Maharesaka.VETO

Raha nijery ny famerenana C.Iv. sy Mad

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 13:51

Nalefa tamin’ny televiziona malagasy tamin’ny alakamisy alina teo ihany ilay lalao famerenana nihaonan’ny Ivoariana sy ny Malagasy. Lalao izay efa fantatra ny valiny fa nomontsanin’ny Ivoariana isika. Tsy hoe resy isika dia hangina amin’ny toe-javatra sahala amin’ireny fa mba liana ihany koa ny tena hamantatra ny antom-paharesena. Izay angamba ilay fitiavana.

 Andeha aloha hamantatra ny nolazain’ny mpanao gazetin’ny radio nasionaly isika. Nanao fampitahana ny lalao famerenana teo amin’ny roa tonta izay natao tany Cote d’Ivoire moa Atoa Daniel Randriamaro. Hoy izy hoe tamin’ny fotoana nahasangany irery an’i Bakayoko dia montsana 6 noho ny 0 isika tamin’izany fotoana izany. Tamin’ity fotoana ity kosa dia sangany any Eoropa avokoa no nantsoin’ny mpanazatra ary izy 11 nilalao voalohany ka 5 noho ny 0 no azo, izany hoe araka ny nolazainy dia efa nihena aloha ny isa tafiditra tany na dia montsana aza isika. Mazava loatra fa resaka fampaherezana ny ekipa mbola hiatrika ny lalao famerenana amin’ny Gabon no anton’izay filazana izay.

 Nahavariana tokoa moa fa dia tao anatin’izay fisainan’ny fankaherezana izay angaha no nentin’ny filoham-pirenena nanolotra baolina 22 ny ekipam-pirenena. Ny alakamisy manko dia nampanantsoin’ny tao amin’ny fiadidiana ny filoham-pirenena ny filohan’ny federasiona. Angamba efa nangovi-bady mihitsy Atoa Ahmad tamin’io fotoana io. Zavatra hafa mihitsy no nandrasan’ny mpanara-baovao fanatanjahantena indrindra fa ny baolina fandaka manokana nefa dia fanampiana no namalian’ny filoham-pirenena izany. Fandroahana mpanazatra na tompon’andraikitra hafa no nampirangaranga ny betsaka nefa diso fanantenana izay niandry izany. Karazana fahatsapana fahadisoan-kevitra tamin’ny fandroahana voalohany sa tsy fitiavana Frantsay fotsiny izao ?

 Izay nankafy ny ekipa breziliana ka nahatsiaro ilay faharesena tamin’ny mondial iny dia mety hahatadidy ny fomba fanoratry ny mpanao gazety nilaza io ekipa sangany io. Raha azoko natao dia naveriko daholo ireny teny rehetra ireny. Azo fehezina hoe tsy ireny mihitsy no filalaon’ny Malagasy ary tsy tahaka ireny ihany koa ny toe-tsaina nentina niatrika iny lalao iny. Gaga ihany ny tena mahita isan’andro fa misy ny atao hoe mpikarakara ara-tsaina ao amin’ity ekipa ity fa tsoriko hoe tsy nanao ny asany izy raha tsy hoe nisandoka fahaizana fotsiny angaha. Izay iray nalehany na ny mpanazatra no tsy mahalala akory ny mpilalaony na noterena tamin’ny fomba filalao tsy mahazatra azy ireo mpilalao ireo. Ny mpilalao notsongaina ankoatra ny mahatanora azy dia heveriko fa noho izy ireo mpanao tolotolotra madinika sy mandady amin’ny tany (tranonkala hoy ny mpitantara fahiny). Izay fomba filalao izay manko no andrasan’ny mpijery eto an-toerana (Antananarivo) na dia mety tsy ho ao loatra aza ny vokatra. Nefa ilay lalao hita farany dia ny langalanga sy ny taritarika no tena betsaka. Izany hoe sady be no tia tena, na te-ho vedety, no tsy misy loatra no tolotra tsara nomena ny namana. Raha io fomba filalao hita farany io no jerena dia tokony ho ny As Adema no nalefa tany Cote d’Ivoire. Ry zareo Adema manko no tena havanana amin’io fomba filalao natao tany ivelany io nefa tsy nisy avy amin-dry zareo nantsoina na dia manana ny fahaizana aza toa an’i Tholix izay vodilaharana ankavia te-hiakatra amin’ny irakiraka na fanafihana ankavia mandrakariva.

 Voamariko fa tsy nisy tolotra nataon’ny mpiandry tokonana ny fiarovana mihitsy tamin’io lalao io fa dakabe nankany aloha fotsiny no fetra. Tahaka ny hoe manao izay hanalana ny baolina tsy eo akaiky fotsiny no natao mba tsy hahafaty betsaka sy haingana ny mpifanandrina amin’ny tena. Izay baolina nalefa tany aloha izay anefa dia Tsy misy azon’ny mpanafika malagasy izay sady fohy ny kely ny baolina avy amin’izany. Mazava loatra fa ny misambotra ny baolina eny ampelatongotry ny tompontany no tena lahasan’ny irakiraka afovoany fa tsy ny mizara baolina loatra. Ary raha nisy aza ny rindran-damina somary tsaratsara dia tsy azon’ny tokony hamono baolina hatrany izay tolotra farany avy eny amin’ny elatra.

 Manaraka izany dia tsy tao mihitsy ny toe-tsaina hiatrika ny lalao araka ny efa nosoratako teo ambony ihany. Marihina aloha fa ny baolina rehetra matin’ny Ivoariana dia avy any amin’ny elatra havanan-dry zareo avokoa. Tahaka ny maneho hoe any ihany no lalana ahafatesana baolina. Tsy fantatra intsony izay tena marina fa tahaka ny kapiteny Jimmy no nitana iny faritra iny. Maimaika tsy amin’ny antony ny mpilalao fa tsy mametraka ny fomba filalaony hitazona baolina hanova endrika ny lalao. Tahaka ny manilika baolina fotsiny no natao.

 Nisy aza fanafihana indray mandeha efa nitaritarika ilay mpilalao iray nefa dia nosarihin’ny namany ho azy indray ilay baolina avy eo. Azo fintinina fa tsy nisy lalao iraisana mihitsy nasehon’ny mpilalao malagasy nandritra ny 90 miniotra fa samy manao izay saim-pantany ka dia dobo tanteraka ny isa avy eo. Hita mihitsy ohatra rehefa amin’ny lalao goavana fa rehefa misy fotoana maty fa naratra mila tsaboina nympiandry tokonana dia eo no manararaotra manome toromarika indray ny mpanazatra. Tsy nisy mihitsy izany teo amin’ny mpanazatra malagasy nefa indroa notsaboina i Bruno Jaozara. Tsy mahagaga ny mpanao gazety Ivoariana raha nila resaka taminy ary dia namaly tokoa ilay mpanazatra. Rikoriko tanteraka aho nahita ilay toe-draharaha.

 Eto ampamehezana dia voamarika fa indray ihany no nandaka baolina an-joro ny malagasy raha nahatratra sivy izany ho an’ny Ivoariana. Manaraka izany dia mitovy ny isan’ny fahadisoana teo amin’ny Malagasy sy ny Ivoariana saingy ny isan’ny karatra mavo no nahazo roa ny malagasy. Nanana baolina tokony ho tafiditra (Occasions de buts) efatra (telo sy iray) ny ivoariana raha telo kosa (fidirana faharoa avokoa) ny an’ny Malagasy. Ny isan’ny tifitra kosa dia 11 (dimy ny tamin’ny loha) ny an’ny Ivoariana raha 7 izay iray monja no nanandrify anaty tolana ny Malagasy. Marihina fa ilay baolina tafiditry Didier Drogba dia hitako mihitsy fa nihoatra alohan’ny vodilaharana izy vao taty ampiaingana mihitsy. Dimy rahateo ny azy no tratran’io nihoatra ny vodilaharana io izy raha tsy nanao izany mihitsy ny malagasy izay tsy nanana mpitifi-baolina mihitsy tamin’io andro io. Soratako etoana ihany koa fa tsy mahay maka sary mihitsy ireo mpaka sary Ivoariana raha jerena amin’ity lalao ity fotsiny. Enga anie ka ho diso ny eritreritro.


Tanaraid madaraid worldraid

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 09:46

Ny lohateny hatrany no mety ho teny vahiny fa ny lahatsoratra dia amin’ny teny malagasy mandrakariva. Tsy dia havanana loatra miteny na manoratra teny vahiny manko ny tena na dia mety ho mahazo izay lazainy ihany. Io ve no nandaniana ny androm-pianarana dia tsy hisy tavela na dia kely monja aza ? Ny tsikaritra amin’ny fitetezam-paritra ataon’ny mpitondra moa no tena votoatin’ity lahatsoratra ity. Tsy voatery ho zavatra vao haingana fa izao vao angaha ny fotoana amoahana azy amin’izay.

 Tanaraid

Zavatra roa no hotantaraiko amin’ity fitetezana an’Iarivo ity. Tsy hoe mitety tanàna mba te-hitsangatsangana ry zareo araka ny fahalalako azy nefa mba nahavariana ihany ny lalana nodiavin’ity fiara misy mialoha sy manaraka ity (cortege). Andro nanambarana ny valin’ny fitsapa-kevi-bahoaka indrindra tamin’izay fotoana izay. Ataoko fa tamin’ny ora niravan’ny fotoam-pitsarana manetriketrika.

 Teo Ambohijatovo ambony akaiky indrindra ilay toerana ofisialy nolazaina fa namoanoana ny filoham-panjakana ny Kolonely Ratsimandrava tamin’izay fotoana izay no nosongonan’ity fiara misy mpialoha sy manaraka ity. Amin’ny ankapobeny moa dia matroka ny fitaratra ka tsy ahalalana hoe iza moa no ao anatin’iny fiara iny. Azo ambara kosa fa olona ambony ao amin’ny fitondram-panajakana matoa manan-jo hanana mpiambina sy mpitari-dalana. Avy any Ambatonakanga any izy iny no mihazo toy ny ho any Anjohy. Ny olona mahalala tsara ny eto Antananarivo dia afaka mahavinavina tsara fa tena ao amin’ny tsangambatom-pahatsiarovana ny namonoana ny kolonely voalaza teo aho.

 Avy eo raha mbola nidina tamin’iny lalan-kely ambonin’ny lozoka mankany ambanidia iny aho no nahatazana indray ilay fiara sy ny miaraka aminy toa avy any Ankazotokana -Ambanidia any no hihazo an’i Mascotte amin’iny lalana mankany amin’ny Epp  Antsahabe sy Epp Ampasanisadoda iny. Izany hoe nandalo ny minimarket sy ny alliance française Antsahabe iny indrindra ireo fiara ireo. Inona no azo tsoahina : azo vinavinaina ho tsy te-handalo ao ambanin’ny lozoka mihazo an’Ambanidia ry zareo. Raha heverina hoe avy any Ambohidahy ny fiara dia mety ho niakatra namonjy ny ambadiky ny Hotel Colbert izy no hitako voalohany. Tsy handalo ny lozoka’Ambohidahy sy ny lozok’Ambanidia izany no tena tanjona sa dia tsy tao an-tsaina izany ?

 Tanaraid

Mbola tanaraid ihany ary vao tamin’iny herinandro lasa iny. Teny Mahamasina manoloana ny kianjaben’ny Kaominina indrindra aho no nandalo ny mpisava lalana ho an’ny filoham-pirenena. Soavaly vy roa izy ireo no narahina soavaly vy miisa folo teo ho eo. Avy eo dia fiaran’ny prezidansa (4 x 4 mercedes) tokony ho dimy ratsy filahatra be (filahatra minifi-tsofa) no nanaraka dia narahina mpamaran-dalana avy eo. Fiara amina fitaratra matroka avokoa izy dimy ireo. Dia anjaran’ny  mpanatrika no maminavina hoe aiza amin’ireo fiara dimy ireo no nandehanan’ny filoham-pirenena.

 Madaraid

Io indray dia ny vaovao fanarahantsika no ahalalantsika ny madaraid ataon’ny mpitondra ankehitriny indray. Fony nosokafana sy nampahafantarina ny Madagasikara Am-Perinasa dia nitety ny faritra 22 ry zareo. Nalaza tokoa moa tamin’izany fotoana izany ny tatitra isaky ny avy mandalo faritra iray ny ao amin’ny fitondrana. Nalaza tokoa ny fanentanana tamin’io fotoana io ka tonga avokoa na ny tsy nasaina aza. Hay moa ka nisy fanasana ho an’ireo manana andraikitra any amin’ny faritra any. Nanjary nampalahelo indray ireo tonga avy lavitra nefa karazan’ny nitanin’andro tany ivelan’ny trano malalaka.

  Saiky notohizana isaky ny distrika ilay izy fa maty ho azy teo…na tsy nahenoana tohiny intsony. Efa reraka koa angaha ny minisitra tompon’andrikitra ka nanao hoe aoka izay ?

 Amin’izao fotoana izao indray dia avy indray ny filankevitry ny governemanta atao isam-paritra. Dia faritra telo aloha no re. Izany hoe raha heverina dia karazandrazany manao ny fihodinana faharoa mitety ny faritra 22 indray ny mpikambana amin’ny governemanta ankehitriny. Filankevitra kely fa tsy toy ny fanao eto Antananarivo loatra. Minisitra vitsivitsy fa tsy voatery ho izy rehetra no mivory any. Fitiavana te-hanome vahana ny faritra tiana hisolo ny fari-piadidiana niantsoana ny faritany taloha.

 Ary tsaroanareo moa ilay hoe hisy minisitra isaky ny faritra nolazain’ny filoham-pirenena iny ? Hay ve ka ny minisitra amin’izao fotoana izao ihany no misahana faritra tsirairay avy ! izay no ao Antsainy. Ohatra fantatro izao dia ny minisitry ny asa vaventy Roland Randriamampionona no miandraikitra ny faritra atsimo andrefana. Izany hoe manana andraikitra toy ny hoe minisitry ny asa vaventy sy misahana ny faritra atsimo andrefana ilay minisitra fa tsy misoratra ao amin’ny asany ofisialy io misahana faritra manokana io. Aza manontany ny an’ny hafa fa tsy ho fantatro ny valiny. Hay ve ilay olona tsy voatery ho avy any amin’ny faritra no ao an-tsain’ny filoham-pirenena. Voa mafy indray izay nieritreritra ny « olona avy aty aminay ». 

  Worldraid

Ity raharaha manga farany ity indray dia an’ny filoham-pirenena manokana aloha no tena fantatra. Nolazaina fa nentina nitety firenena vitsivitsy (Alemaina sy Shina ohatra) ny Madagasikara Am-Perinasa. Mitady fiaraha-miasa amin’ireo firenena afaka miara-miasa amin’ny firenena malagasy. Tany indray vao niteny ny lesoka nananan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena milaza fa tsy miantraika mivantana amin’ny fampandrosoana akory ny fanampiana ataon’izy ireo. Tsy maintsy mitady ny tombotsoantsika Malagasy rahateo isika na mitady izay ho tombotsoany aza ireo mpandraharaha sy firenena vahiny tiana hiara-miasa amintsika ireo.

 Na izany na tsy izany dia lasa ihany ny saiko sao dia tonga amin’ity tononkira ao amin’ny fihirana FFPM ity ny tonombavaka avoakan’ireo mpitondra antsika hoe :

 Nivezivezy aho nikaro-java-tsoa,

Izay rehetra hita nandramako avokoa,

Nandany taona maro nanara-tsitra-po,

Kanefa tsy nahazo izay mahafapo ;

Ry raiko feno antra inty ny zanakao,

Ny foko dia mahantra raha lavitra aminao.


