#RaiseYourVoice! Asandrato ny feonao! Asa fanandevozana eto Madagasikara

2015-10-15 @ 23:23 in Andavanandro

Ny andron'ny 16 oktobra indray no "Andro Ikatrohan'ny Blaogy" na antsoina hoe "Blog Action Day" #BAD2015 araka ny ahafantaran'ny maro azy eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Raha nangina am-bolana vitsy ny blaogiko teto dia fotoana izao ihetsehany indray ka amoahany izay hevitra mpanohariana ato amiko ato.

Ny ankamaroan'ny olona eto Madagasikara raha mitaraina dia toa mivantana any amin'ny fitondram-panjakana avy hatrany ny fitarainana rehetra ary toa tsy dia manaraka an-tanantohatra ilay izy fa avy hatrany dia any am-bovonana araka ny fiteny. Rehefa jerena anefa dia ireo ao antenantenany no tena mihoa-pahefana na manao ny tsy mety sy ireo izay mihevi-tena fa manana mpitondra ambony hiaro azy na dia tsy ao anatin'ny an-tanantohatry ny fitantanan-draharaha aza.

Izaho kosa rehefa nandia izay fotoana lava niainana izay, dia mahatsapa fa na dia manana ny andraikiny tokoa aza ny mpitondra fanjakana dia ireo rafitra tsy miankina toy ny eny an-tsekoly na ny eny amin'ny birao na ozinina na eny amin'ny tsena (fifanakalozana ara-barotra) ihany no tarafin'ny mpitondra fanjakana. Izay tsy rariny rehetra heverintsika fa itarainantsika amin'ny mpitondra fanjakana dia tsy rariny ataon'ireo ambaratonga tanisaintsika ireo, saingy sarotra ny itsikerana azy sady mety hahavoaroaka ihany koa nefa mety hihatra amin'ny ain-dehibe raha voaroaka avy any amin'ireny sehatra ireny ka aleo mipirimpirina. Noho ny tsy fihetsehan'ny fitondram-panjakana hiaro ny olom-pirenena ao aminy dia lasa manjakazaka manao izay danin'ny kibony ireny sehatra tsy azo tsikeraina ireny, ary rehefa manao ny tsy rariny ireny sehatra ireny dia ny mpitondra fanjakana ihany no mahazo tsiny ho mpiray tsikombakomba amin'ny fanaovana ny tsy rariny amin'ireo mpiasa... aza mba mpiasa aman'olona ihany...

Satria manko tsy manambola ny fanjakana ary mitady fatratra izay fomba hahazoan'ny olona asa sady tsy manelingelina ny seza fiandrianany dia avela gaboraraka ny lalàna fiahiana mahaolona ireo olona fehezin'ny mihevi-tena ho tompon'ny lalàna rehefa tsy mampihatra ny lalàna tokony ampiharina amin'ireny sokajin'olona  iondrehan'ny mpiasa ireny ny mpitondra fanjakana. Ny loza aza dia misy ireo heverina ho solontenam-panjakana hanelanelana eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa rehefa amin'ny vanim-potoana manahirana no izy indray no misolovava ny mpampiasa. Efa niaina izany manokana ny tena, hoy ilay "Inspecteur d'Etat" tao Antsahavola izay rehefa nametraka ny fitarainako tamin'ny asa tamin'ny maha-delege aho hoe: "Tsy hitako izay itarainanao amin'izany fa be dia be ireo ny olona mitsiriritra ny asanareo fa mahaiza mipetraka, rehefa tsy zaka dia mialà fa aza be taraina" (Tamin'ny andron-dRatsiraka nitondra fanindroany izany fotoana izany!) Tena tezitra aoka izany aho tamin'izany valin-teny izany fa fitarainan'ny mpiasa no entiko ary misahana ny asa ny raharahany ka tsy mahagaga raha be no mihevitra hoe efa nosisihan'ny mpampiasa vola ireny "Inspecteur d'Etat" ireny matoa mahavita miteny toy izany ka tsy mahagaga ny mpiasa raha lasa manaonao foana rehefa tsy hita izay heveriny hiahy azy rehefa tsy misy miraharaha izy nefa mahatsapa ho ianjadian'ny tsindrihazolena.

Noho ny toe-javatra tahaka izany indrindra no nahatonga ahy namoaka tao amin'ny facebook (ary efa mivoaka ihany koa ato amin'ny blaogy.com) hoe Tiavo ny asanao fa aza mitia ny orinasanao. Io orinasa io tsy hiraharaha izay momba anao raha azony atao ihany koa fa ny tombontsoany ihany ny azy no fantany. Io orinasa io tsy maika amin'ny resaka sosialy hitsinjovana ny mpiasa fa mahavita manapa-kevitra haingana dia haingana rehefa hitany fa misy tataka ny fitoeram-bolany. Fa dia inona loatra ary no anandratana feo amin'izao fotoana izao? Nisy mpamaky ahy taloha nahatsikaritra fa rehefa hilaza zavatra iray atao lohateny aho dia mbola ilaozako miresaka zavatra hafa aloha vao mitodika any amin'ilay lohahevitra rehefa any amin'ny farany. Mbola manaraka izany firafitra izany angamba ity firafitra ity raha mbola mamaky ity tsanganana ity indray izy. Izay no ela fa horesahintsika amin'izay ny olana tsy sahin'ny mpiasa aboraka ampahibemaso fandrao mahavoaroaka araka ny fiheverany.

Efa nipetraka hatramin'ny repoblika faharoa ny fe-potoam-piasan'ny mpiasa isan-kerinandro ho 40 ora fa heverin'ireo vahiny "mpampiasa vola" eto amintsika fa ny mpiasam-panjakana irery ihany no misitraka izany zon'ny mpiasa izany fa izy ireo kosa mampiasa anao amin'izay ora tiany na ho 60 ora na ho 70 ora isan-kerinandro aza izany (izaho aza efa nisy fotoana niasa 76 ora isan-kerinandro ary mbola betsaka no manana ora mihoatra noho izany niainako izany). Raha miresaka izany ianao ny ao an-tsain'ny olona voalohany dia hoe saosy be izany asa mafy ataonao izany, fa heveriny ho mandainga ianao raha mamaly azy fa tsy misy tambin-karama azo avy amin'izany ora be dia be mihoatra izany na dia ariary aza satria efa "cadre" na mpifehy ianao dia tsy voafetran'ny ora intsony ny asanao fa izay amitanao ny iraka ampanaoviny anao no ataonao. Raha asam-pitiavana manokana sy fanolorantena ilay izy dia tsy hitako izay itarainana, ary toy izany ihany koa raha mba mifanaraka amin'izany ny karama, saingy karama herinandro dia vita tanteraka! Tsy mahagaga raha misy ireo mitady vady an-tserasera na an-gazety ireo no mitady "cadre superieur" fa tsy "cadre" (fametrahan-tsary) satria iharan'ny fanandevozana ankolaka amin'ny karama kely, ary mety mbola kely vola raisina noho ny "employé" ao amin'io orinasa iray io ihany aza izany "cadre" tsotra izany. Ho anareo izay mbola hiasa, tandremo tratran'ny fandrika toy io nosoratako io. Sarotra ho anay mpiasa ny hitaraina amin'ny mpitondra fanjakana rehefa hitanay miharihary fa hay mpiara-komana amin'ny mpitondra orinasa mety ho manao tsinontsinona ny mpiasa ao aminy ianareo rehefa hitany fa mpiray fikambanana any amin'ny "fikambanana mpanao asasoa" na fikambanan'ny mpanankarena any ianareo, saingy mbola alefa ihany ny fitarainana mba ijerena lalàna iarovana ny mpiasa amin'io fitaka ataon'ny mpampiasa ao amin'ny fifanarahan'asa io.

Faramparany dia misy ihany koa ireo tsy manaja ny andro fiasana sy ny andro tokony hialan-tsasatra ary misy ireo mpitantana orinasa (misy hoy aho fa tsy izy rehetra) no izy indray no tezitra rehefa lazaina aminy fa tsy azo atao ny miasa 26 jona ohatra eto Madagasikara... satria malalaka loatra amin'izay ataony izy fa tsy raharahiany mihitsy ny hiasan'ilay mpiasa "tsy mahazo tambin-karama" noho ny fiasana andro fety na alahady noho ilay fifanarahan'asa izay voalazako etsy ambony etsy ihany. Efa tsy fantany intsony fa efa voasoratra ao amin'ny lalàna ny mba hananan'ny mpiasa fialan-tsasatra 48 ora ao anatin'ny herinandro. Noho ny tsi-fieritreretana fa misy ireo mpiasa miasa alahady mba mangataka andro hafa ho solon'ny alahady niasana (izany hoe 24 ora isan-kerinandro no tadiavina) no mbola mahazo valinteny fa tsy zon'ny mpiasa izany fa fitiavana manokana avy amin'ny orinasa ("faveur") raha omena "day off" izy, ilay fitenenana "day off" manko no mamitaka fa solon'alahady no tena izy.

Farany, satria manko tsy manankaleha intsony ireo mpiasa, indrindra rehefa mahazoazo taona izy, no anaovana toeran-tsy zaka ka tsy raharahiana na 10 na 15 na 20 taona niasana izy fa raha vao manao fahadisoana indray mandeha, toy ny fahatarana ohatra, dia sady omena sazy no iniana afindra toerana hafa izay efa miharihary fa tsy ho tian'ilay mpiasa ka rehefa tsy manaiky dia terena hametraka fialana, dia maro ireo manampim-bava ny tenany fandrao tsy homam-bary ny vady aman-janaka. Tsy manan-kitarainana intsony no sady tsy maharo azy izay rafitra rehefa natao hiahy azy ny mpiasa. Satria manko be loatra ny tsy an'asa ary be ny mpitady asa araka izany, dia anaovana izany karazam-panandevozana izany nefa ny karama omena amin'io ilay karama sahaza ny mbola ipetrahan'ilay mpiasa any amin'ny tranon-dray aman-dreniny ihany.

Hafatra ho anareo tanora: Aza mba mpiasa ihany fa raha azonao atao dia mitadiava fihariana tsy eo ambany fahefan'olon-kafa, sarotra izany fa aleo miasa mafy ahitam-bokany toy izay ampiasaina mafy amin'ny karama tsy mahavita tapabolana... Raha mbola tanora ianareo dia matanjaka tsara na saina na hery fa rehefa mihalehibe ianareo dia mihaosa avokoa na ny saina na ny hery.


Zoma 16 oktobra 2015 amin'ny iray ora sy sasany maraina...

 

...

Fetin'ny Mpiasa fa tsy fetin'ny Asa

2015-05-01 @ 09:36 in Andavanandro

Migadona ny voalohany volana mey. Fetin'ny Asa no mahazatra ny fitenenan'ny olona raha vao miresaka io daty io. Raha ny marina anefa dia fetin'ny mpiasa no voambolana mety sy sahaza kokoa  fa tsy ilay asa loatra. Ara-tantara (Tandrefana) dia ny fankalazana ny asa vitan'ilay olona mpiasa no tena nasandratra tany amin'ny taonjato faha-18 tany. Izany hoe tsy mijery afa-tsy ny vita ny mpampiasa fa tsy mijery ilay olona nanao ny asa, tsy mahalala ny filan'ilay mpiasa sy ny zavatra mety mihatra aminy. Tsy tamin'ny andron'ny 1 mey ihany koa, no tena nametrahana izany daty izany tamin'ny maha-fetin'ny Asa azy.

