Maharesaka.VETO

Vaovao aty Antsirabe

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 18:11

Tena miserana eto amin'ny serasera tokoa aho amin'io fotoana izao. Niova rivotra fa diso kosa angamba ny fiteny hoe niala sasatra raha heverina. Misy ny vitsy azo soratana vetivety. Voalohany raha nidina taty aho tamin'ny alahady dia efa vitsy dia vitsy ny fiara fa ny olona koa mbola vitsy noho izany. Vokany ny fiara ihany no nilahatra fa tsy ny olona. Manamarika ve izany , noho ny fahitana ny taloha fa tena efa sahirana dia sahirana tokoa ny olona?

Raha tonga teny amin'ny fitobian'ny fiara ihany koa aho dia gaga fa tsy nahita ireny mpanera nifampisintosintona ireny. Hay moa ka noraofin'ny polisy avokoa ry zalahy tena nanao fisintonana ny nikasika mpandeha ireny. Vokany tsy misy mahazo mikasika mpandeha na iza na iza.

Manaraka izany tena tsy nahara-baovao mihitsy aho hatrizay niovako rivotra izay. efa saiky tsy hiserasera aho fa nahita cyber nalalaka tampoka dia roboka indray. Fa tena nahavariana ahy ny hamaroan'ny tanora ataoko hoe tsy mbola mahatratra 20 akory dia efa mitarika anaka. Maro loatra araka ny fiheverako azy, nefa ve porofon'ny hoe tsy ampy fialam-boly ny tanora? Sao dia mitady revy tafahoatra kosa ary ka tratran'ny sasany amin'ny kely foana? asa anefa.

Manaraka, efa niomana amin'ny entana ho entinia ihany aho fa mbola nanadio akanjo ba ihany. Soa ihany fa tsy nahatsiaro mangatsiaka loatra na dia izany aza. 

Ataoko fa fa efa lavalava ihany izay na dia mbola manankolazaina aza aho. Ho avy ny sary efa akaiky ny zato. Fa milaza aminareo hoe mitohy ny fiovana rivotra ka tsy ho eto Antsirabe fa toeran-kafa indray...amin'ny manaraka lazaina.  Dia any ho any indray vao manoratra sy mifampiserasera eee!

 


Faly dia faly amin'ny telma aho

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 00:56

Mametraka ity lahatsoratra ity aho eto hilaza ny hafaliako, ary mino aho fa ho haingana dia haingana ny famakianareo ao amin'ny Telma ity fijoroana vavolombelona hahafaly anareo ity. Manantena ary aho fa mety hapetrakareo ao amin'ny vohikalanareo ny fijoroana vavolombelona tahaka itony soratako itony milaza ny antony tokony hifidianana ny Telma fa tsy ireo mpanome tolo-pifandraisana hafa.

Fa dia inona loatra moa no nahafaly ahy ka mahatery ahy hanoratra ity fijoroana vavolombelona ity? Nividy sofindavitra Telma fixe mobile (24 moa no fahalalana azy ho an'ny eto Antananarivo) aho mba ahafahana miserasera amin'ny aterineto no tena antony voalohany sy lehibe indrindra. Kanjo dia nasehon'ny Telma sy noporofoiny fa manambola 10 000 ariary ariana fotsiny aho. Naharihariny fa manankarena aho e! Iza na olona tahaka ny ahoana moa izany manary vola 10 000 ariary amin'ny tsy antony izany afa-tsy ny olona manankohariana? Nabaribariny ary fa anisany aho na dia tsy manana fiara, iray amin'ny famantarana ivelany maha-mpanankohariana aza. Tena manafinkarena aho rey olona ô! Ahoana angaha izany hoy ianareo?

