Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Septambra 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Pitik'afo kely monja dia mirefotra i Madagasikara iray manontolo

2009-09-08 @ 10:55 in Ankapobeny


Tsy misy maharesy ny TGV sy ny mpanohana azy ao amin'ny ankolafy Rajoelina eo raha gidragidra no tadiavina ary voafandrika ny hafa raha miditra amin'izany. Tsy misangisangy velively aho raha manoratra izany. Toa iniana adinoina indray ireo andro nanjombona nandritra ny tolona hamerenana ny ara-dalàna hatramin'izay. Raha nanantena ny fahamaroan'olona be indrindra ny tao amin'ny Magro Ankorondrano Antananarivo tamin'ny 26 jona 2009 dia ny nifanohitra tamin'izany no nitranga. Inona no antony? nanao izay hisian'ny fikorontanana eo amin'ny mpitolona ny FAT tamin'ny nisamborana mpitarika vitsivitsy ary dia nahomby tokoa tamin'izany tetika izany. Koa inona indray no mbola ijabahana amin'izany?

Izaho manokana dia miaro hatramin'ny farany ny fandalàna ny tsy fanaovana herisetra ary manohitra tanteraka ny fandranitana ho amin'ny herisetra. Tetika efa vita lamina ny tamin'ny 26 jona 2009 araka ny efa notantaraiko tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe "Ny tetika famonoana ny tolon'ny ara-dalàna -fizarana faharoa-" nivoaka tamin'ny 5 jolay 2009 lasa teo. Raha fehezina dia hoe mitady izay hisian'ny gidraka hatrany ireo mpanakorontana ahafahana mamono ny tolona. Afenina ao ambadiky ny antsoina hoe "Action" hatrany io fitadiavana gidraka io nefa efa voaomana hatrany paika atao hahavery anjavony ny fenitra rehefa mandeha amin'izay lalana izay. Izaho manokana dia mahamarika andian'olona hatrany isaky ny misedra zava-tsarotra ny mpitolona ao saingy nangina hatrany fandrao lazaina ho miampanga befahatany (ankoatra izay efa nasehoko sary).

Ankehitriny indray dia misovoka any anatin'ny mpanatrika any indray ireo mpampirisika ny "Action" izay herisetra no tena kendreny. Tsarovy fa tsy niomana amin'izany herisetra izany ny maro amin'ny mpitolona, ary hihemotra indray ny tsy tia gidragidra raha miditra amin'izay sehatra izay ny ao amin'ny Magro. Hatramin'izao aloha dia isaorana ny mpitarika tsy nanaiky befahatany ny sosokevitr'ireo olona mahay miresaka ireo nefa tsy ho tonga akory fa matahotra ny ipitihan'ny rà raha sanatria misy tokoa ny tahaka izany. Efa kolontsaina nanabeazana ny mpitolona amin'ny alalan'ny fivavahana hatrany ny fandavana herisetra, noho izany teti-pandravana haingana ny tolona ny fiheverana hanao action, eny fa na dia ny fivoahana ny vavahadin'ny Magro fotsiny ihany aza. Tompon'andraikitra amin'ny rà latsaka sy ny ratra izay miditra amin'izany amin'izao fotoana ary avelao handeha hanao ny azy any ireo mihevitra hitarika ho amin'izany.

Hampitodika ny maro amin'ny zava-nisy tao anatin'ny folo andro izay tsy dia voaresaka loatra aho nefa midika zavatra lehibe amin'izay mety hitranga atsy ho atsy. Tamin'ny faran'ny volana aogositra dia nisy gidragidra mahatsiravina tao amin'ny kianja Malacam Antanimena filalaovana baolina lavalava. Nisy manko ekipa sy mpilalao tsy nahatanty resy ka nitarika ady tao. Tamin'io andro io ihany teny Anosipatrana, nisy saofera fiarakaretsaka voadaroka satria voaendrikendrika ho nitondra baomba... rehefa resaka baomba dia fantatra hoe ankolafy inona no tena notaitairina tamin'izany hisian'ny fankahalana tanteraka tao aminy. Dia tamin'ny faran'ny herinandro teo indray nisy angaredona tany Moramanga nandritra ny fiadiana ho tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny baolina fandaka. Tsy nahatanty resy tsinona ny tompontany ka nanao ankamely, tsy nahazaka intsony ny vahiny dia namaly kanjo dia nivadika ho ady saritaka izany.

Tsotra ny anton'ireo gidragidra isan-karazany ireo, voalohany ny lonilony mipetraka any amin'ny olona any ka eo no anehoany ny sorisoriny. Manomboka amin'ny fandrisihana aloha izy ireo hampibolisatra ny raharaha, ka raha sanatria mibolisatra tokoa dia na mitsoaka avy hatrany na midaroka kely koa aloha dia mandositra avy eo sady mihomehy na mitsiky ihany avy eo... manala azy... manala ny sorisory tsinona! Efa misy rahateo ny mpampirisika saingy tsy hiditra ao akory rehefa avy eo fa faly mahita fikorontanana fotsiny. Tadidiko tsara ny nataon'ny haino aman-jery tamin'ny 28 marsa 2009, fa ny vali-bontana nataon'ny avy eny Ambohijatovo ihany no nasongadiny fa ny nataon'ireo niandohan'ny toraka tsy hitanao akory. Efa ao anaty teti-panorona ihany koa izany fomba fampitam-baovao izany hiampangana ny mpanara-dalàna ho nitarika ny gidragidra. Olona efa nokaramaina ho amin'izany gidragidra izany, sy efa zatra ady tahaka ny nitranga tamin'ny 16 febroary 2009 tamin'ny nanafihana ny toby miaramila 1RM1 Analakely ve no ifaninananao sady efa zatra hetsika mifandraika amin'ny herisetra ao anatin'ny fiainana andavanandro? Ny anao anefa raha vao misy miaramila sahisahy anao dia ny mitomany migogogogo sy mandohalika eo anatrehany no mba vitanao.

Raha misy anefa ny lonilony, tsy any amin'ny fidarohana na famonoana ny olona tsy mitovy hevitra avy aminao velively no vahaolana fa fanampin'olana aza izany. Fa aiza moa amin'izao fotoana izao no ironan'ny maro an'isa kokoa no hitady herisetra, izay antony lehibe indrindra nampihena ny tolon'ny 13 mey tamin'ny tolon'ny laoranjy indray ho harahinao? Averiko indray, tsy haharesy ny ankolafy Andry Rajoelina velively ianareo raha gidragidra no tadiavinareo sady tsy voatery ho ireo metyhifanandrina aminao velively no tompon'andraikitra voalohany amin'ny toe-java-misy ankehitriny. Ninia aho namoaka ity lahatsoratra ity mialoha ny ivoahan'ny FAT faharoa izay mety hiteraka fahasorenana sy fahatezerana hafa eo amin'ny mpamaky. Fa dia saino tsara ho'aho izay tokony hatao fa aza entin'ny fo fotsiny. Enimbolana ve vita ihany ka dia...


jentilisa, talata 8 septembra 2009 mialoha kely ny 11:00 atoandro