Vaovao Eto anTOerana.VETO

Andry TGV sy ny kianja 13 mey : Miditra fahadisoana koa

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 22:56

Tsy manome ary tsy hanome rariny ny ataon’ny sefom-pokontany eto Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao mihitsy aho. Heveriko fa toy ny amporisihana ambadika ireo karazan’olona ireo manao io fihetsika fitakiana amin’ny karamany ny karaman’ny mpitantsoratra io. Ataoko ahoana tokoa moa aho no terena handoa ny karaman’izay fantatra fa tsy vonona ny hiara-miasa amiko akory no tsy izaho no nanendry azy rehefa tsy fidin’ny vahoaka mivantana ihany?


Saingy tsy manome rariny ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra kosa tamin’ity tranga hitako tao Analakely androany zoma ity. Ekeko fa misy tokoa ny fiezahana hanao zavatra tsara izay hita eo andohan’Analakely amin’izao fotoana izao fa ahoana kosa ny amin’ity zavatra atao hanakonana tanteraka ny zaridainan’ny 13 mey ity? Nolazain’ny Radio iray fa hametraka ny vato fehizoron’ny lapan’ny tanàna ny Ben’ny tanàna amin’ny 13 mey ho avy izao. Tsy fefy fanakonana anefa no hitako atao eo fa takelaby goavana dia goavana taratra toa hanaovana dokambarotra. Nahoana no takonana tanteraka ny zaridaina? Raha mba paikan’ny tiko mametraka takelaby anaty zaridaina mila tsy ho lefitra ihany fa ilay haingo manontolo takonana dokambarotra kosa tsy mety mihitsy.


Ninia nanontany ilay tompon’andraikitra hitako teo aho hoe atao inona io fa dia mody fanina koa ranamana mamaly hoe ny manangana aloha no fantatro fa tsy fantatro hoe atao inona io. Nampiahiahy avy hatrany izany satria lasa izy avy eo nankeo amin’ny gropy ampiasaina hampitohizana ireo andrin-takelaby ireo. Ny fiaran’ny Injet koa moa tsy miafina rahateo.

 

Fanitsiana governemanta: Fetsy Ravalomanana

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 07:12

Hita mihitsy ny fahaizan’ny filoha na izay manolotsaina azy amin’ny zavatra ataony ankehitriny. Efa malaza loatra amin’ny fampahalalam-baovao fa tsy hotazonina ho minisitra intsony ohatra ny Minisitry ny fampianarana Radavidson Andriamparany, ary izy irery ihany aloha amin’izao fotoana izao fa mbola mihantona ny amin’Atoa Ramiaramanana Patrick dia ny andro mialoha ny tsy ivoahan’ny gazety no hampitany vaovao amin’ny rehetra. Amin’izay fotoana izay dia tsy misy gazety milaza ny heviny fa fampitana amin’ny alalan’ny vaovao an-tsary amin’ny valo ora alina ihany no ahitan’ny rehetra azy. Rehefa tonga moa ny afaka ampitson’iny dia efa tsy mahataitra ny be sy ny maro intsony ny lazain’ny gazety. Tsikaritra izany toe-javatra izany raha namoaka ny lisitry ny loholona andro sabotsy izy ary dia mbola narahin’ny famoahana ny fanitsiana ny lisitry ny mpikambana amin’ny governemanta indray avy eo.

 

Tamin’ny 30 avrily 2008 lasa teo tokoa manko no namoahan’ny filoha indray ireo mpikambana ao amin’ny governemanta izay tsy nisy fanovana loatra ankoatra ny fanalana minisitra iray sy fanoloana minisitra roa lasa loholona (Ivan Randriasandratriniony sy Tsiandopy Jacky Mahafaly). Saingy anarana dimy vaovao indray no re nandritra izany fotoana izany ary ny iray moa tsy voaraiko afa-tsy ny Fanampin’anarana izay mbola mety ho diso ihany koa. Ho an’izay mbola tsy maharaka aloha dia aleo soratana ihany ireo vaovao ireo. Ireto avy izany:

Abdou Salame : Minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy.

Pierrot Botozaza : Minisitry ny fitaterana

Stangeline Ralambomanana Randrianarisandy : Minisitry ny fampianarana

Yin Vah Zafilahy : Minisitra lefitra fampianarana ambony

Armand Panja ... : Minisitry ny fambolena

Mazava loatra fa somary nihena ny andraikitry ny minisitra lefitra teo aloha satria ny resaka fananantany sisa no tena iandraiketany.

 

Manaraka izany dia niresaka momba ny fihaonana tamin’ny FMF (Federasiona Malagasy ny baolina Fandaka) ihany koa ny filoha ka nanambarany fa tena tompon’andraikitra tamin’iny lalao niteraka korontana iny ny FMF na dia manilika azy ho amin’ny ekipa nanomana azy ihany aza (Ajesaia). Nolazainy ihany koa fa tsy fanao ny miverina amin’ny fanapahan-kevitra noraisina. Inona moa no azo ambara fa dia mihaino fotsiny izany.

 


Powered by LifeType