Vaovao Eto anTOerana.VETO

Inona ny tokony atao manoloana ny politikan'ny mpitondra?

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 17:57

Fotoam-pifidianana isika amin’izao fotoana izao. Fifidianana izay ho solombavambahoaka hotanterahina amin’ny alahady 23 septambra 2007 ho avy izao. Nanambara tamin’ny vaovaony ny rfi androany maraina fa tsy mahasarika loatra ny fampielezan-kevitra tamin’ity indray mitoraka ity. Fambara tsara ihany izany ho ahy manokana. 

 

Isaky ny mafampana manko ny fifidianana dia fikorontanana no tena andrasan’ny mpampita vaovao ho bizina ho azy. Isika rahateo aty amin’ny faritra eritreretina ho mora andairan’ny ady mandrakariva. Koa rehefa ireny mpampahalala vaovao ireny no miteny tahaka izany dia hanjaka kokoa izay ny filaminana. 

 

Natsidiny koa tanatin’izany fa mety hanjaka tokana ny antoko eo amin’ny fitondrana amin’ity indray mitoraka ity. Mety ho marina tokoa izany nefa tsara fantarina ny anton’ny safidy, raha mbola lazaina ihany koa fa safidy ny dikan’ny vato narotsany amin’ny androm-pifidianana. 

 

Voalohany, raha mahita ny nahazo ireo mahery loha , mpanohana ny fitondrana teo aloha lasa mpanohitra na mpanohitra ny fitondrana hatramin’ny voalohany migadra amin’izao fotoana izao, izay mieritreritra fa mafana fo sy malaza amin’ity resaka politika ity dia nitakemotra avokoa. Tsikaritry ny maro fa ny tena mpitarika ankoatra ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Lahiniriko, dia nisafidy ny tsy hirotsaka tamin’ity fifidianana ity. Ny mpitarika ny antoko lazaiko ho madinidinika no sahy mirotsaka hitsapa ny safidim-bahoaka mialoha ny dingana manaraka goavana kokoa. 

 

Manaraka izany indray, izay mirotsaka rehetra tian’ny maro, nefa tsy mitovy tadin-dokanga loatra amin’ny fitondrana aty amin’ny foibe na sahy mifaninana aminy, dia efa miomana ny tsy hahazo na inona na inona avy aty, eny na dia ao anatin’ny zony tanteraka aza izy. Mahatsapa izany ny maro an’isa dia mionona hoe aleo fidiana izay avy any amin-dry zareo raha te-hanatsara ny tanàna misy ny tena. Ny dikan’izany dia terena ankolaka ny mpifidy handrotsa-bato ho an’ny antokon’ny fitondrana. Tsy demokraty mihitsy aloha ny mpitondra amin’ity lafiny iray ity. Moa tahaka izany koa ny any ivelany any? Ianareo any no mahalala. 

 

Na izany na tsy izany dia tsy tsara ho an’izay mahazo fahefana na oviana na oviana ny manjaka tokana. Marina fa mikendry ny hahazo ny toerana 127/127 ny Tim saingy tsy mahasoa ny firenena na oviana na oviana izany. Efa fantatra ny fitilitilian’ny mpitondra ankehitriny ny fanaon’ny (mpitondra) Shinoa ka mampanahy be ihany ny mety ho fironana haingana mankany amin’ny jadona.(Izay fironana izay koa angaha no mahatonga ahy ho somary liana kokoa amin’izay mitranga any amin’ny Tatsinanana Lehibe any). Etsy andanin’izany efa nosoratako eo ambony io ny teti-panoron’ny mpitondra hahazoany ny maro an’isa. Inona ary no tokony atao? Ary aiza izany no tsara atao? Antananarivo no vahaolana. 

 

Tsy maintsy arovana ny demokrasia na dia sarotra aza ny hahazoana fifandanjan-kery. Ny hery mifandanja no mahasalama ny demokrasia hanajana ny fahalalahan’ny tsirairay. Hanahirana ny hahazoana izany amin’izao fotoana izao saingy tsy tokony hahafoana ny tsirim-panantenana izany. Ivereno an-tsaina ny nitranga tamin’ny repoblika voalohany (ho an’izay efa niaina izany).

Tamin’ny ankapobeny dia roa monja ny avy amin’ny antoko mpanohitra tao amin’ny antenimieram-pirenena nefa tsy sahin’ny teo amin’ny fitondrana loatra ny nikitikitika ireo olona roa ireo. Antananarivo manko no nifidy ireo ka mety hitarika zavatra hafa tsy ampoizina raha misy maninomaninona manjo azy ireo (tadidio fa ambenan’ny mpiray antoko aminy mandrakariva ry zareo ireo rehefa mivoaka an’Antananarivo ary voatery nifindra fiara matetika hialana amin’ny vela-pandrika hafahafa mody hoe notafihin’ny jiolahy na…). Nanam-pahalalàna hiteny any ambadika ny olona na dia mody jomoka eo anoloana aza. 

 

Ankehitriny, fianatra ny tantara ary fantatry ny mpitondra tsara izany matoa izy nandrotsaka minisitra hofidiana. Ny fahazoana ny fon’Antananarivo ihany no lakilen’ny fitazonana ny fitondrana. Na dia azonao daholo aza ny seza rehetra any amin’ny faritra nefa tsy nahazoana mihitsy Antananarivo dia efa mahazo mangovitra ianao ny amin’ny fitondrana tarihinao. Tsy sanatria fanaovana zinona ny vaton’ny any amin’ny faritra fa fitaratra mandrakariva izay ataon’Antananarivo amin’ny resaka politika. Na dia noezahina mandrakariva aza ny nampifandrafy ny mponin’Antananarivo amin’ny faritra ivelan’Antananarivo tsy mahafoana ny mahairay ny Malagasy izany. Eto Antananarivo avokoa ny foko rehetra misy eto Madagasikara ary ireo no tady mampifandrohy ny fifandraisan’I Madagasikara iray manontolo.  

 

Etsy ankilan’izany tsy ho afaka ny hanao kinanga na oviana na oviana ny mpitondra rehefa eto ka sahy hanao hoe rehefa tsy hifidy an-dranona ianareo dia tsy hisy asa vita eto. Tsy maintsy manao zavatra eto izy raha mbola te-hitoetra maharitra eo amin’ny fitondrana nefa tsy ho afaka ny hanery ny vahoaka amin’ny safidiny, hafa ny any amin’ny faritra ary hafa ny eto Antananarivo. Noho izany, Antananarivo irery aloha no fantatro hatramin’izao mahazo mifidy olona hafa amin-kahalalahana tsy avy amin’ny fitondrana nefa tsy hokarakaraina. Fihantsiana mivantana avy hatrany raha sahy manao izany ny eo amin’ny fitondrana. Ny olana iray lehibe eto dia tsy mety mahazo ny fon’Antananarivo ny avy amin’ny fanoherana. Aiza ho aiza ny tokony atao?  

 

Na dia roa isaky fari-pifidianana aza manko ny eto an-drenivohitra dia tsy misy hoe maro an’isa ifampizarana ny handaniana ireo na maro an’isa izay manana ambim-bato betsaka. Izay betsaka isa kokoa fotsiny no tonga dia mahazo ny seza roa na dia mety ho vato tokana monja aza ny elanelana eo amin’ny voalohany sy ny faharoa. Ny hafa ihany koa tsy mahay mifanaraka no sady tsy sahy nirotsaka loatra, hoy aho tetsy ambony, ny Oloben’ny politika eto amin’ny firenena. Ny olona no mitaratra dia mifidy mangina any anatiny any. Ankoatra ny fanatikan’ny fitondrana dia maro (amin’izay manodidina ahy na sehatra aiza io na sehatra aiza, na manaiky imaso fotsiny ihany koa izay iresahako) no mieritreritra fa tsara raha mifidy olona hafa tsy ao amin’ny antokon’ny mpitondra ankehitriny ny olona saingy tsy mety loatra raha avy amin’ny fanoherana bontolo ireo olona ireo. Ho fiarovana ny demokrasia no anton’izany fa tsy noho ny safidy manokana. 


Mitohy ny fanafintohinana raharaha Bahamas

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 11:10

Efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ity raharaha iray ity amin’izao fotoana izao. Olona efa tsy manara-baovao mihitsy matoa tsy mahalala ny momba azy ity. Ny gazety nivoaka ny talata teo dia samy nahitana avokoa fa hamerina ny vola naloa tany amin’ny banky rehetra Atoa Steve Turmel ary havoaka gazety amin’ny herinandro ny fombafomba hamerenana azy. Azo lazaina fa fanombohan-javatra aloha izay. Fa na izany aza misy ny zavatra mampiahiahy. 

 

Gazety nivoaka androany iray indray no nahitana fa nahatratra 27.000 ireo olona nandoa vola nampanantenaina ho any Bahamas. Betsaka dia betsaka tokoa ny isan’ny olona voafitaka raha inoana io isa io. Izany hoe ny vola kely indrindra azon’ingahy Steve dia mahatratra 2 700 000 000 Ariary eo ho eo. Ny sanda ambany indrindra nalainy manko no 100.000 Ariary ho an’ny mpamafa trano sy ny mpanao zaridaina na mpiambina ihany koa. Ny hafa moa dia avo roa na telo heny mihoatra. Izany hoe tokony ho raharaha lehibe ity raharaha ity fa tsy ho vitavita fotsiny amin’izao. Inona ny olana? 

 

Miahiahy ny maro ankehitriny fa hanjavona ity rangahy ity afaka fotoana fohy. Dia ho samy mody fanina ny tompon’andrikitra isan-tsokajiny. Tsarovy fa valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety no namoahany io filazana io, izany hoe mbola afaka mivezivezy tsara ny lehilahy. Fantatra fa tsy mahazo mivoaka ivenan’ny sisintany aloha izy. Nahahendratra ny rehetra anefa ny nandre ilay raharaha Dorick izay rehefa nahare ny didim-pitsarana nanamelohana azy dia nanana sakay tany aminy tany hoe nafafiny ny mpiambina azy ka afa-nandositra izy. Resaka tsy mampino…dia mety ho izany ihany koa ny an’ingahy Steve ity. Inona no mety ho antony? 

 

Maromaro ireo mihevitra fa tsy miasa irery ralehilahy fa manana mpiaro azy any ambonimbony any. Ireny no mety saiky hiara-mizara aminy ny “haza” azo tamin’ny fanambakana. Raha tratra ranamana ka mitohy ny fanadihadiana dia mety hipaka hatrany amin’ny takona tsy fantatra any ny fiampangana. Hiarovan’ireo dahalo ambony latabatra ireo tena ary dia ezahina izay hiatoan’ny fanadihadiana dia tsy hisy ny fitsarana. Io fitsarana mety tsy hisy io no mampatahotra ny maro. Ny fanonerana ekena fa tokony ho avo roa na telo heny amin’izay naloan’ny nandoa vola no atao fa tsy izay naloa tany amin’ny banky ihany. Vao nikarakara ny pasipaorony avokoa manko ireo olona ireo.


Izay lazain'ny afisim-pifidianana ( lahatsoratra lava)

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 19:10

Teo am-panomanana ity lahatsoratra voalohany ity indrindra aho no namorona lahatsoratra mihitsy teny antenantenany eny ka iny nampitondraiko ny lohateny hoe “Boriborintany aho boriborintany” iny. Izaho moa ao anatin’ny voatondro anarana hoe Boriborintany voalohany eto amin’ny disokrikan’Antananarivo no mipetraka. Ny lisitra eto amin’ny Boriborintany voalohany izany no ifidianako izay ho solombavambahoaka hisolo tena ahy. Lisitra sivy no hisintonana ireo olona ireo. Ireo izany no hotanisaiko tsirairay ny asehony amin’ny takela-pifidianana. 

 

Takelaka tsy manan-daharana aloha voalohany indrindra ny an’ny ofisialy izay tsy ahitana na inona na inona mandrakariva. Ny eto Antananarivo koa angaha tsy dia mila fanazavana lava loatra intsony amin’ity resaka fifidianana ity noho ny haino aman-jery mameno tanàna. Saingy izao: Antananarivo tampontanana aza, tompoko, tsy misy afisy ny filazana ofisialy ity fifidianana ity (sa inona moa ny afisy tokony hipetraka eo?) maika fa ny any amin’ny faritra ivelan’ny renivohitra? Tsy efa tonga amin’izay ve ny fotoana hanesorana io takelaka ho an’ny ofisialy io fa tsy mba manana fahazotoana tahaka ny mpanohana kandidà tsinona ny mpiasan’ny minisiteran’ny atitany (tsy fantatro intsony koa moa hoe iza no manana andraikitra amin’io e!) hametaka afisy iray na roa isaky ny tabilaom-pifidianana. 

 

Eto isika vao miditra amin’ny afisy mitondra ny laharana voalohany. Ny antokon’ny fitondrana no nahazo azy aloha ary ny minisitry ny angovo no lohalisitra amin’izany. Heverin’ny mpanara-baovao politika fa tsy hanetry tena ho amin’izany toerana izany na oviana na oviana rangahy io. Mifamporisika ny olona miresaka hoe jereo ny faharoa sy ny fahatelo amin’ny lisitra fa izay no tena tiany apetraka eo. Izaho kosa manao hoe tsarao amin’ny asany ireo minisitra sahy misedra vahoaka ireo fa izao no fotoana fanararaotra hanehoan’ny vahoaka izay vitany ka izay tsy lanim-bahoaka tokony hahasahy hiala amin’ny toerany fa tsy miandry esorina vao hahatsiary vasoka. Tsy maintsy hita ami’nny afisin’ny TIM (Tiako I Madagasikara) izao soratra lehibe izao miaraka amin’ny sary biletan’ny antoko atao anaty valopy harotsaka anaty vatam-pifidianana: MAP (Madagasikara Am-Perinasa fa tsy zavatra hafa tsy akory) = Faritra mandroso. Dia ho adinoina indray ve fa ny fanohanana ny MAP no narangaranga fony nanitsy ny lalampanorenana ka inona indray no amerenana ity resaka ity amin’izao fotoana izao? Fampahatsiahiva amin’ny olona angaha fa mbola mitohy ny tokony hanohanana ny MAP ka ny fifidianana ny lisitra TIM ihany no antok’izany fanohanana izany. 

 

Ny takelaka faharoa kosa dia najaran’ny AVI (Asa vita no ifampitsarana). Solombavambahoaka talohan’ny farany teo no lohalisitra ary nanamarika azy ny fahatongavany hatrany rehefa misy ny fivorian’ny antenimierampirenena. Tsy mpikambana tao amin’ny birao anefa izy ary tsy filoha na mpitarika vaomiera tamin’ny fotoan’androny. Ny biraony anefa amin’ny andro hafa dia ilaharana mandrakariva fa tsy mba hita loatra ny fotoana hoe tsy ao izy ary izy mivantana no mandray izay mitady azy fa tsy  misy mpiasa hafa loatra. Ny fitarihana ny tanora hiditra ami’nny sehatra politika no nirotsahany tamin’ny voalohany ary dia izao tsy afaka amin’ny fandraisana anjara mivantana amin’ny fandraisana andraikitra izao intsony. Tombondahiny lehibe ho azy avokoa izany rehetra izany. Efa tombatombanan’ny maro rahateo fa izy no ho mpifaninana voalohany amin’ny TIM amin’ity fari-pifidianana ity. Toy izao kosa ny soratra amin’ny afisiny ankoatra ny sarin’ireo kandidà mazava loatra:

  • AVI:    Sahy hiady sy hiaro ny tombotsoam-bahoaka marina:
  1.                         Mba tsy ho tombotsoan’olom-bitsy
  2.                         Fiainana ara-tsosialy mila harenina
  •              Hanara-maso ny rafi-panjakana mpanatanteraka ary hanolotra soso-kevitra sy vahaolana:
  1.                         Hisorohana amin’ny fanjakana tsy refesi-mandidy
  2.                         Ho faritra miara-mandroso ary ho Malagasy iray aina
  •             Tena solombavambahoaka fa tsy ho mpanara-drenirano fotsiny ( fa angaha moa tsy manara-driandrano no fanoratra?):
  1.                         Vonona hiatrika amin’ny tena adihevitra hahasoa ny vahoaka
  2.                         Mihaino sy manaja ny hafa

Dia ireo aloha no voadikako ny amin’ity fikambanana iray ity. 

 

Ny antoko Teza tarihin’ny mpanolotsaina politika ny filoha Ravalomanana kosa no miandraikitra ny takelaka fahatelo. Tsy fantatry ny maro loatra ny lohalisitra (sa izay moa noatao hoe olom-baovao?). Na izany na tsy izany kosa dia manan-kambara ry zareo raha jerena araka ny afisiny. Ny tarigetra lehibe moa dia miompana amin’ny hoe: Fiarahantsika anio fahombiazan’ny ampitso. Toy izao kosa raha bangoina ny lohahevitra apetrany:

  •               Hanao antsakany sy andavany ny asa mahasolombavambahoaka
  •             Hanampy sy hanoro lalana ny fokonolona sy ny solontenany; ireo olomboafidy ny olom-panjakana isan-tokony amin’ny fampandrosoana sy fahamahana olana.
  •             Ny tolo-dalàna hatolotra dia baikoan’ny
  1.                         Fitandroana ny fifehezan’ny firenena malagasy ny toe-kareny.
  2.                         Fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana.
  3.                         Fitsinjovana ny vody andro meriky ny firenena (fiahiana ara-tsosialy sy fisotroan-dronono ho an’ny beantitra tsy ankanavaka).

Nisy namana iray izay moa niteny fa sambany sambany vao nahita eritreritra avy amina kandidà na antoko mhevitra ny benatitra tahaka izao amin’ity fifidianana ho avy ity. Raha mba hevitra tokoa moa no fepetra tokana ifidianan’ny olona amin’ny alahady izao? 

 

Olona tsy miankina mitondra any anarana hoe “feon’ny fahendrena” (eto Antananarivo moa misy radio silamo izay mitondra io anarana io fa ny fifandraisan’izy roa ireto no tsy fantatro loatra na misy na tsia?) no manana anjara amin’ny takelaka fahaefatra. Olona tsy fantatra loatra raha jerena amin’ny anarana sy ny asany izay dokotera fa tahatahaka ireny fantatra ireny kosa raha jerena endrika (Ny Malagasy ve moa tsy fantapantatra ihany hoe Malagasy io?). ny olona iray mametraka ny afisiny amin’ny rindri-tranony  no nohatoniko ka nanontaniako ny mombamomba azy. Tahaka ny mahafantatra tsy mahafantatra izany ramatoa io.Monina any akaiky ny vatobe hoe izy (izay mpandeha fiara fitateran’olona mnkany Ivato Seranana dia mahafantatra izany toerana izany tsara). Lazainy ihany koa mpanampy ny olona rehefa tonga ny voina mpitranga amin’ny ambany tanàna. Izay no mba fantany dia mba ampitaiko etoana. Manaraka izany dia izao koa ny soratra manaraka ny afisiny:

  • Olombaovao tsy natolotry ny antoko politika
  • Matahotra an’Andriamanitra
  • Tsy manavaka saranga

Izany hoe raha fehezina dia te hisintona ny vaton’izay mahafantatra azy izy. Saingy ny lesoka lehibe kosa dia izao: Ny laza ratsy no miely haingna kokoa noho ny laza tsara ka raha malaza tsara ianao dia ela izany vao hipaka amin’ny maro afa-tsy hoe tena goavana be nahasehaka ny firenena manontolo izay nataonao no sady manana haino aman-jery ianao hiantsoantsoana izany. Noho izany tsy manam-potoana ahafahana manadihady loatra ny aminao ny mpifidy maro.  

 

Ny antoko manaraka indray dia ny Antoko Miombon’Ezaka izay afohezina amin’ny anarana hoe AME. Antoko noforonin’ny Jeneraly Ramakavelo nefa voatery nialany rehefa betsaka ny avy ao amin’ny antoko AKFM Fanavaozana no nisintaka tamin’ny antokony taloha fony tsy sahy nanohana ny filoha ankehitriny io antoko io. Ankehitriny moa dia Atoa Ravalison Clément, kandida ho ben’ny tanànan’ny Fanavaozana teto Antananarivo tamin’ny fifidianana ho Ben’ny tanàna Antananarivo ny taona 1999 no mpitarika. Ny lohahevitra napetrany dia hoe fahamendrehana, fitsinjovana ny mahaolona, fiarovana ny soa iombonana, fanetsehana ny asa fampandrosoana. Ny afisy kely kosa dia mametraka fa hanefa ny tatitra amin’ny vahoaka, hiserasera sy hifampidinika amin’ny vahoaka, hanampy sy handroso vahaolana amin’ireo sefom-pokontany, hanentana ny mpiara-belona sy ny mpiombona antoka, hivoy sy hanapariaka ny kolontsainan’ny fandrosoana ary hitaiza sy hanabe ny tanora ireo kandidany raha izy ireo no lanim-bahoaka. 

 

Ny antoko manaraka kosa indray dia ny Grad Iloafo izay mametraka ny tarigetra hoe: “Asio dikany ny safidinao” miaraka amin’ny sarin’ireo hirotsaka kandidà no hany hita. Dia tena tsy hitako ihany koa izay ambara miaraka amin’izany fa Atoa Ratbetsitonta Tovonanahary, minisitra tamin’ny fitondran’ny Profesora Zafy, no filoha mpanorina azy. Antoko miaraka amin’ny fitondrana, sahala amin’ny Teza ihany koa fa nandrotsaka depiote ho azy manokana kosa. Niezaka ity antoko ity mba hahasehaka an’Antananarivo renivohitra farafaharatsiny. Mifanahatahaka amin’izany ihany koa ny lisitra Arema izay aorian’ny vondron’ny mpitsara soratako eo ambany io. Ny sarin’ny sekretera nasionalin’ny Arema elatra Pierrot Rajaonarivelo miampy ny sarin’ny bileta mena misy sary kintana fotsy ary ny soratra hiaro ny tombotsoanao sy hitondra marina ny hetahetanao ihany no hita aminy ka mihanahana tanteraka aho amin’izay fanazavana tokony hatao. Ry zareo aza ve moa tsy misy fanazavana loatra ka izaho indray no hitady inona eo? 

 

Dia manaraka kosa ny Sendika Mpiasa Miray Feo izay ny sendikan’ny mpitsara nanao fitokonana lavabe taoriana kely fotsiny nitondran-dRavalomanana no tena mahazo vahana ao anatiny. Izany hoe mpitsara roa no roa lohalisitra amin’ity vondronoa nandrotsaka olona hofidiana ity. Ny voamarika dia toa misy vondrona roa samihafa ihany mikarakara ny zavatra soratana. Ny ilazako izany dia misy afisy be loatra ny teny malagasy diso voasoratra ao anatiny nefa misy ihany koa ny lahatsoratra tena voasoratra amin’ny teny malagasy tsara. Ny foto-kevitra najoro moa dia miompana amin’ny fanoratana fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna ary ny lalàna tsara dia mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka no ahazoana fiaraha-monina mirindra. Dia ambara koa manaraka izany fa tsy zoviana (nitarika fitokonana ve tsy ho fantatra?) ireo mpikambana nilatsaka hofidiana. Mitaky ny fifandanjam-pahefana ihany koa ry zareo ary mikendry ny fananganana tan-dalàna izay mahatonga ny mpitondra sy ny entina ho voafehin’ny fitsipi-dalàna mitovy eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana Mahaleotena. 

 

Ny vondrona fahasivy farany holazaina anao etoana dia ny ALDR na “Alliance Liberal-Démocrate pour la Regionalisation” ary adikany amin’ny hoe Miara-mirindra ao anatin’ny Demokrasia mampandroso ny faritra. Ny tarigetra indray moa dia hoe Samymaranitra amin’izay tandrify azy. Ny hataony moa dia hoe manangana lalam-bola sy lalam-barotra vaovao hampitombo ny fihariana ary atao lanja miakatra ny fidiram-bolan’ny tsirairay miatrika ny vidim-piainana amin’ny alalan’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Tsy dia fantatro loatra ny ankoatra izay apetany amin’ny afisy. Dia izay sy izay aloha ny hita any amin’ny afisy isy ny fari-pifidianana misy ahy ry zareo mba hahitanareo ny zava-misy eto Madagasikara eto.


Boriborintany aho boriborintany

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 13:13

Hiresaka politika tsy ho ela aho, amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy io, satria vanim-potoanan’ny fifidianana ho solombavambahoaka isika izao. Nanomana lahatsoratra izay aho, no lasalasa tampoka ny eritreritro amin’ity teny hoe boriborintany ity. Voambolana navoaka tany amin’ny repoblika voalohany, nandikana ny teny frantsay manao hoe arrondissement no noboriboriana amin’ny teny malagasy hoe Boriborintany. Tahaka ny manantitrantitra hoe boribory ry zareo ny tany fa tsy fisaka a! (sahirana mihitsy aho nieritreritra izay handikako ilay teny faramparany tao amin’ny lahatsoratra nadikako tao amin’ny Global Voices Online izay). 

 

Tonga dia lasa any amin’ny teny hafa ny eritreritro, nanao hoe fa angaha fiteny ny hoe lavalavantany? Ny baolina (tahaka ny mety ihany koa ny soratra hoe bola an!) rugby (tahaka ny miteny hoe ringibÿ no malagasy rehefa manonona io teny vahiny io) no ataon’ny malagasy hoe lavalava aloha no fantatro. Dia aza mieritreritra zavatra hafa aloha J Ny fotaka volavolaina ho sariolona na sariomby ataon’ny ankizy ihany no alavalavaina amin’ny tanana. Nahatsiaro ny kilalao fahakely natao sariolona karazana miaramila kely aho izany! Tadidinareo efa lehibebe ve? Iny no fetafetaina atao maromaro dia misy koa ny karazana tank misy tafondro tahon’afokasoka kely ary dia tena vato mihitsy no atao karazana baomba hitifitra azy. Mbola atao hoe mitifitra iny tank iny raha mbola mipetaka eo ny tafondro. Ifandimbiasana ny mikendry ny tank-n’izay ifaninanana. Resy ny iray rehetra tafala tanteraka ny tafondro na potika tanteraka ny tank. Ny lalao toy ireny koa angamba no lasa nahaizan’ny malagasy bola an! (petanky io). Fa nivoana izany resaka izany. Aleo averina amin’ny foto-dresaka aloha. 

 

Fa tokony ho fiteny koa izany ny mahitsizorontany. Ny azo ambara aloha ny mahitsy tsy tafiditra fa ny zorontany no efa fiteny ihany. Toy ireny zavatra anjoronjorony ireny ihany e! Misy koa ny vondron’olona no apetraka anjoronjorony. Nefa misy ny zoro izay nomen’ny Ntaolo hasiny manokana dia ny zoro firarazana. Tsy haiko loatra ny nahatonga ny teny fa tombatombanako hoe firariana soa avy amin’ny razana no nihavian’io teny io. Fa na izany na tsy izany dia avy any amin’ny zoro no andakana ny baolina fandaka amin’ny tranga lazain’ny teny anglisy hoe “corner” izay. Mety ho tsy dia mahazatra angamba ilay teny hoe zorontany fa ny sisintany no be mpiteny kokoa. Raha vao izany anefa no lazaina dia toy ny misy fahaverezana ho an’izay tondroina ho any an-tsisitany. Adinon’ny hafa. Tsy maharaka izay zava-baovao hany ka zary toy ny mitoka-monina mandrakariva. 

 

Dia mbola azo atolotra ny mpahay teny malagasy ihany koa ny telolafintany. Ny telo aloha teny manokana manana ny heviny amin’ny fanisana, ny lafintany ihany koa teny azo raisina tsara. Matetika no ampitoviana dika amin’ny teny hoe vazantany izy io. Ary tahaka ny mitovy ihany anie izany teny hoe zoro sy vazana izany e? Tsia, ny zoro tena faritra kely mihitsy fa ny vazana misy fitohizana ihany ka! Raha tsy izany ihany koa anie tsy tonga ny teny hoe faravazana e! Ny lafy no nihavian’ny teny hoe ankolafiny. Tsy voafaritra mazava nefa fantatra kosa ny fisiany. Raha jerena ihany koa raha manondro zorontany ny olona iray dia tany kely no mety ho voatondro fa raha vao miteny hoe lafintany dia mety ho izay itopazan’ny masoano manontolo mihitsy no tondroin’zany teny izany. Fa mbola mahavariana ahy hatramin’izao ny nahatonga ny teny hoe lafy valo fa mangataka aminareo izay mahalala aho fandrao hainareo aloha. Fa mitady haneho endrika boribory ihany koa aloha izany misy lafiny valo izany e! Nefa tsy niteny hoe boriborintany ny Ntaolo talohan’ny fanjanahantany araka ny fahalalako azy. 

