Maharesaka.VETO

Adim-poko: nitonona anarana ry zalahy

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 11:50

Nanonona ny anarany sy nanonona ny laharan’ny finday mihitsy aza araka an’i Taratra ireo nilaza ho nanaparitaka ny taratasy kely nandranitra adim-poko teto Antananarivo. Ny anarana notononiny moa dia Rasolojaona Arthur ary ny namany dia Andrianjafy. Afaka ho hitanareo rahateo ao amin’ny Madagate mikasika ny fifanenjanana eo amin’ny mpitondra katolika sy ny mpitondra ny firenena moa ny sarin’ilay taratasy fihantsiana sy ny votoatiny efa tsy tiako nadika teto mihitsy.

 Tsy vitan’izany fa mbola niantso tamin’ny fandaharana karajia ihany koa izy, izany hoe henon’ny mpihaino rehetra ny teniny sy ny fomba fiteniny. Mahavariana ilay izy. Manahy mafy aho nefa sarotra ny mitsaratsara olona avy hatrany. Ny fomba fiteny sy ny angola dia manamarika fa tsy zatra ny fiteny eto Antananarivo izy. Ny nahavariana ahy manko dia ny fomba fanompana ny merina hatramin’izay no nanompana ireo hafa indray. Nahagaga ahy io. Lasa ny eritreritro nanao hoe fihaikana io sa fanaingana amin’ny fomba ankolaka hanairana ny maro an’isa avy amin’ireny faritra tena ifampiseraseran’ny samy Malagasy ireny.

 Ny teniny moa dia manamafy ny voasoratra amin’ny fandroahana hatrany sady notononiny avokoa ny teny 67ha, Ambohipo, Ankatso, Ambolokandrina ary mandroseza. Nahatezitra ny maro avy hatrany moa ny taratasy fa tsy nisy namaly loatra ny teniny tao amin'ny mpikarajia isan’andro. Efa resaka fandranaitana eo amin’ny fivavahana indray moa izao no misy mivoy mafy dia mafy.

 Etsy ankilan’izay dia mivory hatrany ny vondron’ny mpanao tsia fa tsy mety milaza hatrany izay votoatim-pivoriana. Ao anatin’ny tetik’ady indrindra angamba izy ireo amin’izao fotoana izao.


Zavanisy nahatsikaiky vitsivitsy

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 18:13
Ao anatin’ny fotoana mampihenjakenjana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena izao dia tsara angaha raha mba asiana fihomehezana kely indray na dia tsy mahay mampihomehy aza ny tenako. 
  • Asa angaha izay nahataitra ity ramose nampitady ohabolana malagasy misy teny hoe servieta. Tsy nisy nahita mihitsy ny mpianatra fa dia nionona tamin’ity ohabolana iray ity ihany : Servietan’anamalaho ve ka hamonoana vatotr’akoho.
 
  • Nisy olona mpiray ombon’antoka amin’ny orinasa iasan’ny tena ka mba misy mifanolo ihany avy amin-dry zareo any. Indray mandeha dia tahaka ny feno fofona famonoa-moka atifitifitra tampoka izany ny trano. Gaga aho ka saiky hitabataba hanontany hoe iza koa no nitifitra famonoa-moka amin’ny fotoana tsy misy moka ato ? Kanjo tadidiko tampoka fa ilay ramatoa hanatontosa ny adidiny tamin’io andro io no nahenoako ilay fofona. Andraso aloha rofiko akaiky fandrao manala baraka olona, hoy aho. Inona tokoa ! tena ny ranomanitr’ilay olona mihitsy angamba no…sa dia diso fiheverana ve izy hoe fomonoa-moka anie ity ataony famonoana fofona ity ?
 
  • Tamin’ity taona ity dia nisy zanaka mpitandrina tsy maintsy nalefa tany ivelany hotsaboina haingana. Tsy mba manana vola ampy ho amin’izany rangahy ka dia niantso vonjy tamin’ny mpiray sinoda. Dia tonom-bola no natao tao amin’ny fiangonana misy ahy. Tamin’io andro io dia 666.000 fmg no voangona rehefa natotaly. Avy hatrany dia nanampy vola Ar200 avy hatrany ilay mpaka tonombola fa mahakamo be ny mandre ilay isa (666). Tahotra sa ?
 
  • Tany Antsirabe indray, teo amin’ny manodidina io tsena lehibe mbola tsy vita io (ny tsenan’Asabotsy) dia nampipipy ny zafikeliny poritra ity ramatoa iray. Hitan’ilay mpangarom-paosy toa mibananaka angaha ny paosiny ka dia noharoniny tsy amim-pisalasalana. Henon-dramatoa tsara izany ary tadidiny fa mosoara maloto ihany no tao amin’io paosy noharonina io. Tsy taitra akory ramatoa na dia reny aza ilay tanana nangarona. Vao lasa teo amin’ny roa metatra ranamana dia niantso amin’izay ramatoa hoe : ento any fa tsy maninona dia sasao rehefa tonga any an-trano e ! Hitan-dranamana fa tsy nisy vola tao anaty mosoara (fanaon’ny any tokoa moa ny mampirina vola anaty mosoara ?) dia nariany ilay mosoara.
 
  • Fiarabe iray no maty no nibahan-dalana tao anatin’ny minitra maromaro. Antony lany gazoala ilay fiara nefa izy mpitatitra lasantsy ary feno ny « citerne » entiny. Tsy izany ve no atao hoe mangetaheta ambony lakana ?
 
  • Dia variana aho fa tsy mba tezitra amin’ny fanoherana loatra ny olona. Ny fanohanana ihany no tena mahatezitra ny maro ka dia hoy aho hoe tsy mba mety va raha miteny hoe « aza mahasoso-contre eo fa inona-contre no tsy aritr’itena-contre amiko ? ». Mifona aho raha nahatezitra anareo ny nosoratako.

Misy mandranitra koa eto Iarivo

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 11:36

Fantatrareo avy hatrany angamba ny tiako lazaina na dia izay lohateny izay ihany aza no apetrako. Faritra iray be « tanindrana » eto Antananarivo sady anisan’ny be mponina no nahitako trakitra miparitaka eran’ny lalana sy ny elakelan-trano. Ny haben’ny taratasy dia tsy natao ho fametaka amin’ny rindrina hovakian’ny be sy ny maro fa natao ho fanitrika isan-trano ambanin’ny varavarana. Iny taratasy manana habe A4 (21X29.7cm) iny no zaraina fito.

 Tsy azo soratana ny votoatin’izany singa-taratasy nameno ny faritra izany satria tsy natao ho fandranitana velively ihany koa eto na dia malalaka amin’izay soratako aza aho. Ny fifanajana sy ny fifampitsimbinana tsy maintsy tandrovina hatrany. Ny azo ambara dia taratasy fandroahana ilay izy mazava loatra sady miharo fanambaniana rahateo. Ny zatra mipetraka eto anefa dia mahalala fa sarotra ihany ny hampiady olona eto Antananarivo renivohitra eto.

 Tamin’ny herinandro nisian’ny saritaky ny tavaratra sy ny tatsimo iny ihany no nahatarafana karazana somary vandravandra teo amin’ny andaniny sy ankilany. Nisy andiana tanora avy any Sofia manko nitabataba vao maraina sahala amin’ireny hoe nisy nanafika vao maraina ireny. Maromaro samy mamo na ny lahy na ny vavy. Ny andro vao maraina tamin’ny enina ora tamin’izany fotoana izany nefa faran’ny herinandro. Ny efa nipetraka ela indray (izay atsimo atsinanana no betsaka) no nihatakataka. Notairiny tamin’ny torimaso avokoa anefa ny manodidina rehetra tamin’izay fotoana izay.

 Raha dinihina dia tena misy antoko politika mivoy mafy azy ity mihitsy. Nahagaga, tsy tandrin’ny mpnao gazetin’ny Tvplus angamba tamin’ny fanambaran’ny eveka omaly ny fanamelohana natao momba ny fandranitana adim-poko. Tsy novakian’ny mpilaza vaovao anefa io fa ny bala nalefa ho an’ny mpitondra fanjakana ihany no novakiany. Ny Mbs sy ny radiom-panjakana moa dia nody tsy nahalala ny fisian’ny fanambarana mihitsy. Azo lazaina izany fa tena mitongilana daholo ny mpilaza vaovao hitako hatreto. Tamin’ny lohatenin’ny gazety rahateo moa dia samy nisintona izay tiany nosintonina fotsiny ry zareo. Iza re no mety namoaka manontolo ny fanambarana e ?


Ny fanambaran'ny evekan'i Madagasikara

Finoana — Nampidirin'i jentilisa @ 15:28

Ny mpanara-baovao finoana indrindra indrindra dia mahafantatra ny nametrahana amin’ny fomba manetriketrika ny evekan’i Miarinarivo tamin’ny alahady teo. Amin’ireny fotoana ireny moa dia tonga manatrika eo avokoa ny eveka namany manerana an’i Madagasikara. Efa nampoizin’ny maro fa tsy maintsy hisy ny fivoriana manokana hataon’ireo eveka ireo indrindra fa ao anatin’izao toe-draharaha mafampana izao. Dia nivory tokoa ny fivondronamben’ny eveka teto Madagasikara ny tontolo andron’ny alatsinainy 21 mey teo.

 Niandry ny fehin’izany aho fa androany maraina no nandeha tao amin’ny radio don bosco izany. Tsy tratra anefa tamin’io fotoana io noho ny zavatra mbola nanahirana ka ny atoandro aho vao nandre azy. Tsy nandray naoty anefa aho ka izay tadidiko ihany no averiko etoana. Noho izany dia marihiko etoana fa mety ho tsy feno izay soratako etoana fa izay nanaitra ahy ihany no soratako.

 Voalohany : Voaporofo izao tamin’ny fitsapana ny hevi-bahoaka farany teo ny tsy fahavitrihan’ny olona nanefa ny adidiny. Nirotoroto ny fanjakana nefa ny olona tsy mahalala akory izay votoatim-panovana na dia niezahana nohazavaina aza izany. Mbola anaty fahasahiranana ny olona moa ny rivodoza sy ny loza voajanahary hafa mbola namely ka izay hohaniny sy ialofany ihany no nahamay ny olona. Tsy nataony ho zavadehibe ny referandaoma.

 Faharoa : Tsy ankasitrahana ny fampiasana ny herisetra sy ny fanaovana amboletra na avy amin’iza na avy amin’iza. Tsy vahaolana velively tsy akory izany manoloana ny delestazy sy ny olana hafa mampisavorovoro ny mpianatra sy ny any amin’ny faritra. Tokony ho efa notsinjovina mialoha ny hamahana ny olana fa tsy avela hihatra amin’ny olona vao ikaroham-bahaolana.

 Manaraka : Manameloka ihany koa ny fandranitana adim-poko izay mihamahazo vahana amin’izao fotoana izao. Tsy vahaolana amin’ny mianjady amin’ny mponina ihany koa io.

 Tohiny : Momba ny raharahan’ny misionera kosa. Nantsoina ny misionera hitory ny evanjely amin’ny olona rehetra. Ilaina ny fahafantarana ny fiaimpiainan’ireo itoriana ny evanjely ho fampivoarana azy rahateo. Koa raha misy ny zavatra tsy mety, mahaporitra na fanaporetana sy fanitsakitsahana ny zon’ny madinika dia adidin’ny (tsy maintsy miteny ny )misionera ny miteny na malagasy izy na vahiny. Ao anatin’ny lalam-pitoriana rahateo izany ary ny fiangonana katolika dia tsy maintsy eo ankilan’ny madinika mandrakariva hiaro ny zony tsy ho voahosihosy.

 Fahadimy : Momba ny raharaha Sylvain Urfer,sj kosa indray dia heverin’ny katolika ho fanalam-baraka azy ireny toe-javatra niseho ireny. Tsy azo natao ve ny nifampidinika mialoha tamin’ny ambaratongam-pitondrana katolika rehetra mialoha ny nandroahana azy ? Toy ny tsy fanajana ny zon’olombelona ihany koa iny fandroahana iny eo amin’ny fiangonana katolika (tsarovy fa ny fivondronam-ben’ny eveka mihitsy no misolo tena ny fiangonana sy hany afaka miteny amin’ny anaran’ny fiangonana eo amin’ny firenena misy azy araka ny fahazoako azy).

 Ary fahaenina : Momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiangonana katolika sy ny fanjakana kosa indray dia vonona amin’izany ny fiangonana katolika. Saingy maniry indrindra ny hampiharana azy tokoa fa toa mbola resaka fotsiny ilay izy hatramin’ny androany. Ao anatin’ity fanambarana ity anefa dia toy ny mametraka ihany koa ny fiangonana katolika hahazo ny fanazavana momba ny nandroahana ny mompera vao hiditra amin’izany. Izay ny fahazoako azy. Tatitra ihany ity nataoko ity saingy tsy ofisialy. Ho hitan’ny be sy ny maro ihany ny votoaty ofisialy satria mino aho fa io no ho lohatenin’ny gazety rahampitso rehetra. Tsy namoaka ity fanambarana ity ny radio sy ny televizionam-panjakana hatramin’ny atoandro teo. Asa ny rahariva…(tsy misy ny fomba fijeriko mihitsy io fanambarana io)


Nivory miafina ny mpanohitra sy diplaomaty vahiny?

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 10:05

Gaga aho namaky  ny gazety le quotidien omaly raha nilaza izy fa nisy fihaonana nifanaovan’ny mpanohitra sasany miseho ho mpiaradia akaiky ny firenena tandrefana sy diplaomaty vahiny sasantsasany. Tsy nanondro mivantana moa izy fa nolazainy fotsiny fa tamin’ny Zoma lasa teo izany tao amin’ny Hilton Madagascar. Izy irery no namoaka io lahatsoratra io omaly. Dia nieritreritra aho hoe tsaho tiana aely ve izy ity sa ahoana ?

 Nanapa-kevitra aho hiantso ny Hilton Madagascar sy ny gazety le quotidien androany maraina momba io raharaha iray io. Najanoko anefa izany rehefa nataon’ny gazety « Ao raha » teo amin’ny voalohan’ny pejy no sady nataony vaventy ny lohateny. Rehefa novakiana ny tao anatiny dia tena pejy iray manontolo mihitsy no nanokanany azy. Tafiditra tsara ao amin’ny asan’ny mpanao gazety rahateo ny manadihady rehefa sendra ny vaovao fohy toy ny tsipalotra fotsiny tao amin’ny gazety voalohany nolazaiko.

 Nanamarina ary ny gazety faharoa nolazaiko ary nanampy fa tamin’ny telo ora tolakandro no nanatanterahana ny fivoriana tao. Ny komity mpanohana ny tsia ireo nivory niaraka tamin’ny masoivoho ireo ka tao anatin’izany ny frantsay sy ny amerikana. Nisy koa solontena hafa izay tsy notononin’ny mpanao gazety ary io no nilaza fa tsy anjarany ny manao tatitra amin’izay fivoriana natao tao fa an’ireo mpanohitra izay nihaona taminy.

 Ny mpanohitra kosa anefa izay fantatry ny rehetra satria filohan’antoko sady nirotsaka hofidiana ho filoha teo ny roa (iza ary izany fa tsy Herizo Razafimahaleo sy Lahiniriko Jean ?) samy nanda sy milaza ho tsy mahafantatra ny fisian’izany fivoriana izany avokoa. Dia mody gaga fa tany amin’ny gazety no nahitany ilay filazana fivoriana natao ny zoma tolakandro tamin’ny telo ora tolakandro izany. Raha nanao fivoriana miafina izahay, hoy ny filoham-boninahitry ny Leader Fanilo dia tsy ho any amin’ny hitam-bahoaka any velively.

 Hitanareo moa fa mbola anatin’ny fanolokoloana ny tranonkalan’ny le quotidien ary tsy heveriko fa tsy mandeha amin’ny aterineto ny lahatsoratra mivoaka ao amin’ny « Ao raha ». izay no amoahako azy etoana ka asakasakareo amin’ny finoana ireo gazety roa samihafa roa ireo ihany. Toy ny voankazo an’ala hoy ny fitenenana izay io lahatsoratra napetrako io.


«Mialoha   1 2 3 ... 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66 67  Manaraka»

Powered by LifeType