Bravo mbs

2007-11-08 @ 10:23 in Kolontsaina

Ilaina mandrakariva ny mitatitra zavatra tsara na dia ny vaovao ratsy aza matetika no manintona ny sain’olombelona kokoa. Raha any amin’ny firenena tena te-hampanjaka ny demokrasia ny mpanohitra ao aminy dia ezahina ampahafantarina ny hevitra rehetra mety hataon’ny mpitondra fanjakana hangalarany vato. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa efa fantatra fa tsy hiditra amin’ny tsy zakan’ny tsenany intsony ny mpanohitra ka ny avy amin’ny mpanohana indray no mampahafatatra izay fomba hanaraha-maso tsotra indrindra sy azo tanterahina indrindra ny safidy natao.


Ny mpanara-baovao eto amin’ny Vaovao Eto anTOerana dia mety hahatadidy fa tamin’ny 1 oktobra 2007 dia nisy fampidiram-bolongana nataoko nitondra ny lohateny hoe Fangalarambato ifanarahana iny. Tao anatin’izany no nitaterako fa araka ny finiavan’ny olona hiaro ny safidiny ihany no mampirongatra na tsia ny fangalarambato. Araka ny fahatsilovan’ny saina mahatsikaritra ny fomba mety hangalarambato eny ampotony (biraom-pifidianana) ihany no mahabetsaka na tsia ny fandisoan’isa. Tsy fitandremana kely fotsiny dia mety ahafahana mampiova ny isambato azon’ny tsirairay. Miankina be dia be amin’ny voasoatra amin’ny fitanana antsoratra ihany manko ny isa eken’ny Fitsarana Avo momba ny lalam-panorenana sy ny any amin’ny Minisiteran’ny Atitany. Raha manomboka eo amin’ny biraom-pifidianana no diso ny isa dia diso hatrany amin’ny farany iny. Fa raha marina ny isa napetraka any amin’ny taratasy fandraiketana ny valim-pifidianana tsirairay avy ka hafa no hita any amin’ny CRMV (sampana misahana ny fitaovam-pifidianana sy fanangonana ny isam-bato) isaky ny Distrika dia na ny nitondra ny fitanana an-tsoratra no nanova ny isam-bato na ny tao amin’ny CRMV ihany koa… Dia azo arahina toy izany ny ahitana izay tena mangala-bato amin’ity raharaha ity nefa dia ilaina mba ho olona mahay mamaky teny sy manoratra ary indrindra mahatadidy isa rehefa tsy mandray an-tsoratra no manaraka azy akaiky.


Fa inona amin’izay moa no idiran’ny fankasitrahako izay nataon’ny mbs izay efa fantatry ny maro fa an’ny filoham-pirenena? Ao amin’io orinasam-pampahalalam-baovao io dia misy fandahaharana antsoina hoe tantsoroka henoko ny alatsinainy hariva (efa alina aza) teo. Ny tena votoatin’ny fandaharana moa dia mikasika ny adidin’ny mpifidy rehefa mandrotsa-bato sy manara-maso ny safidiny izy. Tsara ny mifidy mandrotsa-bato, hoy ny mpanazava, nefa tsy ampy izany fihetsika izany fa mila manaraka ny fanisam-bato ihany koa farafaharatsiny ahafantaranao ny safidin’ny be sy ny maro ka tsy miala teo raha tsy efa feno tsara avokoa sy voamarina ny fitanana an-tsoratra rehetra ary efa voapeta-drindrina aza ny valim-pifidianana anaty fitanana an-tsoratra. Io moa matetika no tsy ataon’ny be sy ny maro indrindra ny ao amin’ny birao satria heverina fa ilay isa mipetaka eo amin’ny tabilao nanisana ihany dia ampy, fahadisoan-kevitra izany no sady mivaona amin’izay voasoratry ny lalàna amin’izao fotoana izao aloha. Izay, hoy ny mpandahatra no fomba kely indrindra hanatanterahanao ny adidinao. Iza moa no tena tokony hanazava izany fampandraisana andraikitra ny olona izany?


Tsaroako fony vao nirotsaka voalohany ny filoha Ravalomanana dia tsy nitsahatra namerimberina ny toa io Ingahy Ratsirahonana tany amin’ny faritra noteteziny. Toy ny zava-bitika tsy dia ilaina ilay izy teo anatrehan’ny be sy ny maro fa nisy fiantraikany goavana tamin’ny fitakiana ny fampitaham-bato. Ankehitriny na izaho no tsy maharaka izay ataon’ny tsirairay na ry zareo no tsy misy mamelabelatra ny adidy tokony efaina ankoatra ilay mandatsa-bato. Na izany na tsyizany dia faly aho satria saiky nivoaka tao amin’ilay fandaharana avokoa ny fanitsiana ny lesoka hitako taoamin’ilay bolongantsoratra nitondra ny lohateny hoe Fangalaram-bato ifanarahana iny.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox