TGV - TIM: Ireo ho diso fanantenana sy tsy ho diso fanantenana
(tohiny)

Araka ny efa nampanantenaina dia hamoaka ny sary izay azoko aho. Tokana ny tena ka tsy ary ho tratra avokoa ny toerana rehetra. Ny teto amin’ny manodidina ahy ihany noho izany no tena nalehako.
Aty amin'ny cyber moa izao no manoratra ka tsy misy sary aloha ny androany mazava loatra. Tsy dia hanao resaka lava ihany koa na dia izany aza fa hampahafantatra anareo fohifohy ny zava-misy amin'izao fotoana izao aloha.
Tamin'ny maraina tamin'ny 9 ora sy sasany no tratra ny 10%n'ny mpifidy eto 67ha avaratra izay misy ahy. Nilahatra vao maraina manko ny olona, mbola tsy nisokatra akory aza raha ny eto an-tanàna no jerena. Ary tamin'ny 5 ora teo no nahatratra ny atsasa-manila ny birao fandatsaham-bato roa raha mbola 40% kosa ny ao amin'ny birao fandatsaham-bato iray. Tamin'ny atoandro kosa dia somary nangingina ny birao rehetra nandalovako noho ny hafanana angaha. Fa nisy niverina kosa ny filaharana rehefa tolaka ny andro.
Dia izay aloha ny amin'ny taham-pahavitrihana. Mino aho fa tsy hitsahatra amin'ny 6 ora ity fifidianana ity. Rahampitso ny sary sy ny vokatra sasantsasany (raha tsy ny manontolo angaha).
Amin'ny valo sy folo alina eto amin'ny toeram-patako. Nandresy teo ho eo amin'ny
57isanjato teo ny TGV. Na dia ao ambodin'isotry fonenan'ny kandida TIM aza dia tahaka izany ihany ny vokatra. o angamba no vokatry ny tsy nandraisana anjara tamin'ny adi-hevitra. Dia miarahaba an'i Andry TGV izany amin'izao fandreseny izao. Demokraty aho tsinona. Hikapa hahita ny tonony anie ianao ary handidy hahita ny vaniny. Ny dikan'izany dia vao fanombohana izao. Mbola ho mafy ny ady raha ny fihetsika mety hataon'ny fitondrana no heverina. Efa nilaza rahateo ny filohampirenena fa tsy hiariasa amin'izay TIM ary ny resaky ny olona niady hevitra koa no nahenoako fa tsy hiara-miasa na amin'iza na iza ary na amin'ny fitondrana ny TGV. Izany hoe tokony hivonona amin'ny tetibola azy amnokana ny TGV fa mety hangeja ny ny vola avy aminy ny fitondrana foibe.
Alohan’ny fitantarana dia mila hazavaina angamba aloha ity kapotandroka sy dontany ity. Fomba fianarana kabary izy io sady fifaninanana kabary rahateo. Ny olona hiditra ho tena mpikabary dia mandalo amin’io sehatra io. Rehefa vita ny anjaran’izy mirahalahy manao izany kapotandroka sy dontany izany dia misy ny elanelam-panahy avy eo mitsara ny resaka.
Ity tantara ity, hono, dia tamin’ny andro nanjakan-dRadama III, ary amin’ny mahaangano azy dia foronina ny fotoam-pitondrana e ! Indray mandeha, hono, dia nandrasan’ny olona fatratra ny kapotandroka sy dontany hataon’izy roalahy ireo, Ikotofetsy sy Imahaka izany. Imahaka dia efa niana-draharaha ho Sakaizambohitraihany fa Ikotofetsy koa efa niomana fatratra ho amin’izany toeram-boninahitra izany koa. Nitaky ny hanaovana ny dontany sy ny kapotandroka Ikotofetsy hahitana izay tian’ny olona kokoa sady fotoana hanendrena indray izay ho Sakaizambohitra io fotoana io. Nisy ary ny fotoana nanomezan’ny mpikarakara ny kianja filalaovana iray fa alatsinainy no hanaovana io kapotandroka sy dontany io. Niandry fatratra Ikotofetsy. Maro kosa ny manahy sahady fa tsy ho avy amin’io fotoana io Imahaka.
Powered by LifeType