Maharesaka.VETO

Bye Bye Karajia

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 10:53

Tsy lahatsoratra amin'ny teny anglisy akory izy ity na dia natao teny anglisy aza ny lohateny. Vita hatreo izany ny antsoina hoe "karajia" ao amin'ny Radio Don Bosco fa ny karajia ao amin'ny namana serasera sisa no mitohy ( sa moa tsy karajia ilay mitshaty ao?).

Na ho inona manko na ho inona ho tohin'ny toe-draharaha dia efa nanapa-kevitra ny hanolo azy fandaharana hafa amin'ny lohateny hafa ny ao amin'ny Radio Don Bosco. Izany hoe raha nosakanan'ny minisitera ity fandaharana ity hiato aloha, ny Radio kosa no nanapa-kevitra hanajanona azy tanteraka ary hametraka eo amin'ny tantara izany fandaharana karajia izany.

Izaho manokana dia mpankafy ity fandaharana ity sy ny kidaona maraina nanaraka ny fombany,  no namoahako ny andiam-pandaharana maresaka tao amin'ny vondrona ifandraisana an-taratasy imailaka serasera volana febroary sy marsa 2005 izay azonao vakiana eto. Ny tanjona notratrariko tamin'izany fotoana izany dia ny hampifanakaiky kokoa ny Malagasy eto an-toerana sy ny Malagasy any ampielezana amin'ny resaka adi-hevitra. Hitako tena tsy arako mihitsy manko ny fandehan'ny resaka ary nanapa-kevitra aho ny hampita kosa izay iadian'ny aty an-toerana hevitra. Ireo fandaharana roa ireo no tena nampitaiko.

Nanaraka izany dia efa voatohitohina madinidinika teny ihany ny fandaharana "karajia" ka nahatonga ny mpiandraikitra tao handray fanapahan-kevitra hiarovana mandrakariva ilay fandaharana sy ny fahafaham-pitenenana. Indro averiko eto ny efa nosoratako tany amin'ny Politika Fanorona (bolongako tany amin'ny blogspot niresaka manokana ny lalao sy ny politika) tamin'ny 02 marsa 2006 izay raha tsy diso aho dia efa noesoriko io fa tsara tahiry kosa:

020306
Fahalalana sy tahotra
Ataoko fa tsy vahiny amintsika rehetra intsony izany hoe radiô malagasy andraisan'ny mpihaino fitenenana hilazany ny heviny izany. Ny radiôm-panjakana aloha no tsy ao loatra amin'io hatramin'izao fotoana izao ankoatra ny fanontaniana ny vahiny asaina amin'ny fandaharana alahady hariva ireny.

Tao ho ao dia nampiasain'ny sasany hanakorontanana ny saim-bahoaka ilay fandaharana fanaraky ny olona liana amin-kevitra sy zava-misy tantarain'ny mpihaino. Voatery nandray fepetra ny radiô tsy miankina iray malaza amin'ny fahamatorany. Tsy najanony ny fandaharana fa noraisiny naoty aloha ny anarana sy ny nomeraon'ilay mpiantso. Ny andro voalohany sy faharoa nampiharana azy dia niteny mihitsy ny mpanentana fa maro ny olona nihemotra rehefa nanontaniana ny anarany. Maro ny natahotra sao migadragadra fahatany noho ny heviny eo. Tsy hoe misy sivana tsy mahazo miteny ny mpanohitra na ny mpanohana ny fitondrana, hoy ihany ny mpanentana, fa mba ho fandraisana andraikitra amin'izay tenenin'ny tsirairay ihany no antony. Nisy tokoa ny nanararaotra toy ny banga nihomehy alina fony tsy nisy izany, fa dia fanalam-baraka hatrany no nataony. Ny fifidianana rahateo efa mandindona ihany.

 Raha nitohy izany dia na ny fandaharana no lasa tsy nisy maminy intsony na voatery niditra an-tsehatra ny fanjakana. Tsy misy tombotsoa velively azo avy amin'ireo tranga ahiana ireo fa dia ny fahafaha-miteny no ho tankina. Efa nisy tokoa ny olona nanala baraka manam-pahefana mivantana tamin'io fandaharana io ary voatery naka ny horonam-peo mihitsy hamakafakana ny hanadihadiana izay lazain'ilay olona sy ilay olona mihitsy aza moa. Ary dia sarona tao ny ati-doha nanao teti-dratsy. Mety ho efa hitantsika anaty gazety ny momba io raharaha io fa tsy any aloha ny resaka. Amin'izao fotoana izao dia tena nandanjalanja tsara ny teny lazainy avokoa ny tsirairay: ao ny mitsikera ny zavatra ataon'ny mpitondra, ao koa ny miaro na manome antony.

Nihena be dia be ny teniteny foana sy ny fanevatevana olona ary misokatra tsara ny adi-hevitra. Nihena koa anefa etsy ankilany ny mpandray anjara. Rehefa nihaino ilay radiô iray mpanao toy io aho ka tsy mandray anaran'ny mpiantso kosa izy ireo dia hita avy hatrany fa tsy toy ny taloha ka tohin'ny resaka tary amin'ilay radiô voalohany no voatery ho re ao. Efa misy dikany lehibe aloha izay. Izay zavatra toy ny bitika izay no ahitana fa ilaina ny aro-fanina amin'ity fahalalahana ity. Ny Malagasy manko no zatra gaboraraka loatra ka nony injay misy fepetran'andraikitra amin'izay teny lazaina dia manemotra andro itenenana aloha hieritreretana tsara.

 Ny aro-fanina akory tsy fefy anakanana anao ho amin'ny sehatra malalaka na tianao aleha fa fiarovana anao kosa tsy hidaboka anaty hantsana ho maratra na ho faty sanatrian'izany. Eo amin'ity fampielezam-peo ity no ahitana tsara ny fitadiavam-pampandrosoana ny sehatra iriariavany fa ny sehatra tantanin'ny fitondrana kosa ve mba ahitana ny toy izany? Efa tsara aloha ny famelana ny haino aman-jery tsy miankina hanapariaka ny onjam-peo sy sary manerana an'i Madagasikara, na dia voatery hametraka antennes manerana ny faritra tiany anapariaham-baovao aza izy ireo. Fa mifanindran-dalana amin'izay dia mitaky vokatra mahasarika sy malalaka avy amin'ny haino aman-jerim-panjakana izany.

Miala tsiny raha naveriko manontolo. Tsy nisy nanabangako na dia ny hevitro manokana aza.  Efa nametraka aro-fanina ho azy mandrakariva ny mpanentana ny fandaharana tamin'izany fotoana izany. Samihafa ihany koa ny toe-draharaha tamin'izany fotoana izany sy ny amin'izao fotoana izao. Mbola natanjaka be ny teo amin'ny fitondrana na maro an'isa kokoa ny mpanohana azy. Mpiantso ihany koa aho tamin'izany fotoana izany ary tsy natahotra ny nanonona anarana tamin'ny mpandray ny antso.

Amin'izao fotoana izao kosa dia malemy dia malemy ny fanjakana raha ny ampahan'olona mpankasitraka azy amin'ny ankapobeny eto Antananarivo no heverina, hany ka niantsambotra raha vao nahare olona iray nandroso soso-kevitra hoe "na midina eny amin'ny 13 mey aza ny olona dia tsy hanimba zavatra velively tsy akory." Izay feo izay ilay tsy tantin'ny fanjakana sady araka ny fepetra dia tsy azo atao intsony ny midina milahatra eny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Manontany tena aho hoe ny eny ihany ve no tsy azo atao sa ny maneho hevitra midina an-dalam-be mihitsy?

Manaraka izany dia nitsinjo izay voasoratra tamin'ny haino aman-jery sy ny tontolom-bolongana aho (fa ity farany ho'aho tsy mbola nahitako mihitsy sa izaho no tsy mahay mijery?) ka azo fintimpintinina toy izao:

Ny vaovaontsika ao amin'ny pejy fahatelo mitondra ny lohateny hoe "misy fetrany" dia mamelively fatratra ny mpanao gazety namany ka ny voalohany nasiany tamin'izany dia filohan'ny onjam-peo mahaleo tena (ajrp), hoy ny fanontaniany hoe "azo sokajiana ho anisan'ny fampahalalam-baovao ve ny fandaharana feno tora-po sy teny tsy voahevitra sy feno fihantsiana Mpitondra toy ny karajia?"

Asa! rehefa famoahan-kevitra manohitra ny fitondrana angamba no antsoina hoe fihantsiana ny mpitondra. Ny ankabeazan'ny olona miditra ao dia saiky matotra avokoa fa raha vao misy ny olona mivaona dia mpiantso hafa ihany no manitsy azy hoe aza ny olona iadiana hevitra no tsikeraina fa ny heviny. Rehefa resy amin'ny adi-hevitra manko ny sasany dia ilay iadiany hevitra no kianiny.

Dia notohizan'ny vaovantsika indray ny fanontaniana ka ny Rdb indray no iantefany:" Mendrika ny fitaizana araka ny evanjely ve ny... fanomezana vahana hanohitra sy hiteny ratsy ny fitondrana...?"

Dia nisy namako katolika izay no tsaroako (izaho moa protestanta) fa manana maopera izay izy mandrisika hatrany ny vahoakan'Andriamanitra hijoro amin'ny marina satria andry iankinan'ny Evanjely ihany koa ny filazana ny marina. Foana ny evanjely tsy misy fijoroana amin'ny marina. Tsy mbola nisy niteny ratsy ny mpitondra kosa tao fa ny ratsy nataon'ny mpitondra no mety ho voalaza tao. samihafa izany teny izany.

Dia teny amin'ny faraparan'ny lahatsoratra moa no nilazany hoe "zara aza mba tsy nakatona teo ny onjam-peo" ka hoy aho hoe "andramo e!". Izao tokoa manko, any amin'ny faritra hafa raha misy ny tratran'ny fanapahan-kevitra sahala amin'izao dia ny onjam-peo avy hatrany no mikatona. Ity kosa dia ny fandaharana ihany no naato. Gaga ny mpanara-baovao: Tsy sahy manakatona onjam-peo angaha?

Misy moa ny hevitra hafa navoakan'ny gazety hafa fa ataoko fa mitovitovy avokoa izy rehetra, anisan'izany ny tao amin'ny madagacar tribune izay anekeko tokoa fa naheno ilay antson'olona tamin'Atoa Manandafy Rakotonirina aho hirotsahana eny amin'ny 13 mey saingy tsy naato moa ny fandaharana.

Farany: ny antom-piampangana moa dia "firaisana tsikombakomba amin'ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka", izany hoe raha ny fahazoako azy dia fanohintohinana ny filaminam-bahoaka ny fiantsoana hidina hilahatra an-dalambe. Marihina fa dia nilaza momba ity raharaha ity avokoa na dia ny haino aman-jerin'ny mpanohana ny fitondrana aza (mbs) tamin'ny vaovao alina, fa ny tamin'ny radio nasionaly kosa dia avy tamin'ny fanambaran'ny holafitry ny mpanao gazety ihany no mety ahenoan'ny olona manerana an'i Madagasikara ny "fampiatoana" ny fandaharana karajia. Na dia ity fandaharana karajia ity ihany aza no nosakanan'ny fanjakana dia najanon'ny Rdb hatramin'ny fandaharana isaky ny alatsinainy maraina amin'ny 10 ora sy sasany ka hatramin'ny 11 ora sy sasany hialana amin'ny fanararaotana hoy ny mpiandraikitra. Raha ny voasoratra amin'ny taratasy fandrarana anefa dia tsy voakasika mihitsy ity fandaharana ity raha ny tokony ho izy fa ny tao amin'ny fampielezam-peo mihitsy no nanapa-kevitra.


Karajia banned by the malagasy government!

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 08:26

It's also amazing from the Malagasy government to suspend the popular program "karajia"  (discussion) broadcasted by the  Roman Catholic Radio (Radio Don Bosco). There, people can give all their opinion in what they would say about.

Lava ihany izay amin'ity tsy mbola fahaizako maneho hevitra amin'ny teny anglisy izay. Misy didim-panjakana mihitsy araka ny filazan'ny namana nivoaka ny ora tokony hanombohan'ny fandaharana isan'andro. Izaho moa eo amin'ny 8 ora eo ho eo no mamadika hihaino azy, tsy henoko noho izany ny fanambarana fa ny hirahira sisa no nandeha dia gaga ihany aho. Tany amin'ny fandaharana iray hafa "kidaona maraina" no nanehoan'ny hafa ny heviny indray momba ity "fanafoanana" amin'ny teny malagasy fa "suspension" kosa indray amin'ny teny frantsay.

Ny antony araka ny heno dia toa hoe tadiavina entina hanaikana ny olona hilahatra no antony. Olona mpihaino iray moa no nanao izay fitenenana izay ary efa novalian'ny mpanentana io saingy iny no fanararaotran'ny mpitondra hanakatonana azy. Miasà mafy ny Mpamaham-bolongana rehetra fa mandady ny trambo. Mety ho anjarantsika ihany koa ny manaraka, ary mety hisy ny fanakanana ny aterineto raha mitohy izao.

Nisy moa ny niteny tao amin'ny kidaona fa raha tsy afa-maneho ny heviny ny olona dia ahiana ny hielezan'ny graffitii hanehoan'ny olona ny heviny.

 


Tana Terminator

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 17:18

Araka ny fitadidiako dia izay vao nisy fanafihana nataona jiolahy paositra mpitandro filaminana teto Antananarivo niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana dia ny basy izany. Nisy ihany ny filazana taloha fony nodidiana ho tsy ara-dalàna ny kung fu tamin'ny androny, nihorakoraka teny amin'ny manodidina ny hotel de police teny tsaralalàna ny kung fu anjatony tamin'izany fotoana izany. Fa ity nitranga tamin'ity herinandro ity no nisiana fanafihana mitam-basy. Manamarika izany fa dia lasa toy ny miaina anaty lahatsary mihitsy ny mponina eto Antananarivo amin'izao fotoana izao.

Efa hitan'ny rehetra omaly fa nisy jiolahy roa maty notofirin'ny polisy teny Tsaralalàna, azo sambobelona ny iray ary afa-nandositra kosa ny iray. Izay nanatri-maso dia nilaza mazava fa tsy nisy bala nisolifatra mihitsy ny an'ny polisy fa ny an'ny jiolahy no mety ho nisy raha nisy izany. Ny alin'io ihany dia notafihin'ny jiolahy ny paositra tsotra iray teny Antsalovana... moa va tsy toy ny tamin'ny terminator hitako voalohany indrindra miaraka tamin'ny teny hoe "I'll come back" (tsatoka teny anglisy fotsiny io fa ny "je reviendrai" no narahina tamin'ny lahatsary). Valifaty avy hatrany no ambetintenin'ny rehetra.

 (tohiny)

Miantso fanampiana ny Ben'ny tanĂ na Andry Rajoelina

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 10:58

Tsy ela tokoa, fa raha niangavy ny hilazan'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ankehitriny mikasika ity fanendren'ny Prefen'ny Polisy ny sefom-pokontany ity mpikarajia sy ny mpikidaona maraina (mpiantso amin'ny telefonna isaky ny maraina andavanandro) dia nasaina manokana na tonga tao amin'ny filazam-baovaon'ny Viva TV izay azy ihany izy tamin'ny 8 ora sy sasany alina teo.

Tsy naharaka hatramin'ny voalohany aho fa dia niangavy izy, raha azo atao mba hisafidianan'ny olona ihany ny sefom-pokontany. Nomarihiny manko tao anatin'ny resaka fa misy sefom-pokontany tsy hita intsony izay nalehany hatramin'ny nahalany azy izay ka nikatso avokoa ny taratasy ilaina ka mila ny soniany. Voalaza teo moa fa ity fanendrena ataon'ny prefen'ny polisy ity dia efa nokasaina ny 14 desambra 2007 (roa andro taorian'ny fifidianana ho ben'ny tanàna monja) fa izao vao nolazaina.

Manaraka izany dia nolazainy fa tsikaritra ho mahazo fanembatsembanana isan-kerinandro ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Voalohany ilay Raharaha solika (trosa) nampijanona ny fandraofam-pako iny. Noho ny raharaha solika tsy nisy teo iny dia efa nisy ny nanolotra gazoala 5000 litatra aloha, dia nisy 5000 litatra hafa ihany koa ary vao farany teo dia nisy nanome 2000 litatra. Faharoa indray ilay resaka Jirama izay nanana ny akony manokana sy nampivadika tanteraka ny hevitry ny maro momba ny ataon'ny fanjakana foibe. Nanangana fahavalo ho azy izy ary maro tamin'ny mpanohana aza no tohina ihany koa. Taorian'io tranga io dia tsy nisy firy intsony ireo nitondra tee-shirt Hery Rafalimanana. Ny fahatelo indray moa dia ity fanendrena sefom-pokontany tsy misy fifidianana ity. Ny fahaefatra angamba ANGAMBA dia tsy manaraka Can ny mpijery baolina malagasy satria amin'ny herinandro izy io no hanomboka sa inona re no azo eritreretina hafa?

Ankehitriny ary dia miantso ny malala-tanana rehetra ny Ben'ny tanàna hanao fanampiana ny tanàna satria tsy misy intsony ny vola hampiasaina. Hajoro na sokafana indray ny FAR (fanampiana an'Antananarivo Renivohitra). Toa filazana ankolaka fa efa mivonona ny tsy hahazo ny anjara tetibolany avy amin'ny fitondrana foibe ny Renivohitry Madagasikara.


Ahoana tsara? Mpamotika zavabita hoe?

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 17:03

Dia saiky kamo be aho hanoratra fa aleo aloha soratana ihany. Gaga aho fa hay betsaka na lehibe indrindra fa ankizy no tsy mahalala izany rameva. Izaho angaha no milona amin'ny teny malagasy. Chameau na dromadaire re izany ry zareo tsy mahalala a! fa izao, dromadaire izany no tonga taty amintsika fa tsy chameau, nefa samy karazan'ny chameau ihiany moa ka tsy diso loatra izany ilay voambolana nilazana ny rameva tonga teto amintsika iny. Samy rameva indray aloha no ilazana azy e!

Fa mba fatratra ihany koa ny lahatsoratra novakiako tamin'ny gazety "Ny Vaovaontsika" izay mpanohitra ny fitondrana sady mpanohitra bontolo ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Toa tadiaviny endrikendrehina ho mpamotika ny zavabita indray ny TGV sa Antananarivo? Ny mpamaky ahy dia mahafantatra mazava tsara fa tsy nifidy TGV aho. Fa izany tsy manakana ahy tsy hitsikera izay tsy mety ataon'ny fitondrana kosa. Izay no fahalalahako. Ny sary mivoaka eto izao dia sary nalaiko tamin'ny faran'ny taona tany ho any. Nalahelo aho hoe mba tsy mety loatra izao famotehina izao. Saingy hitako fa ny fiara te-hiantsona mihitsy no be loatra eo amin'io faritra io ka tsy mahagaga raha voadoadoana ireo foto-drafitrasa nahafinaritra kely ireo. Ny tena nahasosotra dia samy toa voaendrikendrika na Antananarivo na ny TGV.

Na izany na tsy izany dia tena misy mikendry zavatra hafa mihitsy ny sasany izay tsy voatonona eto. Hitako manko fa ny soavaly vy indray no te-hameno ny toerana nialan'ny fiara. Na moto io na scooter samy voatonona avokoa. Moa misy ihany koa ny efa zatra mihetraketraka amin'ny firimorimoana mafy ka rehefa manana olana dia ny tsatobato ihany no ifatraran'ny rihitra hampijanonana ny fiara.

Fa ity koa, tena nampieritreritra tokoa ilay nolazaina fa nandeha nankany Afrika Atsimo ny filoha fa samy tsy hita na ny nandehanany na ny nahatongavany teto an-tanindrazana an! hum...


«Mialoha   1 2 3 ... 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 ... 65 66 67  Manaraka»

Powered by LifeType