Ekena sa tsia ny fanamelohana ho faty?

2007-10-17 @ 08:17 in Andavanandro

Fanontaniana hiteraka adi-hevitra avy hatrany araka ny fiheverako azy. Nanontany tena tany amin’ny lahatsoratra nosoratany ny namana Tomavana hoe fa angaha mbola mihatra eto Madagasikara ny lalàna momba ny fanamelohana ho faty? Eto Aho no mamaly azy fa mbola manankery tokoa ny lalàna momba izany fanamelohana ho faty izany saingy tsy mbola nampiharina mihitsy hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena indray. Izay didim-pitsarana rehetra manonona ny fanamelohana ho faty dia miova ho fanagadrana mandra-pahafaty ho azy avokoa. Fiheverako azy: tsy mahavita mamono olona fotsiny amin’izao ny malagasy olo-tsotra. Olon’ny fo izy ka onena hatrany raha manao zany fihetsika izany. 

Raha todihina tokoa ny fanaon’ny fanjakana manerana izao tontolo izao amin’ny fanatanterahana ny famonoana ho faty tahaka izao dia niainga tamin’ny fitoraham-bato avy amin’ny vahoaka izany (moa tsy izany rahateo no nanjo an’I Stefana na Etiena ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly?). Avy eo ny mpitondra isanisany no manapa-kevitra amin’ny famonoana ambony sehatra tahaka ny fandoroana velona, ny fanapahan-doha ary ny fanantonana. Amin’ny fotoanan’ny ady indray dia misy ny fitifirana ataon’ny miaramila. Ary rehefa tonga ny fandrosoana dia miova ho famonoana amin’ny alalan’ny tsindrona na sezavy asiana herinaratra mahafaty izany. Lafiny aiza amin’ireo moa no mety ho vitan’ny Malagasy raha ampiharina tokoa ny famonoana ho faty? 

 

Raha jerena indray ny zavamisy tao ho ao dia mampanontany tena hoe tsy ilaina intsony tokoa ve ny famonoana ho faty sa misy ihany ny tranga ilàna izany fanapahan-kevitra izany? Tamin’ny repoblika faharoa nalaza tamin’ny fanafihana tranombarotra, fakana zazavavy an-keriny, famonoana olona izany fikambanana antsoina hoe TTS izany. Ny tena loza aza dia tsy mahazo misambotra ireo na dia ny mpitandro ny filaminana aza satria misy minisitera miaro azy ireo manokana (andeha atao hoe misy minisitra miahy azy ireo manokana). Ary indraindray aza dia manka ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana mihitsy izy ireo entina hangalarana na hamonoana olona. Tsy manana na iza na iza ho antenaina ny vahoaka eo anatrehan’izany ka nanangana ny fitsaram-bahoaka: eo ny dina izay ifampifehezan’ny samy eo amin’ny faritra ary misy koa ny fihetsika fa izay tratra eo amapanaovana ny asa ratsiny dia ny ainy avy hatrany no manefa. Misimisy ihany koa ny mpitandro ny filaminana no niteny miafina fa raha tsy tiana ho afa-maina izy ireny dia ataovy aminy izay “mety”. Nanao ahoana moa ny niafaran’ny fikambanana TTS tamin’ny repoblika faharoa? Fikambanana hafa izay manao haiady no nifanjinja taminy ny andron’ny 4 desambra 1984. Notafihin’ny kung fu ny foibe nisy azy ireo tao amin’ny toby Pochard. Saingy izao, namaly faty ny fitondrana ny alin’ny 31 jolay 1985 satria fikambanana manangana fanjakana anatin’ny firenena ary meloka tamin’ireo halatra sy vono olona nitranga tao ho ao. Iny nokarazana porofo fa fony nanao ‘operation’ tany amin’ny faritra ny fanjakana dia tsy ny lazainy fa dahalo no aripany ‘tsy misy fitsarana’ fa ireo izay mahasahy mijoro amin’ny tsy rariny manjo azy. 

 

Ankehitriny, maromaro indray ny fanafihana mitam-piadiana nihatra tany anatin’ny vahoaka tany. Nisesy ihany koa ny fangalarana fiara arahina famonoana ny saoferany. Inona ny vokany? Mijoro mangina indray ny andrimasom-pokonolona. Rehefa tsy ny manam-pahefana no mahazo ny mpangalatra sy ny mpamono olona voalohany dia ny ain’ireo mpangalatra sy mpamono olona avy hatrany no manefa. Leo ny mitaintaina ny olona sady leo ny mandre fa sazy mihantona no sazy henjana indrindra mahazo ny mpanao heloka ary izay mahazo sazy henjana kosa mifanaraka amin’ny mpiambina azy amin’ny fampandosirana. Tsy mahagaga raha tsikaritra amin’ny lohatenin-gazety indray ny hoe mpangalatra tratra vonoin’ny fokonolona indrindra ho an’ireo izay mahafaty olona rehefa manao heloka? 

 

Fehiny, eo amin’ny malagasy amin’ny ankapobeny dia tsy mipetraka akory aza ny adi-hevitra hoe ekena sa tsia ny fanamelohana ho faty fa izy ihany no manatanteraka azy rehefa hitany fa ilaina ny fanaovana azy.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox