Vaovao Eto anTOerana.VETO

Fetin'ny reny malaza noho ny pentekositra

Finoana — Nampidirin'i jentilisa @ 00:54

Tsy misy izay tsy niaiky fa nitohana tokoa ny fifamoivoizana nandritra iny herinandro nivalona iny teto Antananarivo. Feno olona nifamoivoy ihany koa ny tsena sy ny sisindalana indrindra fa ny tany afovoan-tanàna. Manamarika izany amin'ny ankapobeny fa manomana zavatra any an-tokatranony tsirairay any ny olona na dia mikaikaika noho ny fahasahiranana aza. Raha atao aza ny fampitahana dia io araka ny lohateny nolazaiko io fa nalaza noho ny pentekositra ny fetin'ny reny tamin'ity indray mitoraka ity, marihina anefa fa fetim-pivavahana ny iray amin'izany fety izany ary fety nateraky ny fiaraha-monina ara-barotra kosa ny iray.

 


Be dia be ary ny marika ahatsinjovana fa resin'ny fetin'ny reny ny pentekositra. Voalohany amin'izany raha jerena ao am-piangonana mihitsy. Vitsy kokoa noho ny tamin'ny pentekositra aloha ny olona tonga tamin'ny fetin'ny reny ka ny tena antony nahatonga izany dia noho ny fahavitsian'ny reny nankany araka ny fijeriko azy. Maromaro tamin'izy ireo ihany manko no nikarakara ny tao an-trano toy izay nandeha nankany am-piangonana. Izany hoe zavadehibe kokoa ilay nijanonana an-trano noho ny nandehanana am-piangonana. Marihiko etoana aloha fa ny tany amin'ny fiangonana protestanta no tena hitako fa tsy fantatro kosa ny tany amin'ny fiangonana katolika.

 


Faharoa manarakaraka izany, mbola ao am-piangonana ihany, efa zary fanao ny miarahaba ny reny ka ny lohalaharana amin'izany dia "ramatoa" (fiantso ny vadin'ny pastora ho an'izay mbola tsy mahalala). Omena fotoana ao anaty fandaharam-piangonana mihitsy izany fotoana natokana ho an'ny reny izany sy ny fanolorana fanomezana ho azy. Anjaranao indray ny maminavina hoe manana anjara fotoana any an-tokatrano ve ny fitarihan'ny Fanahy Masina tsarovana manokana ny fidinany tamin'ny Apostoly sy ny mpanaraka azy nandritra izany pentekositra izany?

 


Fahatelo, ny fikarakarana azy, maro kokoa ny karazan'olona mikarakara ny fetin'ny reny noho ny pentekositra indrindra fa ny fametrahana azy ho laharam-pahamehana na ny lanjany no tombanana. "Hafa ihany i Mama" hoy ny hira malagasy malaza, misiki-ponitra avokoa ny rehetra, eny fa na dia i Neny aza amin'ny fanomanana atao. Na hendry manko na maditra ny zanany, miahy ny naloaky ny kibony hatrany ilay nifonosany amin'ny ankapobeny.

 


Mbola azo atao ny manohy ny resaka, ankoatra ny fahitana fa ny alatsinain'ny fety Paska na Pentekositra aza no malaza kokoa noho ilay fetim-pivavahana, saingy sao dia mivoaka amin'ny lohahevitra banjiniko aho. Na izany aza mampanontany tena ihany hoe efa mihamitotongana ve ny fivavahana kristiana eto madagasikara raha jerena amin'izao lafy izao?


Fika ho an'ny mpanjifa moov

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 18:31

Tamin'ny fanendrena ny DGn'ny Moov ho lasa DGn'ny Telma no nahitako fa mihoatra ny 500 000 ankehitriny ny mpanjifan'ny Moov. Raha nahita ny tarehimarika aho dia lasa tany amin'ny olan'ny orange tany alohaloha tany ny saiko. Raha nahatratra ny 1 000 000 araka ny nolazainy manko ny mpanjifa tamin'izany fotoana izany dia sarotra tokoa vao nahazo izay nantsoina ny olona iray. Matetika aza moa dia lasa toy ny messagerie vocale hatrany ny antso tamin'izany fotoana.

 

Ankehitriny dia mitovy amin'izany ny manjò ny mpanjifa moov izay misy ahy amin'izao fotoana. Marihina fa tsy ilay plug & surf 3G+ no ampiasaiko fa amin'ny alalan'ny antso an-tariby(telma) ihany. Nandritra ny ora telo farany niseranako manko dia  tsy tafiditra na tsy nahazo izay takelaka nozahako mihitsy aho ankoatra ny takelaka fandraisana nataoko google ny 53 miniotra amin'ireo raha atambatra. Ankoatra ny mahalafo azy kokoa noho ny any amin'ny cybercafé izany dia mbola hasosorana no azo amin'ny atsasaky ny niseranako (tsy ho ampahatelon'ny niseranako kosa aloha fa mihoatra e!). Heveriko ho fatiantoka lehibe ho ahy manko ny tsy mahazo fahafaham-po akory amin'ny fandaniana tsy fanaon'ny sarambambem-bahoaka loatra. Ny mankeny amin'ny cybercafé tsinona no fanaon'ny maro fa noho ny itiavako azy miserana amin'ny alina no nampidirako azy an-trano.

 

Na izany aza dia misy fika ataoko hampihenako ny fahasosorako, fa tsy hoe ahafahako miserana ampisosasosana na tsy mandoa vola tsy akory. Azo fantarina ihany manko amin'ny alalan'ny telefôna ny mahalala na mety ny miserana amin'io fotoana io na tsia; raha mety dia manararaotra eo amin'ny telo minitra eo aloha fa raha tsia dia aleo miala avy hatrany (mi-deconnecter).  Rehefa vita ny solon'anarana sy ny tenimiafina dia mitady fidirana aterineto ny telefôna.Amin'iny izy mikaroka fifandraisana iny dia mandefa chrono io telefona io. Faharetam-potoana hitanao tsara eo amin'ny efijerin'ny telefôna (ecran) io. Amin'iny izy mivadika ora iny raha toa ka latsaky ny roa segondra dia mipetaka amin'ny amin'ny efijerin'ny solosaina kosa fa ilay soratra hoe 'moov est maintenant connecté' dia araraoty ny andro hitsidihanao izay tiana jerena rehetra.

 

Raha azo atao ary dia tsy mamaky izay tianao vakiana aloha fa isaky ny voasoratra ny 'done' na 'terminé' dia mamadika pejy indray ianao. Toy izany ihany koa amin'ny mailaka (yahoo ohatra) fa tsy akatonao fotsiny izy amin'ny farany fandrao tsy mety. Rehefa hitanao fa manomboka mihisatra ny fiseranana na afa-po amin'izay takelaka rehetra tianao jerena ianao dia mi-déconnecte amin'ny aterineto (moov) avy hatrany aorian'ny fanindrian'ny X menamena ery ambony somary ankavia iny. Raha efa izay dia ny bokotra mialoha (precedent) hatrany no tsindrianao hamakiana azy tsikelikely sy ampilaminana satria tsy manenjika fotoana intsony ianao. Raha tsy izany kosa dia mionòna mionòna amin'ny manaraka indray. Na dia hoe eo ampigadonan'ny faharoa segondra monja aza ny fivoahan'ilay soratra hoe 'moov est maintenant connecté' dia efa sarotra ny raharaha.Fa rehefa miala tsy maintsy mi-deconnecte fa tsy hoe mijanona eo tsy akory. Amin'izao fotoana izao dia tsy misy intsony ny fotoana fanararaotra manokana iseranana izany fa efa nifohazako ny tamin'ny telo maraina, dimy maraina na misasakalina fa tsapa mihitsy ny fahabetsahan'ny olona miserana noho ny fihisaran'ny connexion. Raha mahita fika hafa ianareo dia ilazao ihany aho fa izaho aloha mizara izay niainako nampihena ny fahasosorako. Marihina fa na saiky hividy ilay 3G+ aza aho dia misalasala hatrany amin'izay mety ho fisosa na fihisatry ny fiseranana.

 


Dimanjato ariary: Fa inona ny olana?

