Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Janoary 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

BOMBs Teny malagasy

2008-01-21 @ 09:15 in Ankapobeny

 

Misaotra anareo rehetra izay nifidy sy tsy nifidy ahy, nahatonga ahy ho "Best of malagasy blogs" taona 2007 teny malagasy. Tsy zavamora izany satria avy amin'ny safidinareo mpamaky sy ny naotin'ny mpitsara. Tsy adinoina ihany koa ny fisaorana ny mpikarakara ity fifaninanana ity ho fampiroboroboana ny tontolom-bolongana malagasy manerantany. Ankasitrahana ny namakianareo manokana ity blaogy ity hatramin'izay ary hamakianareo azy hatrany. Tsy afaka ny hihambo ho mahay indrindra amin'ity zavatra ity anefa aho fa toy ny zazavao hatrany, na raha manahirana io teny io dia hoe mbola mianatra mandrakariva.

Raha natao manko ny fampitaha ary tsy afenina izany, dia nihena atsasany tany ho any mihitsy ny mpamaky raha nampitahaina ny isany tamin'ny Visavisa Jentilisa sy ny Vaovao Eto an-TOerana. Nefa mbola nosafidianareo hatrany ho ny tsara indrindra tamin'ny taona 2007 aho teo amin'ny teny malagasy. Heveriko fa ny fotoana nandaozana ity sehatra ity elalea na/sy  ny fibahanan'ny politika no anton'izany fihenan'ny mpamaky izany. Fakana lesona avokoa ny zava-drehetra. Tsy maintsy hisy hatrany ny fivoarana araka izay azo atao na dia izany aza.

Eto indray dia mankahery anareo mpibilaogy (mpamaham-bolongana hoy aho izay) rehetra hitozo hatrany, noho ny fitiavana, ho fampiroboroboana ny teny malagasy amin'itony aterineto itony. Any amin'ny lahatsoratry Vazahagasy moa dia naniry izy mba ho malagasy eto Madagasikara avokoa no handrombaka ny fandresena amin'ity taona vaovao ity. Tsy nanomana ary tsy nikasa hanomana izay soratako eto aho fa izay no "vokatry ny fo".