Antso ho fampiroboroboana ny aterineto eto Madagasikara.
Alohan'ny hametrahana ity hafatra ity izay tsy aritro fa apetrako eto ihany dia any amin'ny Vaovao Iraisam-Pirenena no misy ny lahatsoratra momba ny hala-jaza sy ny halatra taova.
Hita taratra ao anatin'izany haitao maro izany fa fitaovana iray azo antoka ho enti-mampandroso an’i Madagasikara ny fampiasana aterineto.
(tohiny)
Ny Fahafahamiteny no Kihondalan’ny Fandrosoana
Efa hitantsika tany ambadimbadika tany ihany angamba fa nitohy ho Antananarivo mibilaogy 4.1 ny 4.0 tamin’ny alakamisy 18 oktobra 2007 ka tamin’ny Asabotsy 27 oktobra 2007 maraina teo no nanatontosana izany. Ny nahafaly moa dia nanomboka ara-potoana tsara ny fotoana ary ankasitrahana manokana amin’izany ny Namana Serasera Dago izay tonga maro tokoa nefa fantatra mazava fa solontena ihany ireo tonga ireo. Mbola montsana indray ny fahamaroam-pahatongavana tamin’ity indray mandeha ity satria 13 izahay no niatrikasa tao. Ny mahavariana amin’ity fihaonana mitohy ity dia voamarina indray ilay fitenenana frantsay manao hoe “il n’y a jamais deux sans trois”. Mbola hitohy ihany manko ny atrikasa ka hizara roa izany izay samy azo ifaneraserantsika ihany indrindra fa ho an’ny eto Madagasikara.
Fa naninona I Jeannot Ramambazafy?
Hatramin’ny fahakely aho no mpamaky gazety ary naleoko aza tsy nihinankanina toy izay tsy namaky gazety na tsy nahavita boky ihany koa. Vao nanomboka nivoaka ny Madagascar Tribune dia mpamaky tsy tapaka azy aho no sady mpividy rahateo isaky ny Asabotsy satria izay no zakan’ny tsena. Ny zavatra iray tena nifidianako ny Madagascar Tribune dia izy irery tamin’izany no nahasahy tsy namoaka izany horoscope izany. Ny Horosfika hany mba famakiko taloha dia ny tao amin’ny akon’ny Aro (avy amin’ny trano fiantohana Aro mazava loatra). Ny antony dia tena fanalana azy ranofotsiny ny horosfikan’ny mpamaky tsirairay izany hoe natao hihomehezana fotsiny ilay izy fa tsy natao hinoana toy ny fanaon’ny tena mpamaky ireny horosfika ireny. Samy manana ny finoany sy ny tsy finoany rahateo ny rehetra. Ary tsaroako tsara fa tena famakiko ny lahatsoratry Jeannot Ramambazafy na dia misy aza ny fotoana mahalankalana ihany ny fotoana anoratany. Toy ny nanitikitika ahy ny zavatra nosoratany tamin’izany fotoana izany ary tsoriko fa ankoatra an’I Aimé Razafy mpamoaka sariitatra dia ny anarany ihany no hany tadidiko tamin’ny mpanao gazety tao amin’io famoahana io.
Vita Pazzapa dia miditra Raise your Voice
Hiditra amin’ny famaranana ny Pazzapa V rahampitso sady io rahateo no prime faha-13. Araka ny filazan’ny mpanara-baovao moa dia tsy nahasarika toy ny taloha intsony ny pazzapa tamin’ity taona ity na dia mbola be mpanaraka aza izy. Tsy dia nisy loatra manko ny kotaba manaraka isaky ny vita prime isaky ny sabotsy ireny.Ny tena olana moa dia eo amin’ny resaka fifidianana amin’ny alalan’ny finday matetika.
Efa saiky tsy nisy ity andiany fahadimy ity noho ny fialan’ny Orange tsy ho mpanohana intsony saingy nahay nanararaotra niditra kosa ny Celtel. Izaho manokana moa mahita fa mety noho ny fahataran’ny sms ao amin’ny Orange (izay mety hahatratra 5 na 6 ora mihitsy aza araka ny efa niainana) no antony iray mandiso ny vatom-pifidianana amin’ny fanohanana mpihira iray io.
(tohiny)