Taty aoriana dia efa mazava kokoa ny filazan'ireo tranonkala vahiny ny anarany hoe Andro Iraisampirenena ho an'ny Mpiasa. Eo vao mitodika any amin'ilay olona ny andro fa tsy tamin'ny zavatra nataony sy novitainy intsony. Teo aloha dia ny tombontsoa sy ny vola miditra ihany no fantatry ny mpampiasa fa tsy raharahiany izay manjò ny mpiasa any. Olombelona ihany koa anefa ny mpiasa. Mahalala trotraka ihany koa izy ary mahay manohitra ny tsy rariny avesatra eo amboniny. Toy ny andevo ny fijery ny olona atao ambany na tsy raharahiana noho ny vola miditra na vola tokony omena ilay olona nanao ny asa nefa dia fihinina izany satria hoe "zaranao aza manana asa ianao".

Ny fiandohan'ny nametrahana ny 1 mey dia avy amin'ny fitakian'ny sendikà Amerikana hametra ny ora iasana ho 8 ora isan'andro fa tsy mihoatra. Io no andro ihetsehana, maro ny ra latsaka tamin'ireo andron'ny 1 mey nifandimby ka vao maika nampijoro mafy ilay andro ho sarotra esorina, indrindra fa any amin'ireo tany tandrefana. Andro napetraka hanaovan'ny mpiasa fitakiana izy io amin'izao fotoana izao, saingy anaran-tsy very izany sisa eto Madagasikara, satria tsy azo atao ny midina an-dalambe tsy mahazo alalana. Hahazo alalana amin'ny fitakiana sendikaly ve ny sendikà sa tsy sahy intsony? Sao dia anaran-tsy very ihany koa sisa ny sendikà amin'izao fotoana izao?

Eto Madagasikara, na dia efa natao andro tsy iasana tokony hanaovan'ny mpiasa ny fitakiana any anatiny any aza ny andro voalohany volana mey dia maro ireo orinasa, lazaina fa manaja ny lalàna velona eto Madagasikara, no tsy miraharaha fa mampiasa ny mpikarama ao aminy ho toy ny andro andavanandro ihany. Ary ny tena loza dia misy ireo miasa tsy mahazo tambin-karama, satria hoe efa mipetraka ao anatin'ny fifanarahan'asa eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa fa tsy mahazo tambin-karama intsony izy. Te-hanangona sy te-hahafantatra ny endrika tsy rariny mahazo ny mpiasa aho fa izay fantatro ihany no lazaiko.

Maro amin'ireo mpikarama no miasa ora maharitra sy mihoatra ny 40 ora isan-kerinandro ka tsy mandray ny tambiny, mifanaraka amin'ny lalàna napetraka, avy amin'ny andro tsy tokony iasany nefa voatery miasa izy. Efa mipetraka anaty lalàna arakaraka ny karaman'ilay mpiasa ny vidin'ny ora iray mihoatra amin'ny ora tokony iasany. Misy anefa dia ora maro dia maro no iasan'ilay mpikarama, kanefa dia ampahatelony na ampahaefany na ampahadimin'ny tambin-karama tokony horaisiny ihany no omena  azy. Misy indray dia efa fantatra ny ora mihoatra iasany isam-bolana dia efa apetraka hoe vola -raikitra sy tsy miova- izao isam-bolana ihany no azony na ora firy na ora firy no mihoatra amin'ny andro iasany. Tsy haiko aloha na mifanaraka amin'ny lalàna sosialy izany toe-javatra izany na tsia fa dia misy soa aman-tsara ireo lazaiko ireo.

Fandripandrika omena ny mpiasa ihany koa ny hoe ianao dia mpiasa ivelan'ny sokajy (hors categorie) ka tsy tafiditra ao anatin'ny lalànan'ny asa intsony ny fifanarahanao mpiasa amin'ny mpampiasa. Asainy miasa amin'ny ora tiany ianao fa tsy mahazo ilay tambin-karama intsony satria efa mipetraka mazava ao anaty fifanarahana izany, ary mihevitra ny orinasa mpampiasa amin'izay fotoana izay fa tsy azon'ny lalàna enjehina izy. Rehefa tratran'ny fandroahana na hiala anefa ilay mpiasa dia tsy maintsy faritana ihany hoe sokajin'asa laharana faha-izao na izatsy no mihatra amin'izay fotoana izay. Ny tena manahirana amin'ity fifanarahana ivelan'ny sokajy ity, raha ny fiheveran'olona tsotra amin'izao dia tokony ho ambony dia ambony ny karamany ho sandany saingy tsy izany velively no izy fa mandray latsaka noho ny "ambany sokajy noho izy" aza ireo tratran'ity fifanarahana sadasada ity. Saingy tsy afa-miteny sy tsy afa-mitroatra ny mpiasa tratran'izany satria "zaranao aza ianao manana asa fa jereo ireo tsy an'asa mitsiriritra ny asanao".