Marihina aloha fa tsy ilay millionakà kilalao mety ahazoana 1 000 000 ariary izay tsy mbola nilalaovako mihitsy no nanehoany ahy izany harenako izany. Efa voaloazako teo aloha fa noho ny serasera aterineto no tena nividianako 24. Noho izany tsy dia miantso loatra amin'ilay 24 aho, fa io ary no iantsoako ny ao an-trano indraindray. Nisy ambina fahana izay izy io roa volana lasa angamba izay. 6 000 arivo ariary eo ho eo io tahirina fahana io. Iray volana ihany no fetra dia tsy maintsy mamahana ianao raha tsy izany dia levona ho azy tahaka Faosifaoro io... Tsia, lasa tombombarotra manokana ho an'ny Telma io hanentsenana ny illimité fantiantoka ho an'ny telma azon'ny mpividy telma rehetra mandritra ny iray volana. Fitiaana lehibe ny mpanjifa kosa aloha tsy misy tahaka izany e! Tara iray andro aho ary akory ny hafaliako fa nomeko ny telma maimaipoana ilay 6 000 ariary teo. Ny hany fahavoazany dia tsy maintsy mampiditra fahana vaovao aho mba ho sambany hiantso amin'ilay telma 24 ahy. Mba ahafahako miantso iray volana dia voatery aho nampiditra fahana 5 000 ariary indray ary nampirisika ny ao an-trano hiantso aminy entiko ilazana amin-dry zareo fa tena tia fitsitsiana tokoa aho, nefa hanehoako ny maha-mpanankohariana ahy ihany koa. Tsy mety miantso amin'ilay izy anefa ry zareo rehefa mijery ny antso rehetra natao taminy aho.

Tsy tandritandriko akory ny fehim-potoana efa lasa taorian'ny namahanako azy 5 000 ariary farany teo iny fa mba saiky hiantso indray aho. Ary dia tamin'ny hafaliana lehibe indray no nandrenesako avy amin'ilay feo fa raha hiantso aho dia mila fahanana indray izy io fa efa nanjavona ilay fahana nataoko farany tao. Faly dia faly tokoa ny tenako ka dia izao tantaraiko izao fa omeko amin'ny foko manontolo ny telma ny fahana mitentina 10 000 ariary mahery ho fijoroana vavolombelona amin'ny fahatsaran'ny asa ataon-dry zareo. Fandraisana anjara fanohanako ny telma tamin'ny nandroahana mpiasa anjatony tao aminy iny nefa dia naka mpiasa hafa vaovao indray izy. Iza hoy ianareo no manana izany zavabita mahafinaritra sy mahafaly tahaka izany fa tsy ny telma? Mandroaka mpiasa maro efa nahazoazo taona dia maka mpiasa maro hafa vaovao izay tanora no betsaka! Soa ihany fa samy Malagasy na ny noroahina na ny mpiasa vaovao noraisiny ary io no porofo fa mitsinjo manokana ny tanora ny telma na dia asiany mafy dia mafy aza ny ray aman-dreny nahavita be fa tsy hahavita azy intsony ka roahina mialoha ny haharetirety azy. Ny tanora ihany koa anie no maro an'isa ka manaja ny demaokirasia tsara ny telma e! Tombony azy manokana ihany koa aloha iny.

Farany dia mahazo tezitra dia tezitra amiko ianareo rehetra tsy mitovy hevitra amiko. Satria mora dia mora ny nahazoako ilay 10 000 ariary mihoatra ka tsy raharahako ny manome azy ny telma fa tsy ho amin'ny fanarenana ny rova na ny lapan'ny tanàna izay haorina indray avokoa. Telma no tena azo itokisana ary dia mendrika azy ny mahazo vola betsaka izay tsy haiko na tafiditra anatin'ny kaontin'ny orinasa na trohin'ny olona sasany mahalala zavatra ary mametraka hatrany amin'ny fitantanam-bolany fa tsy misy manary vola toa ahy izany mihitsy ny mpanjifa ao aminy. Na izany aza te-hibedy an'ilay kidorompamba iny aho hoe fa maninona no afindran'ialahy aty amiko ity aretina manindrahindra ity? Tena tsy mety mihitsy izao fa lasa mametraka ahy ho mpisolelaka mihitsy. Omeo fanafodyahingana aho fa raha tsy izany...


Tropicana II: Nahoana no mahasahy manome volabe ny fianakaviana?

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 04:17

Toe-javatra anankiray tsy eken'ny fianakaviany ho loza tsotra hatramin'izao ilay loza nahafaty ireo shinoa Taipei mpandraharaha lazaina fa saiky hampiasa ny volany teto Madagasikara. Mahavariana tokoa hoe mpandraharaha avokoa ireo vahiny niara-dalana ka maty, na nanjavona, rehetra ireo. Mitady andinim-baovao mikasika azy ireo na momba izay nanjo azy ireo ny fianakaviany ary manamby volabe ho amin'izany ary tongany mihitsy hatraty Madagasikara. Nolazain'ny vaovao tany aloha fa nikasa ny hampiasa vola eto an-tanindrazana ireo shinoa Taipei ireo. Fa mampisalasala raha lazaina fa vao fikasana ihany ny azy ireo.

Raha vao re ny fanjavonan'ny sambo Tropicana II dia nandefa sambo hafa hitady azy ireo na ny sisany ny fahefana mahefa any amin'ny faritra nisehoan'ny loza. Nahavariana fa niharandoza ihany koa ireo mpitandro ny filaminana tao anatin'ity faharoa nikaroka ary nahafatesana olona ihany koa. Mizara roa ny eritreritry ny mpiresaka amin'ity raharaha ity. Ny voalohany amin'izany dia avy amin'ireo efa zatra ny faritra.

Niainga avy any Toamasina ho any Maroantsetra na ny faritra avaratra atsinanan'iny nosy iny ireto mpandraharaha ireto ka ny fitaterana an-dranomasina no noraisiny. Lazaina ary fa faritra manana ny fadiny iny fari-dranomasina iny, toy ny tsy fahazoan'ny vehivavy bevohoka sy/na anaty fadimbolana mandeha amin'ny sambo noho izay fady izay ka andrasana any amin'ny toerana iray voatondro ry zareo amin'ny fanohizana ny dia. Misy koa ny filazana fa tsy tokony ho taitaitra na hitsamboamboatra foana ny mpandeha raha mahita zavatra, toy ny hazandrano mitsambikina anaty sambo ohatra, fa amin'ny fotoana mampitsamboamboatra iny no iharandoza ny sambo andehanana. Misy karazany toy izany ny fombafomba amin'iny faritra iny ankoatra izay tsy voalaza ka raha heno ny fisian'ny loza dia  izay no ao an-tsain'izay mino sy mahalala izany. Finoana io noho izany. Tsy asiana resaka lava.

Ny hevitra faharoa kosa dia resaka volabe ranofotsiny. Tsy hoe nikasa handraharaha hampiasa vola ireto mpandraharaha ireto fa efa tao anatin'ny fampiasana ny volany mihitsy.Izany hoe efa niaraka tamin'ny volabe ry zalahy, ny efa zatra ilay tambajotra no miresaka fa rehefa mankany Maroantsetra ireny vahiny ireny dia hividy vatosoa no tena anton-dia voalohany. Izany mividy izany dia midika fa mitondra vola ry zalahy ary mazava loatra tsy ho kely velively ny vola entiny miaraka aminy. Amina sakaosy lehibe mihitsy aza izany vola izany. Marina fa natsahatry ny fitondrana ny fanondranana ny vatosoa, ny fampitsaharana anefa tsy voasakan'ny sisintanintsika tsy ampy fiarovana ka ahafahan'ny rehetra miditra sy mivoaka antsokosoko miaraka amin'ny zavatra na entana entiny miaraka aminy. Mety hisy noho izany no tratran'ny faikam-panahy amin'ireo niara-dalana rehetra ka nitady hevitra mba ho azy, na anaovan'ny iray teti-dratsy kopaka isasahana, ny vola toa hampanankohariana vetivety. Matoa ny fianakavian'ireo mpandraharaha nandà nyloza ho tsotra na voajanahary dia mirona kokoa ho amin'ny lafiny isian'ny heloka bevava ry zareo.

