Mamely ny tenany ny PDS Antananarivo

2007-11-03 @ 10:37 in Politika

Maneho ny tahony indray ny solotenam-panjakana eto Antananarivo Renivohitra ka mihoa-pahefana (fandisoam-pitenenana ny teny hoe fanamparam-pahefana satria afaka manampatra ny zoko tanteraka aho raha ara-dalàna izany) omaly zoma.

Efa herinandro mahery no nangatahin’i Andry Rajoelina tamin’ny Madarail hanaovana fanambarana hirotsahany hofidiana ho Ben’ny tanàna eto Antananarivo ny garan’ny Soarano. Efa nanaiky izany fangatahana efitrano izany ny orinasa nanaovana fangatahana, ho amin’ny andron’ny omaly io. Kanjo rehefa tonga ny andro nikasan’ny lehilahy hanaovana valandresaka dia ny polisin’ny fivondronana sy ny barazy toy ny any amin’ny tany miady ireny no manakana izay rehetra saiky hiditra tao na mpanao gazety na olo-tsotra na mpikarakara ihany koa aza. Raha nanontaniana ny anton’io fibahanana ny vavahady fidirana mankao amin’ny gara io ireo polisin’ny fivondronana dia tsotra ny valinteny: ilain’ny PDS ny toerana (na tsy hanaovana na inona na inona aza fa gafy fotsiny, hay moa hitokanana kabone ka! Fa tsara tarehy an!).


Afaka manao izay tiany atao ny mpitondra raha azo lazaina fa tsy manohina loatra ny fon’ny mponina eto Antananarivo izany fa hivadika ny toe-draharaha raha toa ka hita fa tena olona iray fotsiny no enjehinao. Dia mendrika hanaovana antsojay tahaka izao tokoa ve io zandrilahy nanana ny fiezahana tamin’izay nataony io?


Raha resaka fahombiazana teo amin’ny fandraharahana no lazaina dia olona samy nahomby tamin’ny zavatra nataony ny andaniny sy ny ankilany dia ny nanome baiko hibahana vavahady sy ny niharan’ny fanakanana tsy hanatontosa ny fikasany. Ny olona nahomby tsy maintsy nisy nanohana hatrany na dia nisy dia nisy tokoa aza ny ezaka manokana nataon’ny tenany. Mety ho tadiavin’ny mpanara-baovao politika ihany izay ao ambadiky ranona na i ranona saingy amin’ny ankapobeny dia ilay olona talaky maso ihany no tena fantarin’ny maro. Raha mihevitra ianao fa mety sy araka ny tokony ho izy izay natao dia tsy misy na inona na inona tokony atahorana. Ny olona demokraty manaja ny hevi-bahoaka dia tokony hanome malalaka ny hafa hahavita manangana tetikasa iray rehefa tsy mifanohitra amin’ny lalàna izany.


Dia mendrika ny atahorana tahaka izao tokoa ve i Andry TGV(fa tsara koa ilay hoe saika hiainga eo amin’ny gara ny TGV an! Nahita kosa ny midi madagasikara)? Fitodihana ny tantara aloha no azo hamahavahana izay mety ho anton’ny tahotra. Tsaroan’ny maro ary efa nosoratako ihany fa tahaka izao lalana izao indrindra no nodiavin’ny filoha Ravalomanana fony izy efa nahiana hirotsaka ho filoham-pirenena. Efa nanamboatra ny lalana avy tany ambadika ny filoha raha nanao izay hahatsara ny fifandraisana amin’ny fiangonana, hany hery nifandanja tamin’ny fitondrana tamin’izany fotoana izany fa efa tsy mamely tahaka ny amin’izao fotoana izao ihany ny antoko politika mpanohitra. Nanatona sy nanao fanampiana tany amin’ny toerana maro sy ny faritra maro lazaina fa itoeran’ny olona sahirana ihany koa izy tamin’izany fotoana izany. Azo lazaina fa namoaka vola am-paosy mihitsy ihany ka ny filoha Ravalomanana hanatsarana an’Antananarivo izay fomba nakany ny fon’Antananarivo satria mahavita zavatra izy.


Raha mbola tsy nenjehina kosa ny filoha tamin’izy nirotsaka ho Ben’ny tanànan’Antananarivo dia nanakarama olona maro hanao fampielezan-kevitra ho azy. Ireo olona avy amin’ny faritra be mponina no tena nokaramaina tamin’ny volabe tokoa ary ny manodidina ireo olona ireo no nentanin’ireo olona nokaramaina ireo. Raha jerena ny sary jeografikan’ny valim-pifidianana tamin’ny fifidianana ho Ben’ny tanàna tamin’ny volana desambra 1999 iny dia tany amin’inreny faritra maro sahirana sy be mponina ireny no tena nahazoan’ny filoha vato ka nandreseny ny Minisitry ny paositra tamin’izany fotoana izany sy ny kandidan’ny avi noheverina fa antoko akaikin’ny mponin’Antananarivo tamin’izany fotoana izany. Moa ve misy fihetsiketsehana tahaka izany no ataon’i Andry TGV amin’izao fotoana izao?


Amin’ny lafiny ilany indray dia tena Andry TGV irery tokoa no afaka mifaninana amin’ny PDS amin’ny fifidianana ho Ben’ny tanànan’Antananarivo. Ny paika ataon’i Zandrilahy sisa no fantarina na hahomby na tsia! Efa manana ekipa matotra sy azony itokisana afaka hiaraka hiasa aminy, tahaka ny tikoboys ho an’ny filoha Ravalomanana, ve izy sa ireo mpanararaotra mety hahita lalana hahazoam-pahefana sy harena manatona azy ihany no raisiny hiara-dalana aminy? Ary hatraiza ny lalana tiany hodiaviny? Androany Sabotsy ao amin’ny Carlton (hilton taloha) moa no notontosainy ny fandaharana saiky nataony omaly.

Ankoatra ireo resaka rehetra ireo dia ho voaporofo sahady indray fa tsy mahomby amin’ny fanaovana politika, na ny fahazoana ny fon’Antananarivo mihitsy ny avy amin’ny antoko mpanohitra milaza ny tsy hirotsaka ho amin’ity fifidianana kaominaly ity. Tsarovy fa hatramin’ny nahalany ny filoha Ravalomanana ho Ben’ny tanànan’Antananarivo dia efa vitsy hatrany ny mpifidy amin’ny fifidianana fa izay mahazo ny fon’izay mifidy ihany no izy na dia 90% aza ny tsy hifidy. Io dia araka ilay hira iray manana ny tonony manao hoe: …izay mahasahy manaraha… ihany.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox