Maharesaka.VETO

Aiza ny toeram-pandraisana izay tonga isaky ny tanĂ na?

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 12:01

Hiditra tsikelikely amin'ny tatitry ny diako tany Antsirabe sy Mahajanga amin'izay aho. Tsy ho vita vetivety izany fa mety hihoatra ny iray volana aza. Ankoatra izay ny mety ho vaovao hafa ampiataina tampoka. Manintona ahy hatrany na dia tsy misy fiaran-dalamby tonga intsony aza ny garan'Antsirabe. Eo no manamarina amiko fa tonga eo amin'ilay tanàna tokoa aho. Ny anao kosa re aiza ny toerana hahatsapanao fa tonga eto Antananarivo tokoa ianao na tonga amina tanàna iray hafa ianao?

Mahavariana tokoa anie ity toerana ity fa misy vahiny mpitsidika hatrany e? inona re no tena manintona aminy? Ny toerana misy azy ve? sa ny tantarany?

Mbola kely tokoa angaha ny tena fony zatra nankany fa hay kely ihany ity trano ity indrindra raha jerena avy ao anatiny nefa mahafinaritra kosa aloha ny ikarakaran'ny madarail ny toerana e!

Na izany na tsy izany kosa aloha, ny toerana manodidina azy no tena manosika ny tena hankasitraka ny toerana e! na dia itony vato tsy dia manandanja fa manandoko itony fotsiny aza.

Dia mety mbola hitohy ny tantara amin'ny manaraka ary e!


baolina fandaka: Misento indray ny Barea fa nandresy androany

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 16:29

Araka ny fantatry ny mpanaraka baolina fandaka dia androany alahady no nanaovana ny lalao miverina teo amin'ny Barea sy ny Zebra Botsoaney. Efa nanantena handresy mihitsy ny vahiny raha tamin'ny talata teo dia efa tonga haka ny hafanana gasy. Vao tamin'ny alarobia ihany koa no resin'ny Japan Actuel's roa noho ny aotra teo Mahamasina ihany ny Barea raha nanao fitsapana.

Efa nampanatena rahateo sady be fanantenana ireo ekipa ireo satria na dia resy aza amin'ny lalao fitsapana no mandresy izy amin'ny lalao tena izy. Tamin'ny fidirana voalohany no tafiditra ny baolina ka nandresen'ny Malagasy iray noho ny aotra... tsy niova intsony io isa io ka nampientanentana ny fanafihana nataon'ny vahiny sy ny vali-bontan'ny malagasy. Samy tokony ho nahatafiditra baolina rahateo na ny andaniny na ny ankilany.

Voalohany ao amin'ny sokajy misy antsika ka manana isa fito noho izany ny Ivoariana. Faharoa isika manana isa enina. Fahatelo manana isa dimy ny Botsoaney ary fahaefatra farany manana isa efatra kosa ny mozambikana.

 


Biraom-pokontany: nitana ny teny nomeny ny filoha

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 16:23

Mbola avy amin'ny fandehandehanako teo ihany, raha nizotra kely nianatsimo sy nianavaratra andrefana aho no nahatazana irony trano efajoro miloko mavo sy manga irony, iray isaky ny tanàna somary bebe mponina ka azo heverina hahavita fokontany iray. Nanontany izay olona teo akaikiko aho aloha hoe: ireny ve ny biraom-pokontany, nihatoka nanaiky ny lohan'izay nahalala. Ny manaraka ny lalam-pirenena fahafito dia tsy misy anaram-pokontany fa ny tamin'ny lalam-pirenena fahaefatra kosa voasoratra tsara ny anarana.

Nalaiko sary mihitsy na mirifatra aza ny fiara saingy mbola tsy nentiko taty ampiasana moa fa amin'ny manaraka mametraka azy eto ihany. Nisy ny toerana tsy mbola nijoro ny trano fa hita kosa fa andalam-panamboarana. Noho izaho tsy nihetsika firy eto Antananarivo renivohitra no tsy mahita trano vaovao mijoro fa rehefa mandeha amin'ny tanàna kely kosa dia mahita tsara mihitsy. Mba tsy nandiso fanantenana kosa ho'aho ny filoham-pirenena tamin'ity tranga iray ity...ary azo heverina fa nahatsangana trano 10 000 mahery izy raha ny trano voaorina manaraka ny lalam-pirenena nandehanako no tarafina. Tsy fanatra anefa izay tena marina amin'iny aloha.

Fa zavatra hitako tamin'iny faritry Vakianakaratra iny ihany kosa ny fijoroana trano vaventiventy ho ana kaominina ambanivohitra lehibebe. Lehibebe ihany koa ny trano ary azo tarafina ho Biraon'ny Kaominina ihany koa.(Misy sary ihany koa ity fa dia amin'ny manaraka apetraka, loza koa fahateren'ny fotoana ity). Azo lazaina fa te-hametraka fa miasa hatrany ambanivohitra ny fitondrana amin'ny zava-bitany ka tsikaritro aloha.


Matanjaka kokoa ny Zain

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 14:38

Ekeko tokoa fa tsy dia tiako loatra ny loko sy ny mariky ny Zain fa raha ny tanjaka kosa dia tena manana izy araka ny fijeriko. Teny andalam-pivezivezena manko aho dia ninia nampitaha ny Zain sy ny Orange eo amin'ny fahazoana miserasera eny an-dalana eny. Efa reko ihany fa tsy misy fahatapahana mihitsy ny fahazoana miserasera Zain amin'ny lalam-pirenena faharoa. Dia nohamariniko kosa ny lalam-pirenena fahafito Antananarivo hatreo Antsirabe. Raha tsy tapaka mihitsy ny reseau ho an'ny Zain afa-tsy tamina faritra iray izay ihany dia zara raha manana ny reseau-ny kosa ny an'ny Orange.

Nojereko indray ny fifandraisana eo amin'ny roa tonta tamin'iny lalam-pirenena fahaefatra mampitohy an'i Mahajanga sy Antananarivo iny dia toraka izany hatrany. Vitsy loatra ny faritra ahafahana mifandray amin'ny alalan'ny orange nefa ny an'ny Zain dia betsaka tokoa no ahafahana mifandray aminy na dia misy toerana vitsy aza tsy ahazoana azy. Marihina fa tsy manana ny tambazotra telma aho ka tsy fantatro mihitsy ny azy. Raha amin'ny lalam-pirenena izany dia matanjaka kokoa ny Zain miohatra amin'i Orange. Fampitahana tsotra ny ahy fa tsy nisy nanakarama aho.


K.O. i jentilisa

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 22:08
Rehefa nitsangatsangana i jentilisa ka niditra niasa dia nanavy satria tsy nihinana fanafody noho ny moka ny noho ny fiovan'ny toetr'andro izay efa nilazana azy ihany. Tsy mahagaga izy raha tsy manoratra firy no sady tsy nijery mailaka mihitsy ihany koa. Mbola velona ihany anefa izy ka mahasoratra na dia fohy dia fohy aza. Ho avy ihany izy rehefa miverina tanteraka ny fahasalamany.


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 ... 58 59 60  Manaraka»

Powered by LifeType