary no mampanontany tena. Ny avy amin'ny fiadidiana ny Repoblika mihitsy ve no tsy nanasa ny Ben'ny tanànan'Antananarivo sa ny fiadidiana ny tanàna no nanadino nampitondra ny taratasy fanasana ho an'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo sa ny tao amin'ny fiadidiana ny Renivohitra no mihevitra fa tsy ilaina loatra ny nanatrika io fotoana fanararaotra io? Moa tsy ny fotoana tahaka ireny indrindra ve no tena anehoana ny fahavononana hiasa sa efa nanava-tena sahady Atoa Andry Rajoelina fa tsy hahazo anjara amin'io vola ikarakarana ny tanàna io velively? Tsy maintsy misy ny diso eto na ny iray amin'ny andaniny sy ny ankilany na ny roa tonta mihitsy?
Tsy sahy nanoratra ity velively aho raha fantatro fa tsy mbola tonga eto an-tanindrazana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Hitako tamin'ny tvplus anefa ny fahatongavany halina. Sa mbola reraka ny lehilahy taorian'izay dia lavalava izay. Tsy sasatry ny manontany aho satria toa mifandimby ny tsy vonona hiara-hiasa amin-kitsim-po na ny avy amin'ny fitondrana foibe na ny avy amin'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo renivohitra. Tsy hisy velively anefa ny fandrosoana raha samy mihatsaravelatsihy tahaka izao ny roa tonta.
Sa misy vondron'olona te-hanala baraka an'Antananarivo eto amin'ny fihaonana antampony hatrehina amin'ny taona ho avy iny sy ny manaraka? Raha efa fantatra fa tia ny politika madio ivelany araka ny filazan'ny Jeneraly Ramakavelo azy ny mpitondra ankehitriny, moa tsy eo indrindra ve no anararaotana hahazoana vola betsaka ikarakarana ny tanàna noho ny tamin'ny fanomanana ny lalaon'ny Nosy tamin'ny herintaona (2007) aza? Asa aloha fa dia nanolo-kevitra ihany aho na dia tsy nifidy azy aza noho ny fitiavako an'Antananarivo. Fa ilay fitiavana tokoa mampirediredy an!
Efa nisy ihany ny fotoana namoahan'ny fampahalalam-baovao iray fa narary ny filohan'ny antenimierampirenena ankehitriny Jacques Sylla ka voatery nitsabo tena tany ivelany. Andro iray na roa taorian'ny filazana anefa dia nambaran'ny haino aman-jery hafa fa nandray masoivoho roa ny tenany toy ny ilazana amin'ny besinimaro fa tsy marina ilay filazana an-gazety. "Toy ny ilazana" fotsiny izany fa tsy nisy fanambarana nataony tamin'ny mpanao gazety tsy akory mandiso ny vaovao niely teo aloha.
Izay nahita ny fandraisam-bahiny roa nataony dia nanontany tena ihany hoe tsy marary ve izany izy? Efa nananontanona ihany anefa ny fanokafana ny taom-piasan'ny solombavam-bahoaka izay entiny amin'izao fotoana izao. Tranga roa avy hatrany no tao an-tsaina raha vao nahita izay fivoaran-draharaha izay. Ny voalohany dia tena narary tokoa izy fa miezaka ny manafina, satria toa mora ny hanalana ny olona amin'ny toerany raha vao hita ny fahalemeny. Mbola tarazo amin'ny mpitondra ankehitriny manko ny manafina ny aretiny amin'ny vahoaka, indrindra fa manoloana ireto mpanohitra mitady izay fomba rehetra hamelezana anao na dia amin'ny zavatra tsy misy dikany ireto aza. Faharoa, te-hisongadina kely izy na manana zavatra tian-kambara (na amidy raha toa ka artista izy) dia mody atao ny filazana fa marary izy na nisy zavatra toy izao na izatsy nahazo azy. Sarotra ihany anefa ny ilazana fa te-hanao ity tranga faharoa ity izy na dia eo aza ny fanambarany ny karazam-pahasahiranana mianjady amin'ny vahoaka izay tsy misy azo lavina nataony tamin'ny fotoam-panokafana teo.
Tonga tokoa ary ny fotoam-panokafana. Dia nitatitra ny nolazainy ny haino aman-jery nihazakazaka tany amin'ny filazana ny zavatra nolazainy. Dia variana tany avokoa ny mpamaky sy ny mpijery ary ny mpihaino fa mety ho vitsy ny olona nahatsikaritra ny fomba nampitan'ny filohan'ny Antenimierampirenena ny resaka. Ny kabary nataony tamin'ny radiom-pirenena ihany, eny tompoko mihaino dia mihaino ary mpanaraka ny vaovao atoandron'ny Radio Madagasikara aho, no nahafahana nahatsikaritra fa farim-peo dia farim-peo ny lehilahy ary toy ireny tsy hahatafavoaka feo ireny aza fa manery tena tsotra izao hamita ny kabariny araka izay tratra. Tena niova ny feony, tsy azo nafenina io indrindra fa mpiteny sy mahay mandaha-teny izy ka mahatadidy tsara ny feony taloha aho. Asa ianareo raha mahatadidy fa nisy ny filazana tany alohaloha tany ny tsy amoahana ny teniny mihitsy amin'ny haino aman-jerim-panjakana. Nahagaga anefa tamin'ity indray mitoraka ity fa nivoaka ny kabarim-panokafana nataony. Ny aiza no tena tian-kavoitra? ny filazana ny fahasahiranam-bahoaka sa ilay feony farina nilaza ny fahasahiranany niteny?
Marihina moa fa zanaky ny Minisitry ny raharaham-bahiny tamin'ny andron'i dadabe Tsiranana Atoa Albert Sylla ny lehilahy, efa nandray ny fitantanana izany minisitera izany ihany koa izy (nanaha-dray?) tamin'ny fotoana nitondran'Atoa Zafy Albert ary efa praiminisitra nandritra ny vanim-potoana voalohany nitondran'ny filoha Ravalomanana mitondra ankehitriny. Misy hosinganina ihany koa ny tranga nahazoany ny toerana mahafilohan'ny Antenimierampirenena azy amin'izao fotoana izao. Io manko no toerana azo lazaina ho tsy tinendrin'ny Filoha ankehitriny na baiko avy aminy fa tolona manokana tamin'ny alalan'ny fampiasana ny haino aman-jery indrindra fa ny karajia tamin'ny fotoan'androny. Niverimberina matetika manko fa noho ny efa maha-protestanta (refôrme) ny filoha sy ny praiminisitra dia tsara raha mba katolika kosa no filohan'ny antenimierampirenena. Terin'izay fandresen-dahatra izay, araka ny fijeriko azy ny mpitondra mpanatanteraka, no nahatonga azy nanaiky tsy fidiny hamela io ho azy. Sandan'izay moa, dia nofandrihana sy nandrasana kendry tohina ny fandaharana karajia tsy hanasongadina olona tsy avy amin'ny sitrapon'ny mpitondra mahefa intsony.
Baikon'ny filoha faratampon'ny foloalindahy ny hanambàrana ny polisy sy ny zandary ho deparitemanta iray. Ny antony araka ny filaza dia mba hahombiazana kokoa eo amin'ny asa fitandroana ny fandriampahalemana anatiny eto amin'ny firenena sy hamerenana ny hasin'ny mpitana fitaovam-piadiana ary ny hisian'ny fifampifehezana matotra kokoa.
Mpifanerasera amin'ireo vondron'asa mpitazona fitaovam-piadiana roa ireo ny tena. Mpitam-piadiana ny roa tonta ka manana ny heriny avy. Azo ambara aza fa samy miaro ny vondrona misy azy avy ny tsirairay ary mifanindry mihitsy aza, tafiditra koa eto ny miaramila. Politika napetraky ny mpitondra teo aloha nampanjaka ny zarazarao hanjakana ny nijoroan'izy ireo ho samy manana ny azy. Fiarovana ny sezany mahomby tokoa izany. Raha toa manko mitady hanongam-panjakana ny ao amin'ny polisy sanatrian'izany dia tsy maintsy hanao izay hanakanana izany ny ao amin'ny zandarimaria na ny mifamadika amin'izany. Izay no nahatonga ny hadihady hoe raha tafaray eo ny fanapahana sy ny fifehezana mety ho mora kokoa ny fanonganam-panjakana satria tsy misy hery mifandrafy loatra intsony.
