Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Jiona 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Sary 20 tamin'ny fetin'ny mozika teto Antananarivo

2008-06-24 @ 11:50 in Ankapobeny

Azo lazaina hoe tsara vintana ihany aho satria tamin'ny fotoana niseranako vetivety teny Analakely no nifanenako tamin'ny mpanao diabe avy nitety faritra maro teto Antananarivo. Nanaraka ny tena ny fakantsary ka dia zaraiko aminareo izay kely nopihina ho fanampin'izay efa hitanareo any ambadika any.

Ny Ben'ny tanàna izany manao malabary manga hitantsika izany.

Tahaka ny tsy mahazatra tokoa izany mahita soavaly milahatra eny Analakely izany.

Jejojejo ery Ikalakely mandihy! raha mba fantany manko fa mety ho hita manerantany ny sariny?

Tokony ho hitanareo fa sady mandeha aho no manapika sary noho ny asa aman-draharaha tsy maintsy vonjena. Ny sary hafa rehetra dia azonao jerena eto amin'ny fetymozika08. Dia mazotoa mijery ary isika rehetra e!