Teny an-dalana teny aho dia nahatsikaritra fa maro ireo olona no misinda kely ivelan'ny tanàna satria mba tsy miasa e! izay ilay anaran-tsy very. Efa mihoatra ny zato taona izao no nitakiana ny ora valo isan'andro ary efa maro ny firenena manatanteraka izany, ary anisany i Madagasikara, saingy misy ireo mpampiasa no manao valiboraingina hoe mpiasam-panjakana angaha ianao no hitaky valo ora isan'andro na efapolo ora isan-kerinandro? Mandehana any amin'ny fanjakana raha hitady an'izany fa tsy aty no misy an'izany. Ato amin'ny orinasako dia IZAHO no lalàna. Mila mieritreritra ny sendikà ary mila mijery indray ireo mafiloha afa-mitarika ny fitakian'ny mpiasa an-dalambe amin'ny andro tahaka izao fa na misy aza ny fifanarahana dia tsy maintsy misy ihany koa ny fitakiana mety tsy ho fantatrao avy amin'ny mpiasa tratran'ny tsindrihazolena efa tsy jeren'ny fitondram-panjakana intsony.



Jentilisa 1 mey 2015


Tsy mataho-tody

2014-12-16 @ 21:35 in Andavanandro

Hafatra voaray avy amin'ny namana ity ka niangavy izy ny hampitaiko azy fa tsy zakany intsony ny tsy rariny ampiharina amin'izy ireo. Efa nosoratako taminy ihany fa tsy dia misy fiantraikany loatra ny famoahana azy amin'ny bilaogy fa tsy maninona izany hoy izy fa ny mba ho lesona ho an'ny hafa, hoy izy, no tiako amoahana azy. Toy izao manaraka izao ny votoatin'ny hafatra izay nampitainy aty amiko : 

Amin'ny ankapobeny aho tsy mitantara fiainana manokana izany loatra. Na dia misy aza ny tsy rariny sasantsasany ao anatin'ny fiaraha-monina dia misy ilay fomba fitenin'ny Malagasy manao hoe "Tokantrano tsy ahahaka!" Tsy midika velively izany hoe ao an-tokantrano no misy tsy rariny fa mety ho eo amin'ny mpiara-monina akaiky eo ihany. Eto kosa aho hamboraka ny hatezerako, tsy maintsy misy ny avoaka fandrao manimba ny tena ary efa tapa-kevitra fa tsy haka lagy, rehefa izay no tadiaviny dia aleo tanterahina araka ny sitrapony ka tsy hitsitsy intsony.

Raha misy ny zavatra iray mampikorontana na mampiady indrindra ny samy mpanofa trano dia matetika eo amin'ny resaka jiro sy rano izay. Matetika manko dia mitambatra kaonteran'ny jiro sy ny kaonteran'ny rano ny samy mpanofa ary matetika miaraka amin'ny tompontrano aza izany. Efa torohevitra mialoha sahady hoe rehefa mijery trano hofaina dia aza amaivanina mihitsy io resaka jiro sy rano io, raha vao misy zavatra mampiahiahy na dia kely monja aza dia aleo tsy mijabaka fa mitady hafa mety ho azo leferina na mifanaraka amin'ny rariny.

Raha nifindra trano izahay dia nanambara ny tompontrano hifindrana tamin'izany fotoana izany fa raha be fandanian-jiro dia tsy mety amin-dry zareo satria tsy dia matanjaka ny herinjiro nipetraka ary mety hanapatapaka ny jiro. Nekenay soa aman-tsara izany ary voahaja araka ny sakany sy ny lavany. Nandeha no roa volana, nandeha araka ny tokony ho izy ny lany teo amin'ny jiro sy ny rano sy ny vola naloa. Nilamina sy nisosa soa aman-tsara ny fiainana sy ny filaminana. Niala ny iray tamin'ny mpanofa avy eo fa voatery nifindra tanàna noho ny asa. Nisy mpanofa vaovao tonga fa dia nivadika tanteraka ny zavamisy nanomboka hatreo. Marihina fa lova angamba ny trano ipetrahana ka na dia iray trano lehibe aza no ipetrahana dia samy manana ny mpanofany ny tsirairay. Izay no iray amin'ny  maha-sarotra amin'ity raharaha ity na dia iraisana aza ny kaonteran'ny jiro sy ny rano.

Tsy nitsaha-nitombo ny fandaniana nanomboka teo ary dia noterena izahay hoe anisan'ny mampiasa jiro hatrany sy mampiasa solosaina (finday!) ka tokony handoa ny ambanimbany kely noho ny atsasaky ny fandaniana. Noezahina ny fanazavana hoe tsy hitovy mihitsy ny fandanian-jiro na hisy herinjiro lany hatrany aza ao aminay satria zavatra tsy mandany jiro avokoa no ampiasainay fa dia azon'ody angaha ny sasany sanatria fa rehefa mampiasa jiro dia mandany jiro ny dikan'izay. Nohazavaina taminy fa tsy hitovy fandaniana mihitsy ny 4L sy ny kamiao fa ny di-dohany ihany no di-dohany. Efa nanomboka letra ny tena tamin'izany fotoana izany.

Efa nifanarahan'ireo tompontrano amin'ny mpanofany avy fa tsy azo atao ny mampiasa zavatra mihinan-jiro fa nisy ireo nangalatra nampiasa ireo zavatra mandany jiro ireo ihany. Nifanendrikendrika amin'izay fa ranona mampiasa "rice cooker" sy fera fipasohana, tsy hitako anefa izay hakanay mpanampy sy handaniana saribao roa gony lehibe isam-bolana raha mbola handoa ny vidin-jiron'ny sasany ihany. Nilazana ary ry zareo hoe andao samy hampakatra "rice cooker" sy "fera fipasohana" any amin'ny tompontranony avy fa tsy nanaiky ry zareo fa ny fananany ve hoe ampirimina any amin'ny olon-kafa any. Miharihary aminay manomboka hatreo fa mpandany ry zareo nefa dia omen'ny tompontranony vahana amin'ny fampitoviana ny jiro aloa sy ny fampitomboana ny rano aloanay kosa satria izahay no maro kokoa noho ry zareo. Notakianay ny hampiasana ny kaontera mpitsinjara (divisionnaire) ary nolazainay avy hatrany mba hitovy marika sy mpanamboatra izany kaontera mpitsinjara izany ary samy manana ny azy. Tsy nohenoina mihitsy izahay. Ny manahirana dia tsy miteny mihitsy ny tompontranonay manoloana izany rehetra izany satria ny zandry manaja ny zoky.

Ny zavatra mampihomehy dia mahita lainga hoforonina foana ry zareo mpanofa ao ambadika rehefa andro iray mialoha ny hahatongavan'ny jirama manao "relevé". Mody nasainy niantso ny zanakay ny zanany sady miditra ao an-dakozia ihany izy... dia avy eo lasa mihazakazaka any ivelany any sady mitabataba hoe mampiasa "rice cooker" ry zareo. Ny nampihomehy dia tsy nisy izany "rice cooker" izany intsony tao aminay fa efa naterinay tany amin'ny tompon-trano ny zavatra rehetra ahiana mety hiteraka fandanian-jiro betsaka. Savao ao raha mahita izany ianareo satria tsy niala teo amin'ny vavahady ry zareo. Raikitra amin'izay ny fifanasana vangy ary dia hitan'ny fiaraha-monina manodidina mihitsy izany tabataba izany.
 
Tafakatra in-telo avo heny noho fahitanay mahazatra amin'izay ny jiro. Mazava loatra satria manararaotra mampiasa ny herin-jiro araka ny sitrapony ny sasany nefa izahay toa adala manao fitsitsiana hatrany. Na orinasa kely aza tsy manao izany fandaniana izany, araka ny fijeriko fa efa ny fandanianay iray volana no lany ao anatin'ny telo na efatra andro monja. Gaga ihany hoe ahoana ary izany fandaniana izany. Indray mandeha, nifoha maraina dia maraina aho ary nijery ny kaontera (sady mijery kaontera no maka lagy mahita ny marik'isa voasoratra fa lany). Nihodina dia nihodina tokoa ilay jiro nefa tsy  misy hitako mampiasa aminay samy mpanofa (mbola maizimaizina ny andro tamin'io fotoana io). Hiala maraina ao an-trano aho ka nobitsihako ny vadiko fa hotapahiko ny jiro fa mihodina loatra nefa tsy hita izay mampiasa azy. Sady niainga aho no nanapaka ny jiron'ny kaontera. Fotoana fohy monja taorian'izany dia hitako ny tompon-tranon'ny ao ambadika nankeo amin'ny fanasan-damba. Ny tao an-tsaiko voalohany dia hoe ry zareo izany no tena mihinan-jiro ka ny mpanofa no atao izay hampiady azy dia masaka ny tetika. Nisy "fil" iray izay manko tsy mazava aminay mihitsy hoe mankaiza ny lalan'izy iny (efa notapahina tanteraka!)

Fotoana fohy taorian'izany dia raikitra indray fa asiana kaontera mpitsinjara ihany ho an'ny mpanofa trano. Ny nampihomehy dia samy hafa ny marika sy ny mpanamboatra amin'ireo kaontera mpitsinjara ireo, efa niezaka ny nanazava ihany izahay fa tsy nohenoina satria misy tanjona hafa tian-katao manko. Kaontera mpitsinjara telo samy hafa izany no ampiasain'ny mpanofa ka samy manana ny azy. Vao nandeha ny herinandro nampiasaina ilay kaontera mpitsinjara dia hita avy hatrany fa ny anay no kely indrindra tamin'ny lany, izahay anefa tsy nampihena inona loatra tamin'ny jiro fampiasainay fa ny sasany no namoro tanteraka ny zavatra mandeha herinjiro rehetra tao aminy. Ny anay atsasaky ny an'ny mpanofa iray izay tsy miditra "gidragidra ifanaovanay roa tonta", ary ny azy io kosa atsasaky ny an'ilay nanendrikendrika anay ho nampiasa "rice cooker".

Nahagaga fa nandritra ny volana nametrahana ilay kaontera mpitsinjara dia nihena dia nihena ny jiro satria nitombo kely noho ny tamin'ny fotoana nahatongavan'ireto mpanofa farany ny marik'isa nipetraka ary mbola ambany noho ny atsasaky ny lany tamin'ny volana teo aloha. Voalaza indray fa tsy neken'ilay tompontrano manao fitsinjarana ny vola aloa indray ny tondro napetraky ny kaontera mpitsinjara fa mety misy tsy mihodina tsara na lasa mihodina be loatra tsy araka ny tokony ho izy ny kaonteran'ny sasany. Noho izany toy ny teo aloha ihany ny vola tokony aloa ary mbola mandoa ny ampahany be amin'ny jiro ihany izahay. Na dia ny fizarana telo mitovy ny jiro aza dia tsy nekeny satria, nahoana ny mpanofa no tsy ao an-tranony nefa mandoa betsaka noho izahay?

