Maharesaka.VETO

Ny mety ho antom-pandroahana ny masoivoho frantsay eto Madagasikara

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 22:05

Nanaitra tokoa ny nahita sy nandre ny kabarin'ny masoivoho frantsay nandritra ny lanonam-pankalazana ny fetim-pirenena frantsay androany. Tsy avelan'ny filohan'ny Repobilikan'i Madagasikara hanohy ny asa ananendren'ny filoha Frantsay ahy intsony aho. Raha ny fahafantarako azy tsy ho tonga hatrany amin'ny fanafohezana ny fotoam-piasan'ny masoivoho ny fanapahan-kevitry ny filoha raha tsy nisy zavatra goavana manahirana any ambadika any (zavatra mpitranga ihany izany indraindray). Eo amin'ny resaka dipilaomatika anefa dia azo atao tsara ny tsy milaza izay antony amin'ny sarambabem-bahoaka. Dimy volana monja izany no niasany teto Madagasikara raha roa taona mahery kosa ny an'ny teo alohany! telo taona anefa amin'ny ankapobeny ny fotoam-piasana manara-penitra araka ny fahalalako kely ity.

Lazaina amin'ny ankapobeny fa tsy olana eo amin'ny firenena sy firenena izao toe-javatra izao fa olana eo amina olona. Raha indroa misesy kosa (ny fahatelo tadidiko dia ilay masoivoho vavy fa teo alohan'ny teo aloha moa izy iny?) mampieritreritra ihany.Efa nanana ny lazany ihany izany filoha malagasy tsy mahazoazo loatra ny Frantsay izany ka manao fanahy iniana mirona kokoa amin'ny Rainiboto. Saina te-hiseho ve fa tsy mifampitambitamby amina firenena nanjanaka teo aloha?

Zavatra iray tsara marihina aloha, nihaino ny fampielezam-peo frantsay re manerana izao tontolo izao aho, ary milaza fa mpihaino azy saiky isan'andro mihitsy, fantatra fa nomen'ny filoha frantsay baiko ny masoivohony rehetra fa atao araka izay azo atao ny fitsitsiana. Maro noho izany ny zavatra fanao tany amin'ny faritra hafa tany no nofoanana fotsiny izao. Ny antsika eto Madagasikara anefa dia ireny hitantsika amin'ny gazety ireny fa asiana fandihizam-bahoaka ity fety ity... tahaka ireny hoe fetim-bahoaka mihitsy ilay fetim-pirenena frantsay (sao dia izay no nahaletra ny filoham-pirenena malagasy). Manaraka izany tsy nisy filazana ity fandehanan'ny masoivoho frantsay ity io radio frantsay efa diso fantatra io. Tsy fahasahiana hiteny ve sa efa mahalala ny antony ka aleo mangina sa miandry ny fotoanany ny zava-drehetra?

Kisendrasendra ihany koa ve? Vao nandika lahatsoratra tao amin'ny Globalvoices Online mihitsy aho androany ka zava-nisy teto madagasikara no nolazainy. Fitakiam-pamotsorankeloka any amin'ny filoham-pirenena sy ny Minisitry ny fitsarana ary fikambanana frantsay milaza ho sakaizan'ny vahoaka afrikana no nitondra izany tany. Mety ho antony iray nahatezitra ny filoha ihany koa ve? Tombatombana tsy voatery ho marina saingy raha amin'ny fomba fihevitra dia toy ny fametrahan-toerana ho mpitondra maoraly amin'ny mpitondra afrikana... ny filazana hoe sakaizan'ny vahoaka afrikana manko dia nampitamberina ny tamin'ny taona 2002 sy 2003. Raha nanao fiarahabana ny fetim-pirenena malagasy ny mpitondra frantsay tamin'izany fotoana izany dia tsy nivantana tamin'ny mpitondra solontenan'ny firenena malagasy mihitsy ny arahaba fa tany amin'ny vahoaka malagasy. Toy ny natao hifandona na hifanandrina ny vahoaka sy ny mpitondra amin'izany hafatra izany. Tantara niainana izany ka tsaroana tsara mihitsy. Koa raha manonontena ho sakaizan'ny vahoaka afrikana...noho ny tantara efa niainana...dia lasa mieritreritra koa etsy ankilany hoe fa mpanohitra ny mpitondra afrikana ve? tsy hiteny mihitsy aho hoe jadona sa tsia ilay mpitondra resahina fa lasa ahafa ihany ny eritreritra.

Tombatombana izany fa mahagaga ho'aho fa rehefa mieritreritra hamoaka lahatsoratra heveriko ho matotra aho (resaka fanagasiana ohatra) dia tsy mety tafavoako ilay izy noho ny fanahiana tsy hanam-potoana ho amin'izany ka izay no nahatonga ahy tsy nanoratra fotoana elaela izay. Ankehitriny nanery tena fotsiny hamoaka ity lahatsoratra ity fa raha hiandry izay tian-kosoratana rehetra toa lany andro am-pisainana fotsiny.


O ry jirama o! Mitombo izany vidinjiro izany aloako izany

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 11:11

Marina fa misy vitsivitsy ihany ny mpiara-miasa amiko namako no miasa ao amin'ny Jirama. Tsy mikendry azy ireny aho na hanafintohina azy ireny velively. Efa nambara ombieny ombieny fa nahantona ny fampakarana ny vidinjiro saiky natao na hatao. Gaga anefa aho fa nitombo be ihany ny vola naloako. Inona ny antony?

Iray volana izany no nandrenesantsika fa nisy fitokonana nataon'ireo mpandray ny marikisan' ny jiro sy ny rano any an-tokantranon'ny tsirairay avy any. Mazava loatra fa misy fihemorana ny andro mahazatra fandalovany any an-trano. Efa nanamarika sahady ny gazety fa ny mpampiasa ny jiro sy ny rano (tsy tokony hoe mpanjifa satria tsy maintsy ilaina izany jiro sy rano izany amiko sady orinasa tokana no misy eto) no ho matiantoka amin'izany fitokonan'ny mpiasa mandray marikisa izany. Tsy te-hino aho satria efa nisy fitokonana enimbolana teto Madagasikara... fa noezahin'ny jirama ny nandamina azy mba ho toy ny fandoan'ny olona isam-bolana ihany no aloan'ny tsirairay. Nihevitra aho fa noho ny fahatarana folo andro dia hojeren'ny jirama io olana mety hianjady amin'ny mpampiasa io sady vola rahateo no resaka. Kanjo, diso hevitra aho.

Nataony tany amin'ny vaniny (toy ny hoe vanim-pary no tiako ilazana ny tranche izay azo atao hoe silaka koa?) faharoa daholo ny fahataran'ny fahatongavan'ny mpandray marikisa. Tsy niraharaha ny mpiasan'ny jirama... tsy niraharaha ihany koa ny fitantanana tao amin'ny jirama. Mazava loatra fa na tsy niakatra aza ny vidin-jiro, ny fahatarana tsy avy amin'ny mpampiasa ny jiro sy ny rano kosa dia fanasaziana anay voatonona farany. Vola no tadiviin'ny jirama dia nahazo vola fanampiny izany izy. Ny ahy manokana dia nanakaiky ny avo roa heny tamin'izany fandoako isambolana tamin'ity taona ity no lasa aloako raha maherin'ny telo heny noho izay naloako tamin'ny herintaona katroka izany (jona 2007).

Lasa ny eritreritro manoloana io toe-javatra mihatra amiko io. Lasa mieritreritra resaka ambadika eo amin'ny olona vitsivitsy tao amin'ny fitananana ny jirama sy ireo mpitokona aho. Lasa manao hoe nisy ny nitarika ny mpiasa hitokona hahatara ny fandraisana isa any an-tokantrano ka hampitombo izany ary dia hitombo be ny vola aloan'ny tsirairay (io no tena tanjona) rehefa tsy asondrotra ihany ny vidin-jiro. Dia mody mifampizizo ihany ny tsirairay... Tena tsy misy fikambanana mpiaro ny olotsotra iharan'izao fanondrotana ankolaka izao ve? Izao raha tany amin'ny faharoapolo ny volana no fandalovan'ny mpandray marikisa lasa aty amin'ny fanombohan'ny volana ry zareo vao mandalo ao an-trano.Eee! aza mba voany tahaka izao ihany e! fanitombo be ihany ilay miandry amin'ny iray volana nefa aho tsy mba nampiasa solosaina loatra nandritra iny volana lasa iny a! sa nandeha foana moa ny televiziona tao an-trano?


Ankafiziko mihoatra noho ny Pazzapa

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 05:44

Tsy azoko lavina fa anisan’ny be mpanaraka hatramin’izay ny fandaharana Pazzapa ataon’ny rta na dia tsy fanarako loatra aza. Maro ihany ny fandaharana mifandraika na mitovy amin’ny ataon’ny televiziona hafa eto an-toerana fa tsy misy mahatoraka ary tsy mbola misy mahoraka noho ny azy. Na eo aza izany dia tsy kely ny tsikera toy ny fampanofisana ny tanora halaza vetivety amin’ny alalan’ny hira ka izay angamba no nahatonga azy ireo nandray fepetra tsy handray afa-tsy ny olona mahatratra ny faha-18 ny taonany tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy sasatra na dia izany aza ny televiziona hafa mikaroka fandaharana manana ny kanto sy tsara ho ankafizina satria mitandro ny mahamalagasy ihany. Asongadiko manokana amin’izany ny televiziona Malagasy Tvm.

Rehefa alarobia folakandro iny dia somary mifampitohy ny fandaharana vokarin’ny Malagasy sy mitodika manokana ho an’ny Malagasy na dia mety hahaliana ny vahiny ihany koa aza izany. Fandaharana famerenana ireo nefa dia tsy tian’ny mpanaraka azy ho adinoina ary tsy mankaleo aza ny mijery azy indray mandeha raha toa efa narahina izy tamin’ny faran’ny herinandro. Ny fandaharana Anim’Artista sy ny fandaharana J ‘jejo no tiako asongadina eto aloha.

Anim’artista, manasongadina ny kanto malagasy indrindra fa ny hira aloha amin’izao fotoana izao. Raha somary nibahan-toerana ny resadresaka tany aloha tany dia efa nampiana ho betsaka kokoa ny hira raha ho an’ny mpihira. Nefa tsinjoko etoana fa mety tsy hijanona intsony amin’ny lafiny hira ity fandarahana ity raha jerena ny voatendry ho mpitafa amin’izay vahiny nasaina. Nanjary nisy mpandihy na mpanao sarimihetsika manko tao ho ao nanentana, toy ny mampahatsiahy fa tsy ny mpihira ihany no artista fa mivelatra amin’ny fanolokoloana ny kanto rehetra izany.

J’Jejo, fandaharana tokony ho natokana ho an’ny vehivavy raha ny izy saingy mahafinaritra ahy ihany ny mahita tovovavy kanto maro ao anatiny milatro. Tsy anavahana volonkoditra sy fihaviana izany fa tsy mbola nahita mpilatro vazaha aho aloha tamin’ity fandaharana ity. Nahavariana aza tamin’ny fandaharana farany nojereko fa ny mpilatro iray dia tsy niverina fanindroany intsony nitondra fitafy hafa. Efa mihamaro ve ny mpilatro? Somary hafa nefa mifampitohy ny filatro ataon’ny vehivavy efa lehibe manao fandeha tsotra fa tsy amboarina tahaka ny ataon’ny mpilatro tanora, manasongadina kosa ny fahamendrehan’ny fitafin’olon-dehibe amin’zao fotoana izao ary tsy manao ho mampahamenatra ny habe efa vaventy avokoa.

Fa na eo aza ireo fandaharana roa navahako ireo dia manadino ny tena antom-panoratako aho raha izay ihany no lazaiko. Izaho angamba no tsy mahara-baovao intsony fa heveriko ho tsy mba misy mpilaza izy ity nefa tena manandratra ny hakantom-peo sy kolontsaina malagasy. Fantatrareo ve fa misy fifaninanana kabary hoan’ny sokajy rehetra hatramin’ny ankizy ka hatramin’ny efa katraka amin’izao fotoana izao mitety faritra maro? Raha tsy mahalala ianao dia efa nolazaiko anao ary izy ankehitriny.

Tamin’ny alatsinainy alina taorian’ny vaovao ary mialoha ny fandaharana kianja misahana ny fanatanjahantena no tsipalotro ny fandaharana kabary sompi-pahendrena. Mbola sokajy zandriny no naseho, tsy fantatro hoe rahoviana indray no misy manaraka fa rarakivy araka ny fiteny aho mahita ireto tanora herotrerony (mbola zaza ny iray) tafakatra amin’ny dingana manaraka mifaninana amin’izato fandaharam-pitenenana sy lantom-peo mahaliana ny mpitandro ny teny malagasy. Izaho manokana aloha tena mahatsiaro tena fa mbola tena ambany dia ambany amin’ny fitandroana ny teny malagasy miohatra amin’ireto ankizy (tsy ampy taona) ireto. Velona ho azy tanatiko tao ny hianatra kabary ary te-hahalala izay mpampianatra kabary mahay aho nahita azy ireto. Fifaninanana mila safidin’ny mpijery ihany koa izy ity ka manontanintania ihany ny ao amin’ny Tvm. Te-hiteny ny namana ao amin’ny telomiova ihany koa aho hoe asio fampianarana kabary ihany koa ao amin’ny vavahadin-tseraserantsika ao raha mbola tsy misy izany fa mety hanintona olona maro isika amin’izany.

Raha atao hoe dokambarotra ity lahatsoratro ity dia dokambarotra tsy nahazoako na dia ariary na dôlara iray na Eorô iray aza. Fantatro fa tsy hanambola ho amin’izany ny mpitandro ny teny sy ny kanto malagasy ary fantatro fa vitsy an’isa ny mpanambola hanohana izany fanandratana ny teny sy ny kanto malagasy izany ka izao no mba fandraisana anjara kely ataoko. Naleo koa miteny zavatra mahafinaritra hilana voly sy hampilendalenda izay mahatsiaro fa Malagasy rehetra e! 


Akon'ny sambo nandefa afomanga nirehitra tany Toamasina

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 13:58

Tsy nisy tohiny tamin'ny fampahalalam-baovao ilay sambo nirehitra tany Toamasina. Tombana sy siosio sisa no tena miely ka tsy fantatra izay tena fahamarinany. Fakantahaka ny tany ivelany ve no anton'ny fahamaizana? raha mety ho vy ny "nave" na ny tokotanintsambo any ivelany ary manokana ny mpandefa ireny afomanga ireny mety tsy ho izany kosa ny taty Madagasikara.

Ny re dia miaramila roa no nalefa haingana tany amin'ny hopitaly sady tena ahiana ny ainy. Ra hono izany. Ny hany re dia averina anio alina iny afomanga tany Toamasina iny ary miarahaba antsika hafa rehetra tsy maty fo aman'aina. Hahatratra ny fety arivo mitsingeringerina indray


Mivantana Toamasina: NIrehitra ny sambo nandefa ny afomanga

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 19:32
Tsemboka tsy fidiny Ravalomanana. Tamin'ny 7 ora sy sasany katroka dia nirehitra ilay sambo nandefasana ny afomanga tany Toamasina. HIta mivatana tamin'ny televiziona Nasionaly Malagasy izany. Nifarana tsy fidiny ny tany raha mbola nitohy kosa ny teto Antananarivo.
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 ... 58 59 60  Manaraka»

Powered by LifeType