 

Dia eo indrindra isika izao, ahoana ity teny hoe boriborintany ity? Raha ny eto Madagasikara aloha dia Antananarivo ihany no manana anaram-panondroana enina samy misy ity teny hoe boriborintany ity. Ary nasiana laharany ihany koa moa manaraka izany. Izany dia teny maka tahaka ny any an-drenivohitr’ilay reny malala taloha! Izao no mahavariana. Amin’ny sarintany anie ny renivohitry ny firenena ka aseho amin’ny teboka efajoro fa tsy boribory e! Dia andramo ary ny mametaka boribory enina anaty efajoro tsy misy banga. Sa ny banga no hantsoina hoe farihin’Anosy na farihin’I Masay (Mbola misy moa ny farihin’I Behoririka sa tsy misy intsony?) Mahafinaritra ry zareo ny mandika teny na dia sarotra aza, tena sarotra tokoa satria efa nanandrana aho, fa ny maka tahaka be fahantany no manahirana ahy amin’izy ity. Naninona izao ny teny hoe firaisampokontany? Sy ny teny hoe fivondronampokontany? Sa teraka tao anatin’ny Repoblika faharoa ireny araka ny eritreritry ny mpitondra amin’izao fotoana izao? Diso hevitra izy raha izany no ao an-tsainy. Ny Filoha Kolonely Jeneraly Ratsimandrava no namoaka ireo teny ireo voalohany tamin’ny taona 1973 izay roa taona mialoha ny 1975 nanombohan’ny Revolisiona Sosialista nijoroan’ny Mandatehezam-pirenena miaro ny tolom-piavotana. Ireo teny ireo no tena teny malagasy madiorano mahalaza tsara izay tiany lazaina fa ny Boriborintany kosa milaza tara-pahefana ananan’ny ivo anankiray. Dia izay aloha ny amin’ity lahatsoratra fanalan’andro ity fa tonga amin’ilay fitenenana manao hoe eritreritra sendra mandalo moa ka natao ho tsetsatsetsa tsy aritra. (Azonareo ve ny nahatonga izany teny hoe tsetsatsetsa tsy aritra izany?)


Feno Kamiao miaramila mivezivezy Antananarivo

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 18:42

Tamin’ny gazety iray no nahitako fa voasava avokoa ny ankamaroan’ny fiara tany Toamasina tany. Natao hitandroana ny fahalemana izany no sady hitsinjovana fandrao misy mitondra zavatra mampiahiahy tampoka any ho any. Tsy mandray ny fanapahan-kevitra toy izany ny tompon’andraikitra raha tsy mahare siosio na vaovao nampitain’ny mpitsikilo, ho isika izay. 

 

Teto Antananarivo indray dia nahagaga ihany fa be ny fiaraben’ny mpitandro ny filaminana no nandalo taty amin’ny faritra atsinanan’Antananarivo, avy any atsimo tany. Na zandary na miaramila (ny polisy no tsy tsikaritro loatra) dia feno azy avokoa. Misy ny nitsitapitapy fa nisy ihany koa ny nitandahatra mihitsy. 

 

Raha nojerena indray ny fitafin’ireo tao anatiny dia tsy ilay tena fitafy mianjaika alohan’ny matso no hitako sady tsy nisy nanao fonontanana rahateo izy rehetra. Raha tsy misy moa rahampitso ny filazana noho ny anton’izao fihetsiketsehana tsipalotry ny maso izao dia andeha atao hoe nanao fanazarantena ry zareo. Fa raha tsy izany kosa, fa inona loatra ary no mitranga any ambadimbadika any?


«Mialoha   1 2 3 ... 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 ... 55 56 57  Manaraka»

Powered by LifeType