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 17:23

Loharanombaovao iray no nandrenesana fa telo volana izay ny Banky Foiben'i Madagasikara no tsy namoaka vola dimanjato ariary intsony. Na dia hoe faraparany aza voa nampiasaina izy dia hita ihany ny ilaàna azy amin'ny fifanakalozana sy ny varotra. Ao amin'ny fiangonana falehako matetika dia misy olona mpanolotena manakalo vola ratsy avy amin'ny olona soloina vaovao hahatsara endrika ny vola atao rakitra angaha fa tsy nahita dimanjato ariary teo ihany koa aho. Lasa ho azy ny saina eo anatrehan'io toe-javatra io. Izany hoe azo heverina fa ho ratsy endrika avokoa ny ravimbola dimanjato ariary afaka kelikely monja noho ny tsy fahaizan-dRamalagasy mikojakoja vola.

 

Ny ahiahy dia miantefa tamin'ny nanovana ny franc ho ariary. Mody narona tany amin'ny hoe anaram-bola malagasy ny sain'ny olona, hay izy ity hihena be dia be ny sandam-bola.Ilay sanda tamin'ny franc taloha iny no toy ny soloina ariary fotsiny eny amin'ny farany dia mitovy anie izany e! Izao indray manahy aho fandrao mampiakatra ankolaka ny vidin-javatra ity toe-javatra ity. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ny jirama sisa no mampiasa na manaiky ny ariary sy ariary roa ary ny ariary dimy fa ny ankamaroan'ny mpivaotra enta-madinika saiky mandà azy avokoa. Mbola miasa soa amna-tsara anefa izy ireny.


Ambohijatovo: Labozia ho an'ny matin'ny sida

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 18:21

Notontosaina teny amin'ny zaridainan'Ambohijatovo ny androm-pahatsiarovana ireo matin'ny sida rehetra. Araka ny fahalalàna dia sambany vao notsarovana teto Madagasikara ity vaninandro ity. Araka ny resaka dia tamin'ny enina hariva teo no nandrehetana labozia hanehoana izany fahatsiarovana izany.

Nandritra io fotoana io koa no nisehoan'Atoa Firinga Johnson sehatra voalohany hijoroany vavolombelona fa misy tokoa ny malagasy mitondra ny tsimokaretina VIH. Nisy fampisehoana moa nandritra io fotoana io. Nozaraina ihany koa ny labozia narehitra (fa saiky hitazandavitra ny maro amin'ny malagasy ary efa fanaony rahateo izany).

Ny somary nahatsikaiky raha nisy ny fananganantanana ka tonga teo amin'ny hoe hifandray tsy misy tahotra amin'i Johnson fa nisy nampidina tanàna teny an-tsehatra aloha ary dia maro koa ny olona nanatrika no nampidina ny tanany. Ny nahatsikaiky ahy faharoa dia nisy fitenenana tsy sazoka na diso toerana angaha hoe aza ailikilika i Johnson fa sao very irery ihany. Ampiantsika izy...(izany hoe hiara-very aminy isika?). Vazivazy iny aloha an!


Tsaralalàna: Ilay haitrano afovoan-tanàna

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 06:39

Hotel Sharon, Pharmacie Centrale, Archives nationales et à la fin c’est “seulement” le département de la logistique du ministère de la santé (côté ouest de la Pharmacie Centrale) qui a pris feu suite à un court circuit, dirait-on. Non! Après un bruit qui circule très rapidement faisant état de l’incendie de trois premiers sites cités précédemment s’est avéré finalement “fausse” après vérification; Ce sont les maisons très anciennes où se trouvent exactement à leur centre qui ont été victimes du feu aujourd’hui vendredi. On estime quand même la valeur du dégât à environ un milliard d’ariary sélon le ministre de la santé Jean Louis Robinson vénu expressement sur place.

   

Dia tsy miraharaha izay teny frantsay diso any aho satria tsy tenin’ikaky na tenin’ineny ary tsy teniko akory io. Nahagaga ahy fa dia nahavita io aloha aho. Tokony ho tamin’ny roa tolakandro teo ho eo no nanomboka ny fahenoana ny fielezan’ny setroka sy ny afo ka nampiolomay ny rehetra. Mifanila amin’ny “petite vitesse”, lalana manaraka ny tambohon’ny gara eny Tsaralalàna, ny trano ka nihazakazaka avokoa ny mpivarotra madinika hamonjy aina. Nanakatom-baravarana avokoa ny mpivarotra lehibe, ny an’ny karana mazava loatra, tapaka rahateo ny jiro ka izay manana gropy ihany no miasa ao an-trano. Mifanohitra amin’izany kosa fa indreny nihazakazaka ny jiolahimboton’Isotry te-hanararaotra ny toe-java-misy angaha. Soa ihany fa nosakanan’ny polisy, manana ny toeram-piasany eo ampitan’ny fitoeram-panafody indrindra, ny lalana mankany tsy hitsofohan’ny te-hijerijery fotsiny. Ny mpanao gazety ihany no nahazo alalana hanakaiky ny toerana.

Ny tsikaritra tamin’ity toe-java-misy ity ihany koa dia tany Ankadifotsy, Antaninandro, Behoririka no maty jiro sahabo ho adiny iray teo ho eo. Velona kosa anefa ny jiro teny Analakely sy Soarano. Nanomboka tamin’ny fotoana nahamay ny trano fitoeran’entan’ny minisiteran’ny fahasalamana, misy ny fitoeran’ny lay misy odimoka, ny kidoro, dabilio(?) ary fitaovana maro samihafa, tamin’ny roa ora voalaza etsy ambony ka hatramin’ny fotoana nandalovako teny tamin’ny valo ora alina dia mbola tsy niverina ny jiro nanomboka teny amin’ny Tana Plaza, ka hatreny amin’ny Cotona, mipaka eny Ambodifiakarana makeny amin’ny fasan-dRainiharo, amin’iny Ampasamadinika iny ka miolika aty ampitan’ny Conforama (National Store) ka mianavaratra manatona ny lapan’ny tanàna haorina indray saingy heveriko ho tsy tratran’ny aizina kosa ny Arikady.

Tahaka ny hafahafa izany hoe Zoma tolakandro ka tsy nisy fiara firy nandalo anoloanan’iny Boriborintany voalohany iny. Tsy nanaiky ny hisian’ny mpivarotra amorondalana mihitsy koa moa ny kaominina ka nalaladalaka tsy ahalalàna andro tsena manaraka iny lalambe Andrianampoinimerina (Ambodifilao) iny. Nivaha anefa izany nanomboka tamin’ny 5 ora sy sasany ka nahazo atsasak’adiny teo ho eo ny mpivarotra amoron-dalana hanao ny ataony. Oadray, miova koa izany zavatra tantaraiko izany.

Tamin’ny valo ora alina, tsy mbola nahita an’i Tsaralalàna maizina toy izany aho, nefa dia betsaka tokoa ny olona nifanaretsaka fa efa misy koa moa ny mpijorojoro mazava alina tsy hita endrika ao anaty aizina ao. Ny tobin-dasantsy ihany no ahitana jiro mirehitra. Hita ihany fa misy olona miala ny tranony amin’iny faritra iny, raha noheverina ho voafehy manko ny afo tamin’ny dimy mahery teo ho eo dia mbola tsy maty ny setroka na dia tamin’ny sivy ora alina aza (notazanin-davitra kosa io). Manahy angamba ry zareo fandrao miitatra ny afo ka aleo mankany amin’ny olom-pantatra aloha. Mahavariana anefa fa marobe tsy misy toy izany kosa ny olona amin’iny lalana Lacoste iny.

Tsikaritra fa nandritra ny haitrano dia tsy mbola mahalala marina izay trano may ny olona teny amin’ny manodidina teny. Ilay zandary nanontaniako aza namaly fa ny Arisiva nasionaly no may miaraka amin’ny ampahan’ny tranon’ny minisiteran’ny fahasalamana. Hitan’ny olona, tazan-davitra, ihany ilay trano saingy tsy fantany hoe inona moa io trano (midadasika na dia ntaolo aza) io. Izay no antony iray nampisaritaka ny filazan’ny olona hoe inona ilay trano may. Tsy nino ilay Arisiva aho satria fantatro ihany ny toerana misy azy fa ampita atsimo (mifanila amin’ny Caisse d’apargne) nefa ny trano (na faritra) tratra ampita avaratra. Niserana iray minitra teny manko aho (tena hoe iray minitra) nanamarina hoe taiza ho aiza tokoa moa izany may izany. 
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 ... 53 54 55  Manaraka»

Powered by LifeType