Loza mihitsy ity fiakinandoha amin’ny aterineto ity, fa
tsy hay kosa aloha izy ity na mahadomelina na mandranitra. Nieritreritra ny tsy
hikitika solosaina aty an-trano mihitsy aho androany alahady, fa tsy maintsy
mikirakira azy mandritra ny fotoam-piasana, ho karazana fialantsasatra saingy
e-he, nipololotra indray ny aingam-panahy. Revo tamin’ny fandaharana
Anim’Artista na dia tsy ampy atsasak’adiny akory aza izay nojerena. Avela any
ny filoha sy ny fahatezerany tany Toamasina amin’ny “asa tsy mandroso” satria
rehefa dinihina toa noho ny tsy nahazoan’ny Alma (Asa Lalana Malagasy) ny tsena
no mety ho ao ambadika ho fanomanana ny saina rehefa tonga ny fotoana esorina
amin’ny Shinoa ny tsena dia omena ny orinasany.
Fandaharana mandeha isan’alahady alina ao amin’ny tvm ity
Anim’artista ity. Ny mampiavaka azy dia artista no asaina nefa artista ihany
koa no manentana, na manasa sy manontany ny vahiny, tsy adino (samy hafa
amin’ny noadinoina) anatin’izany ny talentan’ny nasaina fa mandravaka ny
fandaharana eny ihany. Tsimialonjafy tokoa ny fandaharana satria hita ao avokoa
ny karazam-boninkazon’ny kanto malagasy amin’ny ankapobeny avy amin’ny lafy
valo sy isa-taranaka ihany koa, na tanora vao misondrotra io na ny efa antitra
mitezotezo.
Mpanao vako-drazana ela nihetezana fantatra kokoa amin’ny
anaran’ny tarika no nasaina tao dia ny tarika Ny Voninavoko izany, ary tao
mazava ho azy ny lehibe nanorina azy dia i Dadagaby. Efa be taona tokoa saingy
tsy manaiky gisitra haneho ny talentany. Tsiriry ahitra ve? Raozy mavokely? Sa
Zanak’Iarivo? Santionan’ny hira ahafantarana ny Voninavoko izany. Mety ho efa
nokaloinao ny hira aza saingy tsy fantatrao izay tena mpihira azy. Fa raha
mpihira ny ampahan’hira firedon’ny mpijery fanatanjahantena Malagasy
mpamelombelona ny iô! Iô! iô ôhô! Ianao dia tsarovy fa nosintonina avy amin’ny
hira mitondra ny lohateny hoe raozy mavokely ianao izay.
Fa inona no nahatery ahy hanoratra noho io fandaharana io?
Malaza dia malaza eto amin’ny tanàna amin’izao fotoana izao ny hira mampandihy
fitombenana. Izay mihetsika iray dia io fipelipeliky ny malesa io no
hisintonana mpijery. Manao azy avokoa ny bodo sy adala rehetra io hany ka na
dia ry Francis Turbo sy ny Gothlieb aza boboka tanteraka, nampisy adihevitra
azy ireo tamin’ny mpihaino mihitsy moa ny nilazan’izy ireo ny heviny momba ny
dihy ankehitriny io. Rehefa be loatra tokoa anie ny sira mampangidy e! Endrey
kosa fa hay tena misy fahafinaretana ny mahita dihy tsy ahitana io
fampandihizana fitombenana io mihitsy. Revin’antitra ve izany? Raha izany dia
efa antitra mihitsy aho.
Nahatery ahy hanoratra ihany koa ny mahatsapa fa tsy
hahavory olona firy (eto an-drenivohitra) mihitsy ny mpanao vakodrazana raha
hanao fampisehoana fa na izany aza dia misy ny lalana ahafahana manampy ireny
mpanao vakodrazana ireny. Tsy hevitra vaovao fa fahita ihany rehefa misy ny
fanasana amin’ny fampakaram-bady ka tiana hakotroka ny raharaha. Mba manasà ry
zareo mpanao vakodrazana rehefa misy fotoana lehibebe hampisehoana amin’ny
taranaka ho avy fa misy anie ny karazan-dihy an’ny Malagasy izay tsy mba
mandeha amin’ny haino amanjery loatra e! Asehoy ny zanatsika fa manana izay
antsika madio mangarangarana ihany koa isika malagasy na dia saiky ireo
sarangan’ny tsy mpigalabona loatra aza ny ankamaroan’ireo mpanao vako-drazana
ireo. Famporisihana azy ireo hanohy ny fitandroana ny kazarankira ihany koa ny
fanomezana valinkasasarana ho azy ireo satria fandaniana ihany koa anie na dia ny
mitondra olona maromaro aza e!