Nahoana ary no najoro ny baraingo amin'izay ho fahombiazan'ny fampitambarana ny polisy sy ny zandary? Ohatra vitsivitsy: Any amin'ny polisy, araka ny tatitry ny zandary sasany, vao any ampiofanana dia efa masahina ao an-dohan'ireo mpianatra ho polisy ireo amin'ny taranja tantara fa ny zandary no namono ny polisy tamin'ny rotaka 1972 (fony FRS na Forces Republicaines de sécurité) sy tamin'ny 1975 (fony Groupe Mobile de Police na GMP) tamin'ny fiokona nataon'izy ireo tetsy Antanimora ka niampangana azy ireo ho namono ny filoham-panjakana. Avy amin'ny zandarimaria indrindra anefa tamin'io fotoana io ny filoha nitondra ny firenena. Noho izany efa nomanina ho hery mpifanandrina amin'ny zandary sahady ny polisy. Etsy ankilan'izay dia mirehareha amin'ny fiofanana vitany kosa ny zandary fa ny asan'ny polisy rehetra dia vitany raha ampanaovina azy fa ny polisy kosa ho be ny asa tsy ho vitany raha ampanaovina ny asan'ny zandary ireny. Ny vola fandrain'ny roa tonta anefa toa mifamadika amin'izany. Ny lasitra famolavolana ny roa tonta izany dia tsy mitovy velively. Sarotra ny hahombiazan'ny fampitambarana raha tsy ny toby fiofanana mihitsy aloha no raisina.
Ankoatra izay, mety tsy ho eken'ny eritreritry ny polisy velively ny ho baikon'ny zandary ary mihivingivin-doha tanteraka ny zandary ka hoe eo ambany fifehezana manamboninahitra polisy. Mifampihevitra ny ho sakamalaho sy havozo manko ka samy manana ny hanitra ho azy. Be ny mihevitra fa noho ny baikon'ny filoha dia manaiky ambava ny manamboninahitra avy amin'ny roa tonta fa any anaty any kosa mety ho efa mivonto ny fo.
Manaraka izany indray ny fipetraky ny rafitra an-tanan-tohatra. Ny avy amin'ny polisy dia mahita avy hatrany fa ny Praiminisitra no eo amin'ny faratampon'ny rafitra vaovao. Amin'izao fotoana izao anefa dia manamboninahitra jeneraly avy amin'ny zandary no mitazona izany toeran'ny praiminisitra izany. Singa eo amin-dry zareo izay hilazana fa tadiavin'ny zandarimaria atelina tanteraka ny polisy. Etsy ankilany indray anefa toa vitsy ihany miohatra amin'ny zandary ny polisy manana laharam-boninahitra ambony ka tsy misy isafidianana loatra hitana andraikitra ambony, hany ka na sanatria aza mety hisy ny tsy fahombiazana eo amin'iny olona iny dia tsy misy ihany na dia izany aza ny mahasolo azy.
Tohin-dresaka ihany dia maminavina aho ny amin'ny antony mahatonga izao fanapahan-kevitry ny filoha izao. Heveriko fa noho ny nataon-dRazafindrazaka Emmanuel fantatra amin'ny mampalaza azy hoe Bôlô izay manamboninahitra ambony ao amin'ny polisy no nandraisana ny fanapahan-kevitra hitelemana ny polisy ho zandary izao. Kely ihany ny herijikan'io vinavina io na dia izany aza. Be ny mihevitra fa ny deparitemanta ihany no ho iray fa samy hiolonolona amin'ny misy azy avy ny roa tonta. Tsorina fa fanahiana goavana amin'ny mety ho fipoahan-javatra tsy ampoizina no ho vokatry ny fanapahan-kevitry ny Filoha izao raha tsy mitandrina izy. Arakaraky ny seza very ao amin'ny manamboninahitra avy amin'ny roa tonta manko nomety hisian'ny fifanandrinana. Fa enga anie ny hamisavisana ny ratsy hiavian'ny soa na dia izany aza.
Farany, tsaroako tsara fahakely fa tena tiako mihitsy ny hanao izany asana zandary izany. Asa inona loatra angaha no nahatonga izany? Soa ihany fa sady keliray ny tena no kely endaka fa teo amin'ny fahaizana mitifitra ihany no tsy azo novazivaziana (tsy niraty tifitra aho fony izaho SN teny Langaina vao sambany nanao izany).
Ny mpanao gazety malagasy amin'ny ankapobeny mihitsy no nahatsiaro ho voatsindrona tamin'ny tenin'ny praiminisitra niantsoana azy ireo haingana tao anatin'ny fotoana fohy ka nandrenesana ny hoe ao anatin'ny fampihorohoroana eo anatrehan'ny praiminisitra ny fampielezana vaovao tsy marina (na "mampihorohoro") ataon'ny mpanao gazety. Fampihorohoroana ny fanakatsakanana tsy hanatanterahan'ny governemanta ny fandaharan'asany na ny fanatontosana ny MAP. Hafa avy hatrany moa ny handraisan'ny mpampita vaovao ny resaka ary dia hiditra nanatsipalotra azy aho na dia efa fantatro fa nampihena ny mpamaky ahy aza ny fidirako resaka politika izay mampisara-kevitra, nefa tsy Maharesaka ny Maharesaka raha tsy miresaka azy aloha.
