Momba ahy
jentilisa

Malagasy mipetraka eto Antananarivo Madagasikara. Roboka tanteraka amin'ity aterineto sy serasera ity. Tia mamoaka vaovao sy hevitra momba ny zavamisy eto Madagasikara. Tia ary tsy leo miresaka politika.

search
calendar
« Martsa 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Bibiolona

2010-03-03 @ 07:41 in Ankapobeny

Trangam-piaraha-monina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao indray no ambara etoana. Malaza indray izao resaka bibiolona izao amin'ny faritra sasany. Roa ny toerana ankalazana azy ity fatratra dia eny Ankatso sy eny Andoharanofotsy. Fifanandrifian-javatra mampihomehy ihany rehefa dinihana.


Tamin'ny andron'ny Fanjanahantany dia nalaza dia nalaza izao mpaka ra na mpaka fo izao. Tsy niezaka ny nandiso izany sahoan-dresaka izany ny Mpanjanaka na dia mety ho henony aza io. Tsotra ny antony, mety ho ry zareo mihitsy no nihavian'ny sahoan-dresaka mba hampilamina sy hampipetraka tsara ny olona feheziny. Ny hamory ny olona tsy maintsy hipetraka an-tanàna lehibebe aza natao mba tsy hisy ny olona hitoka-monina... izany hoe tsy hisy ny olona sarotra arahi-maso... koa ny famehezana ara-psikolojika tahaka itony indray no avelavela fahatany? Inona moa ny vokany amin'ny olona? Tahotra! rehefa manjaka ny tahotra dia tsy hisy hivoaboaka any amin'ny maizina any... vita ho azy ny "tsy fahazoana mivoaka sy mivezivezy amin'ny alina". Koa tsy atao ho mahagaga raha niara-nanjavona tamin'ny fanjanahantany ny resaka mpaka ra sy maka fo avy eo. Ny lafitsaran'ilay zavatra dia nilamina tokoa amin'ny ankapbeny ny tanàna satria manana tahotra mbamin'izay mety ho mpangalatra tsinona.


Tsy naheno momba tsahotsahon-javatra tahaka izany loatra intsony aho taty aoriana afa-tsy nyhoe misy sarety mandehandeha izao amin'ny alina nefa tsy hita ilay sarety sy ny karazany. Fa nisy fotoana nanana ny lazany ny boky tantara an-tsary ka anisan'izany ny "Koditra". Ny tena nalaza indrindra tamin'ny boky "koditra" dia ny tantaran'ilay bibiolona nantsoina hoe "Bobel". Rehefa nanakaiky ny fandrodanana voalohany ny Amiraly, ka anisan'ny nanao andrimasom-pokonolona ny tena (sady tanora mavitrika ihany koa moa) dia nalaza fatratra ny resaka valamaty, ka tao indrindra ny filazana fa misy bibiolona ao amin'ny Lapan'Iavoloha ao. Ny hafatra ambadika dia hoe izay mahasahisahy manafika aty dia i Bobel no hitsena anareo sady mihinan-dra (vampire!) sy mihinan'olona mihitsy izy. Vokany : Angaha nisy nahasahy nanafika izany Iavoloha izany ankoatra ilay diaben'ny fahafahana natao ny 10 aogositra 1991 satria vahoaka be kosa ve! Rehefa niala tao Ratsiraka dia tsy hita niaraka taminy ihany koa i Bobel na nandositra mialoha fa tsy tiana nentina tany Andafy!

Nandritra ny fanonganana an-d Ravalomanana indray dia fantatra fa tsy misy bibiolona tao Iavoloha ary tsy misy bibiolona ihany koa ao Ambohitsorohitra dia sahy notafihina avy hatrany. Koa satria moa tsy nampiasa ny tetika fampiasan'ny mpitondra teo aloha mamoron-dainga hampatahotra ny lapa na ny toerana iray ny filoha Ravalomanana tamin'ny fotoana nitondrany dia nodradradradraina indray fa mivavaka amin'ny osy io rangahy io. Nojerena amin'izay fa feno sary sokitra ondrilahy sy osy vita tamin'ny biriky tanimanga tany antokotanin-dapa ary dia noadinoina tao an-dapa koa ny osikely volamena na ankoso-bolamena izay mety ho lafolafo ihany ny vidiny... efa ela tsy nipetrahana intsony anefa io lapa io tamin'izany fotoana izany. Saingy izao no tena izy: Tsy sahy notafihin ny lapa tamin'ny andron-d Ratsiraka satria nanana fitaovam-piadiana mankoana sy bala manokana ny vondro-tafika mpiaro ny filoha ary nisy aza ny nahasahy niteny fa raha nifanandrina ny samy miaramila dia ny miaramila hafa no lany bala mialoha ny miaramilan'ny mpiandry lapa. Sahy notafihina kosa ny lapa tamin'ny andron-d Ravalomanana satria tsy nanana vondro-tafika manokana ny mpiambinia ny filoha ary tsy ary fiadiana mihoatra noho ny hafa ny mpiambina ny filoha. Any amin'ny hafa kokoa noho izany ny hery.


Mandia ny taona 2010 indray isika dia indro fa nitsangana tamin'ny maty i Bobel. Toa mandehandeha ao Ankatso sy any Andoharanofotsy any ho any izy ity na izy ireo. Misotro ran'alika sy ran-saka ary ram-biby hafa izy ity ka tsy fantatra na ankafiziny na tsia ny ran'olombelona fa aleo mailo ihany. Vokany, tsy misy loatra ny mahasahy mandehandeha amin'ny alina any amin'ireo faritra ireo. Mifampiambina ihany koa ny mpianatra nefa tsy hahasahy hivoaka ny faritr amisy azy fandrao voampanga ho bibiolona eo. Dia tsy misy noho izany ny fivoriana mety hisy amin'ny alina hanomanana grevy any Ankatso. Dia mety hilamina ny tanàna ka handry fehizay ny mpitondra. Eny Andoharanofotsy indray moa misy miaramila somary madiditra eny, mpiambina ny mpikambana FAT iray malaza amin'izao fotoana izao, raha ny lazany amin'ny gazety no itarafana azy ka hisorohana izay mety ho fitsikilovana izay mitranga any dia nasiana porofo ny fahaveloman'i Bobel indray. Dia amin'izay fotoana izay ihany koa dia tsy hisy ny hahasahy hanafitafika eny.


Dia lasa ny saina mieritreritra izany rehetra izany: mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo ve dia mety hojonoin'i Bobel tahaka izany? Ka ny tena fatratra koa dia gazety ihany no teny minia manaparitaka azy ity, dia ny gazety noheverina ho mpitaiza sy hanazava amin'ny olona fa tsy natao hampitahotra ny mpinomino foana. Sady ny mahahenjana azy ity dia tsy mety ho hita maso mihitsy i Bobel fa ny "asany" ihany no manaporofo ny fisiany. Na izany na tsy izany ny Bobel efa hitako aloha dia manana tanana ho fitaovam-pamonoana tsy azo ivalozana antsoina amin'ny teny Rosiana hoe Kalachnikov ho an'izay nianatra teny Rosiana. Ary ny vavany tsy mitsahatra ny miteny lainga mandrakariva na dia mivovò mandrakariva amin'ny teny Alemana hoe :"Wow! Wow! wow!" aza ka raha gasiana dia mody asiana -ka na -tra na -na, rehefa nampitahaina ny fanatsaram-peo dia ny -ka no mety amin'ny indrindra ka saiky notononina hoe wowka. Tsy mety amin'ny teny malagasy moa ny w koa ny teny mety amin'ny indrindra dia hoe "Vahoaka".


Angano! angano! à rire à rire! tsy izaho no mpandainga fa ny gazety malagasy ihany no tena mankalaza hoe velona i Bobel ka mitandrema sao mifanena aminy.



Jentilisa, 03 marsa 2010 amin'ny 00:45
 

Tsy matahotra sazy marina moa koa!

2010-02-28 @ 20:06 in Spaoro

Nisy ny namana nalahelo mihitsy fa lasa tsy niresaka baolina fandaka intsony ny tena, rehefa nisy ity krizy mbola haharitra an-taonany ity (miala tsiny aho raha mahatezitra anao fa moa tsy mizotra ho amin'izany moa isika izao?). Mpankafy io taranja iray io ny tena ary vitsy (raha tsy hoe izaho irery) ny malagasy mamaham-bolongana resaka baolina fandaka izany nialoha ny taona 2009. Tsorina kosa aloha fa tena tsy any mihitsy ny saina amin'izao fotoana izao, ary zavatra hafa mihitsy koa moa no laharam-pahamehana androany izay. Saingy mba hiserana kely aho amin'ity indray mitoraka ity.


Raha hilaza aho hoe hiserana kely dia aleo mitsotra dieny ety amboalohany fa tsy nijery baolina aho... na dia nisinisy ihany aza ny dokambarotra sy ny fanentanana, ary mety ho eo ihany koa ny fanantenana amin'ireo mpitia fanatanjahantena hoe raha niova ny mpitondra dia hiova ihany koa ny filalaon'ny ekipa malagasy ka handresy ho tafakatra dingana avoavo vao mety ho raraka. Ho diso fanantenana avy hatrany aloha raha izay no ao an-tsaina fa tokony hoe hanala azy amin'ny antonony (am-pahamendrehana) na hiala voly ao anatin'ity fiainana gidragidra ity. Betsabetsaka ny olona nanatrika ireo lalao famerenana dingana savaranonando eo amin'ny sehatra afrikana (izany hoe tsy dingana voalohany akory) teny amin'ny kianjan'i Mahamasina fa tsy anisany aloha ny mpanoratra. Fa matoa nanoratra dia noho ny savorovoro teny amin'ny kianjan'i Mahamasina nandritra ny lalao ny alahady 28 febroary 2010.


Ny resaka eto izany dia miainga avy amin'ny hita na nasehon'ny MaTV nandritra ny vaovaom-panatanjahantena. Nanantena fandresena ny mpijery kanjo ny vahiny indray no nahatafiditra ny baolina voalohany, 8 mn monja taorian'ny fanombohan'ny lalao tamin'ny alalan'ny daka anjoro izay lesoka lehibe ho an'ny Malagasy mandrakariva. Niakatra ny maripana teo amin'ny mpijery ka nampisy gidragidra madinidinika teo amin'ny mpijery vitsivitsy sy ny mpitandro ny filaminana teny amin'ny gradins. Rehefa resy moa amin'ny ankapobeny ny olona tsy mety miaiky fa misy tsy fahaizan'ny mpilalaony na hoe misy lesoka avy aminy fa ailiny amin'ny hafa mandrakariva ny fahadisoana. Dia hitan'ny mpijery tamin'ity mpitsara anjorony Sheisheloà (izany hoe avy amina firenena mpikambana aoamin'ny SADC raha tsy diso aho) izany rihitra izany. Io no nitoratorahan'ny mpijery tavoahangy ka nampiatoana ny lalao mihitsy aloha ka nidiran'ny mpilalao roa tonta tany amin'ny efitra fisoloana akanjo. Ny nampihomehy dia niala teo amin'ny "rihana" voalohany avokoa ny mpijery fa niakatra teny amin'ny "rihana" faharoa. Miala ilay toraka tavoahany io. Rehefa misy ny toraka tavoahangy tahaka ireny raha etsy Mahamasina dia misy amany izay ao anatiny.


Rehefa tonitony vetivety ny mpijery dia niverina teny ambony kianja indray ny ekipa roa tonta sy ny mpitsara. Vao nitsoka ny kiririoka fanombohana indray ny mpitsara dia velona indray ny toraka tavoahangy andiany faharoa. Manala ny fony eo ny mpijery raha ny fieritreretana izany satria resy daholo na hoe raraka daholo izany ny solontena anankiroan'ny Malagasy eo amin'ny sehatra Afrikana. Niato atsasak'adiny mihitsy indray aloha ny lalao vao novitaina hatramin'ny farany. Mazava loatra fa efa maro ny mpijery no nody teo anelanelan'izany fotoana izany. Nifarana tamin'ny isa iray noho ny telo izay faharesen'ny tompontany moa ny lalao. Koa aiza indray no tiako ahatongavana sy nahatonga ny lohateny?


Voalohany: tsy hoe eto amintsika ny lalao no atao ka hoe manana ny fiandrianam-pirenentsika isika sady masi-mandidy eto amin'ny tanintsika. Tsia, rehefa lalàna iraisam-pirenena dia lalàna iraisam-pirenena. Io lalàna iraisam-pirenena io no hajaina rehefa iraisam-pirenena ny lalao. Rehefa resy angaha na tsy mbola tonga amin'ny fetra aza ny lalao dia hoe ravao any io? Lalàna na fifanarahana mitoetra eo amin'ny mpifidy ny ny nofidiana ny fe-potoana voasoratra. Tsy hoe tsy tianao ny nataon'ny mpitondra dia avy koa ianao hoe ravao any io na hoe ataovy izay haharava io? Rehefa naharava ilay lalao tsy tamin'ny fotoana ianao dia efa manampoiza sazy mifandraika amin'izany. Tsy maintsy fantarina ianao nandrava lalao io ary samborina sy saziana rehefa avy eo.


Faharoa: satria manko atao litania mandrakariva amin'ny haino aman-jery ny hoe aleo voasazy, aleo voasazy toy izay hiverina amin'ny efa nifanarahana tsy an-tery, dia hain'ny mpijery tokoa ny mampihatra izany eo amin'ny sehatry ny fanatanjahantena, fa tsy eo amin'ny sehatry ny politika irery ihany. Fantatra izao fa mahavoasazy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny mandika lalàna ka manakorontana ny fizotry ny lalao dia mbola natao ihany izany ho fanalana ny fo feno fahatezerana. Tsy mampiova na inona na inona anefa izany natao izany fa mbola fanampiana ny fanorisorenana ny tena ihany... indrindra raha tsy mankasitraka ny gidragidra tahaka ireny izay nanatrika teny. Dia manampoiza ary ho voasazy fa aza ny hafa no endrikendrehana ho anton'izany sazy izany avy eo fa kitoatoa nataonao ihany no niaviany.


Farany: Eo amin'ny resaka sazy dia lasa lavitra avy hatrany ny saina. Hakatona ve izany ny kianjan'i Mahamasina? Sa ny ekipa no handoa onitra noho ny tsy mety nataon'ny mpijeriny? Dia niitatra ny eritreritra hoe sao dia nisy nanozona kosa tahaka ny ozona nataon'i Kristy tamin'ilay aviavin'i Betania maina vetivety teo hoe :"Rehefa akatonao amin'ny hetsiky mpitondra fivavahana io kianjan'i Mahamasina io dia aleo hikatona mihitsy (mandritra ny taona maro!)". Dia ho inona izany no hampiasana azy sisa? Fa aleo tsorina ny resaka: misy dia misy ny maniry ny hikatonan'ny kianjan'i Mahamasina tsy ho azo anaovana na inona na inona... sady tsy tokony hanaovana matso amin'ny 26 jona ihany noho ny didim-pitondrana izay navoaka... sa ho "exceptionnel" amin'io fotoana io? Izay tiany atao ihany io ka!!!



jentilisa, 28 febroary 2010 , Antananarivo 21:12

Hidinika mankaiza?

2010-02-25 @ 23:53 in Politika

Eto ampanombohana aho dia mankasitraka indrindra ireo Malagasy any ampitan-dranomasina tsy sasatra mihitsy ny manadihady sy miady hevitra amin'ny zavamisy eto Madagasikara. Ianareo amin'ny ankapobeny no toy ny mpanetsika anay mpikatroka aty an-tanindrazana mety ho valaka indraindray mahita ny heverina ho tsy firaharahiana ataon'ny sarambamben'ny olona. Raha in-telo andro misesy izay Atoa Ravalomanana no niantso tamin'ny finday ho ren'ny mpandala ny ara-dalàna (ny satan'ny maputo sy ny tovana tany Addis Abeba) dia torohevitra ankolaka izany ilazana fa aty an-tanindrazana indray izao no tokony ho kianja ifaninanana sy ezahina fehezina ao anatin'ny herinandro vitsivitsy. Raha tarafina manko dia tahaka ireny hoe matoky tena ireny ny mpifehy ny fahefana amin'izao fotoana izao ary tahaka ireny hoe efa roso ity tsa mimpody intsony, dia resaka saikolojia no tena ambadika ary tsy tokony ho lavon'izany ny aty amin'ny mpandala ny ara-dalàna eto an-tanindrazana.

Tsikaritra

Eny amin'iny faritra Andavamamba iny manoloana indrindra ny fiangonana ara-pilazantsara dia misy irony takelaby be velarana fametrahana dokambarotra irony. Ny tonga dia misongadina amin'ity takelaby ity moa dia ny famantarana ny repoblika malagasy mivolombolamena ahitana ny sarina ravinala, sy lohan'omby. Dia voasoratra tsara fa hoe averina amin'ny vahoaka masi-mandidy ny fahefana... tsy tena tadidiko intsony ny tohiny fa mifanahatahaka amin'ny hoe amin'ny fanaovana fifidianana solombavambahoaka. Dia lasa ny saiko...Eken'ny mpitana ny fahefana ankehitriny ve raha misy olona na vondron'olona mametaka ny heviny amin'ireny takelaby fandoavam-bola ireny koa manao hoe Arosoy ary ny fifidianana filoham-pirenena hitsapana ny fitiavan'ny olona anao? Raha tena sahy izy dia izay idirana fa be no ho faly amin'ny ankolafy rehetra sy ny ivelan'ny ankolafy.


Hiantso hiresaka hoe?

Tena zavatra mahafinaritra indray izany hoe mandre teny avy amin'ny lohan'ny mpitana ny fahefana miantso indray hifampidinika indray, eny fa na dia tsy noraharahiana aza izay efa nifampidinihana sy nanaovana sonia mihitsy tamin'ny herintaona. Saingy aoka tsy hofitapitahana ka hoe ny hanatontosana ny fifidianana no hanaovana izany fifampidinihana izany, tena andrasana mihitsy anie ilay fifidianana fa mba iarahana manatontosa ny fanantanterahana azy e! Ny dikan'ny fiaraha-mitantana efa nifampizarana, ary tsy mbola nandramana akory dia lazaina sahady fa tsy nahomby, dia ny hahamarin-toerana izany fifidianana izany. Noho izany, efa vita avokoa ny dinika mankamin'izany fifidianana izany ka tsy ilàna fifampidinihana indray... ny fandrafetana ilay rafitra iraisana efa nifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba izay hofaranana amin'ny karazam-pifidianana no efa vokatry ny dinika... fa ny fanatanterahana azy sisa... dia io mbola mampikatso ny zava-drehetra io izao.    


Resaka radio eto amin'ny tanàna

Rehefa misy ny resaky ny radio anankiray milaza fa niteny izao hoe na niteny izaroa ny radio iray hafa izay mifanohitra firehana aminy indrindra indrindra dia vaovao diso tanteraka izay no lazainy fa nambaran'io radio mifanohitra firehana aminy io ary ao anatin'ny famafazan-dainga sy ny fiampangana lainga izy izay. Hahatsotra ny resaka, tsy ilaina manonona ny anaran'ny radio fahazavana ny radio antsiva sy ny radio viva, dia tahaka izany ihany koa tsy ilaina manonona ny anaran'ny radio viva na/sy ny radio antsiva ny radio fahazavana. Miala tsiny fa misy radiom-piangonana moa voatonona... ary fantatro tsara fa tsy milaza izay lazain'ny radio hafa mihitsy ny iray amin'ireo radio ireo nefa misy kosa ny tsy mitsahatra ny mamelively ny radio hafa. Fehiny: raha misy izany radio na televiziona iray miteny hoe izao no lazain'ny radio na tele izao na hoe izao no re tamin'ny resaka nifanaovan'ny mpanao gazetin'i ... tamin'ny mpanao politika ranona... nefa ireo teneniny ireo dia mifanohitra firehana aminy dia mahimahiana fa mety hisy lainga ao anatin'izay. Ny tena mampanahy aza, araka ny notakariko tao amin'ny paikady miaramila maoderina nadikako vao tsy ela tao amin'ny Global Voices Online teny malagasy, dia paika entina handrisihana ny olona hanao "valifaty" mialoha ka manosika azy hanao ny tsy mety toy ny fandrobana fananan'olona, famonoana na fandratrana olona ahafahana mangeja tanteraka ny olon-drehetra no ao ambadik'ireny famafazana lainga fampiadiana olona ireny.

Farany,

Asa raha tsikaritrareo fa toa kamokamo izay ihany ny tena manoratra etoana fa satria moa aty an-tanindrazana indray izao no sehatra dia aleo tairina ny rehetra, saingy tsy ho amina fanaovana herisetra eo amin'ny samy olona na oviana na oviana.


Jentilisa 26 febroary 2010 amin'ny 01:01 eto Antananarivo




 

Volana imaso tsy mba kilema

2010-02-20 @ 22:52 in Finoana

Misy ny ohabolan-drazana manao hoe manalasala toa vozon'akoho, ariana toa hena, hohanina toa taolana. Toa izany no fijeriko ny hamaroan'ny olona (na ny havitsiany, araka ny fomba fijery) tonga teny Antsonjombe ny andron'ny Asabotsy 20 febroary 2010. Izao manko: Afaka miteny soa aman-tsara sady maneso ireo izay tsy mankasitraka ny hetsika manao hoe vitsy ny olona nanatrika tany. Afaka miteny soa amantsara ihany koa anefa ireo mpanaraka ny hetsika milaza hoe betsaka ireo olona tonga ireo. Tsy diso velively ny mpitarika raha nilaza hoe: "Raha tany amin'ny kianjan'Antsahamanitra isika dia tsy antonona ny kianja" sy ny hoe "Efa betsaka isika ireo fa mbola tsy ampy!"


Marihina fa ny mpanoratra dia niserana ihany noho ny asa aman-draharaha tsy azo bangana olona. Efa tsy niasa ihany manko ny tena ny alakamisy 18 febroary 2010 tontolo andro nanatontosa ilay androm-bavaka sy fibebahana, ary nanao ny fifadian-kanina ihany koa. Tamin'ity andro Asabotsy ity kosa dia ny mitataovovonana ihany no teny nanomboka tamin'ny 12:10 ka hatramin'ny 13:35,izany hoe nandingana sakafo atoandro, nefa ny tena fotoana dia amin'ny 14:00 vao manomboka. Ny fanafanana fotoana sy ny asam-pandroahana ny asan'ny maizina ihany noho izany no natrehina. Indrisy moa fa maro tamin'ny namana fantatra ihany koa no tsy afaka tamin'ity fotoana iray lehibe ity.


Teo am-pahatongavana niala tamin'ny fiara fitaterana aho dia gaga tamin'ny hamaroan'ireto fiara lehibe dimy an'ny mpitandro ny filaminana feno an-dry zalahy sy fiara tsy mataho-dalana iray ka izy rehetra ireo dia mirongo fitaovam-piadiana fitondra miady fa tsy fitandroana filaminana velively. Ny fiara lehibe roa aza moa dia kely foana tsy nibahanany ny vavahady fidirana  mankao an-kianja izay tokana ihany moa. Ry zalahy koa mikarenjy etsy sy eroa miaraka amin'ny basy ka mahasadaikatra ny olona ny hifanena aminy. Nisy aza moa rehefa iny tonga teo iny ilay fiara fitaterana nitondra ahy no loa-pahatezerana mihitsy ny sasantsasany amin'ireo vehivavy tao anaty fiara nahita azy ireo. Tsy dia nahagaga loatra noho izany raha nadiodio izany hoe tsy nisy olo-tsotra loatra teo am-bavahady fidirana fa nihatakataka lavitra angaha. Ren'ny mpitondra fivavahana angaha izany toe-javatra izany, na nisy no niantso azy ireo tamin'ny finday manontany raha misy marina ny fotoana na tsia, ka nahatery azy ireo nizara programa ireo miaramila rehetra hitany teny ivelany ireo sy niangaviana ireo miaramila somary hihatakataka kokoa. Nanaiky izany ny mpitandro ny filaminana ka nanakisaka ireo kamiao tany ho any amin'ny 80 metatra andrefan'ny vavahady fidirana. Vita izany rehetra izany vao somary nisy olona nivezivezy teo am-bavahady.


Tahatahaka ny ahoana moa izany ireo karazan'olona tonga tamin'ity fotoam-pivavahana ankalamanjana ity? Raha atao indray mitopy maso ny nisongadina dia ireo efa zokiolona indrindra ny vehivavy no tena misongadina avy hatrany. Ireo no misy mpinamana angaha ka hitahita ho misy miarakaraka na manao andiany. Ny lehilahy efa zokiolona kosa matetika ny hita eny dia mandeha tsirairay no tena maro. Manaraka izany indray amin'ny hamaroana ireo somary fianakaviana kely ka olon-dehibe omban-janaka na zafikely, ary tena mbola zaza tokoa ireo manaraka ireo. Avy eo vao ny tanora matotra izany hoe ireo mananontanona na mihoatra ny 30 taona no maningatsingana teny ho eny ka miaraka amim-bady na main'olo-tiana fa tsy miaraka andiany toy ny mpinamana. Tsy tena tsipalotra kosa izany hoe tanora matotra mpinamana maromaro niaraka ho amin'ity fotoam-pivavahana ity izany.


Ny vitsy an'isa indrindra tadiavina mihitsy vao mety ahitana dia ny zatovo vatombatony feno taona hifidy na ankatoka ho amin'izany. Fahabangana lehibe ny tsy nahitana loatra ity sokajin'olona notononiko farany ity. Izany hoe azo heverina fa tsy vaindohan-draharaha ho azy ireo mihitsy ny karazan-javatra tahaka ny natao tamin'ny andron'ny Asabotsy ity. Isika Malagasy anefa dia firenena maro an'isa ny tanora ary mandrafitra ny ampahany betsaka mihitsy aza. Azo lazaina manko hoe fotoam- pivavahana kapomanta fotsiny no teny fa tsy nasiana na tsy nolazaina mihitsy kosa ny hisiana karazana rindran-kira evanjelika. Raha iretsy maro an'isa tonga iretsy dia mazava tsara fa tonga dia ny ventin-dresaka sy ny votoatin-draharaha no  tena anton-diany fa tsy miraharaha loatra intsony izay endrin-javatra manintona. Tsy mahasarika ny zatovo loatra anefa ny toy izany araka ny fijeriko, ka tsy mahagaga loatra raha tsy hita tamin-javatra tahaka itony ireo zatovo 20 ka hatramin'ny 30 taona eo ho eo ireo.


Aiza ho aiza noho izany ny heveriko ho lesoka mila harenina ho amin'ny manaraka? Sarotra be ny miresaka azy ity satria mety azo sokajiana hoe ravindraviny hanintonana fihetseham-po na mampientanentana no tsy natao mihitsy; singaniko amin'izany ny hira ataon'olo-tsotra na ataon'ny antoko mpihira. Ny karazana foto- pisainana protestanta, ananan'ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana mandrafitra ity hetsika ity, dia manifika avy hatrany izay mety ho tsy dia ilaina loatra ho amin'ny fanamafisana na fijoroana amin'ny finoana ary matetika moa dia ireny antsipirian-javatra ireny no mahatriatra ny dia mandrakariva. Azoko heverina anefa fa azo ifampiresahana tsara ry zareo hijery manokana ny eo amin'ity lafiny hira ity hahatonga ny zatovo hahatapa-kevitra sy hazoto fa hanatrika sy handray anjara amin'ny hetsika amin'ny manaraka.


Faharoa manarakaraka izany dia tsy ampy mihitsy ny fanentanana, ary fantatry ny ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana tsara izany. Ny radio fahazavana irery ihany no nanaovana fanentanana ho amin'ny fotoana tahaka itony, izany hoe mba manana ny lanjany ihany izany ilay radio na dia maro aza ny faritra tsy mahazo tsara azy io na dia eto an-drenivohitra izao aza, ka tsy atao mahagaga raha mismisy ihany ny tsy mahalala akory ny fisian'ity fotoam-pivavahana ity. Efa hitan-dry zareo mpitarika moa iny ka ho hita eo amin'ny manaraka. Mbola banga amin'ny fanentanana ihany koa ny fifanentanan'ny olona hanatrika ny fotoana. Izay tena resy lahatra sy mazoto ihany no tonga, saingy tsara halalinina kokoa angaha ny fahasahian'ny olona hitarika ny namana ho tonga amin'ny fotoana tahaka ireny... tsy hanery ny olona handeha na ho tezitra amin'izay tsy handeha fa handresy lahatra ho amin'ny fiaraha-mientana kosa.


Toro-hevitra ho an'ny mpitarika noho izany ny hakany tarika mpihira evanjelika mihitsy na handray an-tanana ny fanangonana sy fampivoriana ary fanentanana ireo tanora mety hananganana antoko mpihira "vonjimaika" ho an'ny hetsika fa heveriko ho lalana iray hahatonga fifanentanana eo amin'ny samy tanora io ka hameno tsikelikely ny banga sy hampiroborobo ny hetsika. Tsy maintsy manana mpitarika hisahana lafiny hira na zavakanto noho izany ny ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana raha mbola ho lalandavitra ity hetsika ho amin'ny fampijoroana ny fahamarinana ity. Izay aloha no voasoratro etoana ho fanavazavana ho anareo mamadibadika te-hahafantatra ny fandehan'ny zavamisy aty Madagasikara fa raha ny tena manokana aloha dia ao anatin'ireo tsy afa-po loatra... sady tsy afa-nanatrika ny ventim-potoana rahateo moa. Hofaranako amin'ny fomba fiteny malagasy indray angaha izy ity tahaka ny nanombohako azy ka hanoratako hoe ataovy toy ny voankazo an'ala izay voasoratra izay, ny mamy atelemo ary ny mangidy kosa aloavy. Sa inona hoy ianareo no tokony hatao?
 
 
 
jentilisa, Alahady 21 febroary 2010 amin'ny 00:00

Minoa fotsiny ihany

2010-02-17 @ 00:01 in Finoana

Nisy nametraka ny lohateny ho teny tarigetra, nisy kosa ny nanao azy ho tenim-panesoana. Olombelona va no hiankinana? Ny an'ny mpino dia Andriamanitra ihany no fiantehitra. Efa herintaona mahery izay no nanao sangodim-panina teto ny tontolom-bolongana Malagasy ary misy aza ireo mpiray tanindrazana no milaza fa leo sy boboky ny lohahevitra #madagascar mandeha any amin'ny valan-tserasera any. Misy ny namana no manambara fa toa fanasana atidoha no tena betsaka amin'io lohahevitra io, mibahan-toerana manko ny resaka politika. Samy manana ny vaindohan-draharahany ny tsirairay, ary mariky ny fahafahana izany, ka tsy tokony hisy ny hanome tsiny amin'izay safidy zon'ny tsirairay. Samy te-hampandroso an'ity Madagasikara ity ny tsirairay fa ny lasitra iaingana no tsy itovizan-kevitra amin'ny ankapobeny.



Efa ela aho no te-hamoaka lahatsoratra fa dia tahaka ny misy hatrany ny sakana sy ny sampona isan-karazany. Fikirizana sy fifantohana lehibe noho izany vao mahatafavoaka izany lahatsoratra iray izany. Hamoaka sy hamehy araka izay azoko atao ity nodinihako toa mifandraika amin'ny zava-misy eto Madagasikara ity aho satria tsy ady amin'ny alalan'ny hery sy ny saina no tena lehibe eto, araka ny fijeriko, fa ady ara-panahy indrindra indrindra. Izay no maharesy lahatra ahy fa lalam-paharesena ho antsika mpandala ny ara-dalàna izany lalana mampiasa hery sy tafika ary fitaovam-piadiana izany. Lasa mampiditra adihevitra sahady indray aho nefa tsy dia any loatra no foto-dahatsoratra. Indro ary ireo karazam-pahazavana azoko nandritra ny fifadian-kanina nataoko tamin'ny Asabotsy 30 janoary izay niraisana tamin'ireo nanatrika ny Hetsika Jesoa Kristy ho an'i Madagasikara nanerana an'i Madagasikara.



Ny fanazavan-kevitra apetrako dia miainga amin'izay hita ao amin'ny Filazantsaran'i Marka 9 : 14 - 29 izay azonao vakiana soa aman-tsara na tsy averiko etoana aza. Toy izao manaraka izao no tsipalotro :

1 _ Raha tonga Jesoa dia olona niady hevitra tamin'ny mpianany [mpanara-dia azy] no hitany fa tsy nisy resaka fihainoana na endrika fotoam-pivavahana na asam-panafahana [asam-panasitranana]. Fanaontsika mihitsy io indrindra amin'izao vanim- potoanan'ny fahalalahana izao, ary tsy misy antony mahadiso izany araka ny eritreritsika. Saingy izao, very andro fotsiny isika ary mandany fotoana izay mety ho sarobidy dia sarobidy amintsika. Mety hiainga ao anatin'izany adihevitra izany ny filazana hoe fandaniam-potoana fotsiny izany fivavahana izany fa tsy misy asany akory. Tsy hoe tsy nahavita nanasitrana ilay azom-panahy moana ny mpianatra dia tsy izy izay fivavahana nataony sy ny iraka nampanaovina azy fa ilay finoana no adino na ny eritreritr'izay tokony hanasitrana ihany koa no mety manao sahady any am-pony any hoe ho voavaha ve ity olana ity? Tsy nahagaga i Jesoa raha nanondro izay teo ho "taranaka tsy mino".

2 _ Toa tena aretina sarotra afaka [na olana saro-bahana] tokoa ity natrehina ary rehefa natao teo anoloan'i Jesoa ilay marary dia indro fa maneho ny heriny indray ilay krizy ary tena nanao izay hampitsikasikasina ilay olona sy hahatrotraka dia trotraka azy. Matetika ny olona no kivy ambony ihany raha vao miatrika ny hitany sy mahita ny herin'ilay olana atrehiny, manjera azy anaty afo sy manempotra azy any anaty rano hoe? Soa ihany fa tsy ny hijery ny hasarotan'ny olana na ny halehiben'ny aretina na ny herin'ny fanahy maloto no nahatongavan'i Jesoa teo amin'io fotoana io fa ny hanafaka ilay olona azom-pahoriana sy gejain'ny fanahy ratsy mamehy ilay olona ho moana tsy afa-miteny.

3 _ Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino : Matetika ny mpino dia heverina ho olona badobado na vendrambendrana. Betsaka ihany koa ireo olona no mampifanohitra ny finoana sy ny fahalalàna na fahaizana. Mahay miaraka tsara ny finoana sy ny fahaizana na dia natao matetika aza izay hampifandrafy azy. Afaka mifampisedra tsara anefa ny roa tonta fa ny hafatra mipetraka eto dia hoe "hay avokoa ny zavatra rehetra..." eny fa na dia ny heverina ho tsy azo tanterahina araka ny takatry ny sain'olombelona amin'iny vanim-potoana iny aza (impossible). Tsy tokony hitarika ny olona hanaotao foana na handositra sy tsy hanaiky ny zavamisy izany fa hisedra amim-pitokiana ny zava-tsarotra hodiavina rehetra.

4 _ Niteny tamim-pahefana ny fanahy moana sy marenina ny Tompo, tsy ilay fantatry ny olona hoe "moana" ihany no nobaikoana fa nitenenany ihany koa ilay "marenina". Sakana eo amin'ny fifampitan-kafatra izany fahasembanana eo amin'ny fihainoana na fitenenana saingy tsy nahasakana ny Tompo tsy hiteny izany. Fahadalàna ve no nataony mbola hiteny na dia lazaina fa marenina aza ilay nitenenana? Misy ny fombam-pitenenana manao hoe tsy misy marenina tahaka ny minia tsy te-hihaino. Mampitodika amin'ny zava-misy atrehina izy ity. Impiry impiry no niantsoantsoana olona hanao izatsy na izaroa nefa toa zary fandrangitana sy manao izay hahatezitra no setriny. Mety hanao hoe tsy ampy fahefana angaha ny mpiantso ka izany no tsy iraharahian'izay itenenana? Na izany aza nanaraka ny baiko nolazain'i Jesoa ihany ilay fanahy ninia nanentsi-tadìny ka afaka tery ilay olona voageja teo.

5 _ Amin'ny fotoana na fihetsika tsy ampoizina indrindra no nisian'ny famonjena ilay olona. Noheverina fa toa hanohitra araka izay tratry ny heriny no nataon'ilay fanahy maloto hay tsipaky ny miala aina araka ny filazan'ny olona. Noheverina fa tsy ho afa-misaraka intsony ilay olona sy ilay fanahy, rehefa nialan'ilay fanahy ilay olona dia tsy nihetsika intsony ka nampihoraka ny mpanatrika hoe "Maty". Saingy noraisin'i Jesoa ny tanan'ilay olona ary dia nitsangana. Mety hisy ny hihevitra fa rehefa tsy mahahetsika intsony ny olona rehefa nampijaliana nandritra ny fotoana maharitra dia izay no izy. Tsia! mbola eo ny tanan'ny Tompo hampitsagana azy azy haneho azy amin'iny olona hoe mbola velona. Fa izao anefa no tsarovy : rehefa nanontanian'ny mpianatra mangingina ny Tompo dia hoy ny navaliny hoe tsy misy fanafana ankoatra ny Fivavahana sy ny fifadian-kanina rehefa amin'ny karazany toy izany.


Koa ho an'ny mpino te-hanala ny tsy fifampihainoana manjaka eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao. Indro fa natoro anao ny lalana ivoahana amin'izao krizy izao. Nisy ireo nanentana ny olona hanao androm-pibebahana sy vavaka fifadian-kanina mandritra ny tontolo andron'ny 18 febroary 2010 ho avy izao izay mifanandrify indrindra amin'ny fihaonana hamahana ny krizy manjaka eto Madagasikara. Mahavariana fa na dia andro hafa aza no nokasain'ny mpikarakara hanaovana io dinika io dia nanjary nitontona tamin'ny androm-panentanana hanaovana izany vavaka fifadian-kanina sy fibebahana izany. Izaho manokana, tsy tereko velively ianao hitovy hevitra amiko, dia mahita izany ho asan-tanan'Andriamanitra hohararaotintsika Malagasy hanatanteraka ny fihetsika mialoha ny hanaovana tenim-pahefana handroahana ny fanahy maloto ho any an-davaky ny helo, koa atokany ny fotoananao amin'io andro iray io. Tsy adihevitra intsony no hapetraka fa ilay lohateny hoe "Minoa fotsiny ihany" fa dia ho fandaniam-potoana tokoa raha hanao ihany ianao neefa tsy hino ilay valim-bavaka hamoahana ity Madagasikara malalantsika ity hiala amin'ny kizo.


Jentilisa 17 febroary 2010  amin'ny 01:05

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 ... 99 100 101  Manaraka»