Mpanompo sampy ve Ravalomanana?
Somary nahoraka ihany koa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny nametrahan’Atoa Ravalomanana filohampirenena Malagasy ny vato fehizoron’ny tranombakoka kasaina apetraka mifanila amin’ny trano fiasan’ny filoham-pirenena eo Ambohitsorohitra sy amin’ny faritra manasaraka azy amin’ny trano lehibe an’ny Banky Foiben’I Madagasikara. Trano natao hanana endrika trano gasy mahazatra eto amin’ny faritr’Imerina kasaina hovitaina haingana satria mbola ho ela vao ho vita ny fanarenana tanteraka ny Rovan’i Manjakamiadana. Tsy dia ny fikasana hanangana ny trano loatra no nampahoraka azy ity fa izay natao tamin’io andro io. Fa inona avy no nataony ka hita tamin’ny haino aman-jery?
(tohiny)
