Vaovao Eto anTOerana.VETO

jioi 2007: Teny ampilaharana fanokafana!

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 18:26

Dia hiditra amin'ny zavatra manaraka indray aho. Somary atoandro indray izahay vao tonga teny Mahamasina ny andron'ny fanokafana. Ny ankamaroan'ny olona anefa dia maraina avokoa mba hamonjena ny toerana tsara. Alao aloha marihina fa io izahay io dia izaho sy i Tokinao izay tonga eto Antoerana amin'izao fotoana izao. Vavahady tokana rey olona no mba fidirana mankao hoe dia ilay vavahady atsimo akaikin'ny sekolin'ny fahasalamana io. Ny hatevin'ny filaharana dia matavy sahala amin'ny fandehanana tongotra ihany (roa io sa telo metatra akory aza). Dia nitazana izay olona fantatra hatrany saingy endrik'olona tsy fahita no tazana. nanatena ny hisongona io an!

 

Dia voatery tany amin'ny farany mihitsy vao nijanona. aiza moa io? Efa eo amin'ny hazo atsimo atsinanan'ny vavahadiin'ny lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina io ry zareo. Efa kivy aho hoe tsy ho tafiditra intsony. I Tokinao kosa manana fanantenana hatrany satria be amin'ireo milahatra ireo no tsy nahazo ny tapakila amin'ireo milahatra ireo. Zaza amam-behivavy re izany! tena maro tokoa. Ny antitra aza moa tsy manaiky gisitra koa ny hafa ihany koa ve no tsy hiroboka? Ahoana koa ary ity fidirana tokana ity?

 

Kanjo tampotampoka teo dia nisy olona maromaro nirohotra nihazakazaka nankany amin'ny misy ny fiangonana katolika st Joseph any? Dia nirahiko moa i Tokinao hakany fa izaho kosa hiandry ny laharana ihany. Hay tena nanokatra vaovao tokoa ry zareo dia ny teo anoloan'ny fiangonana nolazaiko teo ihany. Maro indray ireo te-hiditra saingy izay manana tapakila ihany no afa-miditra e! nantsoin'i Tokinao tamin'ny finday moa aho hoe tena misy misokatra ka dia mba atao hoe vetivety ihany dia tafiditra tao amin'ny kianjabe aloha!


Jioi 2007: talohan'ny fanokafana!

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 18:13

Fanintelony aho izao niverina eto izao indray ka asa na hety amin'izay na tsia? aty amin'ny cyber indray aho manko no mivoivoy kely aloha. Dia hitantara zavatra kely talohan'ny fanokafana omaly ary aho aloha alohan'izany rehetra izany.

 

Raha vao izany no atao dia ny resaka vidim-pidirana tamin'ny lanonam-panokafana aloha no raisina voalohany. Andro malaza sy tena nandrasan'ny maro fatratra manko io andro io. Tsy atao mahagaga izany amin'ny fitiavan'ny malagasy mifety. Afak'omaly ary dia resaka fitadiavana tapakila fotsiny no tena nandaniana ny andro. Re tampoka fotsiny fa any amin'ny Galana hoe no mamoaka ny tapakila. Dia notetezina avokoa ity galana rehetra fantatra aingy tsy nisy nahitana na lany avokoa no valin-teny.

 

Tao ambadiky ny pavillons Analakely vao naharenesana fa any Behoririka sisa no misy. Dia tsy maintsy hoe nankany ihany izany. Adiny roa ny filaharana tao vao nahazo tapakila iray satria izay ihany no azo novidiana. Na dia hoe iray fanampiny aza dia nolavin-dry zareo. Nojereko ny laharan'ny tapakilako fa 0914409 nefa ny an'i Tokinao izay taoriako mivantana 0914412 avy hatrany. Lasa aiza ny 410 sy 411?

 

Dia nanamarika ihiany koa olona iray fantatro fa tena nifandingana toy izao ihany koa ny tapakilany. Dia efa nieritreritra avy hatrany aho fa misy risoriso ao. tany am-pilaharana tao ampidirana anefa raha nanontany ireny manodidina ahy aho dia nanda ilay ramatoa iray. Nisesy tsara ny laharan'ny tapakilan'izy telo mianaka novidiana tany amin'ny Galana sabotsy Namehana. Dia manambara izany fa misy zavatra tsymazava ny amin'ity fivarotana tapakila ity. Izay aloha ny amin'iny!


«Mialoha   1 2

Powered by LifeType