Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Oktobra 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Fanomanana ny saina amin ny loko

2009-10-16 @ 04:40 in Ankapobeny

Rehefa hanomana ny sain'ny olona dia amin'ny zavatra tsy tandrina no tena hanaovana azy ireny. Manana taletana amin'io ihany koa ny Malagasy. Ny zavatra tokony ho tsy tandrina no tena iaingan'izy ireny saingy rehefa tsikaritra dia mampisaina izay mahita.


Voalohany, loko manga sy mavo no tena manavaka ny lokon'Antananarivo. Namboarin'ny TGV ho loko laoranjy sy manga antitra kosa izany rehefa avy eo, ka na dia ny zava-bitan'ny teo alohany aza nolokoiny ireo loko roa ireo toy ny tsena, ny fijerem-baolin'i Mahamasina ary foto-drafitr'asa isan-karazany. Fa ity eto ity kosa dia loko manga sy mena arahin'ny fotsy eny an-tsefatsefany eny, loko frantsay sa loko amerikana? ny tsikaritro aloha dia misy toa sarina sainam-pirenena frantsay eo ambany ankavanan'ny sary famantarana an'Antananarivo. Kisendrasendra fotsiny io sa fanomanan-tsaina?


Dia taitra indray ny tena raha vao nisy fiovana kely monja ny sora-pamantarana ny gazety Tia Tanindrazana. Raha loko mena sy maitso no nandokoana ny anaran-gazety nahazatra ahy dia niova ho mena sy manga tampoka teo izany. Lasa ny saina mieritreritra hoe fa tsy ny nampitovitoviana ny loko tamin'ny faneva ve no nanaovana io anaran-gazety io ho loko mena sy maitso? sa lany ny ranomainty maitso? Sa mitsapa ry zareo raha misy mahatsikaritra ny fanovana ataony?

Saingy nampitsiry fanantenana kely ihany kosa ny loko nanaovana ny famantarana ny Best Of Malagasy Blogs tamin'ny loko maitso. Ny loko maitso tokoa no lokon'ny fanantenana. Maniry anao handray anjara hifidy ny bolongana [blaogy] malagasy tianao indrindra ho fampiroboroboana ny fifandraisana sy ny fampitan-kevitra an-tserasera malagasy aho. Marihina fa tsy mandray anjara intsony i Jentilisa satria efa izy no nandrombaka izany tamin'ny fifaninanana farany tamin'ny 2007, no efa ao anatin'ny mpitsara ihany koa izy amin'ity indray mitoraka ity. Ireo rehetra nanohy namoaka lahatsoratra na endrim-pamahanana bolongana hafa [sariitatra, saripika, lahatsary,...] tao anatin'ny enim-bolana farany no anaovanao ny safidinao. Efa nanomboka izany fifidianana izany, ary azoanao jerena ao ny andinindininy momba izany fifaninanana izany.

Fanamarihana 1: Mbola mitohy ihany ny fanoavana laingalainga amin'ny alalan'ny gazety. Efa herinandro izay no nanambara mivantana tamin'ny alalan'ny antso an-tarobia tamin'ny mpanohana azy ny filoha Ravalomanana fa tsy hanatrika ny fihaonana andaminana ny toe-draharaha eto Madagasikara ivelan'i Madagasikara sy Afrika. Efa nandre izany mivantana ny tena tamin'ny alatsinainy. Mahafantatra ny toetrany tsy mba mivadibadi-dela ny olona, nefa toa inian'ity gazety ity adinoina ny fanambarany, ka lazainy fa tamin'ny ora farany vao nisy ny fandavana. Indrisy manko fa ny gazety tahaka itony no eken'ny mpamaky teny kokoa fa tsy ny feo hafa miezaka manambara sy mampita ny zava-misy marina.

Fanamarihana 2: Anisan'ny manintona ny fifantohako ny vaovao mpitranga any amin'ny firenena nisiana fanonganam-panjakana na firenena enti-miaramila. Ity ohatra dia fijoroana vavolombelona nataona miaramila iray [teny malagasy] nandritra ny fandripaham-bahoaka nataon'ny miaramila tany Ginea tamin'ny 28 septambra lasa teo. Toa betsaka ihany, hoy ilay tsy mahay manisa ny fitoviana nisy tany sy teto. Ny hany niavahany dia lasa nandripaka olona ilay mpitondra nidehaka fa nahazo ny fahefana tsy nisy ra latsaka! Enga anie mba tsy hisy izany fandripahana olona izany eto Madagasikara.

jentilisa, 16 oktobra 2009 amin'ny 4: 44 maraina