Fa zava-mahafaly angaha izao fiokoana miaramila izao?

2009-03-08 @ 21:09 in Ankapobeny

Horakoraka ny an'ny mpomba ny TGV hatramin'izao rehefa nandre tamin'ny radio Antsiva androany alahady 8 marsa 2009 ny fiantsoana ny miaramila rehetra hiditra an-dakazery ka tsy handray baiko hamono vahoaka intsony. Nahatsapa tena ve izany ry zareo fa namono vahoaka tokoa? Na izany na tsy izany tsy hain'ny tafika tokoa ny mifanandrina sy mifehy vahoaka satria tsy asa nampiandraiketana azy loatra izany. Ny zandary no manana io talenta hifehy ny vahoaka io sy ny hanenjika dahalo moa izany, manana asa an-drenivohitra sy ambanivohitra noho izany ny zandary. Ny polisy kosa natao hanenjika ny mpangalatra sy ny mpanendaka an-tanan-dehibe. Koa raha naka ny CAPSAT ny miaramila sasantsasany efa notononin'ny radio tany aloha tany hoe "collectif des sous-officiers" dia azy izany, fantany ny miandry azy raha tsy mahomby izy nefa azo heverina ho fantany ihany koa ny tanjona tiany hatao. Mety ho azo heverina ny hoe tsy manao na inona na inona, sy ny hoe tsy mandray baiko na avy amin'iza na avy amin'iza, nefa moa ve hijanona hatreo? Hatreto aloha dia ireto miaramila ireto ihany no manao ity fiokoana ity, tsy mbola nandrenesana kosa ny avy amin'ny zandary, ny polisy moa tsy anatin'ny tafika nefa mpitandro ny filaminana ihany saingy mbola tsy nandrenesana ihany koa hoe ao anatin'ny fiokoana. Ny fiantraikany aloha hatreto dia "foana" ny emmo nat. Nizara tsinona ny tafika koa...

Rehefa tonga ny folakandro dia nisy ny sasantsasany tamin'izy ireo nampideradera ny fitaovam-piadiany arifomba sy matanjaka toy ny "lance roquette", nanakana fiara sy nanambana basy ireo izay tao anatiny... hiaro ny vahoaka izy amin'io fotoana io. Tsy fantatro loatra  izay tena nendahiny tao anaty fiara tao ary nisy vitsivitsy aloha no nanaovany izao fihetsika izao. Malahelo aho milaza hoe moa va tsy ry zalahy indray no mpanakana ny lalambe? raha manakana fiara tsy maka na inona na inona tsy maninona loatra fa mihoatra izany dia ataoko fa mihoa-pefy ry zareo.Manaraka izany koa, tapatapaka lahatsary koa moa no nojerena tao amin'ny tvplus, tsy azoko loatra ireto lehilahy azo heverina ho mpandalo nasain-dry zalahy nanala akanjo ambony, dia notapahina koa ny lahatsary... tsy nanao fanazavazavana loatra koa moa ny mpitantara ka dia ny manatrika izay hitany fotsiny no ataon'ny mpijery fahitalavitra. Efa nampidirin-dry zareo anaty tany miady aloha isika amin'izao fotoana izao ka tokony hampanginina ny fanamelohana izany fihetsika izany?  Efa fiokoana moa ny ataony amin'izao fotoana izao ka inona moa no tena tanjony tamin'izao fihetsiketsehana mifanatrika lavitra amin'Iavoloha izao ankoatra ny fihantsiana ny mpiambina ny filoham-pirenena? Toa ela loatra koa angamba ilay resaka vahoaka koa aleo raisina mihitsy ny fitaoam-piadiana. Rehefa izany no izy dia tokony hihatakataka ny sivily fa aleo ho an'ny miaramila ny hifampitifitra. Nefa ny nampihomehy nampalahelo ahy dia ireto olona marobe nanodidina ny miaramila mpioko tsy mahalala hatrany izay mety hahafaty azy. Izay tokoa angaha vao nahita miaramila nanao fihetsiketsehana an-dalambe. Tena zava-doza ry zareo ny fihetsiketsehan'ny miaramila an-dalambe fa modia any an-trano mipirina mba tsy ho maritioran'ny fitiavan-tanindrazana a!

Nandeha indray moa ny fanentanana tao amin'ny radio viva (mbola mandeha tokoa na dia efa nalain'ny emmo nat omaly sabotsy 7 martsa aza ny fitaovana tao) ny hamoriana ny olona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey rahampitso alatsinainy 9 martsa, mety ho fifaliana ho an'ny mpitolona izany nefa ahoana ny eo anivon'ny tafika? fiheverako manokana ny hanatontosana izay fihetsehana an-dalambe ataon'ny TGV izay no tanjon'ireto manamboinahitra lefitra araka ny voalaza ireto. Nefa inona no ataony raha misy indray ny fandrobana ataon'ny sasany avy nanao fihetsiketsehana? Hampiasa basy "hamono vahoaka" sa tsy hanao na inona na inona satria tsy andraikiny izany? Enga fotsiny anie mba tsy hisy ny fandrobana ary tsy hisy ihany koa ny fanafihana ny tanananay lasa malaza ho fokontany TIM satria nilaza ny mbola hamaly faty anay indray ny "sasany" resy tosika tamin'ny Asabotsy farany teo. Eto izany aloha, raha hitohy ny fifampidinihana eo amin'ny roa tonta dia manana ny tombony kokoa ny TGV. Fa moa ve mamelavela fotsiny amin'izao ny tafika manoloana ity fiokoana ity? Tsy dia fanaon-dry zareo loatra aloha izany mitifitra amin'ny rahalahiny am-piadiana izany hatramin'izao. Saingy tsy fantatra aloha ny hiseho satria 'mpanaja lalàna' mandrakariva ny tafika amin'ny ankapobeny fa tsy 'mpanoa ny filoha' loatra na dia sarotra inoana aza hisian'izany fifampitifirana izany.

Mampahatsiahy ny tantara ny zavamisy ankehitriny, efa teo moa ny fiokoana nataon'ny Jeneraly Andrianafidisoa teny Ivato, tsy nahomby moa iny ka tsy lazaina loatra. Ny tany amin'ny 1975 no nitamberina, raha nioko tao Antanimora ny GMP (Groupe Mobile de Police). Tsy nety nifanandrina tamin'ireo mpioko ny tafika raha tsy maty aloha ny filoham-panjakana tamin'izany fotoana izany. Nangidihidy ny lehilahy teto Antananarivo, hanafika ny mpioko saingy nosakanan'ny miaramila izany hatezeram-bahoaka izany, ary voatery ry zareo tafika nanafika "tsy fidiny" ireto mpioko ireto. Tsy nisy lohany intsony moa i Madagasikara ka izay no nampitsangana ny "directoire militaire". Efa azo veroka ihany fa hery hafa no tena namono sy nampamono ny Kolonely lasa Jeneraly Ratsimandrava rehefa nodimandry izy saingy efa natolaka tany amin'ny iray tamin'ireo mpioko ny rihitra. Ankehitriny, mafanafana ny toe-draharaha, tsy fantatra avokoa ny hery mifanandrina any ambadika any fa nanaitra ny sofiko aloha ny fanambarana nataon'ny fivondronamben'ny Eveka teto Madagasikara nanaraka ny fanambaran'ny Arshevekan'Antananarivo namely mafy ny fitondrana. Ny Arsheveka rahateo efa niantso ny tafika "hiaro ny vahoaka sy ny fananany" ka samy nanana ny fandraisany azy na ny manamboninahitra lefitra efa ela no te-hioko sy ny zandary hanaja ny "lalàna sy tanindrazana". Ny ankehitriny ihany koa efa mizarazara be ihany ny olona indrindra fa ny eto Antananarivo. Ankehitriny, toa mitovitovy amin'ny hery anatiny sy ivelany ahiahiana ho tena ambadik'izay namono sy nampamono ny filoha tamin'ny 1975 ihany ny hery ambadik'ity fanonganam-panjakana eo am-panatanterahana azy ity. Mariho tsara fa notapahina fotsiny ny fitsarana raharaha namonoana ny filoham-panjakana tamin'ny 1975 indrindra rehefa nitady hipoitra ny marina.

Na eo aza izany rehetra izany, tsy hitako mihitsy ny antony hifalian'ny sasany amin'ity fikomiana miaramila ity. Moa ve tsapan'izy ireo izay milaza ho manameloka ny fandatsahan-dra ny mpiray tanindrazana aminy fa efa antomotry ny ra mandriaka i Madagasikara amin'izao fotoana izao? Izany ve no ifalianao sa hoe tsy maintsy miongana amin'izay ny filoha Ravalomanana? Fa angaha izy ity haongana fotsiny amin'izao indrindra fa efa tetehina ihany koa ny hamonoana na ny hanagadrana azy ary fantany tsara izany, izay indrindra ilay hoe antomotry ny ra mandriaka isika izao fa efa anatin'ny ady an-trano tanteraka kosa. Niantsoantso valifaty amin'izay manko ny maro tamin'ny mpitolona. Fiovana tsy ara-dalàna matetika izany ho hiainan'i Madagasikara koa nefa tsy hampandroso azy na oviana na oviana izany. Karazana sangisangy zary tenany no hamaranako ity lahatsoratra etoana ity: Inona izany no hitranga amin'ny 18 martsa 2009 andro faha-77 amin'ity taona faha-7 nitondran-dRavalomanana an'i Madagasikara ity?




jentilisa, alahady 08 martsa 2009 amin'ny 23: 08 ora

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox