Maharesaka.VETO

Tsikin-drameva

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 12:09

Mifarana indray ity ny herinandro ka dia aleo ny tsikitsiky aloha no hamaranana azy. Ny Rameva tonga eto Madagasikara aloha izao no ambentin-dresaky ny manodidina ahy. Ny hoe maro miresaka azy aloha tsy azoko itompoana kosa. Iza kosa no tsy ho taitra raha maheno hoe misy Rameva tonga eto Madagasikara? Faniriana fahakely ihany ny hahita ny biby tsy fahita ho eto Madagasikara fa ny Liona sy ny Tigra ary ny Elefanta no tena masaka tao an-doha fa tsy dia noeritreretina loatra kosa ny hijery izany Rameva. Na izany aza nahoana tokoa moa raha mba mahita Rameva mivantana ny olona? Mety hilaharana indray izany ny hakany Iavoloha hijery azy fotsiny, na raha tsy tian’ny filoha moa ireto fanomezana voalohan’ny taona hafakely ireto dia tsy lavitra ny Lapa tsy akory ny zaridainan’I Tsimbazaza sy ny Lapan’ny Antanimieram-pirenena. 


Oadray tokoa, dia samy manana ny zaridainany tokoa I Tsimbazaza sy Iavoloha an! Ao Tsimbazaza tokoa hay moa ny Biraon’ny Ben’ny tanàna eto Antananarivo. Fa ny ao Tsimbazaza ny biby sy zavamaniry tsy fiompy sy tsy famboly loatra no tena apetraka hotsidihan’ny olona fa ny any Iavoloha indray ny fiompy sy ny famboly no miranty ao. Fa lasa aiza indray ary ilay resaka rameva teo? Saiky hivily tokoa ny resaka marina. Ahoana indray ary ny vazivazin’ny namana: Hojeren’ny filoha indray izany hoe mahatratra firy litatra isan’andro no mety ho azo amin’ny rameva vavy iray, azo sotroina manko ny rononony, ary azo hanina hoe ny henany saingy tsy hanin’ny jiosy io satria tsy mivaky kitro araka ny fahalalako azy, nefa aleo aloha hojerena mivantana ihany. Dia raha misy filazana indray rehefa avy eo hoe hanafatra rameva be dia be isika dia mety hahazo tombony anatin’izany indray ilay orinasa efa midadasika tsy tononiko izay. Ny azy manko io ronono io ihany no tena mba angadiny…oadray talentany no marina kokoa.


Fa ny tena nahatapaka ny tsinaiko dia ilay saritatra nataon’i Tojo ao amin’ny joro “Passe-Par-Tojo” androany tao amin’ny Midi Madagasikara iny. Tsy naka alalana fa dia aleo tantaraina an-tsoratra ihany. Indreo ny Rameva fa mipetraka tsy dia lavitra loatra ny Lapa, ankevitry ny any ho any amin’ny faritra “fitaratr’i Madagasikara” any, anivon’ny biby sy ny zavamaniry. Misy mirahalahy miresaka eo ka hoy ny anankiray hoe: Il ne manque plus que les mages! (ny magy sisa no andrasana!). Efa tena raiki-tapisaka amin’ny olona tokoa noho ny sary fa rameva no nandehanan’ny magy na dia tsy mahatadidy izany loatra ao amin’ny baiboly aza aho. Dia misy zazalahikely mitondra manolotra tavy kely amin’ny rameva miteny hoe: Hinana Yaolta? (hihinana Yaourt?). Dia hoy aho hoe mbola tsy lasa lavitra tokoa ny Noely ry zareo. Noely fankalazana ny “ Fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no nomena antsika, ary ny anarany dia atao hoe Iman…uel” fa raha eto amintsika angamba noho ny fifidianana farany teo dia andeha atao hoe “raj…uel” (izy manko no nofidian’ny maro an’isa koa!). Dia ahoana izany? Ataonareo hoe Heraoda ny filoha izany? Tezitra amin’izany eo izy an!


