Vaovao Eto anTOerana.VETO

Euro 2008: Pour la désobeissance civile contre UEFA

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 23:27

Je me permets d’ecrire en français même s’il y aura des fautes d’orthographe et des fautes de grammaire et même si la langue française n’est vraiment pas mon fort. Peut être que c’est voulue ainsi mais je me demande aux amis africains au sud du Sahara si vraiment ils aussi n’ont droit qu’à huit matchs durant cet evenement qu’est l’euro 2008. Nous sommes tous témoins que l’afnex qui a droit de diffusion pour l’euro 2008 pour toute l’afrique sub saharienne n’a pas acheté que le nombre déjà cité ci-dessus (sa population n’atteint-elle pas le nombre d’un milliard d’habitants?) . L’afrique d’où viennent des élites actuels de ce sport roi. Si c’est vrai...alors les Africains sont donc condamnés d’avance. Malheur à toi Pauvreté.

Je me demande s’il n’y a vraiment pas de réactions de la part des africains de cette injustice flagrante de monople qui ne connait que de bénéfices et peut être trop de bénéfices aux détriment de l’amour des fans de football qui n’a plus rien à faire qu’écouter le résultat de tout match en dépit de l’avancée incroyable du technologie et de la communication en ce moment. C’est vrai que l’evenement se passe en Europe et que je suis en Afrique mais qui ne connait pas que le lien entre l’Afrique et l’Europe est tres étroit par l’histoire commmune entre eux-mêmes. Et l’amour de football n’a pas de frontières ni de limites.

Maintenant je comprends tres bien pourquoi les hommes et les femmes des pays en développement sont friand de produits dit de piraterie à bas prix qui viennent de l’Asie en général et de Chine en particulier c’est parce que beaucoup de marques accollées à ces produits sont européennes ou américaines. Les Chinois savent que l’Afrique aime l’Européen ou l’Americain du Nord et les Chinois jettent l’hameçon là dessus. Maintenant je voudrais tant que CCTV diffuses illégalement et gratuitement pour l’Afrique et pour l’Amérique Latine tout les matchs de cet Euro comme une révanche à l’endroit de l’Europe et de son boycott de flamme olympique qui vient de se passer quelque mois auparavant. Je sais une chose, j’ai peur de la Chine et de ses produit mais c’est surtout l’Europe qui a peur d’elle et est incapable de faire plier cette grande nation de l’empire du milieu aussi serais-je totalement du côté de la Chine . Connaissez-vous une entreprise Suisse (où se tient l’euro 2008) de fabrication de ciment dénommé Holcim chez vous? Ici à Madagascar cette entreprise n’a céssé d’augmenter le prix de ses produits de cinq fois plus chère qu’il y a six ans mais qu’elle vient de baisser les prix de 10 à 15% parce qu’une société chinoise vient lui concurencer  partir du mois suivant. Ceci pour vous dire que l’Européen aussi est très avide d’argent et que le monopole de quoi que ce soit (et même de retransmission en direct d’un match de football) n’a de bénéfique qu’à celui qui le detient.

Autre chose, parce que les télévisions nationales africaines ne peuvent pas se permettre de faire le ‘pirate’. J’appelle à la désobeissance civile de1 cette manière suivante: que tout restaurant, bar, salle de jeux ou salle vidéo de toute l’Afrique sub saharienne fassent promotion auprès du public qu’ils ont la télévision satellitaire et qu’on pourrait suivre chez eux sur écran géant ou sur écran (de) très large (dimension) toutes les retransmissions en direct de l’euro et que tout pouvoir public ferment les yeux de tout acte illegale de ces rétransmissions auprés du public. Pourquoi nous laisser à notre faim? Peut être que l’Européen sait pertinemment que l’Africain ne pourrait plus se passer de leur rencontre sportive mais il veut séparer le riche du pauvre. Peut être que l’Européen ne veut plus du football comme un sport masse mais un sport typiquement européen et réservé aux riches. Maintenant j’ai des soucis que même si le mondial se passera en Afrique en 2010, l’Africain n’aura droit de rétransmission que de l’ouverture et de la finale de cet evenement sportif. Autant agir dès maintenant!