Rehefa nilazana ny vola tokony naloanay izahay (izay tsy mbola nisy vola naloanay toa izany hatramin'izay niainanay!) dia nangataka tamin'ny tompontranonay ny hampidinana ny "rice cooker" sy ny fera fipasohana ary nilaza fa hampiasa izany izahay, hampiasa lafaoro ihany koa izahay manomboka izao fa tsy hitatatra hoan'ny Rainilezafy. Ny tanjona tamin'ity hametrahana kaontera hay dia ny saika hanaporofoana fa izahay no tena mpandany jiro indrindra; kanjo ny mifanohitra amin'izany tanteraka no nitranga. Koa rehefa izay no tadiavin-dry zareo dia hotanterahinay. Mandany vola vidin-tsaribao roa gony isam-bolana fotsiny izahay nefa toa ampandoavina ny lanin'ny sasany zara raha mandany gonin-tsaribao tapany ao anatin'ny roa volana. Ary ampahatsiahivo an-dry zareo amin'izao famaranana ny hafatra izao hoe enga anie tsy amin'ny olona tsy azo anaovan-dratsy no anaovanareo izao tsy rariny izao, tsy hisy dikany ny fitenenanana hoe hanody ny ratsy atao rehefa tsy mataho-tody ilay olona.

Dia izay sy izay ny hafatra nampitaina, ary noezahana mba ho araka ny fomba fitantarako azy no namoahana ny hafatra satria tsy dia tian-dry zareo hiharihary loatra na ny toerana na ny fokontany, eny fa na dia ny tanàna misy azy ireo aza. Ny tsy azoko tsara dia hoe mila domberina avy amin'ny fanehoan-kevitra ve ry zareo sa tsia satria efa nolazaiko azy mazava tsara fa tsy dia misy maneho hevitra loatra intsony amin'ny bilaogiko.


Jentilisa 16 desambra 2014

FRAM ihany ianao fa tsy ho mpiasam-panjakana

2014-09-03 @ 11:12 in Andavanandro

Akaiky ny fidiran'ny mpianatra. Misy ireo manomboka ny taom-pianarana amin'ity volana septambra ity, misy kosa amin'ny volana ambony vao manomboka. Rentsika ombieny ombieny ny fitarainana sy ny fitokonan'ny mpampianatra FRAM noho ny fahavitsian'ireo horaisin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Olana politika saro-bahana ny momba an'io satria ilaina sy kitro ifaharan'ny firenena tokoa izay fampianarana izany ary laharam-pahamehana mialoha ny handraisana manamboninahitra miaramila, raha amin'ny fijeriko manokana.

Na dia maro dia maro aza ny isan'ny mpampianatra mpiasam-panjakana dia mbola tsy ampy hatrany satria te-hivangongo eto an-drenivohitra daholo izy ireo fa tsy te-hisahirana ho any ankodahoda any. Misy ihany ireo vonona ny hampianatra any amin'ny toerana saro-dalana saingy lasa toy ny mitady loza raha karama tsy misy dikany tsy mahavelona herinandro akory no omena azy ireo. Misy anefa ireo mpiasam-panjakana omena alalana hitam-piadiana tsy esorina aminy na dia ny hetra tokony aloany amin'ny maha-mpiasam-panjakana azy aza satria izay manam-piadiana no tompon'ny fahefana. Atao ahoana moa fa rehefa tsy te-hiongana ny mpitondra dia arahina ny sitrapon'izy ireny. Saingy tsy any loatra moa ny zavatra tena tiana horesahina fa resaka fampiarana. Ny olana manko rehefa mpiasam-panjakana, na amin'ny sehatra inona io na sehatra inona dia ny roa na telo na farafahabe dia dimy taona ihany no mihafy any amin'ny dezaka fa avy eo amin'izay mitady ny lalana sy ny fomba rehetra hiakarana an-drenivohitra. Tarazo ratsy napetraky ny fahalalana olona izany fa tsy nifototra tamin'ny tena fahaizany tokoa, ary vokatry ny toe-tsaina mihevitra fa aty an-drenivohitra ihany no tena fiainana.

Raha dinihana tsotsotra ny niandohan'ny olana eo amin'ny fampianarana sy ny nipoiran'ny antsoina hoe mpampianatra FRAM, izay fanalavana ny Fikambanan'ny Ray Aman-drenin'ny Mpianatra, dia avy amin'ny fanafoanana ny Fanompoam-Pirenena Ivelan'ny Tafika, Service National Hors Forces Armées (Populaires) na SN tamin'ny taona 1991. Ireo SN ireo, izay tanora vao afaka Baccalauréat, no nahavita ny ampahany betsaka indrindra tamin'ny fampianarana tany ambanivohitra nandritra ny Repoblika Faharoa na dia tsy vitsy aza ireo nikilavaka fa kely ny vola noraisin'ireo tanora ireo. Voasaron'ny hamaroan'ny SN ny fahavitsian'ny mpampianatra noho ny ezaka nananganana sekoly vaovao SFF isam-pokontany, na SAFF isam-piraisampokontany, na Lisea (SAFM) isam-pivondronana. Tsy teo amin'ny fampianarana ihany anefa no ahitana ny SN fa rehefa minisitera rehetra nisy teto Madagasikara dia saika nahita azy ireny avokoa. Noho izany, raha nofoanana ny SN dia tsy maintsy maro sy lehibe ny fahabangana naterak'izany fanafoanana izany ary tany amin'ny fampianarana no tena niantraika lalina ny fahabangana. Fiheverako manokana io fa anjaran'ny tsirairay ny mitsipaka na manamarina.