Fa lasa ihany ny saiko ry zareo, nahoana moa ny efa nanana anarana hoe rameva ny rameva teo amin’ny Malagasy? Edrey! Tsy maintsy noho ny fitadiavana voambolana teo amin’ny baiboly ihany io ry nao a! tonga teo amin’ny tantaran’i Esao sy Jakoba, na Abrahama ohatra dia inona no atao anaran’ny biby tsy fahita eto Madagasikara? Tsatoka sy hanihany sisa fa raha misy moa ny tahirinkevitra milaza izany mety hahafinaritra ihany. Avy amin’izay ary ny Misionera mpandika teny nampiseho ny sary tamin’ny mpianatra (Malagasy) sady mpiara-mandika ny baiboly ho amin’ny teny malagasy rahateo. Dia avy ny Misionera niteny hoe “Kamela ity” na “Diraomadera ity”. Ny mpianatra kosa vatany vao nahita ny sarin’ilay biby dia nisy niteny hoe “Raha meva tokoa izy izany” Mety ny teny hoe madera avy tamin’ny Diraomadera izay mitovy dika amin’ny meva sy ny tsara ary ny soa sisa no henon’ny mpianatra mijery sary vao. Dia namerina ny misionera hoe “Diraomadera”, novalian’ny mpianatra ihany hoe “Eny e! Raha meva” Dia noraiketina ho Rameva ny anarana nifanarahana. Hanjohanjo ihany izany fa mety noho ny fitiavan’ny iray amin’ny mpandika teny tokoa, tsy fantatra na malagasy na vazaha, ny biby no nahatonga azy hoa rameva “nahazo anarana manomboka amin’ny Ra…” Angano angano à rire à rire…


Tokony hampahafantatra ny hetra sy haba aloany ny Tiko

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 08:14

Eo anoloan'ny fisondrotan'ny hetra sy ny haba isankarazany dia mandeha dia mandeha ny fanontanian'ny mpiresaka an-dalambe, fa tsy amin'ny haino aman-jery hoe mba mandoa vola ve ny tiko sa orinasan'ny filoha dia tsy takian-ketra?

Mitsamboaboatra ihany ny olona raha vao ampifandraisana ny hetra aloan'ny olona ka iniana anotaniana hoe mba manao ahoana ny vondrona tiko? Koa raha sahy sy te-hampangarahara ny toe-java-misy manaporofo ny fitiavan-tanindrazany amin'ny fandoavan-ketra ny tiko dia tokony hanambara izany ampahibemaso sady hilaza ny vola naloany isan-taona indrindra hatramin'ny nitondran'ny filoham-pirenena.

Efa manahirana koa manko ny lahatsoratry ny vaovaontsika indraindray tahaka ny fanaovana lohateny hoe politikan'ny fitarainana. Dia manantena isika fa hampiseho ny fanatontosany ny adidiny ny orinasan'ny filoham-pirenena


Ny karamanay aza tsy hiakatra mihitsy

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 10:45

Nanana ny lazany teto amin'ny tanàna indray ity resaka nampakarana ny karama ity. Ny an'ny mpiasam-panjakana no nolazaina voalohany tamin'ity raharaha ity nandritra ny kabarin'ny filoha Ravalomanana tamin'ny faran'ny taona teo iny.10% no nolazaina ary natao hoe nahakivy ny mpiasam-panjakana izany. Izaho indray tsy hitako izay tokony hahakivy satria samy manao ny ataony daholo ihany ary raha misy ny sampan-draharaha tsy mandeha amin'izay laoniny ny fanaovana asa dia ny asam-panjakana no malaza voalohany indrindra amin'izany. Ny an-dry zareo aza misy fampakarana ihany isan-taona fa ny anay izany indray mandeha ihany izay tao anatin'ny dimy taona, sady noho ny "fiakaran-daharana" fa tsy hoe niakatra tamin'ny toerana nisy ahy.

Androany indray dia nahita tamin'ny gazety fa nanao soso-kevitra hampakarana ny karama koa ny patirao "sasany". Averiko indray ny hoe sasany ka tsy 10% toy ny an'ny mpiasam-panjakana fa 8% hoe. Endrey, mba misy vondrona manao izany ihany kay? Ny anay manko dia efa nilaza mialoha (aza manontany izay misy ahy fa tsy hilaza koa aho) fa na dia te-hanondrotra aza dia tsy afaka noho ny nampakaran'ny fanjakana ny isan-jaton'ny hetra alaina amin'ny orinasa. Tsy hilaza ny taha ihany koa aho satria ho hita any amin'ny teti-bolam-panjakana 2008. Indrisy ry mpiasan'ny tsy miankina toa anay fa tsy hisy ny fanondrotana...

Fa ny mba mahagaga ahy dia ny hevitra sasany manao hoe aleo, hono, tsy ampakarina ny karama, dia sakanan'ny fanjakana ihany koa ny fiakaran'ny vidin'entana. Atao ahoana fa izay angaha ny tarazon'ny fotokevitra sosialista revolisionera niainana fahazaza. Ny vidin'entana tsy ho azo ferana na oviana na oviana tsy hiakatra indrindra ao anatin'izao vanim-potoanan'ny fanotoloana izao. Zaranareo izay mahazo fanondrotana aza fa na dia miakatra aza ny vidim-piainana dia manana hafainganam-pandeha tsaratsara kokoa ianareo noho ny anay omaly tsy miova.

Fa izany eo ihany fa iza ary ireny manam-pahaizana momba ny antontanisa milaza fa 15% ireny ny fiakaran'ny vidin-jiro? Ny ahy ve rangahy lasa avo roa heny mihitsy ny fiakarany dia 15% hono... any amin'ny vaniny faharoa anie no tena mamely ilay fisondrotana e! (2° tranche no tiako lazaina fa ilazao ihany aho raha misy teny malagasy metimety aminy kokoa. Fa na dia hiakatra 8% aza ny karaman'ny mpiasa tsy miankina hafa ny anay aloha efa niala tsiny ny lehibe e!


Lasa any Afrika Atsimo ny filoha Ravalomanana

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 18:06
Misy moa ny niresaka fa midika zavatra be dia be ny nitsidihan'ny masoivoho amerikana sy maorisiana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Noho izany indrindra ve sa fifanandrifian-javatra ny nialan'ny filoha sasatra tany amin'ny faritra avaratra aloha dia izao lasa any Afrika atsimo izao. Tsy fitsidihana ofisialy manko ny andehanany any fa fitsidihana amin'ny anaran'ny tenany manokana (visite privé). Izay ahay Atoa filoha, malaza loatra any amin'ny takoritsika manko hoe ny hivoahanao lava io dia mikarakara ny orinasanao hatrany (mitady entana na akora hamidy eto Madagasikara) nefa ny volam-panjakana no ampiasaina amin'izany, siosio ihany izany fa tsy fantatra akory izay fahamarinany. Izao dia voalaza tsara fa dia mitsidika any Afrika Atsimo amin'ny anaran'ny tenanao manokana no andehananao any. Mba mazava kokoa ny resaka fa tsy hifampitsongoloka ambadika lava izao!

Ka iza ary no hisolo ny Shoprite?

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 08:22
Orinasam-barotra goaibe Afrikana Tatsimo ny Shoprite araka ny fahalalako azy. Izy no nisolo ny Champion izay tsy tamana teto Madagasikara intsony rehefa nifarana hatreo ny fitondran-dRatsiraka Didier. Raha izay tadidy izay no lazaina dia tokony ho tamin’ny taona 2003 teo ho eo no niditra ny tsena malagasy ity fivarotana goaibe ity.

 

Raha misy ny toerana tsara indrindra azony mahalaza tsara azy dia io eo Antaninarenina (Printemps, Prisunic, Champion ary farany Shoprite) io. Na dia lavitra akaiky azy aza manko ny eo Analakely anoloan’ny Lycée Rabearivelo dia azo lazaina fa samy manana ny mpanjifany izy roa ireo. Ho anareo mbola tsy mahalala ary dia nikatona io Shoprite eo Antaninarenina io nanomboka ity volana ity noho ny tsy nanavaozan’ny tompony intsony ny fanofana ny trano. 


Azo lazaina fa tombombarotra misimisy ihany no very noho io fikatonana io ary hahazo tombony izay hahazo io toerana fantatra amin’ny mahatsenambarotra lehibe azy. Dia hibanjina any ny mason’ny mpanarabaovao liana hahafantatra haingana dia haingana izay nahazo ny tsena. Mbola ho tsenambarotra ihany ve sa hampiasaina zavatra hafa amin’izay? Aza hitako anie ka lasa mahagrrrr…aoka marina e !
«Mialoha   1 2 3 ... 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 ... 65 66 67  Manaraka»

Powered by LifeType