Vaovao Eto anTOerana.VETO

Oay ity karapanondroko! jereo koa ny anao

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 14:01

Gaga dia gaga aho nahita ny karapanondroko rehefa avy nijery fandaharana iray tamin'ny fahitalavitra aho. Izay nanamboatra kara-panondro folo taona eo ho eo izay dia tratra avokoa. Inona hoy ianao? tsy misy fitomboka ho'aho ny sary amin'ny kara-panondro e! satria manko karatra sarotra alaina tahaka izy ity dia tsy maninona ve raha tsy nasiana fitomboka ny sary? Inona ny manakana ahy tsy hanova ny sarin'ny olona eo raha te-hanao hosoka aho? saingy tsy hanao izany aho aloha noho ny fitandroako ny fahamarinana.

Izao aho manontany anao: Jereo koa hoe ny kara-panondronao? Tsy voalazan'ny lalàna hono hoe tsy maintsy asiana fitomboka io. Dia lasa ny saiko manao hoe lalàna dia mamporisika hosoka koa izany lalàna malagasy izany. Ovay avy hatrany fa mampidi-doza... Etsy ankilan'izany dia nampanaovina sonia fanindroany hatrany aho rehefa maka vola any amin'ny banky kahoy aho hoe sao tsy matoky ny kara-panondro intsony koa ary ity banky misy ahy ity?


Fetin'ny reny malaza noho ny pentekositra

Finoana — Nampidirin'i jentilisa @ 00:54

Tsy misy izay tsy niaiky fa nitohana tokoa ny fifamoivoizana nandritra iny herinandro nivalona iny teto Antananarivo. Feno olona nifamoivoy ihany koa ny tsena sy ny sisindalana indrindra fa ny tany afovoan-tanàna. Manamarika izany amin'ny ankapobeny fa manomana zavatra any an-tokatranony tsirairay any ny olona na dia mikaikaika noho ny fahasahiranana aza. Raha atao aza ny fampitahana dia io araka ny lohateny nolazaiko io fa nalaza noho ny pentekositra ny fetin'ny reny tamin'ity indray mitoraka ity, marihina anefa fa fetim-pivavahana ny iray amin'izany fety izany ary fety nateraky ny fiaraha-monina ara-barotra kosa ny iray.

 


Be dia be ary ny marika ahatsinjovana fa resin'ny fetin'ny reny ny pentekositra. Voalohany amin'izany raha jerena ao am-piangonana mihitsy. Vitsy kokoa noho ny tamin'ny pentekositra aloha ny olona tonga tamin'ny fetin'ny reny ka ny tena antony nahatonga izany dia noho ny fahavitsian'ny reny nankany araka ny fijeriko azy. Maromaro tamin'izy ireo ihany manko no nikarakara ny tao an-trano toy izay nandeha nankany am-piangonana. Izany hoe zavadehibe kokoa ilay nijanonana an-trano noho ny nandehanana am-piangonana. Marihiko etoana aloha fa ny tany amin'ny fiangonana protestanta no tena hitako fa tsy fantatro kosa ny tany amin'ny fiangonana katolika.

 


Faharoa manarakaraka izany, mbola ao am-piangonana ihany, efa zary fanao ny miarahaba ny reny ka ny lohalaharana amin'izany dia "ramatoa" (fiantso ny vadin'ny pastora ho an'izay mbola tsy mahalala). Omena fotoana ao anaty fandaharam-piangonana mihitsy izany fotoana natokana ho an'ny reny izany sy ny fanolorana fanomezana ho azy. Anjaranao indray ny maminavina hoe manana anjara fotoana any an-tokatrano ve ny fitarihan'ny Fanahy Masina tsarovana manokana ny fidinany tamin'ny Apostoly sy ny mpanaraka azy nandritra izany pentekositra izany?

 


Fahatelo, ny fikarakarana azy, maro kokoa ny karazan'olona mikarakara ny fetin'ny reny noho ny pentekositra indrindra fa ny fametrahana azy ho laharam-pahamehana na ny lanjany no tombanana. "Hafa ihany i Mama" hoy ny hira malagasy malaza, misiki-ponitra avokoa ny rehetra, eny fa na dia i Neny aza amin'ny fanomanana atao. Na hendry manko na maditra ny zanany, miahy ny naloaky ny kibony hatrany ilay nifonosany amin'ny ankapobeny.

 


Mbola azo atao ny manohy ny resaka, ankoatra ny fahitana fa ny alatsinain'ny fety Paska na Pentekositra aza no malaza kokoa noho ilay fetim-pivavahana, saingy sao dia mivoaka amin'ny lohahevitra banjiniko aho. Na izany aza mampanontany tena ihany hoe efa mihamitotongana ve ny fivavahana kristiana eto madagasikara raha jerena amin'izao lafy izao?


Fika ho an'ny mpanjifa moov

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 18:31

Tamin'ny fanendrena ny DGn'ny Moov ho lasa DGn'ny Telma no nahitako fa mihoatra ny 500 000 ankehitriny ny mpanjifan'ny Moov. Raha nahita ny tarehimarika aho dia lasa tany amin'ny olan'ny orange tany alohaloha tany ny saiko. Raha nahatratra ny 1 000 000 araka ny nolazainy manko ny mpanjifa tamin'izany fotoana izany dia sarotra tokoa vao nahazo izay nantsoina ny olona iray. Matetika aza moa dia lasa toy ny messagerie vocale hatrany ny antso tamin'izany fotoana.

 

Ankehitriny dia mitovy amin'izany ny manjò ny mpanjifa moov izay misy ahy amin'izao fotoana. Marihina fa tsy ilay plug & surf 3G+ no ampiasaiko fa amin'ny alalan'ny antso an-tariby(telma) ihany. Nandritra ny ora telo farany niseranako manko dia  tsy tafiditra na tsy nahazo izay takelaka nozahako mihitsy aho ankoatra ny takelaka fandraisana nataoko google ny 53 miniotra amin'ireo raha atambatra. Ankoatra ny mahalafo azy kokoa noho ny any amin'ny cybercafé izany dia mbola hasosorana no azo amin'ny atsasaky ny niseranako (tsy ho ampahatelon'ny niseranako kosa aloha fa mihoatra e!). Heveriko ho fatiantoka lehibe ho ahy manko ny tsy mahazo fahafaham-po akory amin'ny fandaniana tsy fanaon'ny sarambambem-bahoaka loatra. Ny mankeny amin'ny cybercafé tsinona no fanaon'ny maro fa noho ny itiavako azy miserana amin'ny alina no nampidirako azy an-trano.

 

Na izany aza dia misy fika ataoko hampihenako ny fahasosorako, fa tsy hoe ahafahako miserana ampisosasosana na tsy mandoa vola tsy akory. Azo fantarina ihany manko amin'ny alalan'ny telefôna ny mahalala na mety ny miserana amin'io fotoana io na tsia; raha mety dia manararaotra eo amin'ny telo minitra eo aloha fa raha tsia dia aleo miala avy hatrany (mi-deconnecter).  Rehefa vita ny solon'anarana sy ny tenimiafina dia mitady fidirana aterineto ny telefôna.Amin'iny izy mikaroka fifandraisana iny dia mandefa chrono io telefona io. Faharetam-potoana hitanao tsara eo amin'ny efijerin'ny telefôna (ecran) io. Amin'iny izy mivadika ora iny raha toa ka latsaky ny roa segondra dia mipetaka amin'ny amin'ny efijerin'ny solosaina kosa fa ilay soratra hoe 'moov est maintenant connecté' dia araraoty ny andro hitsidihanao izay tiana jerena rehetra.

 

Raha azo atao ary dia tsy mamaky izay tianao vakiana aloha fa isaky ny voasoratra ny 'done' na 'terminé' dia mamadika pejy indray ianao. Toy izany ihany koa amin'ny mailaka (yahoo ohatra) fa tsy akatonao fotsiny izy amin'ny farany fandrao tsy mety. Rehefa hitanao fa manomboka mihisatra ny fiseranana na afa-po amin'izay takelaka rehetra tianao jerena ianao dia mi-déconnecte amin'ny aterineto (moov) avy hatrany aorian'ny fanindrian'ny X menamena ery ambony somary ankavia iny. Raha efa izay dia ny bokotra mialoha (precedent) hatrany no tsindrianao hamakiana azy tsikelikely sy ampilaminana satria tsy manenjika fotoana intsony ianao. Raha tsy izany kosa dia mionòna mionòna amin'ny manaraka indray. Na dia hoe eo ampigadonan'ny faharoa segondra monja aza ny fivoahan'ilay soratra hoe 'moov est maintenant connecté' dia efa sarotra ny raharaha.Fa rehefa miala tsy maintsy mi-deconnecte fa tsy hoe mijanona eo tsy akory. Amin'izao fotoana izao dia tsy misy intsony ny fotoana fanararaotra manokana iseranana izany fa efa nifohazako ny tamin'ny telo maraina, dimy maraina na misasakalina fa tsapa mihitsy ny fahabetsahan'ny olona miserana noho ny fihisaran'ny connexion. Raha mahita fika hafa ianareo dia ilazao ihany aho fa izaho aloha mizara izay niainako nampihena ny fahasosorako. Marihina fa na saiky hividy ilay 3G+ aza aho dia misalasala hatrany amin'izay mety ho fisosa na fihisatry ny fiseranana.

 


Dimanjato ariary: Fa inona ny olana?

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 17:23

Loharanombaovao iray no nandrenesana fa telo volana izay ny Banky Foiben'i Madagasikara no tsy namoaka vola dimanjato ariary intsony. Na dia hoe faraparany aza voa nampiasaina izy dia hita ihany ny ilaàna azy amin'ny fifanakalozana sy ny varotra. Ao amin'ny fiangonana falehako matetika dia misy olona mpanolotena manakalo vola ratsy avy amin'ny olona soloina vaovao hahatsara endrika ny vola atao rakitra angaha fa tsy nahita dimanjato ariary teo ihany koa aho. Lasa ho azy ny saina eo anatrehan'io toe-javatra io. Izany hoe azo heverina fa ho ratsy endrika avokoa ny ravimbola dimanjato ariary afaka kelikely monja noho ny tsy fahaizan-dRamalagasy mikojakoja vola.

 

Ny ahiahy dia miantefa tamin'ny nanovana ny franc ho ariary. Mody narona tany amin'ny hoe anaram-bola malagasy ny sain'ny olona, hay izy ity hihena be dia be ny sandam-bola.Ilay sanda tamin'ny franc taloha iny no toy ny soloina ariary fotsiny eny amin'ny farany dia mitovy anie izany e! Izao indray manahy aho fandrao mampiakatra ankolaka ny vidin-javatra ity toe-javatra ity. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ny jirama sisa no mampiasa na manaiky ny ariary sy ariary roa ary ny ariary dimy fa ny ankamaroan'ny mpivaotra enta-madinika saiky mandà azy avokoa. Mbola miasa soa amna-tsara anefa izy ireny.


Ambohijatovo: Labozia ho an'ny matin'ny sida

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 18:21

Notontosaina teny amin'ny zaridainan'Ambohijatovo ny androm-pahatsiarovana ireo matin'ny sida rehetra. Araka ny fahalalàna dia sambany vao notsarovana teto Madagasikara ity vaninandro ity. Araka ny resaka dia tamin'ny enina hariva teo no nandrehetana labozia hanehoana izany fahatsiarovana izany.

Nandritra io fotoana io koa no nisehoan'Atoa Firinga Johnson sehatra voalohany hijoroany vavolombelona fa misy tokoa ny malagasy mitondra ny tsimokaretina VIH. Nisy fampisehoana moa nandritra io fotoana io. Nozaraina ihany koa ny labozia narehitra (fa saiky hitazandavitra ny maro amin'ny malagasy ary efa fanaony rahateo izany).

Ny somary nahatsikaiky raha nisy ny fananganantanana ka tonga teo amin'ny hoe hifandray tsy misy tahotra amin'i Johnson fa nisy nampidina tanàna teny an-tsehatra aloha ary dia maro koa ny olona nanatrika no nampidina ny tanany. Ny nahatsikaiky ahy faharoa dia nisy fitenenana tsy sazoka na diso toerana angaha hoe aza ailikilika i Johnson fa sao very irery ihany. Ampiantsika izy...(izany hoe hiara-very aminy isika?). Vazivazy iny aloha an!


«Mialoha   1 2 3 ... 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 ... 55 56 57  Manaraka»

Powered by LifeType