Malagasy Kopia

2006-11-17 @ 17:56 in Ankapobeny

Androany no andro nifanarahana fa hijery ny Malagasy any amin’ny faritra misy azy any ny tsirairay mpitoraka blaogy ho an’izay nifanaiky ho amin’izany. Nanaiky ihany koa aho ka ataoko ho adidy ny fanekeko ny hanoratra ny momba ny malagasy ihany koa. Malagasy mipetraka eto Madagasikara aho ary tsy mieritreritra izany ho any Andafy izany. Tarazo avy amin’ny fianakavian’ny raiko aloha io. Ny avy amin’ny reniko indray dia ny zanaky zokiny vavimatoa no naningana, be manko ny mizaka zom-pirenena frantsay tamin’ny fianakavian’ny vadiny ka be ny maniry ho any amin’izany Andafy. Ny ankoatra izay dia mieli-patrana eran’ny Madagasikara ny taranaka.

Na izany aza dia mieritreritra aho fa toy ny eto Madagasikara ihany ny karazana Malagasy any Andafy any. Ny vondrona misy ny tsirairay no mety miova araka ny toerana. Zaraiko roa ny Malagasy dia ireo manana ny ampy sy ireo mikarataka mafy hanana ny fivelomany. Maro ny Malagasy eto Madagasikara no fantatro fa hanao ny asa tsy tiany atao raha eto izy fa heverina ho asa ambany izany sady kely rahateo ny saosy ho azo amin’izany. Ny asana mpiambina avy aza moa eto no itadiavana olona nahavita Bacc. Fantatro amin’ny tenako fa raha manam-paniriana ho any Andafy aho dia hahavita soa aman-tsara na dia ny asan’ny mampandro faty izay malaza indrindra fa ataon’ny Malagasy aza. Raha any Andafy aho izany dia vondrona mpikaraka no tsy maintsy misy ahy. Ny vondrona faharoa kosa moa dia ireo lazaina hoe «  manam-bintana » angaha ka mahazo toerana ambonimbony amin’ny sehatra misy azy. Afaka miaina tsara sy atao hoe antonontonony ny trano ipetrahany. Mety ho vitsy ireo olona ireo saingy maro kosa izy raha amin’ny mpitoraka blaogy araka ny eritreritro mety ho diso.

Dia nitodika amin’ireo vondrona mpikarataka eto Madagasikara ny tenako. Ireo mifofotra mafy nefa mety ho tsy dia misy mahatsikaritra loatra. Misy mpirahalahy avy any ambanivohitray mikarama mandrafitra (sy manangana trano). Any ambanivohitra ny zalahy no mipetraka fa ny ankamaroan’ny asa tsy maintsy hoe aty an-drenivohitra ihany. Gaga aho amin’ilay fiainana mahazatra azy ireo. Rehefa vita ny fambolena any amin’ny toerana misy azy ka mitady fanampim-bola ry zalahy dia avelany any an-tanàna ihany ny vady aman-janany fa ry zareo miasa aty. Tsy misy havana na olom-pantatra ivantanana ny zareo aty Antananarivo fa eo amin’izay iasany ihany no atoriany rehefa alina. Izay azony ialofana dia ialofany. Ny ifanarahana manko rehefa miasa ry zalahy dia iantohana ny sakafony maraina atoandro ary hariva. Ankoatra izay izany tsy mampaninona azy loatra. Na izany aza efa nisy ny fotoana, hoy ry zalahy mitantara, avy ny orana. Hay ilay toerana atorian-dry zalahy indrindra no andehanan’ny riaka. Izany no voatery nitsangana mandra-maraina satria tsy mahita toerana handriana. Variana aho mahita izany. Hatraiza ny herin’ny fiaretana ? Izay tokoa angaha no mahatonga ny teny hoe mahari-pery ny Malagasy ?

Mahalala izany ny tena dia malahelo rehefa mahita ny ataon’ireo ambony saranga amin’ny karazan’olona toy ireny. Toa hatezerana sy trerotrerona hatrany manko no azon’ireny olona ireny satria tsy madio sy miraratra ny akanjony ka marikoriko ho azy mahita ny toa azy ireny. Dia izay nataoko Kopia eto izay ny fiaimpiainana Malagasy mety tsy ho tandritandrintsika akory rehefa mifanena amintsika andavanandro eny.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox