Hilalao olona 13 mey indray sy tsiahin'ny tantara 1972

2012-05-11 @ 11:28 in Politika

Antomotra ny andron'ny 13 mey fotoam-pahatsiarovana ny tolona namaivay namarana ny repoblika voalohany. Mifanahatahaka  amin'izany indray ny zava-misy ankehitriny. Raha tsiahivina, tolon'ny mpianatra ho dokotera tetsy Mahamasina (Ecole de Medecine) efa nitarazoka volana maromaro no niitatra ka niafara tamin'ny tifitifitra tetsy anoloan'ny Lapan'ny tanàna Antananarivo (teo amin'io dobo ankehitriny io indrindra no nisy ireo olona lavo voalohany) sy ny famindra-pahefana nataon'Atoa Philibert Tsiranana filoha vao voafidim-bahoaka indray volana vitsy monja tamin'ny komandy ambonin'ny tafika ny Jeneraly Ramanantsoa.

 


Somary averina kely ilay tsiahy. Samy nisy sekoly fampianarana ho dokotera teo Mahamasina sy teny Ankatso. Samy manana ny lalany anefa ireo mpianatra ireo rehefa mivoaka ho dokotera. Miasa an-tanandehibe ireo mpianatra mivoaka eny Ankatso ary any ambanivohitra ihany kosa no azon'ireo mpianatra mivoaka eny Mahamasina iasana. Nitaky ny fampitovian-danja ny sekoly teo Mahamasina sy teny Ankatso ireo mpianatra teo Mahamasina. Izay angamba no nampalaza ilay hoe sekoly miangatra. Nandeha teny ho eny koa ny olana teo amin'ny sakafo, tsy nahafa-po ny mpianatra...sy izay mety ho antsipiria-javatra madinidinika. Nitarazoka ela ny raharaha. Nivoaka  tsikelikely ny fanambarana nataon'ny fikambanana isan-karazany (sedodia...), nirotsaka an-tsehatra  ny  mpianatra ambaratonga faharoa maro teto Antananarivo. Efa nifampiresaka tamin'ny minisitra fa tsy nahitana vahaolana mihitsy, mandeha ihany koa ny fandrahonana am-bava...

 


Ny 13 mey 1972, hisy ny fivoriana lehibe hotontosaina teny Ankatso, karazana ivon'ny hetsika. Nasaina tamin'izany ny vahoaka. Heveriko, eto am-panoratana fa noho ny "franchise universitaire" no nahafahana nanao izany fivoriana teny Ankatso izany. Nosakanan'ny mpitandro ny filaminana teo Ambohijatovo tsy hahazo hizotra ho any Ankatso ny vahoaka. Tafangona ho azy teo Analakely noho izany ireo olona saiky hitanjozotra ho eny Ankatso. Nitifitra avy tetsy amin'ny Lapan'ny tanàna ny FRS, izay heverina ho andia-tafika manokana itokisan'ny mpitondra kokoa tamin'izany fotoana izany. Raikitra ny sahotaka. Nisy ny maty voatifitra ary nisy ny naratra. Nitady fialofana amin'ny balan'ny FRS ny olona. Nanao sorona ny tenany nanani-drindrina sy niantoraka teny amin'ireo FRS mpitifitra ny vahoaka ireo tanora tsy an'asa antsoina hoe ZWAM. Isak'izay misy ZWAM mitsoraka no raikitra  tsy  ankitsahatra ny tora-bato avy amin'ny olona. Nandà tsy nanaiky ny hitifitra kosa ny tao amin'ny zandary. Nankasitrahan'ny olona izany fandavana baiko tsy hitifitra izany.

 

Ny ampitso, alahady, vao nisy nandoro io Lapan'ny tanàna io ary heverina fa ho fanafenana dosie tsy mazavazava na entina hanafenana izay mety ho fandrobana entana natao tao no tena anton'ilay fandoroana... Nivadika tanteraka ny toe-draharaha taorian'ny tifitra sy famonoana olona ary ny fandefasana ny mpitarika ny tolona nankany Nosy Lava. Ny vahoaka teto Antananarivo kosa nizotra sy nilahatra tetsy Analakely hatrany... Noho ny sahotaka tsy nety voavaha no nahatonga ny lehilahy rehetra saiky hiakatra eny Andafiavaratra, misy ny toera-piasan'ny filoha tamin'izany,  ny andron'ny 18 mey 1972; io toe-javatra io no nakan'ny hoe hankeny Iavoloha (1991) na hiakatra an'Ambohitsorohitra (2009) tahaka taty aoriana. Teo Andohalo no nosakanan'ny tafika, ninia tsy nitondra na inona na inona, tsy basy tsy kibay, ireo olona ireo ary nilazan'ny Jeneraly Ratsimandrava fa efa nomena azy ny fahefana feno. Hafaliana tsy omby tratra ny an'ny olona raha nandre izany satria nivaly ny hetaheta hoe "Tafika, raiso ny fahefana!"

 

Izay ny tantara, ankehitriny kosa, raikitra indray ny fanentanana ny olona hidina an-dalambe amin'ny 12 mey 2012, eo Ambohijatovo. Ny fotoana ihany no mety hisy fifandraisany tamin'ny taloha, toy ny natao tamin'ny 28 marsa 2009 ihany, fa tsy mitovy intsony ny ankoatra izany: Mpampianatra no mitokona fa tsy mpianatra, tsy mpampianatra anefa no miantso ilay fidinana an-dalambe fa antoko politika. Ekena tokoa fa manahy dia manahy ny fotoana tahaka izao ny fitondrana ka misy ny fampihorohoroana madinidinika ilazana fa misy ny manomana grenady hamelezana ny mpidina an-dalambe sns... fa hitovy tamin'ny 28 marsa 2009 ihany io. Mety tsy hitsoaka baomba mandatsa-dranomaso ny olona fa tsy maintsy hitsoaka ihany manoloana ny basy mipoaka  tsy misy bala, na bala fingotra. Saingy hitako eto fa hitsoaka amin'ny baomba mandatsa-dranomaso avy hatrany ny olona, ary ny mpitarika no hitsoaka voalohany ka hampisaritaka ny mpanaraka. Tamin'ny 28 marsa 2009 no tsy nety niala ireo nitarika fa io Asabotsy io manahy mafy aho fa tsy hisy izany. Raha entina hanambarana hiala tanteraka amin'ny Tondrozotra tsy mety tanterahina moa maninona fa hita ihany fa mamy ny seza ka ny hifikitra ihany no ho fantatr'ireo nahazo toerana. Hiara-maloto ao daholo ihany ny rehetra... dia izay ilay lazaiko hoe hilalao olona fotsiny ireo heverina ho mpitarika  fa ny seza ihany no hofikirina avy eo!


Jentilisa 11 mey 2012


PS: izay manan-kambara sy te-hanitsy iangaviana mba hanoratra...

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox