Vita Pazzapa dia miditra Raise your Voice

2007-10-26 @ 08:10 in Kolontsaina

Hiditra amin’ny famaranana ny Pazzapa V rahampitso sady io rahateo no prime faha-13. Araka ny filazan’ny mpanara-baovao moa dia tsy nahasarika toy ny taloha intsony ny pazzapa tamin’ity taona ity na dia mbola be mpanaraka aza izy. Tsy dia nisy loatra manko ny kotaba manaraka isaky ny vita prime isaky ny sabotsy ireny.Ny tena olana moa dia eo amin’ny resaka fifidianana amin’ny alalan’ny finday matetika.

Efa saiky tsy nisy ity andiany fahadimy ity noho ny fialan’ny Orange tsy ho mpanohana intsony saingy nahay nanararaotra niditra kosa ny Celtel. Izaho manokana moa mahita fa mety noho ny fahataran’ny sms ao amin’ny Orange (izay mety hahatratra 5 na 6 ora mihitsy aza araka ny efa niainana) no antony iray mandiso ny vatom-pifidianana amin’ny fanohanana mpihira iray io. 

Manaraka izany ihany koa dia tsy tiany hifanojo ihany koa ny lalao famaranana eo amin’ny fiadiana ho tompon-daka erantany amin’ny taranja baolina lavalava dia mody nasiana atsasa-pamaranana ho an’ny lehilahy sy atsasa-pamaranana ho an’ny vehivavy ny prime. Raha tadidintsika tsara angamba fa ora mitovy no nandehanan’ny famaranana rugby sy ny atsasa-pamaranana ho an’ny vehivavy, izay raha ny tena marina dia iny no saiky hanaovana ny famaranana. Izany amiko no atao hoe fahaizana mandritra sy fahaizana haivarotra ihany koa. Miaiky ny ao amin’ny rta aho amin’iny famoronana antenantenany iny.

 

 Fa etsy ankilan’izany dia miditra amin’ny fifaninanan-kira ihany koa ny ao amin’ny mbs group. Raha teny frantsay no mahavantana ny ao amin’ny rta dia teny anglisy kosa no mahamaika ny mbs. Samy manana ny hanitra ho azy tokoa moa ny roa tonta. Fandaharana Raise your voices (noheveriko hoe global voices !) no lohatenin’ny fandaharana vaovao izay hifaninanan’ny antoko mpihira zato nahasoratra anarana voalohany. Tsy mifidy finoana ilay fifaninanana ary 60 ny isan’ny ao anatin’ny antoko mpihira iray. Mba nahita hevitra hahazoam-bola koa ny ao amin’ity vondrona haino aman-jery ity an!

 

 Raha jereko indray ny eo amin’ny tontolon’ny haivarotra dia mahay mikendry ihany koa ry zareo. Tsy ny olona amin’ny ankapobeny toy ny amin’ny pazzapa no tratra fa izay mety ho fiaraha-mientan’ny fiangonana. Ny mpihira rahateo tsy izay mpanandrakandrana fa ankizy na olona efa niara-nianatra avokoa. Dia mirary fahombiazana amin’ity fandaharana vaovao ity ny tenako aloha!

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox