Vaovao Eto anTOerana.VETO

Ny revin'ny zana-bahoaka

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 18:28

Tsy maninona na somary mandany vola kely aza fa mifanentana amin’izany ny volon’andro. Mirevy amin’ny andro fety ? fety ho an’ny tanàna tsinona ka mety avokoa izay aloatry ny fientanam-po. Ho fantatry ny maro ihany ny anaran-tanàna. Hahagaga indray raha olona mipetraka eto Antananarivo sy mpijery televiziona na mpanara-baovao farafaharatsiny no tsy hahalala ihany an’i Morarano.

 

 Nampidirina tao anatina taxibe nofana manokana mankany an-tanàna ny entan’ny boaikely rehetra, loka tamin’ny nahazoany voalohany sy nandrombahany ny amboara tamin’ny alahady teo. Tsy mampaninona na mety hifamadika aza satria zavatra mitovy avokoa no azo dia fahitalavitra sy fitaovana manontolo ho entina milalao baolina fandaka ary fitaovana mahavariana ny tanora isan-karazany. Nahazo tsirairay avokoa ny ekipa iray manontolo (12 ny fitambarany). Tsy misy mitaingina fiara fa manaraka avy ao aoriana avokoa mihazakazaka sy mihorakoraka. Mampahatsiahy ny eny an-tanàna rehefa mahazo omby mifahy avy milalao baolina lavalava iny. Tamin’ity kosa dia tanora 11-15 taona no nahazo loharanom-pifalian’ny tanàna iray manontolo. Ny fiara misy ny loka sy ny amboara no solon’omby…

 

 Izay andalovana ihany koa efa nieritreritra ny haheno horakoraka ary izay tsy mahalala satria tsy liana amin’ity lalaon’ankizy ity ataony mahalala amin’izay. Iny Ankadilalana miakatra ho any Tsimbazaza iny dia mandeha toa ho any Manakambahiny amin’izay. Haheno ny horakoraky ny mpilalao sy ny mpanohana mahatratra anjatony mety hanakaiky ny anarivony mihitsy. Tsy mahalala reraky ny lalao nafana ny tovolahy fa mazoto hatrany noho ny zavatra azo. Na lahy na vavy toa mpanao fanatanjahantena vetivety teo avokoa.

 

 Niavaka tokoa ny ekipan’ny Jsm Morarano. Voalohany : tsy mba naka anaran’ekipa vaventy sahala amin’ny hoe Barça, Juventus sy Olympique ary ny hafa izy fa tanora mpikotran’i Morarano ihany no anarany. Teny frantsay ny anarana nefa efa nataon’ny fitondram-panjakana ho teny ofisialy io sy ny teny anglisy. Manaraka izany ny mpanohana izay nafana fo hatrany nandritra ny fihaonana rehetra nataon’ny ekipany. Mivondrona tsara ka nanome hery lehibe ho an’ny zanany tsy hatahotra na kely na lehibe sy mahay mifandona aminy. Samy zanak’olona sahirana koa moa nefa mahay mifanohana. Ary farany ny mpanazatrany irery ihany no nianjaika tamin’ny lalao famaranana. Nanatrika teo avokoa manko ny mpanazatran’ny ekipa nilalao nandritra ny fifaninanana. Nanome hasina ny zavatra nataony izy ka mendrika azy ireo ny fandresena.

 

 Alina vao tonga tany an-tanàna ka niara-nisakafo avokoa ny rehetra rehefa avy notsenan’izay nijanona tao an-tanàna ny avy niantafika nahazo amboara. Avy eo nisy alim-pifaliana nakotrokotroka  niarahan’ny rehetra nitsinjaka fa izay no revy antonona ny vanim-potoana e ! Dia hotsaroan’ny boaikely sy ny tanàna fa efa nahazo fandresena sy nalaza teto an-tanàna ry zareo nandresy an’Andrady II tamin’ny kitifitifi-baolina rehefa nisaraka tsy  nisy maratra tao anaty fotoana ara-dalàna.


Resy ny fon-dray (Pety Rakotoniaina)

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 09:40

Voasambotra Atoa Pety Rakotoniaina no ambentintenin’ny gazety maro teto an-tanàna. Ny mahavariana dia tsy nanisy resaka io mihitsy androany ny Le Quotidien izay fantatsika fa fananan’ny filoham-pirenena ankehitriny. Raha amin’ny fiheverana tsotra fotsiny amin’izao dia nahomby ny tetika nataon’ny mpiandraikitra io raharaha io tamin’ny fampitahorana sy fampisamborana ireo rehetra manodidina ity Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa ambonivohitra ity. Efa nolazaiko tany aloha tany ny nisamborana ny vadiny izay mbola voatana any am-ponja aloha hatramin’izao raha tsy efa nisy ny fiovan-javatra taorian’ity fisamborana ity. Mbola vao ny andininy voalohany iny nisamborana ny vadiny toy ny takalon’aina iny.

 

Ahoana indray ny amin’ny zanany ? Mazava loatra fa tsy eo ny mpikarakara voalohany ny zanaka. Naseho gazety ny fitarainan’ny zaza ho tsy misy mpiahy. Ny antoko tambatra heveriko ho nanao izany dia nanao io fihetsika io hanehoana amin’ny mpiray firenena fa toy ny tsy mifaditrovana ihany ny mpitondra fanjakana. Ny ankilany indray zarany aza misy iny hiaka iny hanairana ilay ray voatery nandositra. Iza amin’ny Malagasy (na olombelona manana fo sy fanahy) no tsy hihovitrovitra manoloana ny fitarainan’ny zanaka ? Dia nifamonjy aloha ny mpiray antoko (Tambatr’i Madagasikara) hikarakara ireo zaza ireo. Fa olonkafa ve moa hahasolo ny tena ray aman-dreny ? Nahita ny fihetsiky ny antoko ny mpiandraikitra ny fitadiavana manokana an-dranamana dia nampiantsoina indray na notadiavina ihany koa ireo tena nanolo-tena hikarakara ny zaza. Ka iza no tsy ho vahotra ? Nanomboka hatreo dia ora sisa no nandrasana higadonan’ny rain’ny zaza !

 

Tsy maintsy nitsakotsako lalina tany antsain’ny ray ny manjo ny zanaka. Ny renin’ny zaza tsinona tazonin’ny manampahefana. Hatao ahoana ny hambom-po tamin’ny fihatsiana fa handoa avo roa heny ny vola nampanantenain’ny governemanta izy ? Iza no tsy mahalala ny tenany tamin’ny fahasahiana nananana ? Marina fa diso ny paika tamin’ny nampanantenan’ny Jeneraly Fidy ny hionganan’ny filoha nandritra ireny vanim-potoanan’ny fifidianana ho filoham-pirenena ireny. Raha notohizany izay nilofosany tahaka ny tamin’ny nananganana ny Tambatra nanerana an’i Madagasikara tsy ho toy ireny ny vato azony tamin’ireny fotoana ireny. Hay moa ka fipoahana tahaka ny fipiaky ny zozoro maina ihany no nataon’ilay Jeneraly mahery fo tamin’ny taona 2002. Ankehitriny, nitsonika ny hambom-po. Tsy tadiavina intsony fa andrasana. Voadona tany amin’ny naharary azy izy.

 

Na izany na tsy izany, nanahirana ireo nirahina hikaroka sy hisambotra azy ihany ny lehilahy. Nisy ihany ny fikorontanana teo amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fiandrianam-pirenena. Tamin’ilay namparatra polisy roa tao Behoririka saiky hisambotra jiolahy ireny ka Officier ny iray tsy tokony ho ny polisy misahana ny adi-heloka bevava mihitsy no hiandraikitra ny fisamborana fa ny polisy misahana ny fisamborana jiolahy. Saingy lany andro foana tany Fianarantsoa io sampan-draharaha farany io. Singa iray ihany izany mba entiko ilazana fa toy ny naato mihitsy aloha ny asa andavanandro hisamborana olona iray. Mampahatsiahy tampoka ilay tantara mitondra ny lohateny hoe Robin Wood na mety azo atao hoe Robenan’ny Ala raha atao malagasy anarana io tantara io. Dia mbola lasa ihany ny eritreritra na dia izany aza hoe azo ampitahaina amin’io tantara vahiny io tokoa ve ity tranga misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ity ?


Baobaba sa Ravinala?

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 09:24

Mahavantana ny Malagasy rehafa manao sarim-pamantarana an’I Madagasikara eo amin’ny zavamaniry ny mametraka sarina ravinala. Vao tsy ela akory no nahenoako fa ny toerana be mpitsidika indrindra eto Madagasikara dia ny lalam-ben’ny Baobaba (allée de baobab) any Morondava any. Nisy aza moa mpitarika mpizahantany nanamarika fa ny Japoney rehefa tojo ireny Baobaba ireny dia sahala ny mahita andriamanitra mamihimpihina azy eo. Ary mihevitra ny maro amin’ny mpizahantany fa tsy nitsidika an’I Madagasikara raha tsy mahita Baobaba. Nianarana tany ampianarana rahateo fa misy karazany fito izy io eto Madagasikara raha tsy misy afa-tsy karazany tokana monja any Afrika.

 

Tsy tana ny eritreritra eo anatrehan’izany toe-javatra toa mifanohitra izany. Ataon’ny malagasy ho rehareha ny ravinala ary manamarika izany indrindra ny sary famantaran’ny lalaon’ny nosy fahafito hotanterahina tsy ho ela, toa tsy ao an-tsaina loatra mifanindran-dalana amin’izany ny Baobaba. Dia hoy aho hoe maninona moa mahafantatra io fitiavan’ny mpizahantany io raha mba misy sary famantarana zavamaniry hafa ihany koa ka tsy ambaniana mihitsy ny Baobaba fanintonanaireny vahiny ireny hitsidika an’I Madagasikara?


Scoop: Laza adina Bacc mivoaka mialoha?

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 15:55

Malaza ankehitriny moa ny momba ny laza adina Bepc nivoaka mialoha teo. Ankehitriny aho dia hilaza izay fantatro sy hitako ny amin’ity raharaha ity. Tsy ny tamin’ny farany teo ihany fa na dia ny teo aloha aza.

 

Efa hatramin’ny ela no nisy hatrany io laza adina nivoaka mialoha io ary tsy ny Bepc aza no malaza amin’io fa ny Bacc indrindra indrindra. Tsy re na tonga any amin’ny mpampahalala vaovao izany fa eo amin’ny samy mpianatra no tena miampita. Nampanontany tena mihitsy hoe ahoana ary no ahafantarana mialoha sahady ireny laza adina ireny? Indray atoandro aho (efa nianatra teny amin’ny anjerimanontolo aho tamin’izay) dia nahita teny amin’ny tany malalaka iray akaikina foibem-panadinana ankizy maromaro miara-mijery laza adina matematika an’ny vondrona A2. Dia misy iray amin’izy ireo manorotoro ny famahana ny olana. Notadidiako mihitsy ny ankapoben’ny laza adina. Tonga ny hariva firavan’ny mpiadina dia nanontany ankizy aho mba hijery ny laza adina nataon’ny vondrona A2. Nitovy tsy nisy valaka tamin’ny nohadihadian’ny ankizy niaraka mihitsy ilay laza adina. Teo aho vao nanaiky fa tena misy tokoa ny fivoahana laza adina mialoha. 

 

Dia nampitamberina ny tamin’ny fotoan’andro nanalako Bacc aho avy teo. Izaho moa dia nanaraka ireny fampianarana fanampiny ireny tamin’izany fotoana. Dia nahatadidy aho fa rehefa amin’ny faraparan’ny fotoana dia manome laza adina sarotsarotra ireo mpampianatra no sady namerina ingahy mampianatra fa mifanahatahaka amin’io ny laza adina mety hivoaka. Tsy dia niraharaha izany loatra moa aho fa dia nianarako tsara avokoa ny zavatra rehetra (amin’ny matematika io). Ny mpiara-mianatra tamin’izany moa no nanamarika fa matetika ny laza adina farany amin’ireny fampianarana fanampiny ireny dia maro itovizana amin’ny laza adina mivoaka hatrany. Inona no antony? 

 

Ingahy minisitry ny fampianarana sy ny tompon’andraikitra sasany moa dia nilaza fa sarotra ihany ny antony mety hivoahan’ny laza adina mialoha. Ny rafitra napetraka no manamarika fa ireo izay manao ny laza adina dia avahan-toerana 40 andro mialoha no sady tsy mahazo mifanerasera na amin’iza na iza eny fa na dia ny mifampiantso aza. Matetika io fitenenana io no ilazan’ny tompon’andraikitra fa tsara ny faaraha-maso ny mpanao laza adina. Io indrindra anefa no nahitan’ny sasany hevitra.  

 

Mpiaramiasa ka mifankafantatra ny mpampianatra ka samy mandefa na samy manana ny laza adina omaniny ho amin’ny fanadinana. Matetika mifampihaona izy ireo ka mifanome sopapa any alohaloha any. Ny sopapa eto dia hoe raha tsy hita tampoka aho dia ireto ny laza adina hataoko any amin’ny fanadinana. Dia mifampiandriandry eny ry zalahy sy ry zavavy mpampianatra. Koa raha misy mpampianatra tsy hita elaela dia samy kaopy araka ny fitenenan’ny tanora azy ny rehetra. Ary ataoko fa azonareo amin’izany ny tiako lazaina. Noho izany: efa karazan’ny lany andro ihany ny fanaon’ny mpiandraikitra fanadinana hatramin’izao fotoana izao raha io fomba nolazaiko io ihany no tohizan’ny minisitera. Mety ho tetika hafa koa moa ny manavaka amin’ny efitra iray mpiadina tsy misy akory fa ahafahana mahazo mialoha laza adina no tena tanjona nefa vinavina ihany ity faharoa ity ary ny sefon’ny foibem-panadinana no afaka manao izany aha tsy hoe efa misy omena azy ireny mialoha.


Lavo ny andrarezina

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 15:48

Izay lohateny nataon’ny Vaovaontsika izay ihany no averiko etoana. Raraka teo amin’ny 1/16n’ny famaranana avokoa manko ny ekipa roa noheverin’ny mpanatrika fa hiatrika ny famarananana tamin’ny kitra fokontany. Efa nosoratako reo ekipa roa ireo dia ny Fc Andrady I sy ny FC Totoafo 67ha. Ny ekipa voalohany dia nahintsan’ny “Ny Mpiremby” tany amin’ny tifitra ifandimbiasana rehefa avy nanao ady sahala 1 noho ny 1.  

Ny ekipa faharoa kosa dia lavon’ny Juventus Tsarafaritra (Tsimbazaza) 3 noho ny 1 be izao. Samy tany amin’ny fidirana faharoa avokoa ireo baolina tafiditra ireo. 67ha no nisantatra ny fampidirambaolina ka nanantena ny handany fotoana fotsiny avy eo. Kanjo tratran’ny patsa iray tsy omby vava fa nahatafidirana baolina 2 tao anatin’ny 2 minitra monja. Ny baolina fahatelo dia 5 minitra taorian’ny baolina faharoa. Ny tsy fahafantaran’ny Totoafo ny mpifanandrina taminy no lesoka lehibe nahavoa azy. Tsarafaritra anefa nahita ny filalaon’ny Totoafo tamin’ny fahitalavitra hatrany (Tsy dia nandeha mivantana tamin’ny fahitalavitra ny lalaon’I Tsarafaritra no tsy nahalalan’ny mpanazatra azy).

Ny mpiara-miasa amiko izay manan-janaka milalao amin’io Tsarafaritra io no nilaza tamiko fa efa zatra nibata ny amboara ity ekipa ity isaky ny misy ny fifaninanana ilalaovan-dry zareo any amin’ny faritra atsimo sy atsinanan’ny tanànan’Antananarivo.


«Mialoha   1 2 3 ... 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 ... 53 54 55  Manaraka»

Powered by LifeType