Maharesaka.VETO

Akorontana indray ve i Madagasikara ?

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 12:15

Vaovao nanaitra ny namakiana hatraty ivelany ny fonjan’Antsiranana sy ny nandraisan’ny fitondram-panjakana handefasana rezimantana mpitandro filaminana tany toliary noho ny famonoana tsy amin’ny antony ataon’ny sasany isak’alina ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny tanàna any atsimo andrefana io. 

 

Andro voalohany amin’ny fampielezan-kevitra hifidianana depiote hotontosaina amin’ny 23 septambra moa androany ka manjary mitodika politika avy hatrany ny eritreritra namaky ny toe-draharaha tamin’ny gazety androany. Mampahatsiahy asa fampihorohoroana anaty vanim-potoana fifidianana manko izy io ary matetika dia ny tsy manantsiny no potika amin’ny tsy nataony. 

 

Na fohifohy ihany aza izay soratako ny tiana ampitaina kosa dia hoe tokony hanameloka ny fihetsika ny antoko mpanohitra fa tsy hihazakazaka amin’ny karazam-pitenenana sahala amin’ny hoe : Ireny no manaporofo fa tena mahantra ny vahoaka malagasy ka lasa manaonao foana sy izay mety ho fombam-pitenenana hafa. Mahantra ve dia hanana fitaovam-piadiana mahery vaika ? Iraka ireny amiko.


Ny fijaliana aiza no azo ihafiana kokoa?

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 11:34

Raha noeritreretina hampangina ny adi-hevitra ny filazana ofisialy fa fisolokiana ny tolotr’asa handeha ho any Bahamas dia vao maika nampanonja ny adi-hevitra sy ny fampisainana izany. 

 

Raha vao niandoha ity raharaha ity dia nisy ny nahasahy niteny avy hatrany fa mampiahiahy ny fandehan’ny raharaha (sahala amin’ny spam mpandeha amin’ny mailaka sy aterineto ihany). « Tsy matiko lolo » hoy ny rahalahiko izay. Nahoana tokoa moa no aty amin’ny analiny kilaometatra (Salay arivony) no itadiavana mpiasa nefa ny kaontinanta lehibe eo akaiky eo aza be no tsy manana asa ? Ankehitriny vao betsaka no nahasahy niteny fa teo aloha mbola nangina sao voampanga ho mpanatsatso eo. 

 

Ny tena namitaka ny nihazakazaka hitady asa kosa dia ny nampiasana ny biraon’ny fanaraha-maso ny asa (Inspection de travail) tetsy Antsahavola. Faharoa manaraka izany, ny nahitana ny solontenan’ny minisiteran’ny asa nandritra ny famelabelarana ny raharaha tamin’ny mpanao gazety tamin’ny voalohany. Singa tsy azo adinoina ireo satria nanampy be dia be tamin’ny fitaka. Hany ka na dia nivoaka tsikelikely aza nmarina mbola nisy ny nahasahy niteny fa aleony mijaly any an-tanin’olona fa tsy izy intsony ny fiainana eto. Mba efa nahita ilay firohotana be tany Sao Paulo ( Brezila) nataon’ny tanora analiny nanao lobaka sy kiravato milahatra ho mpandroaka fako ve io olona niteniteny foana io ? 

 

Eo no nampanontany tena hoe raha samy hijaly ihany ; mijaly eto an-tanindrazana no azo ihafiana kokoa sa ny mijaly any an-tanin’olona ? Nisy manko ireo nasiaka mihitsy hoe tena fadiranovana loatra ny malagasy eto an-tanindrazana ka izany no mampibabababa azy hitady lalana hivoaka. Moa ny fitaizana natao teto amintsika mihitsy no nampanao paradisa ny any ivelany hany ka be loatra ny manofinofy ny hivoaka na dia ireo tsy mahay teny vahiny akory aza.


Tsena vetivety

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 09:22

Mahery mihitsy isika Malagasy amin’ny fomba fitadiavam-bola. Hay hatrany ny manararaotra amina toe-javatra iray. Ataoko fa endrika iray itarafana ny fahaiza-mivarotra izy io raha tsy fahaiza-manambaka.

 

Mitohy hatrany ny resaka fiofanan’ny sefom-pokontany. Tany amin’ny andiany voalohany dia henjana tokoa ny fanaraha-maso ireo sefom-pokotany ireo na dia tany amin’ny sekoly fatoriana aza. Nambenana miaramila mitam-basy mihitsy ny vavahadin’ny sekoly. Raha misy izany olona hafa te-hiditra dia tsy mahazo miditra. Ireo izay te-hivoaka ny sekoly hamangy havana kosa dia atsasak’adiny ihany no fetra azo ivoahana.

Voarara ny matory any amin’ny havana na dia manana havana na olom-pantatra eto an-drenivohitra aza. Nivaha tsikelikely ihany izany fifehezana izany taty aoriana. Efa mahazo mivoaboaka ihany ireo sefom-pokontany ireo amin’izao fotoana izao. Hazakazaka ny an’ny mpivarotra madinidinika manemitra ny vavahadin’ny sekoly, indrindra rehefa tonga ny hariva. Hita avokoa ny karazan-javatra rehetra any amin’ny antsoina hoe tsena fa ny tena betsaka dia ny fivarotana lamba tonta ( friperia) ihany. Ireny manko no tena be mora vidy, amin’ny ankapobeny dia Ar2000 eo avokoa na Ar1000 ny ankamaroan’ny fitafiana. Tonga eny ihany koa ny mpivarotra kojakojan-tokantrano na zavatra hafa madinidinika. Io karazan-tsena io amin’izao fotoana izao aloha no tsy raofin’ny polisin’ny fivondronana. 

 

Henjana dia henjana manko ny fanadiovana ataon’io sampan-draharaha io na dia efa tonga aza ny ora tokony iravany. Fantatry ny mpivarotra amoron-dalana izany ka izay no mahafeno vetivety ny lalana rehefa migadona ny amin’ny dimy ora sy sasany eo ho eo. Izao kosa dia mivezivezy mihitsy ny fiaran’ny fivondronana ka lasa toy ny hafahafa indray ilay hoe malalaka ny lalana odiana. Raha mba fantatr’izy ireo manko fa hotontosaina eto Antananarivo amin’ity volana ity ny fivorian’ny Ben’ny tanàna ao amin’ny fikambanana « métropolis » ka izay no mampihenjana ireto mpiasan’ny fivondronana ireto. Mety halalaka ihany re io rehefa vita ny fivoriana e.


Ireo sefom-pokontany

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 10:27

Mizotra tsimoramora eny na dia tsy misy mpilaza firy aza ankoatra ireo haino aman-jery mpanohana ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Mazava loatra fa ny feon’izy ireo irery no mipariaka any anivon’ny sarambambem-bahoaka amin’izay fotoana izay. Misy ihany anefa izay azo ambara momba ity famoriana atao tsikelikely eny amin’ny lapam-panjakana eny Iavoloha ity.

 

 Marihina fa miditra amin’ny andiany fahadimy (farany) omaly ny famoriana ireo sefom-pokontany rehetra manerana an’i Madagasikara ka isaky ny faritra no ampiarahana azy ireo. Ny andiany iray dia misy sefom-pokontany eo amin’ny 3000 eo ho eo. Ny fampivondronana kosa dia miompana amin’ny fomba fitondrana olona ( fitarihana olona kosa no ambara ombieny ombieny entin’ny fampahalalam-baovao ilazany ny leadership).

 

 Voalohany amin’izany ny hevitry ny sasany manao hoe : « naninona raha ny mpampianatra no mitety ny faritra ? » heverina ho fanaovana fampielezan-kevitra ankolaka manko ny itondrana ireo sefom-pokontany ireo mandeha amin’izany hoe lapan’Iavoloha. Misy ny rariny tokoa izay fanamarihana izay satria ny vola lany amin’ny fivahinian’ny mpampiofana no mora kokoa noho ny vola lany ivahinian’ny sefom-pokontany avy amin’ny lafy valo. Vitsy kokoa ny fahasahiranana amin’ny fikarakarana raha ny hamaroan’ny olona karakaraina no jerena.

 

 Zavatra maro anefa no mety mahatonga ny fanapahan-kevitra hanaovana ny famelabelarana eny amin’ny lapam-panjakana eny Iavoloha. Ohatra tonga voalohany dia fanaovan’ny sefom-pokontany fizahantany vita ho azy indrindra ho an’ireo tsy mbola nahita mivantana hatramin’izay izany hoe Antananarivo izany. Fantatra ihany manko ny fomba fisainan’ny olona maro raha misy izay atao hoe tsy mbola nahita ny renivohitra hatramin’izay niainany nefa hoe hitondra olona. Ny fahitana zava-baovao aty andrenivohitra dia mety hampisokatra ny masontsainy amin’ny vina mety hotanterahiny.

 

 Manaraka izany ihany koa dia ilay fidirana ny lapa mihitsy. Omena sehatra tokoa ry zareo, hoy ny fitenenana. Mba hahatsiaro ny zavatra natao azy kosa izy ireo, hoy aho rehefa nandinika. Mba manan-kotantaraina rehefa tsy hita na tsy azo izay tena holazaina tamin’ny fiofanana niantsoana ny tena, ary hahita ireo fampirantiana mampilendalenda momba ny fiompiana sy ny fambolena ary hikarakara momba ny tontolo iainana ihany koa.

 

 Sekoly no ivantanana

 Fa ny tsy dia misy mpilaza dia ny toerana ivantanana sy atoriana. Sekolim-panjakana izy ireo ary eto an-drenivohitra mazava loatra. Ny sekoly amin’ny mahasekoly azy izay dia misy ny fahabangana. Tsy misy ny efitra fisasana, indrindra ho an’ny vehivavy, ka voatery namoronana vonjimaika amin’ny rofia na gony plastika fantatsika. Tsizarizary ihany nefa andeha atao hoe aleo io toy izay tsy misy mihitsy. Eto Antananarivo rahateo tsy misy efitra fisasana an’ny Kaominina hatramin’izao aloha na dia fantatra aza fa hikarakara izany izy ireo.

 

 Manaraka izany dia ny efitra fidiovana (azonareo fa ny mahasamihafa ilay efitra fidiovana sy fisasana ? tsy dia tiako loatra ilay teny hoe fivoahana !). tena tsy voahaja mihitsy ny fahadiovana. Ny fahazaran-dratsy any amin’ny misy azy ve no entin’ny sefom-pokontany aty sa misy kosa ny fahihirana mahalany be ? nefa dia mahatonga ny sefom-pokotany aty ihany. Fahabangana na fanadinoana ve ny fanomezana taratasy fidiovana ireo olona tsy zatra izany any amin’ny misy azy ireo nefa tsy dia lafo loatra ireny taratasy ireny ho amin’ny fikarakarana tahaka izao. Tsy mahagaga raha taratasy kahie fa famonosana na gazety no idiovan’ny olona nefa manentsina tatatra fanariana maloto lozantany ireny. Taratasy tsy sahaza manko. Vokany : tsy mandingana ny varavarambe akory dia mampiverina ilalana na dia poritra sahala amin’inona aza.

 

 Na izany na tsy izany dia maneho ny mahaizy azy mihitsy izy ireo. Palitao tonta no mety hiaraka amin’ny pataloha jean sy kapa kiranyl. Ny satroka moa dia mbola mahazatra ny maro mihitsy. Ireo rehetra ireo dia amin’ny fahadiovana antonony. Afaka manoatra ho aiza moa sady aiza koa no hindramana ny tsara kokoa ?


Malagasy sy Maorisiana: Tsy hifankatia mihitsy!

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 17:11

Mbola akon'ny lalaon'ny nosy ihany ity ambarako ity nefa dia misy ifandraisany amin'ny sehatra hafa! Ny fifankatiavana na fifandraisana amin'iero nosy roa azo heverina ho mifanakaiky saingy toa mifampianjonanjona no holazaiko etoana.

Eo amin'ny fijery malagasy dia nosy telo no tena mifaninana, isika sy ny Maorisiana ary ny Reinoney. Eo amin'ny taranjam-panatanjahantena heverina fa atahorana ny Reinoney dia mirona manohana ny Maorisiana ny mpijery malagasy amin'ny ankapobeny. Raha ny Maorisiana indray no atahorana kokoa dia ny Reinoney no tohanan'ny maro kokoa amin'ny Malagasy. Ireo malagasy manambady frantsay kosa moa dia maro amin'izy ireo no manohana kokoa ny Reinoney noho ny malagasy aza. Asa inona no antony fa zavatra hitako teny ampijerena lalao io aloha.

Ankoatra izay indray dia misy ihany koa ny maro amin'ny mpijery ka manana olona akaiky miasa amin'ny Maorisiana no tsy mety hanohana maorisiana mihitsy. Ny antony dia mpanivaiva gasy loatra ny maro amin'ireo mpifehy teratany Maorisiana. Izaho manokana moa dia miaina mihitsy izany hoe na dia iray trano iasana izao aza dia toy ny fady azy mihitsy ny hamaly ny arahabako na dia miezaka ny miarahaba azy aza aho indraindray. Taty aoriana moa dia tsy misy miresaka eo na mety hifandona eo antokotanim-piasana aza.

Etsy ankilan'izay dia mihevitra ireo delegasiona Maorisiana fa mitongilana ho amin'izay mifanandrina amin'ny maorisiana hatrany ny mpitsara malagasy. Dia nisy moa tamin'ny taranja ady totohondry niditra an-tsehatra mihitsy ny minisitra maorisiana fa heveriny ho mifanafin-keloka (miray tsikombakomba) ny Malagasy ny ny Reinoney. Ny olana moa dia tsy nisy sary naseho mihitsy mampiharihary ny tsy rariny nataon'ny andaniny na ny ankilany. Tsy hita intsony izay manana ny rariny.

Izay no heverin'ny mpanaraka ny baolina fandaka lalao famaranana fa mamaly faty ilay mpitsara Maorisiana namely ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny lalao ka nahararaka antsika tsy hahazo ny medaily volamena. NIvandravandra tamin'ny mpanao gazety rehetra ilay fomba fitsara saingy ny mpitsara ihany moa no masi-mandidy farany. Lesoka ho an'ny malagasy koa moa ny tsy mba fahaizana mitifitra penalty hatramin'izay nijereko baolina ka fantatro avy hatrany fa ny Reinoney no handrombaka azy raha vao tonga izay sehatra izay.

Tsy dia nitsikera be fahatany ny mpilalao na mpanazatra malagasy intsony ny mpijery rehefa vita ny lalao fa kakay sy lonilony amin'ny Maorisiana no nentina nody. Tsy ho rahampitso noho izay no hisy fihatsarany ny fifandraisana eo amin'ny malagasy sy ny maorisiana.


«Mialoha   1 2 3 ... 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 ... 58 59 60  Manaraka»

Powered by LifeType