Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Aprily 2012 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Tapak'elatra?

2012-04-19 @ 01:26 in Ankapobeny

Ity lahatsoratra ity dia mifandrohy sy mifampitohy avy amin'ity lahatsoratra iray hafa ato ity. Efa nosoratako ary fa efa ela no nitadiavako ity hira ity sy ny tonony ahafantarako izay dikany ka hitako ihany na ny hira na ny tonony izay nadikako ho amin'ny teny malagasy azonao ahitsy.

Nohazavaiko fohifohy fa tsy misy fiankinana amin'ny hery ivelan'ny hery sy fahaizan'olombelona no tena votoatiny azo asandratra anatin'ny tononkira ary eto an-tany ihany no paradisa. Raha te-hahita azy marina ianao dia tsindrio ny rohy etsy ambony.

Rehefa nahare aho dia mitodika any amin'ny antony nandraisana ny hira indray aho ho hiram-pitolomana tamin'ny 2009. Inona no tena nandraisana azy? Somary efa nanaitra ny tena ihany ny mahita ny anaran'ny haino aman-jery mpanohana ny filohan'ny FAT (hatramin'izao) saiky manomboka amin'ny V avokoa, tahaka ny hoe Viva, la Verité, inona ny Vaovao... Misy ny sarimihetsika antsoina hoe V tahaka ny Valifaty... izay nalaina avy amin'ny tantaran'i Guy Fawkes, ilay katolika nankahala ny fanjakana protestanta tao Angletera ka naleony miaramilan'i Espaina. Efa nivoaka sarimihetsika izany tantara izany. Fa sarimihetsika ihany koa ny 1492, tantaran'i Colombus nahita an'i Amerika sy fanombohan'ny nahahenika ny Espaniola nanerana ny kaontinanta ary heverina ho tsy ho tafala ao intsony...


Viva teny espaniola, V ahafantarana ilay anglisy (heverina ho protestanta) nanao miaramilan'i Espaina (heverina ho katolika) efa noteneniko anarana etsy ambony ihany. Raha ireo no jerena dia miaina sy mpanaraka sarimihetsika fatratra ny mpanao ny tetipanorona ao amin'ny fitantanana amin'izao fotoana. Raha ny votoatin'ny hira efa volaza etsy ambony toa miankina amin'ny heriny ihany ry zareo, na miankina amin'ny herin'olombelona (hafa) sy ny hery avy amin'ny fisainan'olombelona. Koa raha hifanandrina amin'izao hery sy fahefana izao, hahavita ankoatra ny fandravana ve? Raha ny toy izany ihany, toa tsy kely ny fanantenako fa tonga amin'ny fotoanany indrindra ny tsy fitenenana na inona na inona loatra, ilay tsy fitarainana amin'ny zavatra tsy mety. Eny tsy fotoana iandrasana ny herin'olombelona na ny sainy intsony izao fa aleo ilay mahery noho ny olombelona no hiasa raha misy koa izany. Heveriko fa tsy hah


Dia ahoana moa hoy ny faran'ny hira teo? "Tahaka ny elatry ny fanantenana nahazo sidina" Elatra? nahazo sidina? satria tsy misy olona intsony mahatohitra ny sitrapony dia tahaka ny fambara amiko ihany raha toa ka misy ny olana madinidinika tamin'ilay "Elatra" nefa nahatonga azy ho tsy afa-nisidina tamin'ny fotoana heverina hiaingany. Eny tsy mahateny loatra intsony ny olona fa manara-baovao tsimoramora tahaka ny mahazatra ihany. Sa izay tokoa ilay hoe "Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina"? [Eksodosy 14:14]

 


Taperina ny rediredy fa efa lava izay aloha!

Jentilisa