Vaovao Eto anTOerana.VETO

Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 22:58

Loza mihitsy ity fiakinandoha amin’ny aterineto ity, fa tsy hay kosa aloha izy ity na mahadomelina na mandranitra. Nieritreritra ny tsy hikitika solosaina aty an-trano mihitsy aho androany alahady, fa tsy maintsy mikirakira azy mandritra ny fotoam-piasana, ho karazana fialantsasatra saingy e-he, nipololotra indray ny aingam-panahy. Revo tamin’ny fandaharana Anim’Artista na dia tsy ampy atsasak’adiny akory aza izay nojerena. Avela any ny filoha sy ny fahatezerany tany Toamasina amin’ny “asa tsy mandroso” satria rehefa dinihina toa noho ny tsy nahazoan’ny Alma (Asa Lalana Malagasy) ny tsena no mety ho ao ambadika ho fanomanana ny saina rehefa tonga ny fotoana esorina amin’ny Shinoa ny tsena dia omena ny orinasany.

 

Fandaharana mandeha isan’alahady alina ao amin’ny tvm ity Anim’artista ity. Ny mampiavaka azy dia artista no asaina nefa artista ihany koa no manentana, na manasa sy manontany ny vahiny, tsy adino (samy hafa amin’ny noadinoina) anatin’izany ny talentan’ny nasaina fa mandravaka ny fandaharana eny ihany. Tsimialonjafy tokoa ny fandaharana satria hita ao avokoa ny karazam-boninkazon’ny kanto malagasy amin’ny ankapobeny avy amin’ny lafy valo sy isa-taranaka ihany koa, na tanora vao misondrotra io na ny efa antitra mitezotezo.

 

Mpanao vako-drazana ela nihetezana fantatra kokoa amin’ny anaran’ny tarika no nasaina tao dia ny tarika Ny Voninavoko izany, ary tao mazava ho azy ny lehibe nanorina azy dia i Dadagaby. Efa be taona tokoa saingy tsy manaiky gisitra haneho ny talentany. Tsiriry ahitra ve? Raozy mavokely? Sa Zanak’Iarivo? Santionan’ny hira ahafantarana ny Voninavoko izany. Mety ho efa nokaloinao ny hira aza saingy tsy fantatrao izay tena mpihira azy. Fa raha mpihira ny ampahan’hira firedon’ny mpijery fanatanjahantena Malagasy mpamelombelona ny iô! Iô! iô ôhô! Ianao dia tsarovy fa nosintonina avy amin’ny hira mitondra ny lohateny hoe raozy mavokely ianao izay.

 

Fa inona no nahatery ahy hanoratra noho io fandaharana io? Malaza dia malaza eto amin’ny tanàna amin’izao fotoana izao ny hira mampandihy fitombenana. Izay mihetsika iray dia io fipelipeliky ny malesa io no hisintonana mpijery. Manao azy avokoa ny bodo sy adala rehetra io hany ka na dia ry Francis Turbo sy ny Gothlieb aza boboka tanteraka, nampisy adihevitra azy ireo tamin’ny mpihaino mihitsy moa ny nilazan’izy ireo ny heviny momba ny dihy ankehitriny io. Rehefa be loatra tokoa anie ny sira mampangidy e! Endrey kosa fa hay tena misy fahafinaretana ny mahita dihy tsy ahitana io fampandihizana fitombenana io mihitsy. Revin’antitra ve izany? Raha izany dia efa antitra mihitsy aho.

 

Nahatery ahy hanoratra ihany koa ny mahatsapa fa tsy hahavory olona firy (eto an-drenivohitra) mihitsy ny mpanao vakodrazana raha hanao fampisehoana fa na izany aza dia misy ny lalana ahafahana manampy ireny mpanao vakodrazana ireny. Tsy hevitra vaovao fa fahita ihany rehefa misy ny fanasana amin’ny fampakaram-bady ka tiana hakotroka ny raharaha. Mba manasà ry zareo mpanao vakodrazana rehefa misy fotoana lehibebe hampisehoana amin’ny taranaka ho avy fa misy anie ny karazan-dihy an’ny Malagasy izay tsy mba mandeha amin’ny haino amanjery loatra e! Asehoy ny zanatsika fa manana izay antsika madio mangarangarana ihany koa isika malagasy na dia saiky ireo sarangan’ny tsy mpigalabona loatra aza ny ankamaroan’ireo mpanao vako-drazana ireo. Famporisihana azy ireo hanohy ny fitandroana ny kazarankira ihany koa ny fanomezana valinkasasarana ho azy ireo satria fandaniana ihany koa anie na dia ny mitondra olona maromaro aza e!

 


Toamasina : Tezitezi-poana indray Ravalomanana

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 22:05

Reko tamin'ny atoandro avy tamin'izay naheno ny fahatezeran'ny filoha Ravalomanana raha nandalo tao Toamasina Andrenivohitra ekonomika izy, alohany hiondranany any amin'ny nosy Maorisy, ka nahita ny tsy mbola nahavitan'ny lalana tao. Misy ny lalana efa migodana lasa mampatahotra araka ny tatitra nataona mpanao gazety satria mirimorimo avokoa na ny fiara na ny posy-bisikileta mianoka ny hatsarany. Izao anefa, sady montotra ny lehilahy no niteny mihitsy hoe "tsy faly aho" fa mihisatra araka ny fijeriny azy ny fanamboaran-dalana.

 

Nanome baiko aho tamin'ny Paska (izany hoe mbola tsy ampy iray volana izay) nandalovako taty farany  ny amin'ny hamitana haingana dia haingana (izany hoe atao tsy maharitra ve izany ny zavatra vita satria ny vita haingana sarotra mateza?) ity fanamboaran-dalana eto Toamasina ity. Tsy hitany akory izay fandroson'ny asa. Izaho kosa aloha mieritreritra fa sarotra ho an'ny Shinoa ny hametraka foto-drafitr'asa tsara orina ambony fasika e! Tsy vitan'ny baiko hoe "misia...lalana" manko izy ity dia misy ny lalana. Nanome baiko indray ny lehilahy fa tsy maintsy vita ao anatin'ny tapabolana io fanamboaran-dalana io. Ilay Shinoa voakiana moa nihomehy fotsiny (angaha moa mahazo mihomehy ny Shinoan'ny Tanibe?).

 

Ny tao an-tsaiko indray moa dia nipaka tamin'ny hoe iza indray no ho voadaka eo amin'ny toerany? Sa iza indray moa no minisitra "coach" ny faritra misy an'i Toamasina? tsy tadidiko intsony na Analanjirofo no misy azy na Atsinanana. Sa ho sahy hanala ny Shinoa amin'ny fanaovana io lalana io ve izy tsy hovaliany amin'ny tsy fanamboarana ny trano fandraisam-bahiny miezinezina ao Ivato kasaina hovitaina handraisana manam-pahefana ambony mandritra ny vovonan'ny (fivoriana faratampony) filoham-pirenena sy filoham-panjakan'ny Firaisambe Afrikana (2009)? Angamba izany koa no efa nieritreretana hananganana Tranomihaja 50 nolazain'ny minisitry ny asa vaventy sy ny fitaterana tamin'ity herinandro ity.

 

Fa mahalasa eritreritra ahy ihany koa fa mailaka dia mailaka izy mitsikera mivantana (fa tsy sahin'ny mbs nalefa intsony ny alin'ny Asabotsy ny sary sy ny nitenenan'ny filoha, tatitra sisa no natao raha nalefa kosa izany tamin'ny tvm) izay tsy fetezan-javatra nisy tany Nosy Be na mampiovaova matetika ny delegasioona ao, sy izao any Toamasina izao ka iandrasan'ny maro izay ho tohin'ny raharaha... fa tsy mety hitany mihitsy ny tsy fahavitan'ny tsenan'Asabotsy Antsirabe Antampontanana efa mitarazoka dimy taona izao. Toa tsy raharahany akory fa misy fandravana trano manamorona iny lalam-pirenena iny nefa dia tsy onerana izany na dia ariary aza satria "baikon'ny filoha" ny fandravana. Rehefa anehoan'ny vahoaka amin'ny alalan'ny fifidianana ny tsy fahafaliany anefa dia izy indray no tezitra.

 


Atao inona io tabilaom-pifidianana io?

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 17:53

Misy fotoana mivezivezy amin'iny faritra Ankadikely Ilafy iny aho. Manaraka ny arabe aloha no aleha. Rehefa mandalo ny lapan'ny tanàna na biraon'ny kaominina angaha dia mahita tabilaom-pifidianana misy sarina kandidà saingy efa mihitsankitsana avokoa ny afisy eo aminy ka tsy hita tsara ny sary. Talohan'ity fifidianana ho loholona ity anefa tsy mba tsikaritro mihitsy ny fisian'izy io. Lasa avy hatrany ny eritreritro: Mihevitra izany ny olona ato fa misy mpifidy vaventy mandalo mandrakariva amin'io faritra io matoa napetraka teo io tabilaom-pifidianana io. Natokana ho an'olona firy moa izy io sa ilaina ampahafantarina ny olon-drehetra satria fifidianana io na dia tsy fidian'ny be sy ny maro aza?

Ny fampielezan-kevitra mandeha amin'ny tele aza efa gohina na tiana na tsy tiana fa dia toa mahatsikaiky ihany ilay tabilaom-pifidianana heveriko fa diso toerana. Ny fampisehoana tsy azo atao amin'io alahady io ihany no hanamarika amin'ny olona fa hay ve misy izany fifidianana izany. Efa ela aho no te-hanoratra ity fa tsy maintsy androany satria karazan'ny andro farany amin'ny fampielezan-kevitra manko.


Tonga eny Ivato i Rossy [edit]

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 07:10
Araka ny antso an-tarobia nataon'ny mpanakanto Rossy avy eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato dia tonga eto an-tanindrazana ny lehilahy amin'izao fotoana izao. Tamin'ny ora nanombohan'ny fandaharana kidaona maraina moa no niantsoan'ny lehilahy. Nolazainy ary fa miaraka amin'ny tarika miaraka aminy izy ka ny dimy dia teratany vahiny ary ny dimy hafa kosa dia malagasy. Milaza mbola hiresaka amin'ny tompon'andraiki-panjakana moa izy satria hajaina ny mpitondra fanjakana hoy ny tenany. Asa rahoviana izany no hotanterahina ny fampisehoana ataony eto an-tanindrazana?
Ny fanampim-baovao nataon'ny mpanao gazety no nandrenesana fa ny hihaona amin'ny filoha Ravalomanana no tanjony voalohany. Karazany tampoka ihany izao fahatongavany izao ka mety tsy hampino anareo nefa dia ren'ny mpihaino rehetra io. Marihina fa tsy misy tokony idiran'ny zavatra hafa ankoatra ny zavakanto ity resaka ity, ary zavakanto irery ihany.

 

fjkm Itaosy: Saiky simban'ny mpangala-jaza

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 17:34

Mpiara-miasa amiko no mitantara ity zavatra nitranga tao amin'ny fjkm Itaosy (tompon'anarana) tamin'ny alahady 13 avrily lasa teo ity. Raha vao niditra tao amin'ny faritry ny fiangonana ny mpitandrina dia nahatsikaritra olona maromaro (lehilahy avokoa) nijorojoro teo ivelany teo. Tsy nisy nanao akanjo velondrirana ry zalahy. Nanontany azy ireo ny mpitandrina hoe manao inona eto ianareo? dia novaliany fa vahiny avy any Antsirabe izy ireo ka mba hiangona. Raha izany, hoy ny mpitandrina, dia tonga dia mandrosoa fa mbola be ny ho avy ka sao mifanelingelina amin'ny lalana. Dia namaly izy ireo hoe andraso aloha fa mbola be dia be izahay no ho avy. Dia lasa ny mpitandrina.

 

Avy eo nisy ankizy maromaro nifanao fanenjika nanodidina ny fiangonana.Tsitapitapitr'izay nisy ankizy tokony ho fito taona nihazakazaka nankany amin'ny biraon'ny fiangonana nilaza fa nisy nitondra any ny zandriny. Taitra ny tao ka nihazakazaka niparitaka nitady ny zaza teny amin'ny elakelantrano avokoa ny lehilahy. Ny diakona amin'io miaraka amin'ny raoby no mivezivezy any rehetra any. Nahatsiaro an-ry zalahy nijorojoro tampoka ny mpitandrina.

 

Nanditra izany fotoana izany, tahaka ny hoe nahazo antso ry zalahy nitondra ny zaza, navelany tany akaikin'i Behenjy (Itaosy) avokoa ny zazalahy efatra nalaina, ka ny telo amin'ireo dia zanak'olona iray avokoa. Niteny tamin'ny tao ampiangonana amin'izay ny mpitandrina hoe "eo akaikinareo avokoa ve ny zanakareo?". Nipararetra avokoa ny iray fiangonana rehefa nahare. Tsy nisy niditra tamin'ny fiangonana intsony ny sain'ny maro. Toy ny very saina ny rain'ny zaza nahita ny zanany nentin'ny olona niverina avy any. Niteny moa ny mpitandrina fa mbola misy namany ao ampiangonana matoa navotsotra tampoka ny zaza saika nalaina.


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 ... 44 45 46  Manaraka»

Powered by LifeType