Maharesaka.VETO

Vola sandoka eee!

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 08:20
Na dia tsy misy mpilaza loatra amin’ny haino aman-jery aza ny fisian’ny vola sandoka eto amin’ny firenena, tsy milaza izany fa tapitra hatreo ny amin’io. Hatramin’izao fotoana izao dia any ambanivohitra no tena malaza ielezan’ireny vola sandoka ireny. Mazava loatra fa raha tsy mahalala tsara ny vola dia mety ho voambaka, indrindra fa ireo mpivarotra omby any amin’ny tsenan’omby mazava loatra.  


Tsy dia miakatra eto an-drenivohitra loatra kosa ireny vola sandoka ireny noho ny fahalalana avy hatrany ny mahasandoka azy angamba. Vantany vao aharenesam-peo ny fisiany manko eto Antananarivo dia vetivety dia azo ireo mitondra azy ary matetika rehefa misy tambajotra tratra dia misy Komoriana na Afrikana vitsivitsy hatrany ao anatin’ny tombajotra iray. Noho izay antony izay no mahatonga ny maro izay iresahako tsy mankasitraka loatra ny fahamaroan’izy ireo eto an-tanàna ary antony iray tsy nankasitrahana ny fidirana tamina tsena ekonomika roa avy hatrany (sadc sy comesa). Ny tombotsoan’ny filoha ihany no tena banjinina tamin’ny fidirana tamin’ireo vondrona ekonomika ireo, hoy ny hevitry ny tsy mpankasitraka sy/na tsy mahita tombotsoa loatra amin’ny fahamaroana Afrikana mandraharaha eto an-tanàna. 


Izay no ela fa hampiseho anareo sarim-bola ambadika sy anoloana aho ka anjaranareo ny mamaly aloha hoe iza amin’ireo vola ireo no hitanareo fa vola sandoka? Samy sandoka avokoa ve izy roa sa samy tena vola avokoa? Sa ny vola ambony ihany no sandoka? Sa ny vola ambany ihany no sandoka? Hazavao ny hevitrao!

   

Ny valinteny marina amin’ireo fanontaniana rehetra ireo dia “TSIA” avokoa afa-tsy voalohany sy ny farany irery ihany. Ny voalohany tsy mety valiana eny na tsia fa mitady valiny hoe itsy, na iroa, na izy roroa, na samy tsy izy. Ary raha mamaly “eny” kosa ianao tamin’ny fanontaniana farany ka manana ny antony mazava dia nahita ny marina ianao.


 


Ny tsikaritry ny nahita ny mahasandoka ilay vola teo ambany voalohany dia ny soratra 2000 nitsonika. Io vola nitsonika io no manaitra ny saina satria tsy dia fahita tamin’ny vola taratasy loatra.


 


Rehefa hita iny nanaitra voalohany iny vao afaka jerena hoe toa somary mifotetaka kokoa ny loko na dia tsy mivandravandra aza izany. Ny vola tena izy moa hita ho maimaina izay ihany ny fijery azy.


 

Aoka anefa homarihina fa sary alaina ambanin’ny hazavan’ny masoandro ny sary nijerenao azy fa raha ny nandraisanay azy tanaty toerana somary malomaloka maizimaizina ihany dia tsy hahatsikaritra azy loatra ianao raha tsy efa nilazana mialoha. Maro tamin’izay niresahako moa ny niteny hoe raha any amin’ny fiara fitaterana iny no alefa tsy hisy hahatsikaritra akory. Ny fandrasaina ilay vola manko raha tsy efa mpikirakira azy tsy hahatsikaritra ny mahasamihafa azy amin’ny tena izy akory. Tsapa ihany fa somary matevina ilay vola sandoka nefa malefaka kokoa rehefa miara-raisina izy roa.

 
[25]

 Rehefa izay vao mijery ny tsikaritra hafa ianao. Io fa mivandravandra mamirapiratra loatra ny tsiratsiraka fanavaham-bola (filament) amin’ilay vola sandoka nefa rehefa tarafina tsy ahitana soratra 2000 tahaka ny amin’ny vola tena izy.

     


[4,20,27,26]

Jereo kosa anefa fa vitan’ny manao vola sandoka amin’izao fotoana izao ny sariomby izay fiarovan’ny maroan’isa taloha.

 

 [28,29]



Ny mampihomehy amin’ny sariombin’ny volasandoka fotsiny dia tsy marika 2000 araka ny sary amin’ny vola tena izy no hita fa 5000. Jereo tsara ny maritsoratra mitsangana miakatra eo ambany ankavian’ny sariomby. Misy ihany koa moa ny fiavahana madinidinika nefa noho ny hamaroan'ny sary hijerena ny lafy sy ny joro rehetra dia azonao jerena eto izany.



 
Eo vao lasa ny eritreritra hoe, tsy hanao dikantsary vola tsirairay ny manao vola sandoka fa mety hiverimberina ny laharana sahala amin’ity asehoko eto ambany ity


 


Fa rehefa nahita ity vola sandoka ity aho, ka miverina mieritreritra ny sarambamben’ny olona indray mamantatra ny vola sandoka amin’ny tena izy dia hoy aho hoe tsy mahagaga raha betsaka ny vola rovitra mandehandeha ain’izao fotoana izao. Tandrifin’ny tsiratsiraka hatrany manko no misy ny rovitra ka mahalasa ny fisainana hoe misy manao fanahy iniana mandrovitra ve sa eo no mora rovitra ny vola. Amiko manokana anefa dia tsy mitombina loatra ny valinteny faharoa farany io.

Akon'Iavoloha

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 11:48

Araka ny efa fantatry ny mpanara-baovao dia androany maraina naroso tamin'ny 9 ora ny fifampiarahaban'ny mpitondra fanjakana amin'ny solombavambahoaka sy ny ny Ben'ny tanàna. Mazava loatra fa tany amin'ny lapam-panjakana Iavoloha no nanaovana izany fifampiarahabana izany. Dia lazaina mialoha eto fa teo amin'ny fitoerana voalohany no napetraka ny Ben'ny tanànan'Antananarivo mivady na dia tsy sisiny loatra aza izany.

Manaraka izany noho ny asa dia tsy naharaka tsara aho na dia te-hampita antsipiriany ny zavanisy tao aza. Misy ihany koa anefa ny tsikaritra tanatin'ny asa. Ny kabary re voalohany dia ny an'ny filohan'ny antenimieram-pirenena Atoa Jacques Sylla. Fifampiarahabana moa ka tsy maintsy firariantsoa no manjaka. Mazava loatra fa tiany hanandanja ny firariana "hiaina amin'ny fandriampahalemana" sy "hiasa anaty filaminana" ny vahoaka. Mitohy avy eo moa ny fampandresen-dahatra fa anaty fanatontoloana isika ka mifampiankina anaty sehatra iraisam-pirenena avokoa ny zava-misy rehetra, toy ny fiakaran'ny vidin'ny solika, ny fitsarana ady heloka bevava ary ny tany mihamafana.

Ny Praiminisitra avy eo no nikabary ka nilaza tsotsotra ny vitan'ny governemanta. Tao moa no nahenoana hoe nihena 38% ny tahan'ny heloka bevava raha oharina tamin'ny taona 2006. Teo koa ny filazana fa tafaverina amin'ny tompony ny 75%n'ny omby nangalarina. Teo koa no nilazana fa hakarina ho 60 000Ar ny fanampiana ho an'ny mpampianatra FRAM na mpampianatra iantohan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra ka mba manao fanampiana ihany koa ny fanjakana foibe.

Nanaraka ny kabary na anatin'ny kabary moa no nanateran'ny olombaventy sy solontenam-paritra isankarazany ny solombodiakoho. Anisan'ny nanolotra izany tamin'ny filoham-pirenena mivady ny Ben'ny tanànan'Antananarivo sy ny solontenan'ny isam-paritra. Narahina fanomezana santa-bary avy amin'ny isam-paritra 22 izany satria "ny akoho laoka ampiarahana amin'ny vary" hoy ny kabarin'ny filoham-pirenena. Miteny faritra ihany dia tsara ny milaza hoe nihofahofa teny amin'ny sehatra avokoa ny fanevan'ny faritra 21 (sarin'ny armoirie) fa ny an'ny Haute Mahatsiatra no "tsy misy saina" tsy nahatonga ny azy, drapeau no tiako lazaina hoy ny filoha izay. Ny tsikaritra hafa ihany koa dia ny nampitodihana tamin'ny mpanatrika ny osy iray rehefa hikabary ny filoham-pirenena. Kely ny hanin'ireny dia efa mahavokatra ronon be, hoy ny filoha nandritra ny kabariny.

Nandritra ny kabariny tokoa ny filoha dia nilaza fa be ny asa vita saingy be ihany koa asa miandry. Ny 75%n'ny malagasy manko no mbola mahantra. Nolazain'ny filoha amin'ny zay ny laharam-pahamehana telo hotanterahin'ny governemanta mandritra ny taona 2008. telo aloha hoy izy fa tsy valo.

1- Hampitombo ny harin-karena (fampandraisana anjara ny mpandraharaha sy ny mpanao asa tanana malagasy) satria tsy hisy fandrosaona izany raha tsy mitombo io harinkarena io.

2- Fanamafisana ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra.

3- Fampihenana ny fahantrana

 

Ny tanjona kendrena manko araka ny filoha dia ny hahatrarana ny harinkarena ho 7 na 8% any ho any. Avy eo moa dia nampitenenin'ny filoha hamelabelatra ny zavamisy ankehitriny ny minisitra Ivohasina Razafimahefa. Lavalava ihany io kabary fanavazavana io fa miaraka amin'ny tabilao sy voarakitra an-tsoratra moa ka tsy nahamonamonaina loatra. Ny nomarihana sady efa fantatsika ihany dia 580 000 000€ no azo tamin'ny firaisambe Eoropeana ary 700 000 000$ kosa indray no azo avy tamin'ny banky iraisam-pirenena hanatanterahana ny MAP. Ny faharoa dia raha 475 000Ar n harinkarena isam-batan'olona tamin'ny 2006 dia tafakatra ho 628 260Ar kosa izany tamin'ny taona 2007. Ny tahan'ny fahantrana kosa raha 80.0% tamin'ny 2002 dia nihena ho 67.5% kosa izany tamin'ny 2006, mbola eo ampikajiana fa mbola mihena io hoy izy.

Ary ny nomarhinia farany dia hisy fifaninanana ho an'ny Kaominina rehetra ka ny valin'ny fifaninanana dia holazaina amin'ny 10 novambra 2008 any amin'ny lapam-panjakana eny Iavoloha ihany. Asa mety mbola hisy hosoratana ve?


Albert Rakoto Ratsimamanga: Tsy raharahan’ny fanjakana?

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 07:53

Dia hihomehy angamba ianareo raha ilazako hoe ny tohiny indray no nivoaka talohan’ny fanombohana. Nefa dia izay indrindra no nitranga. Ity lahatsoratra (na ny marina kokoa ireto sary ireto) no tokony ho talohan’ny faran’ny taona teo (ny angolanao Ratsimamanga) fa noho ny fanadinoana dia niantsoromianotra ny fanehoana ny sary.
 



Tamin’ny roa ora sy sasany mahery aho no tonga tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina. Efa nandeha ny hira mahafinaritra ny mihaino azy indrindra fa ny zavamaneno tendrena. Mahafinaritra sy sofina aok’izany ny mandre feonkira vahiny tendrena amin’ny valiha sy ny korintsana ary ny ampongatapaka. Noho ny fandrosoana moa dia tsy maintsy niasa ihany ny vatamarolafy (synthetiseur ho an’ny mahay teny malagasy ihany) saingy noho ny fo efa babo angaha dia tsy nahita izay lesoka ny tena, sady tsy dia havanana loatra amin’ny mozika rahateo. Gaga aho fa nifandimby mitendry ny hirany ireo tarika roa samihafa nefa dia tsy nisy fanolorana mihitsy teny an-tenantenany teny. Hay moa ka…



Lasa ny fotoana maromaro, nandray fitenenana amin’izay ny mpanolotra namerina ny fiarabana. Dia natao moa ny fombam-piarahabana mahazatra ny malagasy ary dia niteny i Di Rahaingosoa hoe: anatin’ny fitenenana dia misy ihany koa ny fialan-tsiny. Efa dila ny 20 minitra nifanarahana ka dia tsy maintsy atomboka ny fotoana. Malahelo dia malahelo ny vady navelan-dRatsimamanga raha mahita ny havitsian’ny olona tonga. Nihevitra izy fa tsy nahavita ny adidy nankinina taminay izahay tamin’ny fanapariahana tany amin’ny fampahalalam-baovao isan-karazany ity fotoana izay tsy misy vidim-pidirana ity. Efa nitety ny haino aman-jery ihany nilaza, ary efa nandefasana filazana avokoa ny fiangonana rehetra hahamora ny fandrenesan’ny rehetra ny fisiany saingy tsy tratra ny kinendry. Mety ho ny fanomanan’ny olona ny fety ihany koa no mahatonga ny tsy firaikan’ny olona na noho ny orana tsotra izao (avy mitsitapitapy hatrany ny orana na dia tsy nivatravatra loatra aza).




Ny tena nampalahelo dia tsy nisy solontenam-panjakana tonga mihitsy tao na dia iray aza (tsy nisy na solontena aza). Olomangan’ny firenena anefa no tsarovana sady Malagasin’ny taonjato XX mihitsy aza saingy… maro aza ny firenena tsy mba manana olona atao maodely ka mindrana ny an’ny hafa fa isika Malagasy efa manana olomanga amin’ny sehatra misy azy avy tsirairay avy saingy…Dia lasa ny eritreritro (izaho mpanoratra) hoe efa nahita ihany aho tany anaty boky tany (Madagascar le duel?) hoe tamin’ny fotoana nahafaty an-dRatsimamanga dia ninia nijanona tany Parisy ihany ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany satria taranaka Padesm izy raha mpitolona mafana fo tao amin’ny Mdrm kosa ity nodimandry. Fanahy iniany mihitsy ho voalevina ny razana vao nitody an-tanindrazana izy. Fa ny an’ny mpitondra ankehitriny kosa, inona ny kakainy tamin’ity Olomangam-pirenena ity? Sa ve hoe aleo ny lasa homba ny lasa fa ny hoavy ihany no banjinina?


Efa niteny ihany koa moa ny mpanolotra hoe tsy hitahita ihany koa ny haino amanjery mba hampitan-kafatra ho an’ny vahoaka tsy mandady harona. Nisinsy ihany aloha ny mpaka sary tao fa mpaka sary fankam-bola angamba no tena betsaka tamin’izy ireo. Nisy fa tena vitsy tokoa ny mpaka sary handrakotra ny fitantarana ny fihetsiketsehana natao. Izaho moa tsy nanana fakana lahatsary, nisy naka aloha tao, fa raha tsy izany fifaliambe ho ahy ny nanana ny zavatra tsy maintsy ho vitsy mpanana tahaka ny nakana iny fotoana iny.


Na izany aza dia maro ihany ireo olom-baventy fantatry ny olona nanatrika toa ny Pasitera Andriamanjato Richard, ny Jeneraly Désiré Phillipe Ramakavelo, Ranjivason Jean Theodore, Odette Rahaingoson, Nalisoa Ravalitera, Suzy Ramamonjisoa, Ratrema William, William Rabemananjara sy ny hafa mety ho tsy tadidiko.



N
y tohin-dresaka moa dia efa nosoratako tany amin’ny “Ny angolanao Ratsimamanga any”.


Fa rehefa nivoaka moa ka saiky haka sary somary lavidavitra kokoa ny anoloan’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena dia ny atsanga no tena nanaitra (ireny ranontany sy ny fako izay mety miaraka aminy ireny nokaohin’ny riaka avy any Ankadilalana ireny no atao hoe atsanga raha tsy diso aho). Asa be hatrany hay no miandry ny Kaominina isaky ny avy ny orana raha tahaka izao k’ty. Fa mbola tanatin’ny fety moa ka dia sahirana amin-javatra hafa ny mpiasa e! i Mahamasina sy ny manodidina azy ity aloha hitako tena olona foana isaky ny orana e!

 



nosoratan'i jentilisa tamin'ny 3 janoary 2007
Nisy moa ny nangataka ny momba an-dRatsimamanga, ataoko fa hanampy azy ireo ity lahatsoratra tao amin'ny madagate ity.


Nahatratra ny taona 2008: itantarako ianareo dia mba itantarao

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 08:50

Miarahaba anareo nahatratra ny taona 2008 ihany koa izany, hanome fanambinana anareo amin'ity taona vaovao ity anie Andriamanitra amin'ity taona diavintsika ity indray. Dia hotantaraiko anareo izany izay natao nanditra ny faran'ny taona sy ny andron'ny taombaovao e!

Vao marainan'ny 31 desambra dia efa nirotsaka madinidinika hatrany ny orana, tsy nahasakana ny olona teto Antananarivo tsy hiantsena izany toetr'andro izany noho ny fividianana ny kanokanona madinidinika. Dia tsy niomana ny hivoaka ny trano koa izahay tao an-trano fa heverina ho fandaniam-bola fotsiny izany fivoahana ny trano izany sady ny lalana rahateo petsapetsa mba tsy hilazana ny fotaka mety hitsahana handoto ny trano hidirana rahateo.

Dia tao an-trano izany no niandry ny ora hifampiarabana nahatratra ny taona e! Ny "karaoke" ihany no natao masaka ary tsy maintsy nandalo avokoa ny revin'ny sokajin'olona rehetra, hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny zaza madinika... ny an'ny ankizy moa izany dia ny hira amin'ny teny frantsay no natao fa ireny no mba hain'ny ankizy. Eo no tena ahatsapana ny fahabangan'ny fanolokoloana amin'ny alalan'ny hira malagasy ny ankizy. Na dia mpandala faratampony ny teny malagasy aza dia noleferina ny hambompo sady mety hisy fiovana filamatra rahateo amin'ity resaka fitenenana ity afaka kelikely any. Ny nahafinaritra dia tsy nisy nijery fahitalavitra (nihoatra ny ora iray) izany mihitsy tamin'io fotoana io, no sady tsy misy hojerena loatra koa ny ao. Ny sarin'ny filoha mikabary ihany no miverimberina nefa ny mpanomana ny kabariny koa angamba tsy dia mahay loatra fa nahamonaina be izany ny nanaraka ny teniny. Tsy naheno izany fisondrotana  nolazainy izany no tsy ao anatin'ny vondron'asa iharan'ny fisondrotana ny tena. Impiry moa no nisy filazana izany fisondrotana izany fa ny anay tsy misy an'izany e! tsy miankina tsinona.

Rehefa nojeren'ny namana ihany koa ny fitsidihana ireny mpikarakara fety ireny dia nolazainy tamiko fa tsy dia betsaka ny olona tany. Heverina noho izany fa mety itovitovizana hataka ny anataonay avokoa ny nataon'ny ankamaroan'ny mponina teto Antananarivo. Mivory isam-pianakaviana dia manao izay hahametimety ny fetiny.

Dia mba tantarao hoe izay nataonareo?


Ny angolanao Ratsimamanga (tohiny)

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 11:11

Ity mpihira ity dia teo ampihirana ny hiran'i Dama Mahaleo tsy haiko lohateny iny fa misy ilay andalana manao hoe "indro misonenika ratovovavy iny". Hira fanentanana ny lalaon'ny Nosy tamin'ny 1990 izy iny raha tsy diso aho, fa mety ho diso mihitsy.

Ny sary hafa amin'ity andiany ity dia azonao jerena eto

Tsy diso fanoratra akory aho ary tsy diso famaky ihany koa ianao. Tsy ny angolanao ry Analamanga akory io nosoratako io fa ny Angolanao Ratsimamanga. Notontosaina tamin'ny alahady teo (omaly 30 desambra) tao amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena tokoa ny fahatsiarovana ny fahazato taona nahaterahan-dRatsimamanga ary dia naverina tao avokoa ny ankamaroan'ny hira nankafiziny na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany.

 

 

Endrey ny mandre izany hira klasika tendrena amin'ny vahila sy ny gitara, ankoatra izay tsy maintsy hiraina amin'ny lokanga sy ny mozika be. Antokom-pitendry mozika roa samihafa rahateo no tsy miala eny ambony sehatra ka toy ny mizara roa miavaka tsara io sehatra ambony io.

 

Ny sary 15 hafa amin'ity andiany ity moa misy ireo mpihira  dia azonao jerena eto

Eo ambany kosa no diavin'ny mpanolotra sy ny mpiantsa tononkalo sy ny mpanolotra tarihin'ny filohan'ny Fimpima, sy ny Havatsa Upem ary ny mpanentana Atoa Lalao, heveriko ho filohan'ny fimpimi ihany koa nefa aleo angambaina fandrao diso izany (miala tsiny fa tsy tafiditro tanaty clé USB ny sarin'ny mpanolotra fa entiko amin'ny fiandohan'ny taona). Antsam-pitiavan-tanindrazana sy tantaran'i Madagasikara ary ny mombamomba an-dRatsimamanga no mibahan-toerana amin'izany tononkalo izany. Ny hira indray moa ankoatra ireo izay notiaviny dia saiky nalefa avokoa ny hiram-pitiavan-tanindrazana rehetra miandoha amin'ny hiram-pirenena, ny fanevan'ny mdrm ary ny "Madagasikara ho an'ny malagasy, malagasy ho an'i Madagasikara".

 

Ny sarin'ireo mpiantsa samihafa dia azonao jerena eto

Azo lazaina fa tsy manam-paharoa ny fampisehoana na dia tsy tonga avokoa na ny mpijery, ny mpitondra fanjakana ary na dia ny haino aman-jery aza ahiako ho toy izany ihany koa.

Fanamarihana: noho ny fanadinoana ny zava-dehibe amin'ny sary dia amin'ny fiandohan'ny taona ho avy io no entiko eto ny sary hafa manana ny lanjany noho ireto tongako ireto koa.

Nosoratana androany 31 desambra 2007.

Mirary fety sambatra ho antsika rehetra e!


«Mialoha   1 2 3 ... 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 ... 65 66 67  Manaraka»

Powered by LifeType