Maharesaka.VETO

Scoop: Laza adina Bacc mivoaka mialoha?

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 15:55

Malaza ankehitriny moa ny momba ny laza adina Bepc nivoaka mialoha teo. Ankehitriny aho dia hilaza izay fantatro sy hitako ny amin’ity raharaha ity. Tsy ny tamin’ny farany teo ihany fa na dia ny teo aloha aza.

 

Efa hatramin’ny ela no nisy hatrany io laza adina nivoaka mialoha io ary tsy ny Bepc aza no malaza amin’io fa ny Bacc indrindra indrindra. Tsy re na tonga any amin’ny mpampahalala vaovao izany fa eo amin’ny samy mpianatra no tena miampita. Nampanontany tena mihitsy hoe ahoana ary no ahafantarana mialoha sahady ireny laza adina ireny? Indray atoandro aho (efa nianatra teny amin’ny anjerimanontolo aho tamin’izay) dia nahita teny amin’ny tany malalaka iray akaikina foibem-panadinana ankizy maromaro miara-mijery laza adina matematika an’ny vondrona A2. Dia misy iray amin’izy ireo manorotoro ny famahana ny olana. Notadidiako mihitsy ny ankapoben’ny laza adina. Tonga ny hariva firavan’ny mpiadina dia nanontany ankizy aho mba hijery ny laza adina nataon’ny vondrona A2. Nitovy tsy nisy valaka tamin’ny nohadihadian’ny ankizy niaraka mihitsy ilay laza adina. Teo aho vao nanaiky fa tena misy tokoa ny fivoahana laza adina mialoha. 

 

Dia nampitamberina ny tamin’ny fotoan’andro nanalako Bacc aho avy teo. Izaho moa dia nanaraka ireny fampianarana fanampiny ireny tamin’izany fotoana. Dia nahatadidy aho fa rehefa amin’ny faraparan’ny fotoana dia manome laza adina sarotsarotra ireo mpampianatra no sady namerina ingahy mampianatra fa mifanahatahaka amin’io ny laza adina mety hivoaka. Tsy dia niraharaha izany loatra moa aho fa dia nianarako tsara avokoa ny zavatra rehetra (amin’ny matematika io). Ny mpiara-mianatra tamin’izany moa no nanamarika fa matetika ny laza adina farany amin’ireny fampianarana fanampiny ireny dia maro itovizana amin’ny laza adina mivoaka hatrany. Inona no antony? 

 

Ingahy minisitry ny fampianarana sy ny tompon’andraikitra sasany moa dia nilaza fa sarotra ihany ny antony mety hivoahan’ny laza adina mialoha. Ny rafitra napetraka no manamarika fa ireo izay manao ny laza adina dia avahan-toerana 40 andro mialoha no sady tsy mahazo mifanerasera na amin’iza na iza eny fa na dia ny mifampiantso aza. Matetika io fitenenana io no ilazan’ny tompon’andraikitra fa tsara ny faaraha-maso ny mpanao laza adina. Io indrindra anefa no nahitan’ny sasany hevitra.  

 

Mpiaramiasa ka mifankafantatra ny mpampianatra ka samy mandefa na samy manana ny laza adina omaniny ho amin’ny fanadinana. Matetika mifampihaona izy ireo ka mifanome sopapa any alohaloha any. Ny sopapa eto dia hoe raha tsy hita tampoka aho dia ireto ny laza adina hataoko any amin’ny fanadinana. Dia mifampiandriandry eny ry zalahy sy ry zavavy mpampianatra. Koa raha misy mpampianatra tsy hita elaela dia samy kaopy araka ny fitenenan’ny tanora azy ny rehetra. Ary ataoko fa azonareo amin’izany ny tiako lazaina. Noho izany: efa karazan’ny lany andro ihany ny fanaon’ny mpiandraikitra fanadinana hatramin’izao fotoana izao raha io fomba nolazaiko io ihany no tohizan’ny minisitera. Mety ho tetika hafa koa moa ny manavaka amin’ny efitra iray mpiadina tsy misy akory fa ahafahana mahazo mialoha laza adina no tena tanjona nefa vinavina ihany ity faharoa ity ary ny sefon’ny foibem-panadinana no afaka manao izany aha tsy hoe efa misy omena azy ireny mialoha.


Lavo ny andrarezina

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 15:48

Izay lohateny nataon’ny Vaovaontsika izay ihany no averiko etoana. Raraka teo amin’ny 1/16n’ny famaranana avokoa manko ny ekipa roa noheverin’ny mpanatrika fa hiatrika ny famarananana tamin’ny kitra fokontany. Efa nosoratako reo ekipa roa ireo dia ny Fc Andrady I sy ny FC Totoafo 67ha. Ny ekipa voalohany dia nahintsan’ny “Ny Mpiremby” tany amin’ny tifitra ifandimbiasana rehefa avy nanao ady sahala 1 noho ny 1.  

Ny ekipa faharoa kosa dia lavon’ny Juventus Tsarafaritra (Tsimbazaza) 3 noho ny 1 be izao. Samy tany amin’ny fidirana faharoa avokoa ireo baolina tafiditra ireo. 67ha no nisantatra ny fampidirambaolina ka nanantena ny handany fotoana fotsiny avy eo. Kanjo tratran’ny patsa iray tsy omby vava fa nahatafidirana baolina 2 tao anatin’ny 2 minitra monja. Ny baolina fahatelo dia 5 minitra taorian’ny baolina faharoa. Ny tsy fahafantaran’ny Totoafo ny mpifanandrina taminy no lesoka lehibe nahavoa azy. Tsarafaritra anefa nahita ny filalaon’ny Totoafo tamin’ny fahitalavitra hatrany (Tsy dia nandeha mivantana tamin’ny fahitalavitra ny lalaon’I Tsarafaritra no tsy nahalalan’ny mpanazatra azy).

Ny mpiara-miasa amiko izay manan-janaka milalao amin’io Tsarafaritra io no nilaza tamiko fa efa zatra nibata ny amboara ity ekipa ity isaky ny misy ny fifaninanana ilalaovan-dry zareo any amin’ny faritra atsimo sy atsinanan’ny tanànan’Antananarivo.


Ady toeran'ny TIM

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 08:59

ity ilay lahatsoratra tokony ho nivoaka omaly ary tsy nisy novaiko mihitsy. 

Dia somary malazalaza indray moa ny fifanolanana eo amin’ny samy lohandohan’ny ao amin’ny antokon’ny filoham-pirenena. Dia tahaka ny azo tsorina hoe Atoa Razoharimihaja sy Ranjivason no tena mifampiandry kendritohina. Raha tamin’ny famalin’ny filoham-pirenena tamin’ny resaka tamin’ny mpanao gazety dia toy ny mahazo tombony ihany ny filohan’ny TIM ankehitriny. Raha jerena ihany koa dia tahaka ny mety ho latsaka ihany Atoa Ranjivason. Izao manko no lesoka amin’ity farany: Tao amin’ny antoko MFM ny lehilahy teo aloha. Manana ny fahaizany sy ny fomba fisainany ny ao amin’io antoko io fa misy koa ilay lazany amin’ny fanakorontanana. Fa izao kosa no heveriny ho tombony: Samy avy any Alaotra ry zalahy ka mihevitra ny hahasolo iray ilay minisitra teo aloha.

 

Na izany na tsy izany dia nisy lesoka lehibe ihany koa ny an’ny filohan’ny TIM ankehitriny. Teo aloha ny avy amin’ny hevitra nabosaky ny andaniny dia ny fanadinoana ilay zaikaben’ny antoko. Manaraka izany ihany koa dia naneho tsy fanarahana ny toetr’andro na ny filamatry ny filoha ny endri-tsaina narantiranty manerana ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena teo iny. Ny sarin’ny Madagasikara dia misy fizarana araka ny fari-piadidiana (faritany teo aloha) fa tsy araka ny faritra 22. Manaitra ny maso io toe-javatra io na dia mety heverin-dry zareo ho sary fotsiny amin’izao aza. MampanOntany tena manko hoe tena manaraka ny toromariky ny filoha tokoa ve ry zareo?


Totoafo FC ihany!

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 19:23

Lahatsoratra fahatelo avoakako androany. Malaza ho an’ny mpitia baolina fandaka amin’izao fotoana izao ny “kitra fokontany” karakarain’ny MBS Groupe ao amin’ny kianjan’ny Masindahy Misely Amparibe. Ekipa 125 tokoa ny efa nifanintsana andro maromaro izay. Efa miditra amin’ny fihodinana fahatelo moa ny lalao amin’izao fotoana izao. Katitakely eo amin’ny 11 ka hatramin’ny 15 taona no mifanintsana amin’izany. Mazava loatra fa samy manohana ny any amin’ny fokontaniny ny mpitia baolina fandaka.

 

Hita ihany koa fa misy ireo ekipa efa manana ny haizatrany tokoa na dia mbola boaikely aza no milalao ary misy no taitra tamin’ny dokambarotra nataon’ny fahitalavitra raha vao nisy ny fifanintsanana. Sarotra na dia izany aza no ahitana fahagagana fa ny mahay ihany no mety ho tafita. Mizara sokajy maromaro manko izy rehetra ka ny sokajy iray misy ekipa efatra. Dia ireo no mifampihaona ka ny voalohany ihany no tafita amin’ny 1/16n’ny famaranana.

 

Misy dia misy ireo tena miezaka sy mahay nefa manana lesoka be raha vao manao ady sahala fotsiny. Sarotra ny ahatafita raha vao resy indray monja. Na izany na tsy izany dia tsy maintsy manohana ny avy any amin’ny foktontany misy ahy ihany koa aho sady efa tafakatra amin’ny 1/16n’ny famaranana rahateo ry zareo. Totoafo FC 67ha ihany no ady eo e! Marihina fa ny tena mpifanandrina mampiaiky ny maro mpanaraka indrindra dia ny FC Andrady avy ao Itaosy nefa ho hita eo izany e!


Maharena tokantrano

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 19:14
Lahatsoratra faharoa androany ity. Nalaza eran’izao tontolo izao ny fahabetsahan’ny mariazy notontosaina tamin’ny 07/07/07 teo iny. Betsaka moa ny resaka efa nandeha tamin’iny fa ny mba tsy aritro dia ny marizain’ny “cousine”-ko nalain’ny gazety ny vaovaontsika sary lehibe teo amin’ny voalohan’ny takelaka sady nisy filazalazana tsotra momba an-dry zareo tao anatiny. Dia faly ny tena ary mitso-drano hoe “maharena tokantrano sady ho arahin-jazalahy sy zazavavy e!”
«Mialoha   1 2 3 ... 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 ... 58 59 60  Manaraka»

Powered by LifeType