Ny tao an'eritreritra dia hoe mitady hanapa-kevitra samirery ny fitondrana fa tsy mba mihevitra ny hiara-midinika amin'ny vondron'olona mety ho voantohintohina ny tombotsoany na ny fiainany. Nefa ny mpanara-baovao dia tokony tsy hody fanina mihitsy tamin'ny vaovao navoakan'ny "La gazette de la Grande île" momba ilay hoe Alemana novonoina tao amin'ny fari-dranomasin'i Nosy Be miaraka amin'ny sary ahitana ny loha tapaka sy natao teo anelanelan'ny tongotr'ilay olona ny lohany teo amin'ny takila voalohany indrindra (tena natao haharikoriko mihitsy matoa naovaka pejy voalohany ny sary). Nalahelo moa ny masoivoho Alemana tamin'io sary io satria voalohany, tamin'ny taona 2005 io toe-javatra io no nitranga. Faharoa, ny filazana ofisialy no nanambarana fa namono tena io lehilahy. Fahatelo, misy andiana mpandraharaha indridra mitsidika ny Nosy tamin'ny fotoana namoahana ny vaovao. Midika izany fa nokendrena hampihemotra ireo mpandraharaha ireo tsy hampiasa vola eto Madagasikara ny vaovao. Io toe-javatra io no nanafintohina ny praiministra araka ny fijeriko azy ka nahatonga ny teniny fa tafiditra ao anatin'ny "fampihorohoroana" ny famoahana ny vaovao manakatsakana ny asan'ny goverinemanta. Misokatra indray ary ny adihevitra e!
Nalaza tao aho ao ny fanamboaran-dalana hampitohy an'Ivato amin'i Talatamaty. Lalana mirefy tokony ho 5km izany lalana izany ary handaniana 7 miliara ariary eo ho eo. Ny orinasa Sogea Satom ao anatin'ny vondrona mpanamboatra lalana malaza VINCI Construction no hanatontosa izany fanamboaran-dalana izany. Ny tena tian'ny gazety ny Vaovaontsika navoitra androany manko dia hoe tsy hisy fandravana trano mihitsy amin'izany fanitaran-dalana izany fa ny takelaby fanaovana dokambarotra ihany no miala. Hay ve fanitaran-dalana ity handaniana vola be ity fa tsy famakiana lalana vaovao e!
Ankona ihany ny tena rehefa namaky ilay vaovao satria tsy vahiny amin'iny lalana iny manko ny tenako. Nihevitra izahay fa hisy lalana vaovao somary mahitsy avy eny Ivato tonga dia mamantana Ambohibao, fa tsy mandalo izany Talatamaty izany ity karakarain'ny fitondrana ity hay tena mivandravandra fa ny fandraisana ny filoham-pirenena ho avy amin'ny fihaonam-ben'ny filoham-pirenena sy mpitondra fanjakana Afrikana no laharam-pahamehana. Tsy hanala olana velively izany ity lalana ahitatra ity.
Inona ilay olana tsy voavaha? Ny tena miteraka fitohanan'ny fiarakodia amin'iny lalana mankany Ivato iny manko dia ny mandalo an'Ambohimanarina iray sy ny mampitohy an'Ambohibao vao miakatra iny ka mankany Talatamaty iny ny faharoa. Noho ny fahateren'ny lalana amin'iny faritra iny dia mikatso avokoa ny fiara rehetra mandrapahatongan'ny fizarandalana eo Talatamaty ka mankany andrefana Ambohidratrimo sy Mahajangà ny iray ary mianavaratra mamonjy an'Ivato seranana kosa ny iray. Mivandravandra eto fa tsy ny fahasahiran'ny olona tokoa no mahamaika ny fitondrana fa ny hirehareha amin'ny lalana efa malalaka dia malalaka ihany. Toy ilay lalana etsy amin'ny lalambaovao mampitohy an'Ankorondrano amin'Amboditsiry ihany ity e! eo amin'ny fanombohan'ny olana mamonjy an'Analamahitsy tanana indrindra no vita ny lalana fa tsy nisy ny lalana vaovao hamahana ny olan'ny fitohanan'Analamahitsy mankany Anjozorobe velively. Oviana re vao tena laniana amim-pahamendrehana ny vola be tahaka itony e?