Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Septambra 2007 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Tezitra (mangina) ny vahoaka!

2007-09-11 @ 18:07 in Spaoro

Hatairana sy hatezerana no niloatra ambavan’ireo namaky tamin’ny gazety na nandre tamin’ny fampielezam-peo fa tsy ho afaka ny hanao fifanintsanana any Senegal ny mpilalao basket vehivavy malagasy. Na mpanohana ny fitondrana izy na mpanohitra ny fitondrana dia samy nanambara ny alahelony avokoa. Amin’ity tranga iray ity kosa dia afaka ny mitabataba azy tsara ny antoko mpanohitra ankehitriny. 

 

Efa nahita ny fiezahan’ireo mpilalao vehivavy ireo avokoa ny nanaraka ny lalaon’ny nosy farany teo. Karazana voninahitra ihany koa izany hoe nantsoina mba hifaninana amin’ny CAN2007 amin’ity taranja basket ity isika malagasy saingy efa tankina hatreo aloha ilay fanoloram-boninahitra. Efa fotoana elaela ihany ny tao amin’ny federasiona no niakatra sy nidina teny amin’ny Minisitera mba ahafahana mandefa ireo mpilalaontsika ireo. Nanambara ombieny ombieny tamin’ny haino aman-jery ry zareo fa tsy manana ny ho enti-manana amin’izany fandehanana ho any Senegal izany. Nodradradradraina hatrany ihany koa fa misy sazy anie ny tsy fandehanana amina lalao fifaninana sahala amin’izao ary efa misy aza ny sazy teo aloha mbola tsy naloa. Saingy toy ny rano natondraka tamina gisa ihany izany. 

 

Mety ho azo natao ny nilefitra raha tsy nisy ny ankiteniteny tamin’ireny lalaon’ny nosy farany teo ireny. Vao iray volana monja manko izany no nampanatena ny filoham-pirenena fa manomboka tamin’izany fotoana izany dia hatao laharam-pahamehana ny fanatanjahantena ho fikarakarana ny tanora. Noho izany no nanambarany fa izay rehetra mahazo medaily volamena dia halefa (hijery ny lalao olaimpika) any Beinjing avokoa amin’ny herintaona. Nahazo ny laharana voalohany mihitsy moa isika tamin’ny fahazoana io medaily volamena io no sady nahatratra ny isa zato izany. Izay koa angaha ny nampiakatra ny vokatra tiko rehetra raha vao vita io lalaon’ny nosy io hiantohana ny fandefasana ireo atleta ho any Beinjing ireo. Vao nandre ny teny moa aho tamin’izay fotoana izay dia efa nahavoaka hoe “ ho tontosanao tokoa ve izany? Sa mandritra ny lalaon’ny nosy ihany? 

 

Efa nohatonin’ny tao amin’ny federasiona ihany ny minisitra mpiahy ity taranja ity, ary efa nahavory ny roatokon’ny vola nomanina ho amin’izany izy araka ny nambara. Nandrasana hatramin’ny ora farany fa tsy namaly teny mihitsy ny minisiteran’ny fanatanjahantena na dia niezaka aza ny minisitra mpiahy ny taranja basket (samihafa ireo an!). Ny momba ny Tafita (tahiry ho fanampiana ny tanora [indrindra fa amin’ny fanatanjahantena]) moa dia tsy nandrenesam-peo ny aminy; tsy fantatra na efa ao anatin’ireo nanolotra fanampiana izy na tsia. 

 

Ankehitriny, hita ho tezitra amin’ity daholo ny olona raha vao atsidika ity lohahevitra ity. Misy moa fomba fiteny hoe ny fampanantenana avy amin’ny mpanao politika dia ho an’izay mino azy ihany. Saingy vanim-potoana mialoha ny fifidianana anie isika ary tselatra kely monja dia mety hampivadika ny olona ary rehefa izy no mivadika dia tsy hiaro na hanohana anao intsony. Sahy aloha izy nandiso fanantenana e!