Sarotra ny fanadihadiana sady azo lazaina fa tsy olonolom-poana ireo nanjavona ireo ka mbola hitana ny sain'ny mpanara-baovao. Tombatombana ihany ny ahy ka tsy voatery ho marina. Ilaina anefa ny mamisavisa ny lafiny rehetra mba hahafaingana ny famahana ny olana. Fijerin'olo-tsotra ihany ny ahy ka azo tsy raisina mihitsy. Ny hevitrao no tsy fantatro amin'ity raharaha ity.


FLM: Lalampanorenana vaovao hanakanana olona iray?

Finoana — Nampidirin'i jentilisa @ 10:39

Toy ny kinendriko mihitsy angaha ny mamoaka lahatsoratra rehefa alahady ary vaovao momba ny finoana sy ny fivavahana no avoaka araka izay azo atao amin'izany. Eto indray aho dia mitodika amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy. Fantatra moa amin'izao fotoana izao fa mety hisy ny "fanovana" madinidinika amin'ny litorojia sy ny lalampanorenan'ny Fiangonana Loterana Malagasy. Fanovana Tekinika hoy ny iray amin'ny tompon'andraikitra lahika iray izay. Tafiditra amin'izany ny hampidirana anaty Litorojia ny fanekena mpiandraikitra sokoto (scout) sy ny an'ny Fifohazana. Tsy sahy miraparapa amin'ity farany ity aho. Fampidirana ny inona tokoa moa izany? Ampidirina anaty litorojia amin'izay ve ny asa sy fampaherezana sa ny fanokanana mpiandry any am-piangonana fa tsy voatery any amin'ny tobim-pifohazana ihany no tena lazaina?

Tafiditra anaty "fanovana" madinidinika ihany koa ny famerana ny fotoam-piasan'ny mpiasam-piangonana rehetra tsy ho 65 taona intsony fa ho 60 taona indray. Raha ny fahitako hatramin'izay any amin'ny sehatry ny fiangonana dia misy ihany ny mpitondra fivavahana mihoatra ireny fotoam-piasana ireny ny tena iasany any amin'ny sahan'ny fiangonana... fa amin'iny fotoana iny dia miandry ny anaovana jobily azy izy sisa (anokanan'ny fiangonana rakitra) fa tsy homena andraikitra vaovao intsony. Izany hoe tsy tokony hofidiana ho filohan'ny sinaodam-paritany (eveka) na ho filohan'ny anaram-pangonana FLM (arisheveka) intsony na hotendrena amina andraikitra anivon'ny sahan'ny fiangonana.

Eo indrindra isika. Misy ary ny miahiahy amin'io fampihenana ny taona handefasana retirety ny mpiasam-piangonana io ho fikendrena hanakanana pasitora iray heverina ho mifaninana amin'ny filohan'ny FLM amin'izao fotoana izao, Pst Dr,Rakoto Endor Modeste. Ahiahy satria mety ho resin'ny mpifaninana aminy izy, izay tsy iza fa ny Pst Dr Péri Rasolondraibe izany, na dia noho ny lazan'ilay pasitora fotsiny ihany aza. Heverina manko fa efa mihoatra ny 60 taona ny Pst Péri Rasolondraibe, efa nitondra ny fitandremana FLM toby fanantenana 67ha, nandalo kely tao amin'ny FLM Ambatovinaky mialoha ny nanilihana azy hitana andraikitra any Geneve (Suisse) ho talen'ny fampandrosoana anivon'ny FLET (Fiangonana Loterana Eran-Tany),mba hamerenana ny filohan'ny sinaodam-parintany teo ho amin'ny toerany teo aloha, araka ny fijeriko ihany izany.

