Resy 3 noho 0 tany Maputo indray ny Barea e
Ho anareo mpankafy baolina fandaka ary mitady vaovao momba ny valin'ny lalao tany Mozambika dia resy telo noho ny aotra tany Maputo ny ekipam-pirenena malagasy. Tsy hiresaka zavatra betsaka intsony aho fa endriky ny fahaizan'ny Malagasy ihany izany tsy mahafaty baolina izany mihitsy e! Moa tsy efa nolazaiko moa?
Amin'ny fifidianana federasiona indray mifankahita angamba!
Fety...fety...fety...soa fa teo boay kely (TGV)
Vao nanomboka ny ampahaefatry ny famaranana dia efa nitaintaina ny mpankafy baolina fandaka rehetra teto Madagasikara hoe hahita ve? handefa ve ny afnex hampitan'ny tvm ny lalao antenain'ny maro ho hita dia ny Paoritigey sy ny Rainiboto. Nifanontany ny rehetra, ahoana izy ity? Nanana namana mpanentana tao amin'ny TVM dia nanontany tany, samy miandry isika fa na izahay aza tena tsy mahalala mihitsy. Toa manam-panantenana daholo ihany ny rehetra. Tsy ao anatin'ny fampitana mivantana halefan'ny afnex tsinona nefa...
Fantatra fa misy fampitana mivantana ny lalao ihany ery amin'ny foibe ara-kolontsaina frantsay malagasy ery Andavamamba saingy saropady ny lalana mankeny. Re ny maraina ihany koa fa handefa mivantana ny lalao amin'ny efijery midadasika ery amin'ny tany malalaka (esplanade) Analakely ny Kaominina miaraka amin'ny telma, ary tafiditra ho mpiara-miasa amin'ny fety ihany koa ny radio madagasikara sy ny tvm (amin'ny dokambarotra mameno ny takelaky ny gazety no ahitana izany). Hiara-miasa mandritra ny telo taona manko ny telma sy ny kaominina Antananarivo renivohitra. Nitady namana hiara-mijery fa milaza kamo na reraka daholo...tsy misy namana hiara-mijery koa iza koa no ho jihitry ny hatsiaka irery any?
Tao an-trano, ora fanombohan'ny lalao, navadika tvm ny fahitalavitra sao handeha ihany ny baolina. Famerenana ny fandaharana hebdomas no hita... kivy dia navadika tany amin'ny mbs hijerena ilay fandaharana manokana Isiraely ny Palestina enimpolo taona nifanao herisetra. Kelikely teo niantso ahy razandry, jereo hoe fa toa mandeha tvm hoe ilay baolina. Haingana dia haingana ny namadihako azy, io tokoa eny...oadray...toa niova tampoka ny tontolo hahita baolina. Baolina alefan'ny TF1 no notakonana TVM no hita, fa nanafika indrindra ny rainiboto tamin'io fotoana io ary nahatafiditra ny baolina voalohany.
Lasa ny eritreritra, naninona no nandefa ity baolina ity indray ny TVM? inona ny fifanarahana? lalampoza sa fifanarahana any ambony be tany? Ny ao an-tsain'ny rehetra dia hoe nandefa mivantanany lalao ho hitan'ny be sy ny maro i Andry Rajoelina dia tsy manaiky ho gisitra amin'izany ny eo amin'ny fitondrana ka handefa ny ambin'ny lalao rehetra. Asa hanao ahoana re ny any amin'ny firenen-kafa any? Na inona na inona dia izay ny ao an-tsain'ny rehetra: Soa fa teo i Boay kely!
Vovonana UA 2009: Vita sahady ny toeram-pivoriana faratampony eny Ivato
Fantatsika fa handray ny fivoriana faratampon'ny Firaisambe Afrikana i Madagasikara amin'ny taona 2009 ho avy io. Efa niahiahy ihany ny be sy ny maro hoe ho vita ara-potoana avokoa ve ny fotodrafitrasa handraisana izany Vovonana izany, sao dia zara fa vita ara-potoana toy ny tamin'ny lalaon'ny Nosy tamin'ny herintaona indray. Etsy ankilan'izany te-hifanala hazakazaka amin'ny TGV koa ve ny filoham-pirenena sa hanome toky ny rehetra fa vitantsika ny mandray io fivoriana io. Mety ho nahatezitra ny filoha Ravalomanana mihitsy koa angamba ilay teny hoe sao dia tokony ahemotra na foanana io fivoriana io ka porofoiny fa azo vitaina mialoha tsara ny fotoana ny zava-drehetra. Indro ary fa notokanana androany maraina ilay toeram-pandraisana ny fivoriana midadasika dia midadasika eny Ivato. Ny filoham-pirenena mihitsy no tonga nitokana izany trano lehibe manana ny anarana amin'ny teny ofisialin'ny Repobilikan'i Madagasikara hoe CENTRE DE CONFERENCES INTERNATIONALES DE MADAGASCAR ary ialana tsiny raha misy diso tsipelina noho ny tsy fifehezako tsara io teny ofisialy iray io.
Ankoatra ity trano lehibe fandraisana ny fivoriana notokanana androany 19 jona 2008 ity moa dia efa andalam-pamitana azy ihany koa ilay trano fandraisam-bahiny raitra dia raitra manana ny laharana kintana dimy eo akaiky eo ary haorina ihany koa ny villa s miisa 49 handraisana ny filoham-pirenena sy filoham-panjakana hanatrika izany fivoriana faratampony izany. Manome toky ny Shinoa fa ho vita ara-potoana avokoa ireo fotodrafitrasa rehetra ireo. Na ahoana tokoa na ahoana dia nahavita nanangana fotodrafitrasa maro ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny mandritra ny fotoana itondrany sady efa mahafinaritra sahady ny mijery indray ny lapan'i Manjakamiadana tarafin-jiro amin'ny alina tahaka ireny hoe efa vita sahady ireny koa ilay izy. Na dia azo sokajiana ho tery eo amin'ny fahalalaham-pitenenana sy fanehoan-kevitra aza izao fotoana itondrany izao ary mampitsangana vondrona mpandraharaha hanohitra fihoaram-pahefana ny fisamborana ny vadin'i Jeannot Le Quartz dia efa nahapetraka zavatra holovain'ny taranaka izy.
Barea Madagasikara: Izay tsy itovizako hevitra amin'ny rehetra
Raha miteny hoe rehetra aho eto dia izay naneho hevitra ka reko na natrehiko mivantana ny nilazany azy. Matoa koa manoratra dia hilaza izay tsy fitovian-kevitra izay. Angamba izaho no tsy maharaka ny resaka baolina mihitsy na andeha mody atao hoe manivaka koa angamba aho ka izay no tsy itovizako amin'ny mpitia baolina fandaka hafa eto an-toerana (Madagasikara).
Na izany na tsy izany dia misy ny ankasitrahana tamin'izay mety tsy ho tsikaritry ny besinimaro. Masiaka dia masiaka manko aho amin'ny resaka toerana ho an'ny mpijery. Ny hitako tamin'ny fahitalavitra aloha dia feno ara-dalàna ny fijerem-baolina. Tsy misy olona mijorojoro intsony eny amin'ny lalantsara, fahazarana iray mba voailika aloha izay tamin'iny indray mitoraka iny ary irariana ny hitohizan'izany fanatsarana izany. Ny faharoa dia tsy misy midongy mipetraka intsony koa eny amin'ny tohatra izay nolokoina fotsy ho hitan'ny mpanaramaso. Dingana efa tsara izany ho amin'ny fampivoarana ny fanajana ny mpijery sy fifanajana ihany koa. Ny tery ambony tery no tsy hitako loatra hoe mbola misy mijoro ve sa tsia? Efa tsy nahitana tongotra miraviravy koa moa izany ny gradin. Iny aloha efa matetika sorohina foana hatramin'izay afa-tsy raha tena hipoka ny kianja.
Ankoatra izay kosa dia nampalahelo tokoa izany fanimbana nataon'ny mpilalao Mozambikana tao amin'ny toerana fisoloana akanjo tao Mahamasina, ny seringue hita tao ihany koa ary ny fanimbana nataony tany amin'ny trano fandraisam-bahiny nivahiniany. Hita tokoa fa entina hanindriana mialoha ny fihavian'ny Malagasy any aminy ny zavatra ataony. Mampalahelo fotsiny dia hoe fa naninona azy ny Malagasy no ny fananan'ny Malagasy no potehiny nefa Afrikana Tatsimo (mpitsara) no nampalahelo azy tamin'ny fitsarana?
Ny hevitra iray lehibe tsy iraisako hevitra amin'ny maro indray dia ny nanakianana ny mpanazatra tamin'ny safidy hilalao tamin'ny alahady lasa teo. Nolazaina ary fa maro ireo mpilalao no tsy napetraka tamin'ny toerana mahazatra azy. Tsy tokony hoterena ho "polyvalent" ny mpilalao fa aiza kosa sanatrian'izany ny mpiandry tokonana no ho lasa mpanafika sns... Dia hoy aho hoe tena taraiky be koa izany fijerem-baolina malagasy izany. Izany hoe tsy mahay afa-tsy ny mandaka amin'ny tongotra ilany ve izany ireo nofantenana ho amin'ny ekipam-pirenena ireo? Eto izany no tena ahitana ny mahatratra aoriana antsika Malagasy hoy aho. Ny tena mpilalao tsy mifidy toerana ametrahana azy izany fa hainy avokoa io na dia misy aza ny toerana tena manavanana azy tokoa. Raha any amin'ny ilany havanana hatrany no misy anao dia mora ambenana any amin'ny havanana ianao izany fa ilaina ihany ange indraindray ny mivadika any amin'ny ilany havia mba hahafanina izay mpifanandrina miambina anao e!
Manakory moa ny tombony lehibe azon'ny mpilalao iray any amin'ny fiarovana ankavia manafika hatrany amin'ny ilany havanana ohatra? moa tsy very avy hatrany ireo izay mpieritreritra hoe izaho indray dia aty ankavanana foana nefa ho tratran'ny be noho ny vitsy raha misy ny fanafihana ataon'ny mpifanandrina amin'ny tena amin'izay lafiny izay? Inona moa indraindray no ahitana ny mampahay an'i Voavy Paulin? moa di ny fivadihana elatra indraindray eny? Ilaina mandrakariva araka ny fiheverako ny mampiomana ny mpilalao rehetra amin'ny toerana rehetra fa tsy toerana iray monja. Nivandravandra anie tamin'ny alahady fa tsy nisy nilana azy mihitsy ny afovoany (demi) rehetra. Ireo anefa no itarafana ny sady fahaiza-manafika no fahaiza-miaro... izany hoe ireo ve no itarafana fa asa tokana ihany no tadiavin'ny mpilalao malagasy? Tsy ny lohalaharana ihany no ilaina hamono baolina fa ny mpilalao rehetra eny fa na dia ny mpiandry ny tokonana (mpiandry tsatoby re!) aza. Sa tsy mbola tadidin'ny maro fa ny mpiandry tsatokazo hatrany no naharesy ny club M tamin'ny fotoana nifanandrina tamin'ny Ezipta rehefa natao ny tirs au buts?
Na dia havanana kokoa aza ny mpilalao tsirairay...ilaina hatrany ny mianatra mandaka sy mitifitra amin'ny tongotra havia... eny fa na dia handreraka aza izany. Ny mpilalao miezaka amin'izay no tena tadiavin'ny mpanazatra araka ny fiheverako azy. Misy koa anie ny lalao miverina hatehina ka mba paikan'ny mpanazatra ihany koa ny soamry mamitaka ny mpifanandrina amin'ny tena izay tsy tena mahalala ny ny mpilalaon'ny tena e! raha ekipa malaza isika ary fantatra any ivelany tsara avokoa ny mpilalaontsika dia mety ho hadalana izay fitaka izay saingy... iza amin'ny mpiondana baolina fandaka no tsy mahalala fa mpanafika ny toeran'i Essien nefa naninona izy no lasa tany amin'ny fiarovana rehefa tratran'ny karatra mena ny kapiteniny tamin'ny CAN 2008 iny? Fahadisoan'ny mpanazatra ve izay sa fanapahan-kevitry ny kapiteny vaovao sa... fanamarihana fa tena mpilalao goavana tokoa i Essien? Ambava homana, (ny maso mamaky) ampo mieritreritra, tompoko.
