Ho an'iza ny fandresena na ireo sarin'Antsonjombe?

2007-12-03 @ 14:24 in Politika

Samy manana ny fijeriny tokoa ny tsirairay rehefa resaka politika. Izay no manahirana amin'izy ity. Raha tonga teny aho dia hampitaha ny vahoaka azony miohatra tamin'izay kandidà efa teo ihany koa. Ny voamarika dia izao: fony nirotsaka ho filoham-pirenena Atoa Herizo Razafimahaleo dia mitovitovy mihitsy ny isan'ny vahoaka nanatrika teo. Ny iray filoham-pirenena no nidirana ary ny faharoa kosa Ben'ny tanàna. Indrisy moa fa efa nofafako ilay tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena.

 

Ny fanamarihana faharoa dia tsy nisomebiseby sahala ny tamin'ny Herizo ny teo ambavahady sy nanaraka ny araben'Analamahitsy izay mifanila tanteraka amin'Antsonjobe. Ny lalana avy eny Ivandry mankany Analamahitsy tamin'ny Herizo nandalo teo dia feno mpandeha an-tongotra tokoa. Tamin'ity indray mitoraka ity dia tena nalalaka ny arabe. Zara fa nisy mpandeha an-tongotra nanaraka iny lalana iny. Nefa sao dia mahatezitra anareo raha ilazako hoe hitovitovy amin'ny vaton'i Herizo Razafimahaleo ihany no ho azon'i Andry TGV raha ny habetsaky ny olona nanatrika teny no handrefesana azy.

 

Na izany na tsy izany tsy mety ny mihoraka mialoha fa efa azo ny fandresena na hoe resy be ianareo izany fa ny fifidianana amin'ny 12 desambra ihany no hamoaka azy.Marihina fa ny sary dia nalaina nandritra ny kabarin'i Andry TGV izany hoe ny ora heverina ho nahabetsaka indrindra ny olona nanatrika teny.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox