Maharesaka.VETO

Ny FahasahiandRainimamonjy

Finoana — Nampidirin'i jentilisa @ 09:22

Iza amintsika moa no mahalala izany Rainimamonjy izany? Olona nijoro tamin’ny tarigetrany na dia niafinafina ihany aza. Niezaka namita ny heveriny fa adidy manoloana ny fanenjahana nahazo azy sy ireo mpiray fanantenana aminy izay nosamborin’ny fitondram-panjakana mijoro. Mazava loatra fa tsy zavamisy ankehitriny no tantaraiko aminareo fa tantara nisy teto amin’ity tanindrazantsika ity. Tantara tsy dia nisy mpahalala nefa tantarana Malagasy. 

 

 (tohiny)

Gilbert Raharizatovo: hamoaka boky momba an-dRavalomanana

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 09:37

Iza moa no mahatadidy an’I Gilbert Raharizatovo ilay mpandray vahiny hiady hevitra tao amin’ny Radio nasionaly Malagasy isika tamin’ny fotoan’androny? Iza ihany koa isika no mahatadidy fa izy no nandresy tamin’ny fifidianana ho depiote tany amin’ny fari-pifidianana nisy azy ilay Malagasy nalaza tamin’ny resaka politika nandritra ny fotoana maro dia ny Pasitera Andriamanjato Richard izany? Ataoko fa efa nahare ny anarany farafaharatsiny ny Malagasy mpanara-baovao politika. Nangina ny lehilahy nandritra ny dimy taona, hay nikononkonona hamoaka boky somary lehibebe ihany. 

 (tohiny)

Antananarivo mibilaogy 4.0 sa ny ONG Foko?

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 10:59

Araka ny efa nolazain’ny namana hafa any amin’ny bilaoginy any dia notontosaina omaly ny fihaonana fahaefatra teo amin’ireo mpibilaogy mipetraka sy mandalo eto Antananarivo. Azo lazaina fa ity no nahavoriana mpitoraka betsaka indrindra nefa nahitana mpamaky vitsivitsy ihany koa. Araka ny efa fantatra moa dia teny Soavimbahoaka no nanatanterahana ity fihaonana ity ary sambany araka ny nolazain’I Barijaona (erantany aza io) no natao tany an-tranona mpibilaogy iray izany fihaonana izany fa tsy tany amin’ny efitrano fisakafoanana na trano fivoariana hafa. 

 (tohiny)

Ekena sa tsia ny fanamelohana ho faty?

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 10:17

Fanontaniana hiteraka adi-hevitra avy hatrany araka ny fiheverako azy. Nanontany tena tany amin’ny lahatsoratra nosoratany ny namana Tomavana hoe fa angaha mbola mihatra eto Madagasikara ny lalàna momba ny fanamelohana ho faty? Eto Aho no mamaly azy fa mbola manankery tokoa ny lalàna momba izany fanamelohana ho faty izany saingy tsy mbola nampiharina mihitsy hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena indray. Izay didim-pitsarana rehetra manonona ny fanamelohana ho faty dia miova ho fanagadrana mandra-pahafaty ho azy avokoa. Fiheverako azy: tsy mahavita mamono olona fotsiny amin’izao ny malagasy olo-tsotra. Olon’ny fo izy ka onena hatrany raha manao zany fihetsika izany. 

 (tohiny)

Izay manatrika ihany no mahazo

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 09:04

Misy dokambarotra milaza hoe izay milalao ihany no mahazo eto Madagasikara. Be manko ny miseho ho mahay sy mahita saingy rehefa avy eo dia tezitra na kivy satria tsy novidiana akory ilay notabatabaina. Misy koa ny makasiaka hoe maninona raha tsy miteny rehefa tsy nilalao akory? Resaka loka io ary fahita andavanandro eto Madagasikara hoan’ny mpiloka. Dia resaka loka ihany koa no holazaiko etoana fa tamin’ny Ebit notontosaina farany teo iny ihany. 

 

Ny fihetsiketsehana sahala amin’ireny tsy maintsy misy fidirambola fa raha tsy izany tsy hifofotra amin’ny fanaovana io ny mpanetsiketsika. Hampitaha lanonana roa nisesy teo amin’io lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina io aho. Ny voalohany dia ny fihetsiketsehana momba ny fiarakodia izay noheverin’ny mpikarakara fa fahombiazana tanteraka. Ny faharoa kosa dia fihetsiketsehana momba ny hairaha avo lenta momba ny solosaina sy nymanodidina azy. Samy miompana amin’ny manintona ny olona maro sy ilendalendan’izay tsy mahatakatra ireo fampisehoana roa ireo. Nefa azoheverina fa araka ny nanaovan’ny mpikarakara tsirairay no mety ho tena ati-dohany. 

 

Rehefa miditra eo amin’ny toerana dia takiana ny tapakila; ny an’ny mpikarakara ny fihetsiketsehana momba ny fiara dia hafa ny tapakila fidirana ary hafa ny tapakila hilokana raha te-hiloka ny olona. Fiarakodia avo lenta no loka voalohany sady isafidianana ireo fiara, mifidy fiara iray amin’izay fito atolotra izay mahazo ny loka. Maro isan-karazany ihany koa ny loka manaraka eo ary tsy dia ratsy mihitsy raha ny fijery azy amin’izao. Ity tokoa no tonga amin’iny teny fa izay milalao ihany no mahazo,izany hoe ao amin’ny nilalao ihany no hahitana izay mahazo, ny tsy milalao dia tsy hahazo na oviana na oviana. Efa nampilaza mialoha ny mpikarakara fa havoakany amin’ny gazetyny valin’ny fisarihana izay nahazo tamin’io lalao io. Inona tokoa, olona tsy nanatrikany fisarihana no nahazo ny fiara ka naka ny anjarany izy roa andro taty aoriana. 

 

Ny an’ny mpikarakara ny fihetsiketsehana momba ny soosaina sy ny fiitatry ny zavatra mety ho vitany raha miaraka amin’ny fanovozan-tserasera vaovao kosa dia misy tapany roa ny tapakila fidirana ka ny kelikely kokoa no arotsaka anaty vata lehibe fa ny tapany lehibebe kokoa (3sm x 5sm) kosa tazonin’ny nividy azy ihany hidirana sy ho fanamarinana fa nandoa vola matoa tafiditra ao amin’ny toerana. Amin’ny ankapobeny izany izay niditra rehetra dia karazany atao hoe nilalao avokoa. Ny alahady tolakandro (rehefa faraparan’ny fotoana izany matetika na ny an’ny voalohany na ny an’ny faharoa) no hanatanterahana ny fisarihana. Samy andro maromaro no nanatanterahana ny fihetsiketsehana aloha. Fa izao ary izay no itantarako azy aminareo ka nahatonga ny lohateny hoe izay manatrika ihany no mahazo. 

 

Marihin’ny mpikarakara ity fihetsiketsehana ity fa izay manatrika ny fisarihana ihany no hahazo ny lokany fa rehefa tsy tonga izy ao anatin’ny dimy minitra dia tanterahina indray ny fisarihana hafa mandrapisian’ny nahazo loka sady nanatrika ny fisarihana. Izao anefa, na dia te-hanatrika ny fisarihana fotsiny ianao dia tsy maintsy mandoa ilay vidim-pidirana teo aloha ihany. Tsy hoe rehefa nanana ny tapakilanao ianao dia afaka miditra avy hatrany hijery ny fisarihana fa aloa feno indray ilay vidim-pidirana efa nataonao teo aloha. Fomba fakana vola koa re izany ry zareo! Tsy haseho gazety izany ny laharan’ny tapakila nahazo ny loka raha toa ka tsy teo ilay olona fa olona nahazo ny loka nanatrika teo no tadiavin’ny mpikarakara. Mazava ho azy fa tsy hanatrika eo izay mpitia fanatanjahantena na nijery fampisehoana tamin’ny fotoanan’ny fisarihana iny ankoatra ny hoe nandefa solontena angaha ny olona sady itokisany tsara iny solontena iny. 

 

Hoy aho hoe mba tafahoatra kosa ity fitadiavam-bolan-dry zalahy ity raha izao sa izy tokoa angaha no nametraka ny fepetran’ny fisarihana ka izay tiany ihany io! Fisolokiana ihany izany amiko na dia izany aza satria misy ny voasarika tokony nomena ny anjarany nefa dia tsy raharahiana intsony. Sa mety ho manana fisaina tena vazaha tokoa ny mpikarakara ka mandala ny ohabolam-bazaha manao hoe “ Les absents ont toujours tort”? Izay aloha aho vao nahita hoe fisarihana ka andoavana vola anarivony ariary e ! ny any aminareo any andafy any no tsy fantatro aloha.


«Mialoha   1 2 3 ... 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 ... 58 59 60  Manaraka»

Powered by LifeType