Dia lasa amin'izay ny kajikajy tsy dia manao ahoana avy aty amiko, 22 taona eo ho eo izany no nipoiran'ny mpampianatra FRAM rehefa nofoanana ny SN. Nantsoina hoe mpampianatra FRAM satria ny FRAM no miantoka ny karaman'izy ireo atao vola na vokatry ny tany misy eo amin'ilay toerana. Mety ho manana ny mari-pahaizana ho amin'ny fampianarana ilay olona na tsia. Raha 20 tamin'izany fotoana izany ilay mpampianatra dia 42 taona izany izy amin'izao fotoana izao. Raha 23 taona tamin'izany fotoana izany ilay nanolo-tena ho mpampianatra dia 45 taona izy amin'izao fotoana izao, nefa tsy eken'ny minisitra ho ampidirina ho mpiasam-panjakana intsony satria hoe efa be taona loatra. Izay mpampianatra FRAM nitozo tamin'io fampianarana io hatramin'ny nipoirany voalohany izany dia vita hatreo ny aminy raha tamin'ny taona 1992 tokoa no nanomboka nampianatra fa tsy "tafiditra" ho mpiasam-panjakana intsony. Raha ny tombatombana avy aty amiko anefa dia any amin'ny 25-26 taona any ho any ilay olona na mihoatra aza no miditra ho mpampianatra FRAM satria tsy mahita asa hafa (natao hitady asa ilay Malagasy!) hatao. Tsy hahagaga ahy loatra noho izany raha misy ireo mitokona satria simba tanteraka ny fiainany niaritra tao. Dia manontany hoe  mba mijery izay lafin-javatra izay ve ny ao amin'ny fitondrana sa sao sanatria ny hampiditra ny namana sy ny akama ary izay manaiky hiditra ao amin'ny antoko ihany no ampidirina ho mpiasam-panjakana. Eritreritra tsy tana tsy voatery ho marina fa voasoratra tsy tana ihany koa!

Jentilisa

PS: zavatra hafa momba ny kojakojam-pianarana no saiky hosoratana dia lasa any indray ilay aingam-panahy.

Aza Poizinina Ilay Sakafo Matsiro

2014-08-30 @ 23:29 in Andavanandro

Na dia kelikely ihany aza izay lany dia nianoka tanteraka tamin'ny fihinanana valala ny tena. Natsiro tokoa ilay izy nendasina . Tsy mba nitovy tamin'ny nanandramana nihinana fozaorana izay toa nisy plastika nihevotra izany ny nihinana ilay valala voaendy rehefa noesorina ny elany, fa lany daholo izy rehetra ary mirangorango hatrany. Dia gaga ihany ny tena hoe fa maninona no fendrahana fanafody shimika ny famonoana ny valala nefa ilay fanafody shimika tsy ny valala ihany no asiany fa ny landy sy ny tantely ihany koa. Raha azo atao, sady azo atao mihitsy, tsy aleo ve ajanona any ity hoe mandraraka fanafody shimika amin'ny alalan'ny fiaramanidina na angidimby ity fa fandaniam-bola amin'ny tsy misy dikany fotsiny?


Raha iverenana ny tantara hany fantatra dia nahazoana volabe (sy nandaniana volabe miaraka amin'izany) ity famonoam-balala ity nefa toa tsy mahomby na niniana natao tsy nahomby ilay izy mba ho fidiram-bola mitohy ho an'ireo mpandray anjara amin'ny famonoam-balala. Re siosio fa ny angidimby na ny voromby nofaina handrarahana fanafody, hatramin'ny repoblika faharoa indrindra indrindra, dia mihofa amin'ny ora fa tsy amin'ny velaran-tany vita ary niniana tsy tany amin'ny toerana efa fantatra fa mbola atorian'ny valala no fendrahana ireo fanafody fa toeran-kafa tsy misy na inona na inona, tanjona ny hoe miala eo amin'ny seranana mitondra fanafody ary rehefa mitody eo indray dia efa lany ny fanafody nentina.

Tsy fantatra moa fa mety ho efa nisy ihany koa ny fanaovana tatitra amin'ny hoe nandraraka fanafody tatsy Ananona nefa tsy nisy an'izany akory fa ny faktiora no kopaka ifampisasahan'izay mpiray tsikombakomba amin'izany, ahiahy izany nefa rehefa mahafantatra ilay toetran'olombelona (mba tsy itenenana hoe mahafantatra ny toetran'ny Malagasy) dia azo heverina fa mora tontosaina tokoa. Noho izany dia sady fanariambola am-baravarankely manome tombombarotra ireo orinasa vahiny tsy miraharaha ny fikolokoloana ny tontolo iainana ny fividianana fanafody shimika izay lafo rahateo no tsy mahasoa ny tany sy manimba ireo zavamanan'aina hafa, araka izay efa notenenina teo aloha.

Koa aza atao mahagaga raha misy ny tompon'andraikitra ambony noheverina hanirina vao maika nampivandravandra mody tsy maheno na tsy miraharaha ireo voka-pikarohana, niaraha-iombon'antoka tamin'ny vahiny hafa ihany koa, mandala kokoa ny tontolo iainana nefa tsy raharahiana mihitsy. Tsy mandalo any manko ny lalan'ny fitadiavam-bola mety hahazoana ampahany manokana ho an'ny tena ary sarotra kokoa ny handresy lahatra ireo mpampisambo-bola mety manana ny heviny ihany koa amin'ny fanafody tokony hovidiana nefa raha vao miresaka fanafody dia midika ho tsena-entambarotra ihany koa izany.

Fandrika iray tsy mampahomby ny fandripahana valala ihany koa, rehefa norarahana fanafody shimika ny tsy fahazoana mihinana azy satria poizina ho an'ny olona na biby mihinana azy ihany koa izany. Raha ny marina dia tena mifanohitra tanteraka amin'ny fomba fiheveran'ny Ntaolo malagasy izany fomba famonoam-balala izany, sady tsy ahitana fahafinaretana amin'ny tsy fahazoana mitsakotsako azy... Tsy mampety azy hafa ihany koa ny tsy fampandraisana anjara andraikitra ny sarambabem-bahoaka amin'ny fiadiana amin'ny fianahany izay mety hiteraka fahasimban'ny voly raha be loatra ry zareo fa sampan-draharaha iray ihany no tena misahana izany. Toa manandratra ambony avy hatrany ny vola heverina holaniana fa manao tsinontsinona kosa ny tsy voavidim-bola dia ny mety ho firaisan-kinan'ny rehetra miara-mandroaka na miara-mandraoka valala rehefa maraina.