Ahoana isika eto Madagasikara? Aiza avy ny toerana ahafahana mijery ny fampitana mivantana ireo lalao rehetra ireo e? Mbà milazà ry zareo a! 


Ndao Hihazakazaka: Gidragidra notadiavina

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 20:24

Efa nanoratra teto aho fa handray anjara amin’ny hetsika “Ndao hihazakazaka” (Alahady maraina ningitrika fiangonana sy sekoly alahady). Mazava loatra fa nahita ny ankamaroan’ny zava-nitranga tamin’io hetsika io aho. Marihina fa raha ny fandraisana anjara aloha dia tsy 15 000 fotsiny ireny fa mihoatra be (mihevitra aho fa manodidina ny 30 000 ireny satria maro loatra koa ny tsy nahazo tapakila intsony no nandray anjara hatrany). Eo amin’io lafiny iray io kosa aloha dia fahombiazana tanteraka ny hetsika. Maro aza ireo orinasa no tsy niraika loatra tamin’ny tsy fahazoana tee-shirt izay tantara manokana amin’ity hetsika ity. Izahay indray, satria mpiara-miasa ihany koa no nifanentana tsy niaraka tamin’ny debadeba, nanadino nitondra sora-baventy na tsy nieritreritra hikarakara izany mialoha (tsy nisy sampana na tompon’andraikitra tamin’ny serasera sy na dokambarotra tsinona niaraka taminay)...

 

Faharoa manarakaraka izany, mialoha ny hidirana amin’ny resaka somary mangidingidy kokoa, dia nampihomehy ihany ny mahita ilay hazakazaka niato teo amin’ny hidin-dalam-by Ampefiloha satria nisy fiaran-dalam-by mpitondra entana sy solika niserana tsimoramora. Tompon’ny lalana tokoa angaha, nefa na izany aza moa tsy efa noeritreretin’ny tompon’andraikitry ny Madarail ihany koa ve ny hisian’ity hetsika ity? Tsy hoe feno dia feno tsinona ny fandaharam-potoana iasan’ny masinina araka ny fahalalako azy.

 

Fahatelo, nisy sampana tsy nanatontosa ny anjarany antsakany sy andavany tamin’ireo mpikarakara ny hetsika. Efa naverimberina manko fa tokony ho tamin’ny enina ora maraina ny fizarana ny tee-shirt sy ny laharam-pihazakazahana ho an’izay manana tapakila efa azo herinandro mialoha. Maro noho izany ireo tonga mialoha ka nieritreritra fa izay tonga dia mahazo avy hatrany ny anjarany sady tsy te-hisisika amin’ny taratara sady fantatra rahateo ny tsy mbola fahaizan’ny Malagasy mandrindra zavatra loatra. Tsy tonga anefa ny fiara mpitondra ireo zavatra tokony hozaraina raha tsy tamin’ny valo ora latsaka fahefany, izany hoe adiny roa latsaka taorian’ny fotoana nifanarahana. Ora iray sisa izany no fetra hizarana ny tee-shirt ho ana olona 15 000 araka ny nambara ombieny ombieny. Izany hoe tokony hahazara tee-shirt, na zavatra hafa, 250 isa-minitra ny mpikarakara farafaharatsiny. Aoka aloha holazaina fa efa maro tamin’ireo tokony hizara no tonga aloha ihany koa fa ireo fiara mihitsy no tratra aoriana. Tsy mahatratra 100 anefa ireo mpizara ny entana raha ny fanombanako azy (ahiako tsy hahatratra 50 akory aza). Noho izany ankoatra ny fanamarinana kely madinidinika eo ampizarana dia tsikaritra fa tsy ho voazara ara-potoana velively ireo zavatra efa nampanantenaina ny mpandray anjara. Vokany, tamin’ny valo ora dia ravan’ny fifanosehana sahady ny toeram-pizarana iray (tranolay iray amin’ny enina hitako teny an-toerana). Folo minitra taorian’izay raha ela dia rava ihany koa ny toeram-pizarana roa teo akaiky teo ihany. Rava avokoa izany ny fizarana telo teo anoloan’ny Instat. Ny roa hafa kosa dia eo amin’ny sampanan-dalan’ny Fitsarana amin’ny ady amin’ny fanjakana sy ny Fitsarana Tampony (mbola eo ampanamboarana saingy efa manakaiky ny fahavitana kosa).

 

Fahaefatra, aoka tsy hohadinoina fa tsy nisy resaka mihitsy ny amin’ireo mbola te-hisoratra anarana tamin’io fotoana io ary efa nilazana mialoha fa tsy hahazo na inona na inona intsony. Maro dia maro anefa ireo olona ireo (sady tanora avokoa ny ankamaroany). Noho ny tsy fahampian’ny serasera dia nifangaroharo teo ny filaharan’ny te-hahazo tapakila sy ny efa manana tapakila fa miandry tee-shirt. Asa efa be angaha ny azo ka tsy noraharahiana intsony ny vola hafa mety mbola ho azo.

 

Fahadimy, nampanantenaina ireo efa manana tapakila fa rehefa tsy azony teo anoloan’ny lapan’ny fitsarana ny tee-shirt na zavatra hafa dia eny Alarobia ny fotoana. Nampanantenaina ny rehetra fa tsy maintsy mahazo ny anjarany avokoa ny rehetra fa tehirizina tsara ny tapakila. Nisy anefa ny fifandraisana tsy nifankahazo satria samihafa tanteraka ny dikan’ny teny hoe tsy maintsy mahazo ny anjarany avokoa ny rehetra sy ny hoe tsy maintsy zaraina amin’io fotoana io avokoa ny zavatra rehetra. Teny an-dalana manko ireo fiara mpizara zavatra (ilay kamiao mena io) dia efa nanapariaka tee-shirt tamin’ireo mpijery maro teny an-dalana. Niahiahy avy hatrany aho fa endrika fanodinana ny zavatra tokony hozaraina izao toe-javatra izao. Mbola teny an-dalana tsy nisy olon-kafa niditra an-keriny tamin’ny fiarabe mihitsy izany. Nisy fiara madinika izany niara-dalana (205 volombatolalaka) niara-dalana tamin’io fiarabe mena io ary nanmpidinana tee-shirt maromaro teny ampandehanana mbola ho eny Alarobia. Ry zalahy amin’io maro no be kibon’ny tee-shirt maro tahaka an’i Obelix ara-bakinteny.

 

Fahaenina, hiresaka ny amin’ny mpizara indrindra ao anatin’izany tantara izany. Misy ny manombana ireo mpizara ireo ho olona tsy azo itokisana loatra ny fijery azy. Misy moa ny mahasahy mampitaha ireo mpizara ireo amin’ny endrika mpangaro-paosy sy ny mpanendaka sanatria, amin’ny fomba fitenin’ireo teo akaikiko manao hoe: jereo amin’ny endriny fotsiny fa raha ireo no mpizara tsy mahagaga raha tsy voazara amin’ny tokony ho izy ny entana. Masiaka loatra io teny io nefa mampandinika tokoa raha mahita ny ataon-dry zalahy nitady ilay gidragidra tokoa. Raha iverenana manko ny nahatonga ny faharavan’ny toeram-pizarana faharoa sy fahatelo nolazaiko teo dia nisy tovolahy nampidina tee-shirt maromaro avy any ambonin’ny tafon’ny fiara ka tsy ilay mpizara tao ambany no nandray azy fa ireo mpifandrombaka. Mazava loatra fa voatery niala ilay fiara (mazda manga ilay tsikaritra any amin’ny sary hafa ihany).

 

Fahafito, rehefa teny am-pahatongavana teny Alarobia. Mbola tsy nisy na inona na inona vanona ihany. Eny amin’ny fiara ry zalahy no mieriteritra ny hizara indray ny tee-shirt sy ny zavatra hafa. Nahavariana ny fahamaroan’ny olona vao notazanina lavitra fotsiny. Maro manko ireo efa tsy tafiditra intsony tao amin’ny kianjan’Alarobia satria hipoka tanteraka ny tao anatiny teo akaikin’ny fiara mpizara. Indro fa niala niaraka tamin’ny entana tao anatiny sy teny amboniny indray ilay mazda manga efa nitsoaka tery Anosy. Ilay fiarabe mena sisa no tsy afaka ary dia raikitra ny fandrombaka. Mazava loatra fa zara raha nahazara ny entana tokony ho nozarainy ny mazda manga nolazaiko teo ambony ihany. Namana iray teny an-dalam-podiana no nilaza tamiko fa nanipy vitsivitsy teny an-dalana io fiara mazda manga io sady nirifatra ihany. Amiko manokana entina ialana bala iny hilazana fa nizara ihany koa izy teny an-dalana.

 

Fahavalo, zavatra iray saiky adino. Teny an-dalana dia misy ireny rano zaraina amin’ny mpihazakazaka ireny. Nolazaina fa ny ‘Eau vive’ no mpanohana ofisialy amin’ny fanomezan-drano. Be loatra tsy araka ny nampanantenaina ve ny mpandray anjara fa tamin’ny fizaran-drano telo voalohany hitako dia tsy misy rano zaraina intsony rehefa nandalo teny izahay. Nisy moa ny niteny fa tsy eau vive intsony no nozaraina fa rano vao natsakaina ilay izy. Nisy aza ny nahasahy nilaza (mety ho noho ny lonilony koa) fa rano efa masiso no nozaraina tamin’io fotoana io. Satria moa izahay efa tsy nahatratra rano intsony nefa izahay amin’io afovoamboan’ny fihazakazahana dia nividy eau vive teny amin’ny mpivarotra tompoko.

 

Fahasivy, mikorontana ihany ny serasera ny ampitson’ny toe-draharaha. Efa nisy ny fialan-tsiny natao tamina fahitalavitra iray nataon’ny mpikarakara (media consulting) fa tsy mbola nahazo alalana hizara ry zalahy nefa dia nanao be loha. Maro tamin’ireo tsy te-higidragidra teny Anosy na Alarobia manko no efa nanapa-kevitra (noho ilay fahitana ny fiara mazda tsy nahazara ny entana ohatra) fa hankeny Ankadivato misy ny foibeny miaraka amin’ny tapakila. Tsy maintsy valinteny fialana no azon’izay mankeny toy ny hoe mbola eo an-dalam-pivoriana izao sy ny hoe tazonin’ny fivondronana ireo tee-shirts maro tsy voazara tany amin’ny fiara. Raha ny hoe mbola mivory handinika izay hatao efa mahazatra ihany fa ny hanilika ny anjara eny amin’ny fivondronana kosa efa zavatra hafa ny amin’izay.

 

Fehiny: Samy tompon’andraikitra avokoa ny rehetra saingy heveriko fa niniana natao ilay tsy filaminana ahafahana manodina entana maro araka izay azo natao. Hitako mivantana, kaofy boay iray hita fa mpikotrana satria bokony dia bokony avy any ampifandrombahana tany mitondra tee-shirt efa tsy latsaky ny folo, ny sigara (tokoa ve sa maoly?) amin’io tsy miala eny ambava mihitsy. Mety ho tsy nisy sahy nikitika ranamana na dia ny mahita azy fotsiny aza. Lazaiko etoana fa nalain-dry zalahy tao amin’ny mazda manga avokoa ny ankamaroan’ny entana nentiny raha sahy milaza any amin’izay anaovana tatitra izy fa voazara avokoa ny nentiny. Asa manao ahoana re izao ny hamaroan’ny tee-shirt ‘Ndao hihazakazaka’ amidy eny an-tsena amin’izao fotoana izao? Izay nahazo teny Alarobia aloha dia ny Be sandry ihany no nahazo sy ireo nahasahy nandroba tany amin’ny fiara fizarana ny entana.

 

Tee-shirt ve no nihazakazahana? Misy ny mitsikera fa matin-kani-kely ny malagasy raha ny tee-shirt no niadiana. Ambara fa mariky ny fahantrana ilay fandrombaka nifanaovan’ny olona tamin’iny fotoana iny. Isika angamba no tsy mba zatra loatra ny mametraka fahatsiarovana amin-java-dehibe iray ankoatra ny sary. Nisy tamin’ireo te-hifandrombaka no tsy te-ho bedin’ny any an-trano satria ny fananana ilay akanjo no marika ahafantarana fa tany tokoa ny tena ary nihazakazaka tokoa. Ny tsy nahazoana mari-pahatsiarovana nampanantenaina noho izany dia mahatonga ny saina hieritreritra fa niodina fotsiny ny tena ka ny ‘Ndao hihazakazaka’ no nentina nialana bala. Io lafiny io no tsy mba nosain’izay nitsikera fahatany amin’ny fandrombaky ny nanao izany. Hita ihany rehefa fotoan-dehibe toy ny lalao lehibe ireo manao satroka taratasy (cotillons) misy soratry ny lanonana na hoe Barea na Ajesaia na Rossy saingy matetika dia amin’iny andro iny dia mety ho potika ireny satroka taratasy ireny. Heveriko fa karazany saiky sambany ilay mari-pahatsiarovana saiky nozaraina saingy indrisy moa. Amin’ny manaraka aleo amidy ny mari-pahatsiarovana mba hialana amin’ny fifandroritana fa tssy tokony atao lafobe tahaka ny tamin’ny lalaon’ny nosy izay fanararaotana tafahoatra kosa.


Barea: Aza lazaina hoe

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 13:37

Ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe : Ndao hihazakazaka gidragidra notadiavina dia efa vonona tokoa ary efa nihafiana nalefa tamin'ny alalan'ny moov anaty ora feno (izay lafo be) saingy rehefa tonga teo amin'ny minitra faha-16 nanokatra blaogy.com fotsiny dia tapaka ho azy ny connexion, fatiantoka iray lavaka. Rahalina na rahampitso angamba iny no mivoaka raha tsy hoe lany ny fahana.

Fa hiresaka Barea kely na dia tsy nanatrika teny aza ny tena. Efa fantatra fa nanao ady sahala tamin'ny favori aloha ny ekipa. Nahafinaritra ihany ny lalao satria nifandanja ihany noho ny ezaky ny tsirairay. Ny tsy maintsy lazaiko satria tsy hisy hiresaka loatra sady toa tsy azon'ny maro eto an-toerana mihitsy.

Tsy hita akory manko izay fiovana teo amin'ny toerana ipetrahan'ny mpijery. Tsy mahagaga raha mila vaniny araka ny fitenin'ny gazety ny solontenan'ny FIFA nefa zavatra takiako ihany koa io. hita manko fa raha 24 000 eo ho eo no fenitra amin'ny isan'ny mpijery dia mbola azo tombanana ho 30 000 eo ho eo ihany ireo tafiditra. Toa iniana atao mihoatra ihany ny tapakila nozaraina azo anaporofoana hatrany ny fitiava-kelin'ny sasany (iza io?) amin'ny sitrany ahay. Tsy voahaja indray manko ny lalan'ny mpandeha izay efa natao loko hafa mihitsy.

Ny gasy ve no tsy mety manaiky fandaminana sa ny tokony handamina no tsy miraika loatra hanaja ny fenitra?


Euro 2008: Maty piraoga ny mpitia baolina gasy

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 22:50
Mionòna mionòna ialahy ry mpitia baolina Malagasy fa izay kely azon’ny Afnex omena an’ialahy ihany no sisa arahin’ialahy mivantana. Zara aza ialahy nomeny baolina valo hojerena amin’ity euro 2008 ity ka ampahaefatry ny famaranana ny roa, atsasaky ny famaranana ny iray ( fa maninona no tsy izy roa e?) ary ny famaranana ny iray. Zara aza ialahy nahita ny lalao fanokafana androany alina iny dia amin’ny alakamisy 12 marsa 2008 hihaonan’ny Alemana sy ny Kroaty indray ny baolina manaraka.

Fa iza anefa no nilaza tamin’ialahy hoe aty amin’ny faritra mahantra Afrika Atsimon’i Sahara ialahy no mipetraka? Ahoana tsara hoe? Maninona raha mividy ny fitondrana Malagasy hanome fahafaham-po ny vahoaka tsy mandady harona? Oadray! Izy anie afaka mijery amin’ny TPS sy ny Canalsat e! Maninona raha mampiditra ny iray amin’ireo ialahy? Soa ihany aho fa tsy naka “congé” fa izany no fanaoko rehefa avy ny Euro na ny mondial. Sa ve hoe rehefa tsy hijery baolina aho rahampitso dia heverin’ialahy fa tsy tia baolina mihitsy aho? Ka raha tia hanaraka baolina mivantana anie ialahy mitantara ny Radio Nasionaly Malagasy e! Ahoana tsara hoe? Izay aloha e! Ny mijery no tena izy fa tsy itantarana.

Dia inona anefa no hataon’ialahy? Himenomenona fotsiny any ambadika any? Ka sahin’ialahy ve ny hitaky Euro eny Mahamasina rahampitso? Izaho anie ho’aho tsy ho eny e! Io tsy fahaizana mivondrona io ihany no mahavoa an’ialahy? Fa raha misy fihetsiketsehana (izay ho nofinofy tanteraka aloha eto Madagasikara) rahampitso mety ho heno ihany ny hetahetan’ialahy ka! Saingy ny vahaolana tsotra indrindra dia ny mitady akama manana TPS na Canalsat e! Izaho aloha tsy manana fa efa mahay mionona e! Zara aza nomeny baolina valo na dia tsy mahaliana loatra aza ny lalao omeny e! Foha! Foha! Ndeha matory fa tsiiiy iiiiiy! Ary tsy ramatoa no imenomenonana eo! 

Baolina fandaka: Na ho tafintohina aza ianao

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 12:14

Efa nolazaiko mialoha ihany ny amin’ity soratra iray ity satria mety hanafintohina ny maro amin’ny mpamaky ny votoatiny. Marihina aloha fa resaka baolina fandaka izy ity (baolina kitra hoy ny fiteny mahazatra nefa toa mitondra kitra hatrany ny Malagasy aminy). Misy fizaram-potoana ilay eritreritra mba hifandrindra hatrany amin’ny zava-misy aloha.

Vanim-potoana voalohany, tsy mbola nanomboka ny fifanintsanana hidirana amin’ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana ho tompon-daka manerantany hotontosaina any Afrika Atsimo 2010 sy ny dingana famaranana handrombahana ny ho tompondakan’i Afrika izay hotontosaina any Angola 2010 kosa. Niverina tamin’ny toerany ny FMF na ny Federasiona Malagasy ny (baolina) Fandaka izay nahantona teo aloha. Ny minisitry ny fanatanjahantena izay nampihantona ny federasiona kosa no tsy tafaverina tamin’ny toerany intsony. Ady koropaka ny fanomanantenan’ny ekipam-pirenentsika malagasy. Mpilalao avy amin’ny ligin’Analamanga, hany ligy tokana nanao fifaninanana nandritra ny fotoana nampihantona ny FMF, ihany no nantsoina handrafitra azy.

Nasaina tao amin’ny fandaharana Savaravina mandeha isan’alahady hariva ao amin’ny radiom-pirenena ny FMF. Naneho ny fanakianany ny FMF ny maro amin’ny mpiantso ka nilaza hoe maninona raha mba mametra-pialana fa tsy miandry esorina? Valy bontana no azo, mirotsaha raha mahasahy fa tsy eo no be vava eo! Eo anatrehan’ny mpanaraka ny baolina anefa dia tsy ho tafala eo amin’ny toerany mihitsy ireo mpikambana amin’ny federasiona ireo satria ny olony ihany no maro an’isa amin’ny ligy mahazo alalana hifidy. Ny tsy zakan’ny mpanaraka dia ny ligy anarany no tena maro an’isa fa ny ligy mahita ny lesoka kosa sady tena miasa dia vitsy loatra tsy hahavadika ny rasa mihitsy. Mirehareha ny FMF satria tahaka ny mahazo fanohanana avy amin’ny FIFA.

Raha izany no izy, hoy aho anakampo, tsy mila ny fandresen’ny Malagasy mihitsy aho amin’ity fifanintsanana mandritra ny volana jona ity satria izay rehetra fandresena dia fandresen’ny FMF ahafahany mandresy lahatra fa mahavita zavatra ry zareo ka handimby ny tenany avy ihany amin’ny fifidianana ho avy. Ny faharesena rehetra kosa dia fampisainana ireo ligy mpifidy hoe mbola hotazonina ve ireo ekipa tsy nahatafavoaka baolina ireo. Amiko manokana olana ny FMF saingy ny fototr’olana dia ny ligy be tsy andraofana tsy fantatra marina na misy ekipa miorina ao aminy na tsia (famenoan’isa iarovan’ny FMF ny tenany araka ny fijeriko azy). Tsy mandà ny fahabangan’ny foto-drafitr’asa ihany koa aho na dia izany aza.

Vanim-potoana faharoa, re fa nanao ady sahala samy tsy nisy nitoko ny Malagasy sy ny Botsoaney. Sady tsy resy no tsy nandresy izany ny Malagasy. Raha heverina amin’ny fanomanantena dia tsara ihany ny vokatra satria tsy vaky ny fiarovana izay lesoka lehibe tamin’ny fifanintsanana teo aloha. Mbola tsy nahavaky atody ihany anefa isika etsy ankilan’izany. Nanam-panantenana ihany ny tia mijery baolina fa mety hihiratra ny masoandron’ny Malagasy amin’ity indray mitoraka ity. Samy ela niomanana ihany manko ny rehetra fa ny malagasy no “tafaverina” tampoka hahazo mifaninana raha nahantona teo aloha. “Limiter les degats” izany no tena tanjona tany an-tanin’olona (mametra araka izay azo atao ny fahavoazana mety ho azo) sy ny fihaonana voalohany.

Ny manakana ahy tsy hijery baolina eny Mahamasina  kosa dia ny fiheverako fa ny fividianana tapakila rehetra dia karazana fanohanana ara-bola ny federasiona tsy ankasitrahako loatra (na dia noho ny fireharehana voalaza tetsy ambony ihany aza nefa eo ihany koa ny lazan’ilay hoe “manaova resy” taona vitsy lasa izay). Tsy mazava amiko manko ny fitantanana ara-bola tokony ho aingam-pampandrosoana ny baolina fandaka indrindra indrindra. Tsy eken’ny eriteritro mihitsy izany hoe tsy misy tapakila intsony aty amiko rehefa tafiditra ny kianja aho, nefa iny no karazana fiantohana ho ahy raha sanatria ka... sanatria izay efa nisy raha nihaona voalohany ny Malagasy sy ny Ivoariana ka teo ampandresena ny Malagasy kanjo nosembanin’ny orambe nanondraka ny kianja ho “tsy azo nilalaovana”. Naverina hatramin’ny voalohany ny lalao raha tsy vita hatramin’ny farany, maika loatra ny federasiona fa ny ampitso ihany no nanaovany azy ary mandoa vola indray izay te-hijery. Teo no nipoitra voalohany ny fanakianan’ny mpijery fa tia vola ity federasiona, saingy inona moa no ataony satria tsy misy manana tapakila intsony ny mpijery tamin’io andro Asabotsy nilalaovana teo aloha io. Izay mpanaraka ny bolongako hatramin’ny ela ihany koa dia mhafantatra fa saiky izaho irery no miresaka izany baolina fandaka izany raha ny eto madagasikara no resahina.

Tetsy andanin’izany anefa dia nandoko ny gradins ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Loko marevaka isaky ny faritra izay azo atao lokona tapakila ho an’ny mpijery ihany koa ary azo amaritana mialoha ny toeran’ny mpijery koa raha vonona ho amin’izany ny federasiona. Raha jerena ny lojikan’ny Kaominina dia azo atao tsara amin’io fotoana io ny manao famandrihana mialoha na dia ny eny amin’ny gradins aza mba tsy hisian’ny fifanosehana sy hisorohana amin’ny fihoaran’ny isan’ny mpijery efa fahazarana isaky ny misy baolina malaza eto amin’ny tanàna. Amin’io fotoana io dia mba mahazo matoky tena izay rehetra mividy tapakila fa misy toerana miandry azy hatrany eny fa tsy hoe vao tara kely aho dia eny ambanin’ny gradins (voararan’ny lalàna) sisa no anjara toerako na aleo mody fa tsy hahita na inona na inona intsony. Tsy fantatra loatra anefa raha vonona hiaraka amin’ity fivoarana ity ny federasiona na tsia satria tsy miteny mihitsy izy amin’izao fotoana izao. Nahatsikaritra ihany koa ny mpanaraka baolina fa tsy nanao afisy sy dokambarotra amin’ny fihaonana mihitsy ny federasiona. Tsy ilaina intsony ve izany satria efa fantatry ny rehetra?

Tao amin’ny kidaona maraina, hany haino aman-jery azon’ny mpihaino iadian-kevitra eto Antananarivo dia azo lazaina fa fampirisihana ny mpilalao handresy no manjaka kokoa na dia misy ihany aza ny milaza tsy hanatrika io lalao io (tahaka ahy).

Vanim-potoana fahatelo, nahita ny fizotran’ny lalao tany Botsoana tamin’ny televiziona MBS halina (alarobia efa alina dia alina tokoa) ny mpanara-baolina. Tsy honohono intsony izany no henoina fa nahita avokoa ny rehetra na dia ratsy dia ratsy tokoa aza ny kalitaon’ny sary. Hita fa tsy nisy afitsoka mihitsy ny lohalaharana Malagasy ary telo raha be indrindra ny tifitra manandrify ny tsatoby nataony (daka malefaka). Hita ihany koa fa lavaka ihany hay ny fiarovana, nahatafidirana baolina roa izay nolavina avokoa, azo iadian-kevitra ny baolina faharoa fa maty amin’ny ara-dalàna raha ny fijeriko azy saingy ny mpitsara moa no tompon’ny fanapahan-kevitra. Tsikaritra fa sarotra ny manantena ho tafiditra amin’izany dingan’ny famaranana izany; saingy boribory ny baolina, hoy ny fomba fiteny.

Nahery vaika tao amin’ny kidaona maraina alakamisy maraina ny fanombanana fa ho resy ny Malagasy amin’ny fihaonany amin’ny Ivoariana. Lasa vitsy an’isa tery ny tena resy lahatra na ny mampirisika fa handresy ny Malagasy amin’io fotoana io. Karazany niady irery i Gothlieb izay milaza fa tsy mety fanakiviana ny mpilalao amin’ny fihaonany amin’ny favori izao. I Francis Turbo kosa milaza matetika fa mitovitovy hevitra amin’ny mpiantso. Izaho kosa efa nanana ny hevitro hatramin’ny vanim-potoana voalohany: Tsy tiako hiverina amin’ny toerany intsony ireo mpikambana amin’ny federasiona ireo. Misy aza moa no milaza (tamin’ny kidaona) fa na handresy na ho resy ny Malagasy tsy mahaova na inona na inona izany satria ny fototry ny baolina (fandaka) mihitsy no tsy ao.

Na izany na tsy izany, raha te-hahita na hifanena amiko ianareo dia any amin’ny “Ndeha hihazakazaka” no misy ahy. Hazakazaka hotontosaina ny alahady maraina miainga eo amin’ny lapan’ny fitsarana anosy, mamakivaky an’Ampefiloha sy 67ha amin’ny lalam-baovao, Tsaramasay, Ankorondrano ary mipaka eny amin’ny kianjan’Alarobia.

 

 

 


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 ... 51 52 53  Manaraka»

Powered by LifeType