Hiezaka mandrakariva

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 10:52

Miaina ny atao hoe fanatontoloana tokoa isika amin’izao fotoana izao. Na tiana na tsy tiana, rehefa tsy manana fanapaha-kevitra hanakana ny entana avy any ivelany ny fitondrana dia mitobaka eto hatrany ny vokatra avy any ivelany. Mahita anefa aho fa tsy mitarai-tana-miepaka amin’izany loatra ny mpanao asa-tanana na dia ny asany aza no idiran-doza indrindra amin’ny fahabetsahan’ny entana avy any ivelany tonga eto Madagasikara io.

 Fonosana vita taretra (na ahitra voatokana), nataon-tanana, nolokoina lokon-taretra ihany koa araka ny fahalalako azy. Fonosana asiana vatomamy vitsivitsy amin’ny andro fanasana amin’ny mariazy indrindra indrindra. Fonosana kely tsy dia manao ahoana no amidy Ar50 na Ar100 isanisany. Mariho tsara fa tsy vokatra orinasa no resahiko eto fa asa-tanana manontolo. Tsy vokatra miranty amin’ny trano mihaja fa mitalapetraka eny amin’ny toerana ankalamanjana natokana ho an’ny mpanao asa-tanana. Dia lasa ny saina : mahavelona ve io amin’izao vidiny izao ?

 Izao manko : marina fa ny gazety amin’ny teny malagasy dia misanda Ar100 na Ar200 ihany koa, izany hoe tsy mifanalavitra amin’ny vidin’ireo fonosana itoeram-batomamy ireo. Saingy ny an’ny gazety dia mivarotra isan’andro izy ary an’arivony ihany koa ny vokatra amidy fa tsy mba zara raha hahatratra anjatony toy ny an’ireo mpanao asa tanana ireo. Ny an’ny mpanao asa-tanana dia izay manan-draharaha hifaliana no tena andrasana. Tia mifety ny Malagasy fa impiry no manao vatomamy anaty fonosana ifanomezana ? Tsy maintsy mahafaninana amin’ny vidin’ireo noafaran’ny sasany anefa ny vokatrao.

 Dia hoy aho hoe : Andeha tadiavina hatrany ny hampandroso ny varotr’ireto miezaka amin’ny hery sy fahalalan’ny tena no sady tsy te-hiakin-doha ireto e ! Fihetsika tsotra ihany koa sady tsy lafo loatra nefa mety hahafaly ny rehetra na dia ny firenena mihitsy aza. Ohatra : Na dia fivoriam-pianakaviana tsotra aza no atao dia tolotra anatin’ireny haronkely ireny no hanolorana vatomamy ho azy. Raha misy mamangy ihany koa, na mandeha mamangy ka misy ankizy ao dia tolorana anaty vatomamy hatrany no atao.

 Angaha moa vatomamy ihany fa mba mikaro-kevitra amin’ny fanolorana zavatra hafa ho an’ny ankizy ihany. Efa hitako tia poketra vita tsotra sahala amin’ireny aloha ny vehivavy (tanora mitovy taona amin’ny tena na somary zandry ihany koa). Miezaka avokoa ny rehetra dia ho lasa tarazo eo amin’ny ankizy efa zajatra mahita ny karazam-panomezana anatina vokatra vita amin’ny asa-tanana ihany koa ny mampita ny fanao amin’ny taranany. Andeha atao hoe nofinofy ihany angaha ny soratako etoana nefa toa azo tanterahina tsara ihany araka ny fahitako azy. Sa ahoana ?


Sarimbavy, hono, ka hoe?

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 10:40

Izay maharaka ny vaovaom-piarahamonina eto Madagasikara indrindra fa ny eto Antananarivo dia mahalala fa nihaona ny faran’ny herinandro tao amin’ny kianjan’ny Mahamasina ny ekipa iraisan’ny vehivavy mpanao gazety sympanakanto sy ny ekipan’ny sarimbavy tena izy.

 Mampihomehy ihany moa fa sariny ve moa dia mbola ho tena izy ihany. Raha izaho sy ny sariko dia samihafa mihitsy. Ny sariko natao ho karazana rakim-pahatsiarovana ihany amin’ny fotoana iray tiana hotadidiana sy homarihana amin’ny fotoana ho avy. Marina fa betsaka ny mihevitra ny tenany ho efa nahita ahy raha efa nahita ny sariko saingy tsy izaho no hitany amin’io fotoana io fa ny sariko ihany. Izaho indray dia amin’izao fotoana ahavelomako eto izao azo iresahana sy anontaniana ary ifandraisana amin’ny mahaizaho ahy, ny zavatra tiako ary ny zavatra ataoko.

 Ao anatin’izao fotoanan’ny fandrosoana izao ihany koa anefa dia azo lalaovina araka izay tiana atao ihany koa ny sary. Ny lalao an-tsary (jeux video) malaza amin’izao fotoan’ny sary sy ny fifandraisana izao no ilazako izany. Samihafa tanteraka na izany na tsy izany ny milalao amin’ny sariko sy milalao amiko. Mbola karazan-dalao anaty nofinofy ihany manko ny lalao an-tsary sy ny lalao ahafantarana ny faharerahana sy ny kitra vokatr’io lalao io. Ao anatin’ny lalao an-tsary dia karazan’ny moana ihany ianao fa amin’ny fiainana atrehinao kosa dia afaka miresaka sady maheno izay iresahanao ny afaka mamaly ahy tsara ihany koa ianao. Dia tahaka izay ihany koa ny amin’ireto sarimbavy ireto amiko. Na oviana na oviana tsy ahasolo ny tena vehivavy ireo sarimbavy milaza ny tenany ho tena izy (vehivavy ?) ireo amiko.

 Marihiko dieny eto fa ny lohahevitra resahiko dia amin’ny mahasarimbavy ilay olona aloha. Tsy miditra amin’ny lohahevitra hoe lehilahy mitady lehilahy hotiaviny toy ny vady aho eto na vehivavy mitady vehivavy ho vadiny fa ilay lehilahy te-hitondra tena sy hihevitra ny tenany ho vehivavy ka miakanjo sy manao ny fombam-pihetsika ahafantarana ny vehivavy. Ekeko fa mety hifamatotra akaiky amin’ny fironam-pitiavana no mety ahatonga ny safidim-pitafiana saingy iniako aloha ny mametra azy ho amin’ny fihetsika sy fiakanjoana ihany.

 Ny famoaboasana soratako dia ny mety ho antony nahatonga ilay olona ho sarimbavy. Ny valiteny fandreko naverimberin’i Francis Turbo moa dia ny hoe tsy ninian’ny ankamaroandry zareo mihitsy ny ho sarimbavy fa toy ny efa voajanahary ao anatin-dry zareo hatrany ambohoka mihitsy. Tao ankibo, hoy ny nolazainy, dia efa nirona tsikelikely ho amin’ny mahavavy azy ny toe-tsainy sy ny fizikany manontolo afa-tsy ny fitaovam-pananahana ihany no nahalahy azy. Taloha moa dia noheverina ho aretina ny mahatonga ilay olona hanana izay fironana izay fa efa niova izay fomba fiheverana izay ankehitriny.

 Raha amin’ny fihevitry Francis dia tsy safidy ilay nahasarimbavy azy. Eo izany no toheriko voalohany. Amiko dia vokatry ny safidy tokoa no nanaovany sarimbavy fa tsy « voajanahary » araka ny nolazainy. Mety ho marina ny hoe « voajanahary » tao anatin’ilay olona ny nahatonga azy ho sarimbavy nefa nisy safidy ihany koa ao ambadik’izay. Mety tsy ho izy no nametraka ny safidy fa ny reniny nitondra azy folo volana, moa io safidy io dia vokatry ny tontolo manodidina ihany koa ary mety ho avy amin’ny fahadisoan-kevitra.

 Eo amin’ny fitaizana ny zaza dia nomarihin’ny manampahaizana sasany fa eo amin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahatelo taonany no tena manorina ny mahaizy azy ny olombelona tsirairay. Efa nisy aza moa fandaharana nametraka fa raha tiana hanana ny mahaizy azy sy ho tsara fototra amin’ny hoavim-piainany ny olona iray dia tezaina amin’ny alalan’ny mozika sahady aza dieny mbola any ankibo. Eo koa moa ny hoe raha mbola liana tamin’ny fianarana ny reniny no nitondra vohoka azy dia matsilo saina kokoa izy. Tsy mbola haiko moa na tena marina izany na tsia saingy hoy aho hoe azo heverina tsara kosa ny fahamarinany na dia mety tsy ho tonga hatrany amin’ny fahamaotiana aza izany fahatsilovana mialohan’ny fotoana eo amin’ny zaza izany.

 Dia manao fampitahana eo amin’ireo fomba fihevitra roa ireo aho ary efa manana izay maharesy lahatra ahy bebe kokoa. Avy amin’ity fomba fihevitra faharoa ity no isintonako ny hevitro. Ny fiforonana sy ny fitomboana ao ambohoka dia miankina be dia be amin’ny reny nitondra azy. Impiry impiry moa isika no naheno hoe naniry lahy na naniry vavy ireo ray aman-dreny sasany. Matetika moa dia zanaka lahy no tadiavina fa misy ihany koa ny mitady zanaka vavy rehefa be zanaka lahy izy ireo.

 Nisy moa ny traikefa nataon’ny olona avy amin’ny endriky ny vohoka eo ampitondrana zaza ka manao hoe ity lahy na ity vavy. Ary eo ihany koa ny « akombohoka » (asa raha mety andikana ny echographie io na tsia fa dia toy ny foromporonina fotsiny ihany) izay itarafana ny mombamomba ny zaza rehetra ka tarafina avy amin’iny ny mahalahy ilay zaza. Rehefa tsy hita iny dia tsoahina ny hevitra fa vavy izany io zaza io. Kanjo indraindray dia nahay nanafina ny azy ny zaza fony tao ambohoka dia mety ho nandray anaram-bavy tsy fidiny ny zaza rehefa avy eo.

 Eo amin’ny famalian'ny zanaka tadiavin-dreniny izany amiko no mifototra ny safidin’ny zaza ho lasa lahy na ho lasa vavy. Na dia lahy avy amin’ny chromosomes XY aza no nitorotoroana azy tamin’ny voalohany nefa be tao an-tsain’ny reny ny hahavavy azy dia mametraka safidy efa mitongilana be amin’ny zanaka sahady izy. Hamaly eny ny reniny ny hahavavy azy eo amin’ny fitondran-tena ve ny zaza sa hanohitra kosa ary haneho fa lahy no namoronana azy ka hitoetra amin’izay mahalahy azy izay izy ?


Taolana ho an'i Taolagnaro

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 12:24

Fitarainana mafy sy azo atao hoe ara-drariny ihany matoa efa mahare ny akony ny fitondram-panjakana amin’ny zavamisy miseho any Taolagnaro na Faradofay izay karazandrazan’ny tendro atsimo atsinanan’i Madagasikara.

 Raharaha efa ela nikonokononana moa ny resaka fasimainty any amin’ity faritra ity. Adihevitra tamin’izany ny fiantraikan’ny fitrandrahana amin’ny tontolo iainana sy ny manodidina. Ity fitondram-panjakana ity no tena nanafaingana araka izay azony natao ny fifanarahana tamin’ny vahiny amin’ny hitrandrahana azy. Io fahamehana io no antony iray mety ho tsy nahatsinjovana izay lesoka  hiarovana ny mponina amin’ireny faritra ireny.

 Niakatra izay tsy izy ny vidim-piainana any amin’iny faritra iny. Izany teny izany no malaza ankehitriny. Voasongony vetivety teo I Nosy-Be tamin’ny fahalafosam-piainana. Toy ny tanàna tsy natao ho an’ny malagasy intsony ilay tanàna. Inona angaha ny antony ? Heveriko fa maika ny hampandroso nanadino ny olona tao aminy ireo izay nifanaraka tamin’ny Qit Minerals Madagascar.

  Marina fa niezaka ny hanao lalana sy hikarakara foto-drafitr’asa toy ny fanorenana sekoly ny toeram-pitsaboana ny orinasa izay hisahana ny fitrandrahana fasimainty nefa tsy ampy izany ho an’ny mponina ary tsy misy tombotsoa ho azy mihitsy aza. Saiky adinoko koa moa ny fanorenana seranana nolazaina fa ho lehibe indrindra eto Afrika saingy tsy dia ninoan’ny olona loatra moa izay filaza ho lehibe indrindra manerana an’i Afrika izay. Voalohany tiako lazaina amin’ny tombotsoa tsy miantraika sarambambe, ireo mponina ao dia ho ambin’olona amin’ny fitrandrahana mivantana.

 Toa mpiasa avy any ivelany (Ivelan’i Madagasikara aza fa tsy mba hoe ivelan’ny faritra Anosy) no maro an’isa alaina. Heverina ho tsy manana ny fari-pahaizana hitrandraka hiasa ao aminy ireo Malagasy mponina any. Izay dia efa olana goavana tsy nojinery. Tsara raha nametraka fetr’isa farafahakeliny amin’ny mpiasa Malagasy ny fitondram-panjakana. Farafaharatsiny mba ny atsasany ahay no kely indrindra amin’ny avy eto an-toerana fa tsy ho vahiny 100% no hiasa ao. Tokony ho ny ampahaefany raha tena kely dia kely indrindra no Malagasy ao an-tanàna avokoa. Izany aza efa tsy misy dikany mihitsy. Manana adidy hanofana ireo mpiasa Malagasy ny orinasa fa tsy ho faly hitango vola mety hahatezitra ny tompontany fotsiny.

 Manaraka izany, malaza amin’izao fotoana izao fa miakatra dia miakatra tokoa ny hofantrano any an-toerana na dia trano hazo tsizarizary aza no ampanofaina. Antony, mazava loatra fa mihabetsaka ny olona tonga any nefa tsy dia ampy loatra ny fanorenana misy any amin’izao fotoana izao. Voalaza fa ny 75%n’ny efitra fiantranoana ao Taolagnaro dia efa karazany onenan’ireo mpiasa efa tonga hikarakara amin’ny fitrandrahana fasimainty. Ny 25% ambiny izany dia ifandroritan’ireo mpiasa mamita iraka any avy amin’ny orinasa hafa sy ireo mpizahatany te-hitsidika iny faritra iny. Tsy mahagaga raha miakatra be ny hofantrano.

 Izao anefa, mbola tsy ampy ampahafolon’ireo mpiasa hiasa any Taolagnaro no ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Aiza daholo no ametrahana ireo mpiasa hafa ? Eo no tokony hanery ny orinasa ny fanjakana malagasy amin’ny hanorenany trano be dia be hipetrahan’ireo mpiasany farafahakeliny fa tsy hameno hotely fotsiny. Trano manara-penitra fa tsy ho tsizarizary sanatria. Tokony ho hentitra ny fitondram-panjakana amin’io lafiny iray io.

Ankoatra izay moa ny olana amin’ny famatsiana sakafo sy ny zavatra hafa. Eo moa ilay filazana hoe ifaninanan’ny ankizivavy indrindra indrindra ny mividy finday hiaka farany aderadera any ampianarana. Fihetsika manosika ny ankamaroan’ireo mbola zazabodo hivarotena amin’ny vahiny sahady. Aiza moa no hahazoany vola aman’hetsiny vetivety eo ? Dia adino ny fianarana fa ny ravoravo natentina no tena zava-dehibe aminy. Tsy hisy dikany avy hatrany ny sekoly lazaina fa haorina na havaozina. Eriteritra ihany ny ahy na dia izany aza ka raha mihaino (na mamaky) ny ao amin’ny fitondram-panjakana vao maika tsara. 


«Mialoha   1 2 3 ... 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 ... 59 60 61  Manaraka»

Powered by LifeType