Maharesaka.VETO

Sary 100n ireo tany Antsirabe

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 10:02

Eto Mahajanga miaraka amin ny namana serasera dago aho amin izao fotoana izao. Raha any an-tsena ny be sy ny maro izaho kosa nitsidika havana. Nahita solosaina finday qwerty aho eto ka mitsipona akotry tanteraka manoratra. Mbola mieritreritra ny hijanona manko aho fa tsy hody hiaraka amin ny be sy ny maro rahampitso.

Amin ny Sabotsy mihitsy aho vao mieritreritra ny hiakatra na dia miasa avy hatrany aza aho ny alahady. Izay no ela fa efa azonareo jerena ao amin ny tahirintsary any ambany indrindra any ny sary nalaiko tany Antsirabe ary noezahiko natao lehibe hahafapo anareo mihitsy ny sary afa-tsy ilay sary iray izay ihany. Bira 2008 no nataoko anarany ary misy karazany telo izy ao.

Saiky nanoratra ihany aho fony nandalo tao Antananarivo satria efa tamin izany fotoana izany no nampidiriko ireo sary ireo (nandaniana alina iray manontolo). Dia mazotoa mijery ary e.


Tropicana II: Nahoana no mahasahy manome volabe ny fianakaviana?

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 04:17

Toe-javatra anankiray tsy eken'ny fianakaviany ho loza tsotra hatramin'izao ilay loza nahafaty ireo shinoa Taipei mpandraharaha lazaina fa saiky hampiasa ny volany teto Madagasikara. Mahavariana tokoa hoe mpandraharaha avokoa ireo vahiny niara-dalana ka maty, na nanjavona, rehetra ireo. Mitady andinim-baovao mikasika azy ireo na momba izay nanjo azy ireo ny fianakaviany ary manamby volabe ho amin'izany ary tongany mihitsy hatraty Madagasikara. Nolazain'ny vaovao tany aloha fa nikasa ny hampiasa vola eto an-tanindrazana ireo shinoa Taipei ireo. Fa mampisalasala raha lazaina fa vao fikasana ihany ny azy ireo.

Raha vao re ny fanjavonan'ny sambo Tropicana II dia nandefa sambo hafa hitady azy ireo na ny sisany ny fahefana mahefa any amin'ny faritra nisehoan'ny loza. Nahavariana fa niharandoza ihany koa ireo mpitandro ny filaminana tao anatin'ity faharoa nikaroka ary nahafatesana olona ihany koa. Mizara roa ny eritreritry ny mpiresaka amin'ity raharaha ity. Ny voalohany amin'izany dia avy amin'ireo efa zatra ny faritra.

Niainga avy any Toamasina ho any Maroantsetra na ny faritra avaratra atsinanan'iny nosy iny ireto mpandraharaha ireto ka ny fitaterana an-dranomasina no noraisiny. Lazaina ary fa faritra manana ny fadiny iny fari-dranomasina iny, toy ny tsy fahazoan'ny vehivavy bevohoka sy/na anaty fadimbolana mandeha amin'ny sambo noho izay fady izay ka andrasana any amin'ny toerana iray voatondro ry zareo amin'ny fanohizana ny dia. Misy koa ny filazana fa tsy tokony ho taitaitra na hitsamboamboatra foana ny mpandeha raha mahita zavatra, toy ny hazandrano mitsambikina anaty sambo ohatra, fa amin'ny fotoana mampitsamboamboatra iny no iharandoza ny sambo andehanana. Misy karazany toy izany ny fombafomba amin'iny faritra iny ankoatra izay tsy voalaza ka raha heno ny fisian'ny loza dia  izay no ao an-tsain'izay mino sy mahalala izany. Finoana io noho izany. Tsy asiana resaka lava.

Ny hevitra faharoa kosa dia resaka volabe ranofotsiny. Tsy hoe nikasa handraharaha hampiasa vola ireto mpandraharaha ireto fa efa tao anatin'ny fampiasana ny volany mihitsy.Izany hoe efa niaraka tamin'ny volabe ry zalahy, ny efa zatra ilay tambajotra no miresaka fa rehefa mankany Maroantsetra ireny vahiny ireny dia hividy vatosoa no tena anton-dia voalohany. Izany mividy izany dia midika fa mitondra vola ry zalahy ary mazava loatra tsy ho kely velively ny vola entiny miaraka aminy. Amina sakaosy lehibe mihitsy aza izany vola izany. Marina fa natsahatry ny fitondrana ny fanondranana ny vatosoa, ny fampitsaharana anefa tsy voasakan'ny sisintanintsika tsy ampy fiarovana ka ahafahan'ny rehetra miditra sy mivoaka antsokosoko miaraka amin'ny zavatra na entana entiny miaraka aminy. Mety hisy noho izany no tratran'ny faikam-panahy amin'ireo niara-dalana rehetra ka nitady hevitra mba ho azy, na anaovan'ny iray teti-dratsy kopaka isasahana, ny vola toa hampanankohariana vetivety. Matoa ny fianakavian'ireo mpandraharaha nandà nyloza ho tsotra na voajanahary dia mirona kokoa ho amin'ny lafiny isian'ny heloka bevava ry zareo.

Sarotra ny fanadihadiana sady azo lazaina fa tsy olonolom-poana ireo nanjavona ireo ka mbola hitana ny sain'ny mpanara-baovao. Tombatombana ihany ny ahy ka tsy voatery ho marina. Ilaina anefa ny mamisavisa ny lafiny rehetra mba hahafaingana ny famahana ny olana. Fijerin'olo-tsotra ihany ny ahy ka azo tsy raisina mihitsy. Ny hevitrao no tsy fantatro amin'ity raharaha ity.


Raha nahay nihomehy iny Vakana iny

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 10:53

Asa raha noho ny fialan-tsasatra efa tafiditra tsara amin'izao fotoana izao fa dia hirediredy tokoa moa izany. Misy tokoa manko ho an'ny mpanoratra zavatra matotra mandrakariva ny fotoana anoratana zavatra tsy matotra tsindraindray mba ho ala hamohamo eny ihany. Noho izany azonao atao mihitsy ny tsy mamaky ity lahatsoratra iray ity. Atao karazana angano ilay izy aloha. Tsy ataoko hoe Ikotofetsy ny Imahakà intsony ilay tantaraina fa andeha atao hoe Ikotofatsora sy Idontofetsy (fa tsy i DontoMG mihitsy aloha fa aleo mody atao hoe izaho io!).Indray andro, hono, indray ity izany e!

Iray lalana Ikotofatsora sy Idontofetsy no nahita zatovolahy iray niambozona vakana mahafinaritra. Ny Vakana no Ravaka fanaon'ny olona taloha ifampiavahana noho ny herim-po aza. Ataoko fa maro isika no mahafantatra ilay fomba fiteny hoe "Izaho ve no namono ny voay dia ny hafa no hiravaka ny Vanginy?", rehareha ny miravaka Vangim-boay satria zavatra sarotra indrindra izany tamin'ny fotoana tsy nisian'ny basy... fa ankehitriny noho ny lasitra tandrefana iainana dia karazany ratsy izany mikitikitika na mikasokasoka nify izany, nahita ilay vatomamy nify aho fa rikoriko avy hatrany sady nieritreritra anaty hoe iza koa no hitsakotsako nify? Tsy mahagaga raha tsy misy mpividy mihitsy ilay vatomamy nify! Ny mpitady solonify aza no mety hanontany hoe "solonify ve io"? Marina kosa aloha fa manome endrika ny tarehy tokoa ny nify e! aza mba banga ihany. Oadray! rediredy soratana tokoa ka mivaona sahady! andao hiverina amin'ilay tantara fa tsss...

Tena mahafinaritra tokoa ilay Vakana na dia noho ny fanintonana ataony amin'ny mason'ny mpijery sy ny mpandalo fotsiny aza. Tsy mahagaga ary raha mba voasintona ihany koa ny mason'Ikotofetsy sy Imahakà, oadray...Ikotofatsora sy Idontofetsy no izy. Meva anie izany e! kanto dia kanto tokoa. Raha nahita ary Ikotofatsora sy Idontofetsy fa mbola zatovolahy ilay miambozona Vakana dia mieritreritra ny hanambaka ry zalahy. Raha mahatadidy ny tantaran'Ikotofetsy sy Imahakà ianareo dia tsy mba mamono olona mivantana mihitsy ry zalahy fa ataony ihany na izany aza izay hahafaty ilay olona tiany angalarana ankolaka, dia tahaka izany koa ny azy mirahalahy... fa izao no sampona; tsy ilay zatovolahy no tiany ambakaina voalohany indrindra fa ry zalahy no te-hifanambaka aloha. Tsy mety atao toy ny Valala manko ity Vakana mahafinaritra ity ka hoe ifanapahana fa na iray ihany ny tompony, na raha mahay mifanaraka dia tsy misy tompony fa mifandimby miambozona. Tsy hety amin-dry zalahy mihitsy anefa io toe-javatra faharoa io fa ny ho tompony manokana ihany no kendreny. Tadiavina noho izany ny hevitra hanilihana ny iray fa dia tahaka ny tsy kaonty mihitsy amin'io fotoana io ilay zatovolahy miambozona ilay Vakana. Ity tokoa no tonga amin'ilay fiteny hoe "Valala eny An-danitra ka asiako sira" eisy aho hoe e!

Sampona faharoa, samy mahalala izy mirahalahy fa mikendry ny hahazo ilay Vakana ny andaniny sy ny ankilany. Iray lalana matetika anefa izy mirahalahy ireto. Manomboka mipetraka ny olana. Toa samy tsy hahay hifandefitra amin'ity Vakana iray ity izy mirahalahy. Toa tsy ho tontosa intsony ilay fanoharana ratsy manao hoe "iray petsapetsa" sy ilay fanoharana tsara manao hoe "iray donak'afo". Nefa toa samy miroso tsy handefitra ihany koa na dia efa ambozon'olona aza ny Vakana iadiana (aiza ny taratasy manamarina fa efa azy ny Vakana?)...

Dia lasa ny saiko nanao hoe, raha nanana maso manko iny Vakana iny efa hitany soa amantsara ny fipelipeliky ny masonareo nibanjina azy mandrakariva, raha nahay nihomehy manko iny Vakana iny efa nitokelaka tokoa izy, raha nahay naneso manko iny Vakana iny efa tsy Ikotofatsora sy Idontofetsy intsony no iantsoana anareo fa Ikotofanambàka sy Idontofetsena. Raha nanana vava manko ny Vakana iny niteny hoe "Angaha Vakana tsy mahalala tompo aho ka tadiavinareo alaina fotsiny izao? miresaka aminareo aho ka miresaka aminareo fa ny foko tsy akory tsy ho lasanareo velively"

Fa hono tokoa ho aho. Toa tsy mba misy tantaram-pitiavana mihitsy amin'ny tantaran'Ikotofetsy sy Imahakà e? Ny tantaran-dry zalahy izany no angano malaza nefa tsy tantaram-pitiavana ô?


Resa-behivavy: Mihena ve ny fitiavana rehefa misy zaza?

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 23:23

Fa angaha nihaino resa-behivavy i jentilisa no izany indray no taterina eto? Tsy resaka nifanatrehana akory izy ity fa karazana karajia ihany. Karajian'ny mpiara-miasa, karajian'ny saiky mifankafantatra avokoa saingy rehefa mifanoratra tsy afaka miresaka mivantana ry zareo fa tsy maintsy ampandalovina eo amin'ny lazaiko hoe serasera (server) ny hafatra. Ny serasera ihany no afaka manome toromarika ho an'ny rehetra miaraka, ny any amin'ny sampana rehetra any kosa, manerana an'i Madagasikara io, tsy afaka mifanoratra manokana fa tsy maintsy miangavy ny eo amin'ny serasera hampita ny hafatra.

Nahitana hevitra, vao tamin'ny faran'ity herinandro ity, anefa ny anaovan'ny rehetra karajia, sady miresaka no miasa, rehefa faran'ny herinandro iny indrindra. Ny anavahana azy eto dia vehivavy avokoa no mikarajia afa-tsy ny eo amin'ny serasera. Mampita ny hevitry ny avy any amin'ny sampana iray ho any amin'ny sampana hafa ihany no tena anjaran'ny serasera. Marihina fa ahitana ny toetra manavaka ny vehivavy ihany koa eto amin'ity mikarajia ity. Ny vehivavy afaka mitafa tsara no sady mandeha soa aman-tsara ny asa, ny lehilahy kosa tsy dia mahavita izany loatra amin'ny ankapobeny fa raha mifantoka amin'ny zavatra iray izy dia tavela kokoa ny zavatra faharoa hany ka mivandravandra eo anatrehan'ny vehivavy ny lehilahy iray manana adin-tsaina na fifaliana ao anatiny ao. Ny lehilahy kosa tsy mba mahamarika loatra izay manjò ny vehivavy eo akakiny afa-tsy raha hoe efa mifankazatra tsara nandritra ny fotoana elaela angaha ry zareo.

Mba ialana amin'ny fifanebahana anefa dia tsy misy anaran'ny mpandefa na ny solon'anarany ny mesazy tsirairay amin'ny karajia ifanaovan'izy ireo. Ny eo amin'ny serasera ihany no mahafantatra izay nandefa ny hafatra iray. Ny lohahevitra ary dia io efa voasoratra amin'ny lohateny io: Mihena ve ny fitiavana rehefa misy zaza? Marihina fa noho ny hafatra tsy maintsy afindra tanana (Ctrl+C sy Ctrl V avy eo) dia mety hisy fifandisoana madinidinika ny filaharan'ny fahatongavan'ny hafatra tsirairay. Faharoa manaraka izany, tsy maintsy ataoko teny ara-pitsipika avokoa ny teny rehetra izay lasa nohafohezina araka ny fomban'ny SMS. Mba entintsika itarafana ny vehivavy tsy mahalala ny karajian'ny namana serasera ihany koa ity resaka mifampita eto ambany ity:
Mitombona satria variana amin'ilay zaza//
Misy ny tsy mahavaha tena intsony ny vehivavy fa any amin'ilay zaza no andanianandro//
Misy ny mampitombina azy nefa azo ialana//
Tsy mitombina satria variana kely amin'ilay zaza ny vehivavy fa avy eo miverina ihany//
Mizara roa fotsiny//
Tsia,lainga izany//
Manokàna fotoana mba ho anareo 2 tahaka ny tsy mbola nisy zaza eee//
Mba anokanana fotoana ho an'ilay vady ohatra miaraka misakafo any amin'ny restaurant dia ianareo mitsama ihany eee tsy misy zaza io//
Hatry ny izay taloha foana re eee//
Aleo variana amin'ny zaza toy izay variana amin'ny ray maditra eee//( resaka lehilahy maditra manko no lohahevitra nialoha ity)
Inona no atao mba tsy hihena mihitsy ny fitiavana?
Tsy voatery mankany amin'ny resto fa na ao an-trano ihany aza//
Mifandamoro kely rehefa dôdô ny zaza eee//
Tsy ahena ny an'i dada fa atao ohatry ny taloha ihany//
Ilay cheri cheri ezahana mba ho misy foana eee//
ZAY DADA BE EEEEEE//TOKONY vao MAika MITOMBO ANIE NY FITIAVANA REFA MISy ZAZA//
Na miady aza ampihavanin'ny zazakely foana//
Mba manokàna fotoana sy fihetsika vaovao ho azy ianao, surprise eee//
atao izay iarahana matetika tsisy zaza: spectacle, resto, sns//
Ny lehilahy no tena mihena fitiavana satria mihamalalaka izany HONO ny vadiny//
 ha ha ha ha  tsy marina zany eee//
Aza mampihomehy eee//Elastique leitsy io a (misy ho'aho mihevitra foana fa izaho no mandefa  ilay hevitra taingina)//
Mba manova fihetsika kely isika fa tsy variana amin'ny zaza foana ka//
zay mintsy eee// ka io ange tsy hoe halalaka foana fa amin'ny voalohany ihany//
Fa inona amin'ny vadiny no mihamalalaka? Tsy azoko mihitsy ilay resaka eee//
Efa hita fa elasitika//tairo lanja basin'ny anglisy rangaha izy a!aiza ny tsy ho tamana eo//
 aza mody fanina kosa aloha eee//
Nataoko ihany ny tsy hiteny fa sao hiteniteny foana ianareo ireo (tsy nanoratra tokoa izy raha tsy teto)//
Essaie aussi d'être plus tendre qu'avant (tsy afa-miala fa nataony teny firantsay)//
Ka tsy efa nisara-bady izany ireny maro anaka ireny? hihihi//
Ianao no tena mampihomehy, ny sainy indray ve no hihamalalaka rehefa avy teraka?
ianao manontany io ve 12 ans raha tsy mahadiso fa toa tsy maharaka mihitsy eee?
(voatery nanoratra aho teto,lasa moderatera)aza fady eeeee//aza mifanebaka aloha fa manjary mivadika ny resaka eee//
NY fony eee//
Izaho ry reto mba mihantahanta kely amin'n'i dada dia mihatsara foana eee//
sao de olona mbola tsy niteraka io namaly io asaivo miteraka izy aloha dia fantany izay malalaka//
tsss, iny ary ve vao maika mampifankatia be tsy mbola nisy ohatran'izany eee// hihihihihieeeee//
Kolokoloina ilay fitiavana dia milay foana eee//
ny hikolokoloana azy ary eee//
Misy ny sasany toa tsy mahazomihantahanta koa//
Na mba miresaka kely ny taloha rehefa mba misakafo iny e mety anie zany e//
Tsy mampiasa zaza tsy ampy taona akia ny (orinasa) a!
Ny fiainan'ny vazaha anie mba misy azo ianarana ihany eee//
Ny fahaizanao mitia ny zanakao sy ny vadinao ihany io eee//
Karakarao tsary izy ireo dia milamina io eee, manomàna fialantsasatra//
ny  tsy  hisian'ny ady eee//
milay be ilay valinteny farany teo samy tina daholo//
raha tsy azo ihantana ary izy de ianao ihany no mahay izay hahafaly azy de milay fona amin'izay e//
Ny ady tsy maintsy misy raha mbola mpivady ny anaranareo//
Tsy adinoina ny BISOUS/ CHERI  SNS  ....//
ahoana ilay hoe fiainan'ny vazaha?
Ny asa atao fa tsiiiiiy//

Ary dia tapaka hatreo ny resaka, tsy nety nitohy intsony tamin'iny andro iny. Azonareo tohizana fa aleo ihany tsy mihoa-pefy. Variana aho, mbola misy ihany ny vehivavy efa manana dipilaoma mbola tsy mahalala ihany ny toe-tenany ka tsy atao mahagaga raha mbola be koa ny lehilahy diso eritreritra.Tsy manana ny halakin'ny karajia ireo resaka rehetra ireo fa mifanelanelana atsasa-minitra eo ho eo ny haingana indrindra. Marihina ihany fa samy mahavita ny asany ara-dalàna avokoa ireo mpikarajia rehetra ireo.
 

 


sarintavako

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 16:38

Fa atao inona tokoa moa ilay sarintava raha tsy amoahana ny sarin'ny tava? Tsy mety mahazatra ny Malagasy loatra ny mampiseho ny sariny. Tia miafina ve sa fantatra ny tsininy sy ny lesoka aminy rehefa miseho endrika izy? Aleo rangahy avoakoako ny sarintavako a! Izay alehany alehany!

Naka sary aho dia natongilako ilay sary dia nalaiko sary indray ilay sary efa nalaina teo. Inona koa izao no dikan'izany? manala azy e! fa manala azy amim-pahamatorana. Nahoana moa no ry hery sy ry Tokinao ihany no hita endrika? aleo izahay mba hanaraka azy ireo e! mba misy zavatra tiana apetraka ihany koa. Tsy hiteniteny foana rehefa manoratra fa mandray andraikitra amin'izay soratana. Izay efa nahita ahy tamin'ny fiainana andavanandro dia hanaiky fa izaho tokoa io.Tsia! tsy izaho io fa ny sariko ihany. Heveriko fa mariky ny fahamatorana kokoa amin'izay soratana no antony namoahako ny sarintavako. Tsy hiteniteny foana rehefa mamoaka vaovao fa hamakafaka tsara.

Mety ho fiheverana manjaka amin'ny Malagasy ny mamoaka hevitra amin'itony serasera itony amim-piafenana, nefa rehefa tena zohin'ny mpitsikilo ny misy anao hitany foana. Koa raha ho fantatra ihany aleo fantatry ny rehetra toy izay fantatry ny vitsy mikaroka ny momba anao ka raha sanatria misy ny manjò anao tsy fantany akory hoe ianao anie ilay be tabataba any amin'ny serasera any. Fa izaho kosa aloha tsy mampirisika anao hamoaka ny sarintavanao e! safidinao ihany izany fa sao dia lazaina fa i jentilisa indray no nampijabaka, aza fady!


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11  Manaraka»

Powered by LifeType