Taloha raha misy ny andiam-balala dia miara-mirohotra avokoa ny rehetra amin'ny fiadiana aminy na amin'ny fanangonana azy hohanina ary mihinana daholo na olombelona na biby fiompy. Amin'ilay fendrahana fanafody shimika anefa dia tsy misy na inona na inona azo atao intsony amin'ny valala heverina ho efa misy fanafody afa-tsy amin'ny fandoroana fako na fandoroana tanety isian'ny setroka heverina fa hampiverin-dalana ny valala. Politikan'ny tsy mahalala fa fihinana ny valala izany toe-javatra izany ary tratra aorian'ny Malagasy izay mahalala fa be otrikaina sy mampatanjaka io zavamananaina iray io.

Mba fantatrareo mpamaky moa fa anisan'ny sakafo, na laoka, ankafizin'ny Ntaolo Malagasy tokoa izany valala izany? Mba fantatrareo moa fa raha "criquets" sy "sauterelles" [na fohy tandroka sy lava tandroka] (ampiana "grillons") no anaran'ny karazam-balala fiteny an-davanandro amin'ny teny frantsay ary "locust" sy "grasshopper" no anaran'ny karazam-balala fiteny an-davanandro amin'ny teny anglisy dia maro kokoa noho izany no anaran'ireo karazam-balala amin'ny teny malagasy? Misy aza moa no anarana tsy fandre intsony fa mba ampitaina aminareo fotsiny araka izay hita ao amin'ny rakibolana rakipahalalàna malagasy, ny adrisa no vavin'ny aketa ary ny mbola kely amin'izy ireo dia antsoina hoe tsimbotry. Izany no nisian'ilay fitenenana manao hoe "Tsimbotry niaraka ihany koa adrisa vao hifanary?" izay nisy namadika taty aoriana hoe "sola niaraka ihany koa brown [=ngita] vao hifanary?" Karazam-balala ihany koa ny tsingarangadona, ny tsipanga, ny ambolo, ny tsinombina, ny tsindahalakana ary ny valalavao (valala vahiny na valala sisa tavela tsy tafaraka intsony amin'ireo namany nanao andiany): ireo no voatonona ho karazany tena fihinan'ny Ntaolo. Tsy voatonona amin'ireo karazana ireo ny sompanga fa ny mety ho tsy ampoizinareo mpamaky dia ilazana ny filahiana ihany koa ny voambolana hoe valala, raha tsy matoky ianareo dia jereo ny rakibolana rakipahalalàna navoakan'ny Akademia Malagasy tamin'ny 2009. Izany hoe ity lazaintsika ho "Balita" ity izany dia mety hoe valala no niantsoan'ny Ntaolo azy fa ny nampalahelo moa dia tsy mbola hitako (afa-tsy amin'ny kisendrasendra koa angamba) hoe mba inona kosa no niantsoan'ny Ntaolo an'i "Bozy"?

Hamaraparanana dia hitantara ny tsikaritra etsy sy eroa mahatsikaiky na mampalahelo aho tamin'ny fisamborana na tsy fisamboran'ny olona valala teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Teo Analakely dia nisy tovovavy nihorakoraka sady nihazakazaka tahaka ny noenjehin'alika raha nipetrahan'ny valala ny akanjony, nihevitra ny manodidina tamin'izay fotoana izay hoe nisy nanendaka izy hay valala no nandosirany. Niaiky ihany koa ny vadiko fa natahotra valala tamin'ny voalohany fa tsy naninona avy eo. Raha nisy ireo ankizy navitrika aoka izany amin'ny fisamborana sady nameno ny tavoahangy plastika tamin'ny valala, dia nisy kosa ireo miangetsana araka ny fiteny ka sady matahotra no te-hisambotra, ny tanana mandroso haka valala moa ny vatana manontolo mihemotra tsy te-hahazo, miaraka amin'ny fonon-tanana misambotra valala. Misy no misambotra valala ny tanany ilany no mitampin'orona amin'ny tanany ilany, misy ihany koa ny sady misambo-balala no mikimpy tsy te-hijery ny zavatra samboriny. Misy ihany koa ireo mpamboly vary no namela ny tanimbariny hatorian'ny valala sady tsy nikitika mihitsy fa sao, hono, valala avy any Afrika ireny ka ifindran'ny aretina "Ebola" eo - tany Ampitatafika no nisy an'izany ary tsy nety noresena lahatra mihitsy ry zareo.

 

Izay no fohy, izay no lava fa ny fehin'ny resaka dia hoe nahoana no dia fendrahana poizina ity sakafo matsiro ankafizin'ny maro amin'ny olombelona sy ny biby ity? Tena hadalana ankitsirano sy famosaviana ankarihary ilay famonoam-balala amin'ny fanafody shimika fa atsaharo azafady. Fandrisihana sy fampandraisana anjara ny olona amin'ny fandroahana na fandraofana valala no ataovy mba ho sady fialamboly izany no sakafo maimaim-poana avy any an-danitra. Tsy ho vitanareo samirery velively ny hamono valala fa tokony ho raharaham-bahoaka io.


Jentilisa 31 aogositra 2014

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox