Vaovao Eto anTOerana.VETO

Tapa-baovao 020507

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 14:45
Maro loatra angaha ny vaovao tiana hampitaina ka manjary tsy hitako intsony indray izay ampitaina. Niezaka manko aho mba ho iray isan’andro no avoaka nefa mihazakazaka ny toe-draharaha. Noho izany dia atao endrika tapa-baovao no avoaka eto aloha na dia manambara ny hevitro eny antsefatsefany eny aza aho. 
  • Tao Boriziny (Port-Bergé) dia nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teo ampivoriana ny filohan’ny fikambanan’ny mpanjifa nikonokonona fitokonana momba ny fahasahiranana azo amin’ny jirama amin’izao fotoana izao. Nilahatra ary ny fokonolona (izay mihitsy no nampitain’ny mpanao gazetin’ny Rnm tany an-toerana tao amin’ny fandaharana ampitampitao) nitaky ny hamoahana io mpitari-tolona io avy hatrany. Nankeny amin’ny tobin’ny zandarimaria ry zareo nanao izany fitakiana izany. Tsy nisy ny fifampiraharahana ka dia tezitra ry zareo ka namonjy ny trano fandraisana olo-mana-kaja an’ny Distrika. Navoakan-dry zareo avokoa ny entana tao sady nopotehiny. Nodorany hatramin’ny trano mihitsy aza.
 Avy eo dia nankany amin’ny fandoavam-bolan’ny jirama ary dia nopotehiny toy izany koa izay hitany tao. Nisy fitoeran-tsolika mahazaka 10.000 litatra tao fa nopotehiny ihany koa io, nolazain’ny tompon’andraikitra tao moa fa mbola nisy solika 5.000 litatra tao anatiny (zavatra very koa ve moa hisy azo anamarinana izany intsony !). Nilaza moa ireo izay nanapotika ny zavatra rehetra tao amin’ny jirama fa aleony tsy misy mihitsy toy izay misy nefa sady tsy mahafapo no asaina mandoa vola hatrany. Vokatr’ireo fihetsehana mahery vaika ireo moa dia navoaka ihany ny lehiben’ny fikambanan’ny mpanjifa tao an-toerana. Nilefitra teo anatrehan’ny herisetra mahery vaika izany ny mpitondra. 
  • Teto Antananarivo kosa dia niara-nientana ny mpiasan’ny jirama ho fiarahana amin’ny mpiasan’ny jirama ao anatin’ny fanenjehana sy ny fikasihan-tanana mihitsy aza. Ankoatra ny fitakiana ny fanondrotana ny karama efa nifanarahan’ny gem sy ny sim io mbamin’ireo fitakiana hafa ihany koa. Efa saiky voavaly amin’ny mahafa-po azy moa ireo fitakiana ireo dia ny fanomezana ny tambi-karama tsy voaloha hatramin’ny volana janoary ny mankaty.
 
  • Efa hitan’ny mpamaky ihany koa ny faneriterena ny mpanao gazety tsy ho afa-manao tsara ny asany any Antsiranana any. Tsy ny mpitondra fanjakana no manao ity faneriterena ity fa ny ankolafin’ny mpanohitra milaza ny teneny ho mpianatra nefa hitrikitrihan’ny mpanao gazety maro fa efa tsy mpianatra intsony ireo. Nisy aza moa ny fakana an-keriny mpanao gazety iray lazain-dry zareo ho mamoaka vaovao tsy marina.
 Fony nandre ity vaovao ity ny maro dia nihevitra avy hatrany fa an’ny mbs ity mpanao gazety ity, kanjo hay an’ny Les nouvelles. Nanao ny asany soa man-tsara indray ny mpanao gazety no tezitra ry zalahy. Rehefa nojerena dia tsy noho ny vaovao loatra no nisamboran-dry zalahy ilay mpanao gazety fa amin’ny mahamerina azy indrindra. Miala tsiny fa nitovitovy ihany ny vaovao navoakan’ny rehetra avy any nefa dia ity iray ity no tena nahatezitra an-dry zalahy. Ny an’ny mbs manko olona tena avy tao ihany no solontenany. Amin’izao fotoana izao moa dia raràny tsy hamoaka vaovao intsony ireo mpanao gazety rehetra any an-toerana. 
  • Eo ihany koa ilay namoahan’ny minisitry ny vola hoe lasan’ny praiminisitra teo aloha ihany ny volabe efa nosakanan’ny fanjakana malagasy mipetraka amin’ny banky soisa iray. Efa azon’ilay olon’ny fitondrana teo aloha tamin’ny volana marsa moa io vola io. Ny zavatra ti’ny minisitra ampitaiina ao ambadika dia tiany ampifanohizana amin’ny toe-draharaha eto an-toerana lasa mikorontana ity nahazon’ny praiminisitra Tantely Andrianarivo ity vola ity. Asa tokoa aloha izay tena fahamariniany any ambadika any.
  

Powered by LifeType