Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Martsa 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Voaompa nefa tsy mihemotra ny Mpitondra Fivavahana

2010-03-10 @ 22:01 in Finoana

Nivaly sahady mialoha ny famalian'ny Kaominina andrenivohitra Antananarivo ny valinteny avy amin'ny Prefektioran'ny polisin' Antananarivo. Araka ny nolazain'ny iray amin'ny mpitarika ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana dia tokony ho ny ao amin'ny fitantanana an'Antananarivo aloha no mamaly na tsia amin'ny hanekena ny fangatahan'ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana ny kianjan'Ambohijatovo, nefa moa dia tsy vitan'ny hoe nisongona namaly ny hafa ny Prefe fa anao teny an'avona sy maneso ary nihantsy mihitsy aza.


Rehefa nanaraka ny votoatiny novakian'ny mpitandrina iray aho dia misy toy izao: "...ekena tokoa fa ilaina ny fibebahan'ny firenena ary mila vavaka ny firenena, saingy efa misy ny toerana natokana ho amin'izany dia any amin'ny isam-piangonana tsirairay avy, koa tsy ilaina ny fanaovana vavaka ankalamanjana; fa raha mangataka ny hanao akalamanjana ihany ary dia aleo akatona ny fiangonana fa eny ankalamanjana indray no atao ny fiangonana..."  Dia tahatahaka izay no votoatin'ny valinteny nataon'ny Prefe araka ny fihaino azy tamin'ny radio fahazavana.


Mazava ny valintenin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana manoloana izany valinteny izany. Ampirisihana ny rehetra hiakanjo fotsy na hitondra famantarana fotsy ny tontolo andron'ny Alakamisy hiadiana amin'ny tsy fahamarinana fa hitady ny fahamarinana kosa. Hisy ny fotoam-pivavahana maraina manomboka amin'ny fito ora ao amin'ny FJKM Ambatomena izay eo ampitan'ny Consulat General de France io Alakamisy 11 marsa maraina io. Hotontosaina amin'ny Asabotsy 13 marsa fa tsy mbola misy fiovany ny fotoam-pivavahana eny Ambohijatovo... na dia efa mazava aza ny fanakanana avy amin'ny Prefektioran' Antananarivo. Efa ela, hoy ry zareo, ny nandeferana fa ny amin'ny Asabotsy 13 marsa kosa dia hotontosaina. Mazava manko ny fanakanana fa tsy ilaina mihitsy ilay fotoana ka tsy mila tanterahina. Samy hitana ny teniny ve ny roa tonta sa hisy ny hihemotra?


Marihiko fa mandeha dia mandeha mihitsy ny fifanentanana eo amin'ny samy olona hitondra izay mari-pamantarana fotsy izay na dia any amin'ny toerana heverina tsy ankasitrahan'ny mpivavaka loatra aza. Henoko tsara io ka tsy fantatro loatra na mifananihany ry zareo na tena matotra ny resaka satria olondehibe avokoa ireo miresaka ireo.



Jentilisa, 10 marsa 2010, amin'ny 23:10