Zavatra mba fantatro amin'ny Pasitora Péri Rasolondraibe ihany koa ny tolona ataony mba hahapasitora amin'izay ny vehivavy teolojiana...izany hoe ahafahan'ny vehivavy ho mpitondra fiangonana amin'izay. Izy manko no manao fampielezankevitra eken'ny fiangonana amin'izany raha ny filohan'ny sinaodam-paritany Antananarivo Pst Randrianarivelo Joseph kosa no manao fampielezankevitra eken'ny fiangonana hanemorana izany fanaovana ôridinasiona ny vehivavy izany. Ny amin'ny homosexuel indray moa dia tsy mila adihevitra mihitsy fa lavina avy hatrany. Iraisan'ny fiangonana aty amin'ny ila-bolantany atsimo io amin'ny ankapobeny. Lavina tsy ilàna adihevitra mihitsy.Ankoatra izany, ny Pst Péri ihany koa no fantatro anivon'ny FLM nitolona mandrakariva ho amin'ny fampitambarana ho iray ny FLM sy ny FJKM. Efa tsy reko intsony kosa aloha izay tolon'ny raharaha amin'ity fampitambarana ity.

Fahatsapako, izaho jentilisa, mahita ny zotram-piainan'ity pasitora nolazaiko ity dia ny sedra nahazo azy nandritra ny fotoana nitandremany hatramin'izay. Tsy tadidiko ho nahazo andraikitra ambonimbony anivon'ny sahan'ny FLM mihitsy izy fa raha any ivelany kosa dia efa nisy voasoratra ihany ery ambony ery. Miala tsiny aho amin'ny fitenenana somary masiaka fa toa atahoran'ny mpitondra fivavahana hafa izy noho ny herimpanahy (charisme) ananany ve? Koa raha ho voasakana tsy hahazo hirotsaka indray izy raha voaova ny lalampanorenana dia izay no fanakatsakanana faratampony heveriko fa faratampony indrindra nihatra taminy. Toy ny  nosakanana tsy hampisy fivoarana ny fiainam-piangonana mihitsy izy nandritra ny androm-piainany. Fahatsapako ihany anefa izany fa tsy voatery hitombina.Izy tenany sy Andriamanitra ihany no tena mahalala.

Raha mitombina ary ny ahiahy dia fanehoana ihany koa fa mbola ety an-tany ny fiangonana ary misy olona mitantana azy. Olona ihany ny mpitondra fivavahana. Mety mampihemotra olona ny mitranga fa efa nampianarina tsy hijery olona ny tena rehefa fivavahana no resahina, satria mpandiso fanantenana ny olona amin'ny ankapobeny, fa Andriamanitra ihany no banjinina.


Raha nahay nihomehy iny Vakana iny

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 10:53

Asa raha noho ny fialan-tsasatra efa tafiditra tsara amin'izao fotoana izao fa dia hirediredy tokoa moa izany. Misy tokoa manko ho an'ny mpanoratra zavatra matotra mandrakariva ny fotoana anoratana zavatra tsy matotra tsindraindray mba ho ala hamohamo eny ihany. Noho izany azonao atao mihitsy ny tsy mamaky ity lahatsoratra iray ity. Atao karazana angano ilay izy aloha. Tsy ataoko hoe Ikotofetsy ny Imahakà intsony ilay tantaraina fa andeha atao hoe Ikotofatsora sy Idontofetsy (fa tsy i DontoMG mihitsy aloha fa aleo mody atao hoe izaho io!).Indray andro, hono, indray ity izany e!

Iray lalana Ikotofatsora sy Idontofetsy no nahita zatovolahy iray niambozona vakana mahafinaritra. Ny Vakana no Ravaka fanaon'ny olona taloha ifampiavahana noho ny herim-po aza. Ataoko fa maro isika no mahafantatra ilay fomba fiteny hoe "Izaho ve no namono ny voay dia ny hafa no hiravaka ny Vanginy?", rehareha ny miravaka Vangim-boay satria zavatra sarotra indrindra izany tamin'ny fotoana tsy nisian'ny basy... fa ankehitriny noho ny lasitra tandrefana iainana dia karazany ratsy izany mikitikitika na mikasokasoka nify izany, nahita ilay vatomamy nify aho fa rikoriko avy hatrany sady nieritreritra anaty hoe iza koa no hitsakotsako nify? Tsy mahagaga raha tsy misy mpividy mihitsy ilay vatomamy nify! Ny mpitady solonify aza no mety hanontany hoe "solonify ve io"? Marina kosa aloha fa manome endrika ny tarehy tokoa ny nify e! aza mba banga ihany. Oadray! rediredy soratana tokoa ka mivaona sahady! andao hiverina amin'ilay tantara fa tsss...

Tena mahafinaritra tokoa ilay Vakana na dia noho ny fanintonana ataony amin'ny mason'ny mpijery sy ny mpandalo fotsiny aza. Tsy mahagaga ary raha mba voasintona ihany koa ny mason'Ikotofetsy sy Imahakà, oadray...Ikotofatsora sy Idontofetsy no izy. Meva anie izany e! kanto dia kanto tokoa. Raha nahita ary Ikotofatsora sy Idontofetsy fa mbola zatovolahy ilay miambozona Vakana dia mieritreritra ny hanambaka ry zalahy. Raha mahatadidy ny tantaran'Ikotofetsy sy Imahakà ianareo dia tsy mba mamono olona mivantana mihitsy ry zalahy fa ataony ihany na izany aza izay hahafaty ilay olona tiany angalarana ankolaka, dia tahaka izany koa ny azy mirahalahy... fa izao no sampona; tsy ilay zatovolahy no tiany ambakaina voalohany indrindra fa ry zalahy no te-hifanambaka aloha. Tsy mety atao toy ny Valala manko ity Vakana mahafinaritra ity ka hoe ifanapahana fa na iray ihany ny tompony, na raha mahay mifanaraka dia tsy misy tompony fa mifandimby miambozona. Tsy hety amin-dry zalahy mihitsy anefa io toe-javatra faharoa io fa ny ho tompony manokana ihany no kendreny. Tadiavina noho izany ny hevitra hanilihana ny iray fa dia tahaka ny tsy kaonty mihitsy amin'io fotoana io ilay zatovolahy miambozona ilay Vakana. Ity tokoa no tonga amin'ilay fiteny hoe "Valala eny An-danitra ka asiako sira" eisy aho hoe e!

Sampona faharoa, samy mahalala izy mirahalahy fa mikendry ny hahazo ilay Vakana ny andaniny sy ny ankilany. Iray lalana matetika anefa izy mirahalahy ireto. Manomboka mipetraka ny olana. Toa samy tsy hahay hifandefitra amin'ity Vakana iray ity izy mirahalahy. Toa tsy ho tontosa intsony ilay fanoharana ratsy manao hoe "iray petsapetsa" sy ilay fanoharana tsara manao hoe "iray donak'afo". Nefa toa samy miroso tsy handefitra ihany koa na dia efa ambozon'olona aza ny Vakana iadiana (aiza ny taratasy manamarina fa efa azy ny Vakana?)...

Dia lasa ny saiko nanao hoe, raha nanana maso manko iny Vakana iny efa hitany soa amantsara ny fipelipeliky ny masonareo nibanjina azy mandrakariva, raha nahay nihomehy manko iny Vakana iny efa nitokelaka tokoa izy, raha nahay naneso manko iny Vakana iny efa tsy Ikotofatsora sy Idontofetsy intsony no iantsoana anareo fa Ikotofanambàka sy Idontofetsena. Raha nanana vava manko ny Vakana iny niteny hoe "Angaha Vakana tsy mahalala tompo aho ka tadiavinareo alaina fotsiny izao? miresaka aminareo aho ka miresaka aminareo fa ny foko tsy akory tsy ho lasanareo velively"

Fa hono tokoa ho aho. Toa tsy mba misy tantaram-pitiavana mihitsy amin'ny tantaran'Ikotofetsy sy Imahakà e? Ny tantaran-dry zalahy izany no angano malaza nefa tsy tantaram-pitiavana ô?


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 ... 59 60 61  Manaraka»

Powered by LifeType