Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Aprily 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Ity setrasetranareo ity: 14 no maty

2008-04-03 @ 22:49 in Andavanandro

Loza mihitsy ange ity ataonareo ity e! Heverinareo fa anareo irery ny lalana. Izao ny vokany: 14 lahy no maty tao anatin’ny indray mipi-maso monja. Naninona anareo izao ireo tra-doza avy tany Tsiroanomandidy hamonjy an’i Vangaindrano ireo?

 

3 Avrily 2008 vao maraina manaraka iny lalam-pirenena fahafito, iray amin’ny lalam-pirenena be mpivezivezy indrindra eto Madagasikara. Niainga avy ao Antsirabe vao maraina ny fiara fitaterana iray nitondra mpandeha vitsivitsy. Tsy feno ny fiara saingy aleo nandeha fa any an-dalana any ve tsy hahita hafa? Lalam-pirenena no andehanana ka hafahafa ihany raha hiadam-pandeha ny fiara. Samy manana ny tanjany na dia izany aza. Raikitra amin’izay ny ankimbahambahana ataon’ny te-hahazo mpandeha nefa kely hery. Tsy nahaleo ka voasongona ihany dia romotra aok’izany ingahy saofera handondona avy ao aoriana. Mitaintaina tsy fidiny ny mpandeha lasa mieritreri-doza hoe oviana no hifandona. Mieritreritra fa toy ny anaty vatam-paty mandehandeha avy hatrany rehefa karazan-tsaofera tahaka itony no mitondra anao nefa taratra ihany fa maro no manana toetra tahaka izany.

 

Kanjo, sahabo ho folo kilaometatra tsy hidirana an’Ambohimandroso. Indro Fiarabe iray haka toaka aty Antananarivo sy fiara fitaterana ‘mazda’ iray nitondra mpiasan’orinasa iray no hita ery ankavian-dalana (mariho fa avy any Antsirabe ny fandraisana ny fitantarana eto). Misy faty maromaro navalampatra teo afovoan’ny arabe, lambam-pandriana roa vao ampy nasarona ireo nodimandry tamin’ny setrasetran’ny sasany ireo. Tsy voaisa izay norakofana teo ka sarotra ny hitantara avy hatrany fa tsy maintsy hiandry ny vaovao rahariva na rahampitso maraina, satria tsy maintsy hisy hitantara io.

 

Nahita io ingahy saofera dia nihaniadana tampoka teo ny fandehany, tsy nisy intsony ilay fifaninanana hazakazaka tsy nifampierana teo. Tsy nijanona teo amin’ny toerana nisian’ny loza anefa izy ka tsy fantatra marina izay antony mety ho nahatonga io loza io. Ny tsipalotra ihany no hotantaraina. Hita fa tena nofaohin’ilay fiarabe (afa-mitarika) tokoa ilay fiara ‘mazda’ ka nataony toy ny nievotra niverina mihitsy. Voatsipy niverina tokony ho any ho any amin’ny 4 metatra miala ny arabe any ho any mihitsy. Fesona tanteraka iny manoloana ny fiara iny ka tsinjo avy hatrany fa tsy nisy noraisina ny saoferan’io ‘mazda’ io. Ny vaovao halina vao re fa tsy nisy niangana (tsy azoko, mbola nisy iray sa...olona telo manko no tsaboina ao amin’ny hopitalin’Ambatolampy) ry zalahy tao amin’io fiara fitaterana io. Naratra mafy kosa ny saofera sy ny mpanampy azy tao amin’ny fiarabe. Eritrereto amin’izany ny halozanareo. Ao anaty fiarabe ve ianareo dia ho pempo tahaka izao koa sy haratra mafy? Azo heverina fa vokatry ny setrasetra indray io.

 

Efa nisy ihany manko vehivavy iray nitaraina fa nisy fiarabe izany nisongona azy. Fiara maivana no nandehanany fa niaiky izy: tsy hita intsony izay nalehan’ilay fiarabe. Midika izany fa mety nahatratra ny 100km/ora any ho any mihitsy ny hafainganam-pandehany matoa tsy tarataratra tany alohaloha tany intsony avy teo. Fa hiverina tamin’ilay loza noho ny setrasetranareo ihany aho. Mahonena ny mijery ireo enta-kelin-dry zalahy nopaohin’ny fahafatesana. Kitapo am-babena vitsivitsy mendrika ho fitondran’ny mpianatra no hany entan-dry zalahy. Manamarika avy hatrany fa mpiasa madinika ireo niharan-doza noterena ho any amin’ny varo-tsy mifody ireo. Hanao ahoana ny fandrenesan’ny fianakavian’ireo nilaozana ny loza? Hanao ahoana ny ho fiainan-ko avin'ny ankizy izay azo vinaniana avy hatrany fa mbola kely? Setrasetranareo mpanana fiara tsy manaiky hosongonana ihany manko izao.

 

Efa tonga tany an-toerana mihitsy ny praiminisitra sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta nijery ny zava-nisy, loa-bolana hoe: “tena tsy azo leferina mihitsy ny gaboraraka mahatonga ny loza tahaka izao, mendrika ny olona mahavita ny zavatra tahaka izao ny sazy henjana indrindra azo ampiharina aminy”. Rariny tokoa ny teny saingy moa fantatrao fa hipia-kelika indray ny zandarin’ny fifamoivoizana hitaky ny anjarany isaky ny fiara fitateran’olona mandalo indrindra indrindra nefa rehefa jerena toa ny mpitatitra entana izay tsy raharahan-dry zalahy loatra no tena mpitera-doza. Ny haka sisi-bola ihany no mahamaika fa tsy ny handamina velively. Toa tsy mba andrenesana sazy ho an’ireny mpitango ny “hilaminana” eo amin’ny taratasim-piara sy tsy hanaovana tatitra amin’izay fandikan-dalàna loatra fa ny olo-tsotra foana no tsy maintsy masaka sady tsy mahazo mamaly afa-tsy hoe manana olona azo hanindriana angaha!